FISAORANA LEHIBE NO ATOLOTRO

1. niryna ( 16/12/2009 11:49)
Niditra ny trano aho dia naheno olona miresaka,gaga ihany aho fa tsy fotoana fahatongavan'ny rehetra anefa ilay ora

Namakivaky ny lalantsara aloha aho ary niezaka namatatra hoe fa maninona no misy olona sahady,vao niditra ny lakozia anefa aho dia ireo ,tsy nisy niteny tsy nisy nivolana izy mianaka,ny vadiko sy ny zanako io.Noheveriko fa nisy maty ilay fahanginana tampoka sy ilay korana enoko teo.Teo vao nitaraina ny zanako fa nanao accident ary nisy fiara nisosa nandeha tany amin'ny tsy tokony tsy nalehany,toerana tsy azo iviliana anefa dia nivily ilay fiara .

Naratra ny lamosin'ny vadiko,tsy fantatro izay niavian'io hoy izy fa ny fantatro fotsiny dia niantso ahy ny zanako fa nanao accident izy ary hatreo ihany dia tsy nahatsiaro saina intsony rehefa avy nanome ilay toerana misy azy.Ny ambulance sy ny jiromenan'ny polisy no itako voalohany hoy izy ary ilay fiaran'ny zanako potika tsy nisy azo noraisina,nidoboka ny foko fa tsy itako ny zanako,io eo izy ao anatin'ny fiaran'ny ambulance tsy mihetsika tsy miteny.Kenda aho ary nivavaka kely mba tsy aninona izy.Noentina tany amin'ny hopitaly ilay zaza ary rehefa natao ny fitarafana rehetra dia tsy naninona izy ,aleloia, praise the lord.Misaotra an'Atra lehibe ny amin'izany!

Ny herin'Atra hoy ny vadiko no naniraka ny anjeliny niaro azy tao anatin'ilay fiara,nisy hery tao,hery tsy azo lavina,asan'ilay Mahery no nibata azy tao anatin'ny fiara satria ilay zaza tsy naratra,ilay fiara potika ary ilay nitrongy azy dia nivily tany amin'ny fefin'ny olona vao tafajanona.
Fisaorana lehibe no atolotra anao ry Atra Mahery,nasehonao anay isan'andro ny asa mahagaga,ny asan'ny tananao,nafahanao tao anatin'ny lozam-piara ny zanakay,tsy aiko ny tsy izara izany fahagagana lehibe nasehonao anay mianakavy izany.Misaotra Tompo o. Amena!
(l) niryna
novalian'i niryna ny 05/02/2010 05:40
2. fanantenana2003 ( 16/12/2009 12:39)
tena fitaivan'andriamanitra mihitsy zany ary isaorana anao nizara izany taminay satria tena mahery ny herin'ilay tsy toaha!
de mirary fahasalamana ho any vadinao sy ilay zanakao
3. doudouridou ( 16/12/2009 12:58)
Aleloia ! Deraina Jesosy !

Mampihoron-koditra ahy ilay resaka accident ity, mampa tsy te hitondra tômôbil mitsy, nefa tsy maintsy.... fa dia apetraka aminy fotsiny ilay izy, dia ny tanany mahery no angatahana hitantana sy hiaro ohatr'izao.
4. arson ( 16/12/2009 14:14)
Tena fahasoavana lehibe tokoa zany, tena mitovy an'izany mihitsy ny lozam-pifamoivoizanan nahazo anay, potika tanteraka ny fiara fa izahay tsy nisy naninona fa kika kely fotsiny ny sandry sy ny lohalika. Andriamanitra tokoa tsy tia ratsy , ary ny tanany no mitantana ny diantsika tsirairay avy.Fitsapana daholo anefa zany rehetra izany !!!!!
5. ni81 ( 16/12/2009 14:16)
Dia misaotra an'Andriamanitra tokoa t@ zany famonjeny ny vady aman-janak'i niryna izany e!
6. Veloo ( 16/12/2009 18:02)
dera sy laza anie ho an'Antra tsitoha... eeeeeee izy irery ihany no afaka manampy antsika..

Mahereza daholo e :-* :-* :-* :-*
7. tywa68 ( 16/12/2009 19:02)
Tena zany marina hoe mampitahotra rafahafatesana ary ny zava-mitranga ohatran'zao no mahatonga saina fa misy mitahy isika : isaorana anie ny Tompo be fampindram-pò :wink: Isaorana koa i Niryna nampatsiahy fa mila miomana foana isika, n'inn2 ataontsika. :-* :-*
8. cutie ( 16/12/2009 21:42)
: arson [ Valio ] 16-12-2009 15:14:14
Lohateny : Re : FISAORANA LEHIBE NO ATOLOTRO
Tena fahasoavana lehibe tokoa zany, tena mitovy an'izany mihitsy ny lozam-pifamoivoizanan nahazo anay, potika tanteraka ny fiara fa izahay tsy nisy naninona fa kika kely fotsiny ny sandry sy ny lohalika. Andriamanitra tokoa tsy tia ratsy , ary ny tanany no mitantana ny diantsika tsirairay avy.Fitsapana daholo anefa zany rehetra izany !!!!!

itovizana io, ny ahy koa alou tsy nisy naratra tsy nisy nin nin mitsy. Miracle :D
9. fijo ( 16/12/2009 21:43)
mampalahelo tokoa fa nisy ny loza,fa ilay hery lazaina lava kosa.......aoka marina
10. cutie ( 16/12/2009 21:44)
:-D :-D :-D :-D
11. cutie ( 16/12/2009 21:45)
Mpandefa : Veloo [ Valio ] 16-12-2009 19:02:01
Lohateny : Re : FISAORANA LEHIBE NO ATOLOTRO
dera sy laza anie ho an'Antra tsitoha... eeeeeee izy irery ihany no afaka manampy antsika..

Mahereza daholo e

HS ty: mba jereo kely ny mail-njy fa misy fanontaniana any :wink:
12. fijo ( 16/12/2009 21:46)
tena HS marina le
13. cutie ( 16/12/2009 21:49)
:-D :-D :-D :-D
14. fijo ( 16/12/2009 21:50)
tsy maninona e,efa mahazatra ihany izay
15. cutie ( 16/12/2009 21:52)
ie, efa tokony ho kopy koa i nyrina :-D
16. fijo ( 16/12/2009 21:53)
izy ve moa haninona fa "ilay hery" no ahiako
17. cutie ( 16/12/2009 21:55)
:-D :-D :-D :-D :-D
efa kopy koa le "hery " ka, za nga manota
18. fijo ( 16/12/2009 21:56)
hay va moa
19. cutie ( 16/12/2009 23:06)
:wink:
20. niryna ( 17/12/2009 04:20)
fanantenana2003:

tena fitaivan'andriamanitra mihitsy zany ary isaorana anao nizara izany taminay satria tena mahery ny herin'ilay tsy toaha!
de mirary fahasalamana ho any vadinao sy ilay zanakao
miombokevitra aminao tanteraka 100%
Ny fahatsampana ny asatanan'Atra dia mahatonga antsika
izara izany ny hafa .
misaotra fanantenana a
Tamin'ny alina izahay tsy nahita tory fa kenda tanteraka,resy lahatra toy ny miracle maro nasehony tamin'ny fiainanay,mino koa aho fa maro no mahatsampa izany miracle izany isan'andro,mety ho kely mety ho goavana.Ny fisaorana azy,ny fiderana azy ary ny fizarana izany dia tena zava-dehibe tokoa ary mbola tsy mitsahatra misaotra ihany izahay mianakavy kely ny amin'izay famonjena ilay zaza izany.
Na ny a ssurance ny fiara aza dia niantso vao maraina ary nanome fanantenana tokoa ny hafany satria ilay olona nanosy ny zanakay no mandoa ny lany rehetra.Na izany aza tsy voavidy vola ny aina ka isaorana hatrany ny Tompo tsy mitsahatra mitahy antsika
Zava-poana tokoa izao fiainana izao ary ao anatin' iray segondra fotsiny dia mivadika ambony ambany ny fiainantsika,isaorana izy fa nanome antsika hery mba hiankina aminy foana

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0899