Omeo olo-marina aho ....

21. niryna ( 21/01/2010 11:44)
Hoy Niryna

ny olona matahotra an'Atra dia misaina vao sahy manao ratsy satria matahotra ilay Atra hinoany.Inona moa no raharahiany raha tapaha-doha na mahantra na tsy mihinana ny vahoakany ? tsy ny paosiny aloha no ho fenoiny, ary maty sy vonoiny avokoa izay manelingelina ny fitondrany sy mijoro hilaza ny marina ,jereo izao ny tantara ao aminsika,didian'ireo mpitondra hitsara amin'ny tsy fahamarinana fotsiny ireo mpitondra ao amin'ny fitsarana ary izay tsy mety manao izany dia rahonany ? raha misy fatahorana an'Atra izy na te anao izany aza ny fisainany dia manenjika azy eritreriny sy ny ilay lalana tsy mety ataony.
Tsy matahotra ilay ATra atahorako hoy ny fiteninsika
rakapy:

Mba omeo anaran'olona matahotra an'A/tra ary izahay e! Ireo mpitondra rehetra nifandimby teo mantsy dia niantso sy nilaza ny anaran'A/tra sy kristiana avokoa nefa dia izao no vokany! misy aza pasitera sy mopera ary mpitory fivavaha mitovy aminao ao nefa aiza???

rakapy a > marina tokoa ny teninao fa izay rehetra tonga teo dia mety ho nihinana avokoa e,fa misy koa azo tsapaina ny asa vitany saingy matetika moa dia izay ny fiainana na atao aza hoe ao anatin'ny fiainan'ny zanak'olona ,izay rehetra tafakatra dia sitomina hiidina avokoa.Misy koa ny tain'alika ka ny avo ihany no totofana.Ny hoe mba omeo anaran'olona matahotra an'Atra aho dia anjaran'ny tsi11 io,izy sy ATra .Izany akory tsy midika hoa izay olona manara-dia an'Atra rehetra dia ho ratsy avokoa,eny misy ny milaza hoe tompoko tompoko fa tsy manaraka na manaradia ny teny izay nomena azy.
Inona no vokany ? izay olona nilaza sy niantso ny anaran'Atra ?
Ary ireo olona nahalala an'Atra kanefa lasa manenjika azy ? inona no mety hitranga azy ireo ? nahafantatra,niaina tao anatin'ny fahalalana ny fahasoavana marobe nomena azy ? kanefa ankehitriny dia manenjika azy? tsy ilay olona mizara ny tenin'Atra velively anie no enjehina fa ilay ATra toriany e ? afaka manome anarana ve rakapy ? bobaka be tsy voatanisa satria efa voalaza fa any am-parany any dia hiangatsiaka ny fon'ny olona ary hanalavitra amin'Atra koa izy ireo ary ho enjehin'ny olona hianareo noho ny anarako hoy i kristy fa izay rehetra maharitra hatramin'ny farany no ho vonjena
Izao fotsiny ihany e,raha mety ny atao na ny saobakaka aza mampididranonketsa.... noho izany rehefa manasoa ny firenena ny olona iray dia tokony mba ho hita iny fa tsy vao maika alavirina ilay fandrosoana nisy.Rahoviana indray vao tafarina ny firenentsika noho ny hetraketraka nisy teo amin'ny firenena? Izay noheverina fa nanao ny tsy mety no tokony enjehina fa tsy ny zavatra no potopotehina dia ny vahoaka iray manontolo no mibaby ny kitra.Mety hoe vao maika manatona an'Atra ny vahoaka? kanefa noho ny tsy fanananana mahazaka maniraka dia lasa mivarina mangalatra sy misoloky ary manao izay tsy tokony atao mba ahazoana vola ny olona satria voan'ny tsy fidiny.
Noho izany tsy ny fanomezana tsiny ny kristiana foana akory no vahaolana fa ny fanatonana an'Atra amin'ny fo madio amin'izay>Ny fahalalana fa ny firenena tsy manana sy tsy miaraka amin'Atra ary tsy mametraka an'ilay Atra ho mpitondra amin'izay rehetra atao dia toy ny biby tsy manandoha tsy mba mandeha sy toy ny fiara tsy misy mpitondra ary dia any ankady no hiafarany




22. niryna ( 21/01/2010 12:01)
niryna:
Omeo olo-marina aho hanangana firenena vanona
Ahoana ny hevitrao ?

==> Hoy i Jesoa Kristy hoe "Ny fanjakàko tsy eto amin'izao tontolo izao". Koa raha firenena araka an'izao tontolo izao no tadiavina ho vanona, inona ilay vanona ?

Ikaretsaka:
Tsy ny fahaizany mitsimpona akory no maha marina ny "mpitondra " anankiray fa nohon'ny asa vitany...

izay indrindra mantsy,noho ny asa vitany hoy ika ,dia tsy tokony ho potehina indray izay efa nahorina e,tokony mbola vao hiezaka aza ny olona hanatsara,jereo ireo manampahaizana nalefa nianatra ny fomba fambolena tany chine.
Tsy mety e,tsy mety ,tsy ny efa nahorina no ravana,toy ny fanaovana trano ihany io ,mazana,lany teny ny hery sy ny vola rehetra kanefa ao anatin'iray minitra fotsiny dia azo arodana azare sy potehina,tsy mora ny manao zavatra fa mora ny mandrava.Toy izany koa ny firenentsika,fatiatoka iray lavaka ho an'ny rehetra ny famotehana ny zavatra efa nahorina.Toy ny fiteny hoe izy mivady no miady ka ny zanany avy no voatorotoro
ikaretsaka:
Tsy ny fahaizana mitsimpona akory no maha marina ny "mpitondra" anankiray fa nohon'ny asa vitany

Tsy misy idiran'ny tsimpona koa aloha ny resaka fitondrana fa ny feo sy ny fisainana ary ny tahotra ilay Atra hinoany dia ampihova zavatra eo amin'ny fitondrany ,tsimpona ? rehefa fantany ny tsimpona ka ampifandraisiny amin'ny fiainany dia ilaina izany na hianao mankahala tsimpona io koa aza dia afaka mampiasa izany tsimpona izany toy ny hoe aza mitsara mba tsy ho tsaraina,sy ny hoe ny famarana omenao ny olona no amaharana anao koa,sy ny hoe na isika miaraka aminy na isika tsy miaraka aminy fa tsy misy afaka anompo roa ka na isika mino an'ilay kristy na isika miaraka amin'i baala sy ny hafa ooops !

ikaretseka:
Tsy ny fahaizana mitsimpona akory no maha marina ny "mpitondra " anankiray fa nohon'ny asa vitany

rzakarivola:

==> Misy karazana asa : mangalatra, mijangajanga, mamono olona, mandainga, miteny ratsy, maniratsira, ... tsy misy na dia iray aza amin'ireo angamba no lazainao e? Fa ny asa maha marina ny mpitondra anakiray dia ny asan' Andriamanitra : "izao ny asan' Andriamanitra, ny hinoanareo izay nirahiNy, satria Izy no nasian'ny Ray tombon-kase", fa izay mino an'i Jesoa no hamarinin' Andriamanitra, dia izay mino ny teniNy.

23. rakapy ( 21/01/2010 13:40)
Hoy iNiryna
Ary ireo olona nahalala an'Atra kanefa lasa manenjika azy ? inona no mety hitranga azy ireo ? nahafantatra,niaina tao anatin'ny fahalalana ny fahasoavana marobe nomena azy ? kanefa ankehitriny dia manenjika azy? tsy ilay olona mizara ny tenin'Atra velively anie no enjehina fa ilay ATra toriany e ? afaka manome anarana ve rakapy ? bobaka be tsy voatanisa satria efa voalaza fa any am-parany any dia hiangatsiaka ny fon'ny olona ary hanalavitra amin'Atra koa izy ireo ary ho enjehin'ny olona hianareo noho ny anarako hoy i kristy fa izay rehetra maharitra hatramin'ny farany no ho vonjena

Angamba tsy dia ilay A/tra loatra no be mpanenjika fa ilay interpretation ataon'ny olombeloa momba azy no tsy itovizana heritreritra. Misy mantsy tena miseho ho toy ny sekretera jeneralin'A/tra mihintsy ny olona sasany ka matetika ny heviny no lazany fa hevitr' A/tra. Afaka manome anarana ve i Niryna? bobaka be tsy voatanisa nefa ny farany aza dia mbola tsy fantany hoe rahoviana. Ny hiafaran'izao tontolo izao no andrasany sy iriny andro aman'alina eto.
24. fijo ( 21/01/2010 22:24)
Misy mantsy tena miseho ho toy ny sekretera jeneralin'A/tra mihintsy ny olona sasany kay kay kay ,elahy wa aza mamely mafy toa io,fa bedy eo anie e
25. niryna ( 23/01/2010 05:42)
Hoy iNiryna
Ary ireo olona nahalala an'Atra kanefa lasa manenjika azy ? inona no mety hitranga azy ireo ? nahafantatra,niaina tao anatin'ny fahalalana ny fahasoavana marobe nomena azy ? kanefa ankehitriny dia manenjika azy? tsy ilay olona mizara ny tenin'Atra velively anie no enjehina fa ilay ATra toriany e ? afaka manome anarana ve rakapy ? bobaka be tsy voatanisa satria efa voalaza fa any am-parany any dia hiangatsiaka ny fon'ny olona ary hanalavitra amin'Atra koa izy ireo ary ho enjehin'ny olona hianareo noho ny anarako hoy i kristy fa izay rehetra maharitra hatramin'ny farany no ho vonjena
rakapy:

Angamba tsy dia ilay A/tra loatra no be mpanenjika fa ilay interpretation ataon'ny olombeloa momba azy no tsy itovizana heritreritra. Misy mantsy tena miseho ho toy ny sekretera jeneralin'A/tra mihintsy ny olona sasany ka matetika ny heviny no lazany fa hevitr' A/tra.
izany ve ? raha tsy nampitondraina azy ny teny dia mety hihevitra ny tenany ho Atra izy.Ary inona tokoa re no mety ho tombotsoany hihevitra fa mitovy ny Nahary azy izy e ?
Mizara izay teny nomena izy ka izay mandray azy ihany hoy aho mandrakariva no ahazo tombotsoa,ny tombotsoa efa nomena azy dia efa nozarainy satria nomeNy maimaimpoana izany izy dia mizara izany maimaimpoana tsy misy vola na mitady harena hiditra any am-paosiny ,ooops
Afaka manome anarana ve i Niryna? bobaka be tsy voatanisa nefa ny farany aza dia mbola tsy fantany hoe rahoviana. Ny hiafaran'izao tontolo izao no andrasany sy iriny andro aman'alina eto.
izany ve? Ny teny rehetra izay nomena dia tsy misy latsaka an-tany na iray aza ,nisy ,misy ary hisy izany ka miambena no hafan'i kristy fa tonga toy ny mpangalatra izy hoy izy.
Eny marina izany fa tsy misy mahafantra isika ka izany no antony hiambesana raha fantatro fa may ny trano dia efa nafindrako ny entako ,nahalala ve ireo olona tao amin'ity firenena kely mahantra ity fa hisy horohorontany? eny angamba ,tsia angamba ary na nahalala aza izy tsy afaka manao na inona na inona fa mety izay afaka nitsoaka ihany no afaka ,toy izany koa isika,omena ombieny ombieny ny teny,zaraina ny zavatra nitranga sy hitranga kanefa moa mino an'izany ve isika? misy ny mino dia mizara,misy ny vao maika manalavitra ilay Atra nanao azy izy ary dia manamafy ny fony izy.
Mety tsy fantantsika anie fa ny fampisehoany zavatra tampoka toa izao dia tokony hianarantsika lesona hoe tsy mahangona na inona na inona isika ity rehefa tonga tokoa ny tokoa.Lasa mitovy ny tantaran'i Noa ity izao. Soa ihany fa mbola maro ny olona novonjeny fa tsy maty avokoa ,mety fampisehoana antsika izany fa isika no mety tsy miraharaha fa vao maika manamafy ny tsy finoana azy.
:D :roll:
26. niryna ( 23/01/2010 05:45)
fijo:

Misy mantsy tena miseho ho toy ny sekretera jeneralin'A/tra mihintsy ny olona sasany kay kay kay ,elahy wa aza mamely mafy toa io,fa bedy eo anie e



:roll: :D :D
27. rakapy ( 23/01/2010 06:10)
niryna [ Valio ] 23-01-2010 06:45:59
Lohateny : Re : Omeo olo-marina aho ....
Hoy i fijo:

Misy mantsy tena miseho ho toy ny sekretera jeneralin'A/tra mihintsy ny olona sasany kay kay kay ,elahy wa aza mamely mafy toa io,fa bedy eo anie e

Nahatsiaro voakitik'ilay fahamarinana angaha i Niryna??? aza taitatrtra fa mety tsy ianao anie no voalaza eto sa??? oooops
28. fijo ( 23/01/2010 23:28)
tsy za ry niryna no nilaza an'io,fa olona tery ambony tery,nalaiko fotsiny le izy satria itako hoe marina
29. benkakely ( 24/01/2010 13:24)
sokafy ny baiboly vakio DANIELA2:44 de hazava aminao Niryana a amizay ny baiboly no manazava ny antony fa tsy izaho
30. fijo ( 24/01/2010 20:33)
tsy voatery ho marina koa anefa izay voalazan'ny baiboly ,fa hialako tsiny
31. benkakely ( 25/01/2010 22:39)
fijo:rehefa tsy mino ny baiboly ianao dia tsy hahazo explication amzao zava-mitrangaizao mihitsy jesosy ary nilaza fa hisy horohorontany jereo rava Haiti,hisy ady jereo fa miady daholo....tsy mino an'Andriamanitra zany enao
32. fijo ( 26/01/2010 20:25)
tssssssss ny siantifika aza efa mahay hoe atsy sy aroa no toerana hitrangan'ilay horohorotany.ka raha ilay filazana safobemantsinafotsiny ,za koa mahay.
za izao dia sahy milaza amin'ise io,fa rahampitso dia hisy zaza maty sy olona higadra ary hisy orana hilatsaka.
33. niryna ( 30/01/2010 05:53)
rakapy:

niryna [ Valio ] 23-01-2010 06:45:59
Lohateny : Re : Omeo olo-marina aho ....
Hoy i fijo:

Misy mantsy tena miseho ho toy ny sekretera jeneralin'A/tra mihintsy ny olona sasany kay kay kay ,elahy wa aza mamely mafy toa io,fa bedy eo anie e

Nahatsiaro voakitik'ilay fahamarinana angaha i Niryna??? aza taitatrtra fa mety tsy ianao anie no voalaza eto sa??? oooops



:roll: :D :D
34. niryna ( 30/01/2010 05:55)
fijo:

tsy za ry niryna no nilaza an'io,fa olona tery ambony tery,nalaiko fotsiny le izy satria itako hoe marina



:D
35. niryna ( 30/01/2010 05:56)
fijo:

tsy voatery ho marina koa anefa izay voalazan'ny baiboly ,fa hialako tsiny



:roll: :lol: :lol:
36. niryna ( 30/01/2010 05:59)
benkakely:

sokafy ny baiboly vakio DANIELA2:44 de hazava aminao Niryana a amizay ny baiboly no manazava ny antony fa tsy izaho


misaotra fa mazava
=D> ^:^
37. niryna ( 30/01/2010 06:04)
benkakely:

fijo:rehefa tsy mino ny baiboly ianao dia tsy hahazo explication amzao zava-mitrangaizao mihitsy jesosy ary nilaza fa hisy horohorontany jereo rava Haiti,hisy ady jereo fa miady daholo
marina izany ary misy antony avokoa ny zavatra mitranga amin'ny fiainana rehetra,famohazana ny mbola velona sy fanomezana fotoana antsika mba hibebaka fa toy ny fisehoan'ny horohorontany ny hiseho amintsika ao anatin'ny fotoana tsy fantatra kanefa efa nampihomananiny isan'andro isika ka dia aza manamafy ny fo intsony ry fijo malala fa efa maro izay tenin'Atra nohenoinao teto izay
....tsy mino an'Andriamanitra zany enao



nino izy dia niala ka,ary izy angamba no amelabelatra aminao ny antony tsy inoany an'Atra intsony saingy raha mahazo loto izy dia iverina aminy indray :D
38. rzakarivola ( 04/02/2010 13:29)
fijo:

Misy mantsy tena miseho ho toy ny sekretera jeneralin'A/tra mihintsy ny olona sasany kay kay kay ,elahy wa aza mamely mafy toa io,fa bedy eo anie e

==> Be dia be tokoa ny milaza ho mpitondra hafatr' Andriamanitra, koa roa ihany no possibilité ho an'ireny tsirairay avy : na izy mpisandoka (mpaminany sandoka), na izy milaza ny marina (mpaminany marina).
Tsy misy afa-tsy iray ihany no ahafantarana fa mpaminany marina ny olona iray : "ny voa no ahafantaranareo ny hazo" hoy i Jesoa, fa "tsy misy hazo tsara mamoa voa ratsy, ary tsy misy hazo ratsy mamoa voa tsara".
I Jesoa no nilaza fa irak' Andriamanitra, raiso ny teniNy (rehetra) dia diniho fa afaka fantarina hoe tena marina ve izany sa tsia. Na izany aza, nanome famantarana Izy hahitan'izao tontolo izao fa Izy tokoa no nirahin' Andriamanitra : ny maha-iray ny mpianany. Fantaro hoe, iray toy ny ahoana izany.
Izaho aloha dia mino fa Izy no tenin' Andriamanitra velona, ka izay lazaiNy dia tsy inona fa izay lazain' Andriamanitra, ary amin'ny alalaNY Andriamanitr ano miteny amin'ny olona.
Izay rehetra milaza indray fa irak'i Jesoa Kristy, na mpianaNy, dia fantaro na tena mpianaNy tokoa na tsia. Raha misy milaza ho iraNy kanefa tsy araka ny tenin'i Jesoa mikasika ireo nirahiNy, dia mpisandoka izy izany.
39. rzakarivola ( 04/02/2010 13:33)
fijo:

tsy voatery ho marina koa anefa izay voalazan'ny baiboly ,fa hialako tsiny

==> Tsy marina ny voalazan'ny Baiboly raha vao tsy izy iray manontolo (fa alaina sombintsombiny).
40. rzakarivola ( 04/02/2010 13:40)
fijo:

tssssssss ny siantifika aza efa mahay hoe atsy sy aroa no toerana hitrangan'ilay horohorotany.ka raha ilay filazana safobemantsinafotsiny ,za koa mahay.
za izao dia sahy milaza amin'ise io,fa rahampitso dia hisy zaza maty sy olona higadra ary hisy orana hilatsaka.

==> Ny scientifiques ankehitriny ? Fa ny Baiboly boky efa oviana moa ?
Eto aho mahatsiaro ilay resaka Internet, fa na ny technologies sy ny avancées ny médecine koa aza dia efa voalaza ao @ Baiboly. Ny fifandimbiasan'ny fitondrana, voalaza tao.
Ny Filazantsara (evanjely) dia fitantarana ny fahatanterahan'ny nambaran'ny Torah.
Izany rehetra izany no manambara fa tsy hevitr'olombelona no nampanoratra ny Baiboly fa hevitr' Andriamanitra. Ary ny Baiboly dia nentin' Andriamanitra nanambarana ny ZanaNy, tsy nentiny hanambarana zavatra ho avy fotsiny, fa hanambarana ny tenaNy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0081