FISAORANA LEHIBE NO ATOLOTRO
41. niryna
(
27/12/2009 06:07)
rijadolly:marina tokoa izany ary inona moa no lafiratsiny amin'izany e,mizara ny fahasovana nomeny,ny famonjena nataony ary mbola nivavaka indray aza izahay mianakavy kely noho ny fahasambaranay manana Azy.
Fisaorana tanteraka ho an'ilay Tompon' ny Hery, ary mbola nasehoNY indray ny fahalehibeazaNY. Mahatsiaro sambatra izay mahatsapa ny fiarovaNy sy izay mialoka amiNY.
eny tokoa woa,sady efa nahita tsirony tsara izy dia mbola afaka miverina ihany koa
xxx ; Fijo .Amidio ny ankanjo dia mividiana mba ananantsika ny Fiarahana ny TOMPONY; eny tsy matiantoka ianao ra manandrana ny tsirony, indrindra ra mahay maka fy.
izay mangetaheta no omeny tokoa ary izay mitady azy dia ahita tokoa,ataovy ny andrana ry fijo a
Velom-panotaniana ianao hoe: Hafaliana manao ahoana ary izao ataonareo izao???
Amena
I PETERA 2 :1 Koa esory ny lolompo rehetra sy ny fitaka rehetra sy ny fihatsarambelatsihy sy ny fialonana ary ny fanaratsiana rehetra,2 fa tahaka ny zaza vao teraka dia maniria ny rononom-panahy tsy misy fitaka, mba hitomboanareo amin'izany ho amin'ny famonjena,3 raha tahiny "nanandrana hianareo fa tsara ny Tompo;"4 Izay hatoninareo toy ny vato velona, "nolavin'ny olona, fa voafidin'Andriamanitra sady soa,"5 ka dia atsangana koa hianareo tahaka ny vato velona ho trano fanahy, ho fisoronana masina, hanatitra fanati-panahy sitrak'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy.6 Fa misy teny ao amin'ny Soratra Masina manao hoe:
"Indro mametraka fehizoro ao Ziona Aho, dia vato voafidy tsara;
Ary izay mino Azy tsy ho menatra" (isa. 28. 16).
42. niryna
(
27/12/2009 06:09)
Mirentirenty toy ny publicite SIGARA MANTOLA t@ 1978 mihintsy ilay fivavahana ato
ka varotra daholo io anie ry akama e,
xxx:izaho mba gaga
ka ny zavatra ratsy aza anaovan'ny olona pub ka ny zava-tsoa indray ve kosa no afenimpenina e! :D
8) 8)
43. xxx
(
27/12/2009 16:35)
Ary raha maty ve (sanatria) ny vady aman-janak'i nyrina dia tsy niaro azy izany Andriamanitra? sa ahoana?
Ary ny hafa maty ny lozam-piarakodia ve izany tsy narovan'Andriamanitra sa ahoana? raha izany no izy mba miangatra ihany le Andriamanitra koa! Nefa hoe Zanahary tsy mba miangatra, tia antsika olo jiaby e!
Ary ny hafa maty ny lozam-piarakodia ve izany tsy narovan'Andriamanitra sa ahoana? raha izany no izy mba miangatra ihany le Andriamanitra koa! Nefa hoe Zanahary tsy mba miangatra, tia antsika olo jiaby e!
44. niryna
(
11/01/2010 01:15)
xxx:mbola tsy tonga ny anjara ka izay no tsy mbola nahafaty azy,inona no mitranga?
Ary raha maty ve (sanatria) ny vady aman-janak'i nyrina dia tsy niaro azy izany Andriamanitra? sa ahoana?
izy no nanome ary izy no maka dia isaorana azy izany na mafy eo amin'ny olona aza izany.
Atra dia miharo antsika na mandeha isika na matory,misy aza olona mipetraka fotsiny dia miala eo ny ainy,ka raha sanatria ka maty teo izy dia izay no anjarany ary matoa izy mbola tsy maty dia noho ny lahatra nataon'Atra
raha miteny isika hoe tsy miaro izy dia olona kely finoana izany isika satria misy antony avokoa ny zavatra rehetra mety hitranga amintsika
hi,hi rehefa tonga ny anjara hoy aho dia tonga na fiarakodia io na mandeha tongotra eny fa na dia mipetraka fotsiny aza dia dangy dia izay no anjara,
Ary ny hafa maty ny lozam-piarakodia ve izany tsy narovan'Andriamanitra sa ahoana?
aminao izany rehefa inona no lazaina fa tsy niarovany ,rehefa inona no arovany ? fantatro fotsiny dia nisy herin'Atra lehibe nanala azy tao anatin'ny fiara ary mbola tsy tonga ny andro ka mbola tsy niala ny ainy ary izay indrindra no isaorana azy nanome anay an'ilay zaza satria azy iny,izahay nasiany nitaiza azy fotsiny,namolavola azy mba ahafantra ny tenin'Atra sy ahalala matahotra an'Atra
ha,ha,ha
raha izany no izy mba miangatra ihany le Andriamanitra koa! Nefa hoe Zanahary tsy mba miangatra, tia antsika olo jiaby e!
marina izany tia antsika olo jiaby izy
ny olon'Atra dia tsy mba matahotra ny ho faty ary na inona mitranga amin'ny fiainana dia nataony avokoa izany ahatsara antsika sy ahatonga antsika anatona azy koa dia isaory izy
Atra tsy miangatra fa isika no be siasia,rehefa mety ny atao dia mety manadino an'Atra isika fa rehefa misy kosa ny manjo dia manome tsiny an'Atra isika,rehefa misy zavatra mahazo kosa anefa dia miverina aminy indray isika
Soa ihany fa Atra be fitiavana izy ka raha maditra aza isika dia tiany foana,ny fahotana no manasaraka antsika aminy ary tsy tiany ho very isika na tsy tiantsika aza izy na manome tsiny azy amin'ny zavatra mahazo antsika foana aza isika na mpanota aza isika dia tiany foana ary mbola omeny andro foana mba hiverinantsika hivavaka sy hifona aminy sa ?
[COLOR=BLUE]
FISAORANA LEHIBE NO ATOLOTRAY AZY FA NASEHONY TAMINAY INDRAY NY FITIAVANY ANAY,NASEHONY IZANY MBA AHAFAHANAY MIZARA NY FITIAVANY SY NY FAHASOAVANA NOMENY ANAY AMINTSIKA REHETRA [/COLOR]
45. xxx
(
11/01/2010 09:03)
Misaotra amin'ilay valin-teny, fa mba hazavao kely àry ny momba ny lahatra sy anjara voalazanao ery ambony.
Moa ny kristiana ve mino an'izany lahatra sy anjara izany?
Misy ve izany lahatra sy anjara izany?
Ahoana no hahalalana fa izao no anjara voatokana ho an'ny tena, ary izao no lahatra voasoritra ho an'ny tena?
Ny olona maty novonoin'olona ve maty satria izay no lahatra sy anjarany sa ahoana?
Farany: iza no mandahatra, ary zovy no mamaritra ny anjara?
47. niryna
(
15/01/2010 05:28)
xxx:averiko aminao aloha ny fanontaniana ,ahoana no fahazoanao ny lahatra sy ny anjara ? na inona izany lahatra izany ary ny anjara ? araka ny eritreritrao ?
Misaotra amin'ilay valin-teny, fa mba hazavao kely àry ny momba ny lahatra sy anjara voalazanao ery ambony.
maninona aloha no miafina ao anatin'ny xxx ao e !
xxx:ahoana no fieritreretanao azy,mino ve sa tsia ? raha kristiana hianao mino ary raha tsy ahoana no ampiharinao izany amin'ny finoanao ?
Moa ny kristiana ve mino an'izany lahatra sy anjara izany?
xxx:ahoana tokoa ry xxx,misy ve sa tsia ny anjara sy lahatra ?
Misy ve izany lahatra sy anjara izany?
xxx:ahoana no fieritreretanao azy,ny zavatra mitranga amin'ny fiainantsika ve dia tongatonga ho azy sa misy antony avokoa ? Inona no antony ahatongavanao amin'ity tany ity,inona no zavatra tian'Atra ampiasana anao mba hiderana ny voninahiny? nanao izany ve hianao sa mandositra sa tsy mahafantatra sa tsy mino fa misy antony no mahatonga anao ety an-tany?
Ahoana no hahalalana fa izao no anjara voatokana ho an'ny tena, ary izao no lahatra voasoritra ho an'ny tena?
hmm ! raha nipetraka teo ambonin'ny seza fotsiny ilay olona ka maty izay ve no anjarany sy lahatra aminy sa mbola misy hafa ? toy izany koa ny olona novonoin'ny olona ahoana no fieritreretanao azy ?
Ny olona maty novonoin'olona ve maty satria izay no lahatra sy anjarany sa ahoana?
iza no fieritreretanao azy ?
Farany: iza no mandahatra, ary zovy no mamaritra ny anjara?
Averiko aminao izany ny fanontanianao dia mba valio aho fa ho valiako hianao rehefa avy mamaly ahy .Misaotra mialoha
:D
48. xxx
(
21/01/2010 18:56)
Izaho tsy mino ny fisian'ny lahatra sy anjara, satria ny finoana nhy fisian'ireo dia manafoana ny "Liberté" ny olona, ary manafoana ihany noa ny "responsabilité"-ny. Izaho mino fa Fitiavana Andriamanitra, ary noho izay finoako ny maha fitiavana azy izay, no handavako ny fisian'ny lahatra sy anjara.
49. niryna
(
23/01/2010 05:23)
xxx:
Izaho tsy mino ny fisian'ny lahatra sy anjara, satria ny finoana nhy fisian'ireo dia manafoana ny "Liberté" ny olona, ary manafoana ihany noa ny "responsabilité"-ny. Izaho mino fa Fitiavana Andriamanitra, ary noho izay finoako ny maha fitiavana azy izay, no handavako ny fisian'ny lahatra sy anjara.
misaotra anao
Toy ny tantara hoe novonoin'ny olona dia maty ilay olona ,moa izay ve no anjarany ?
Atra dia nametraka ny didy hoe aza mamono olona,nomena safidy ilay olona ny hino sy anaraka izany didy izany kanefa dia nisafidy ny amono olona izy.Tsy Atra izany no nampamono azy ary raha maty ilay olona noho ny fahotana nataony dia izy sy Atra no hifandahatra amin'izany amin'ny andro farany.Tsy fidiny ho an'ilay olona maty no maty kanefa tsy Atra no naniraka ilay olona hoe mamonoa olona,izy no nisafidy anohatra ny didin'Atra dia izy no tokony hibaby ny loza nataony :evil: Amin'ny maha Atra dia fitiavana anefa raha mibaboka ilay olona namono olona ka mangataka fangatahana famelankeloka Aminy dia ho avelany ny helony. Mety ny fianakavian'ilay manana ny maty no mety hiteny hoe tsy amela an'io aho mandra-pahafatiko fa Atra mamela azy rehefa mifona aminy izy,saingy mandoha ny vokany kosa ilay olona ary dia mamita ny saziny any an-tranomaizina satria tsy misy ho afabela fotsiny eo sa tsy izany ?
50. xxx
(
23/01/2010 07:48)
nyrina: Tsy azoko ny fanazavanao. Na ny marina kokoa dia hoe: tsy hitako ao ny fanazavana momba ny lahatra sy anjara nolazainao tery ambony.
52. niryna
(
05/02/2010 05:15)
fijo:
avereno izany le izy ry niryna fa tsy mbola mazava tsara an
:D ka raha tsy aiko dia ahoana? voatoraky ny voatabia eo aho :D
53. niryna
(
05/02/2010 05:40)
xxx:tsy aiko aloha ny tena tian'ny olona lazaina hoe vitana ,lahatra,anjara e
nyrina: Tsy azoko ny fanazavanao. Na ny marina kokoa dia hoe: tsy hitako ao ny fanazavana momba ny lahatra sy anjara nolazainao tery ambony.
Raha maka ohatra fotsiny aho dia efa samy manana ny filazany ny olona
Ny fantatro fotsiny aloha dia Atra amiko no nitarika ny fiainako iray manontolo ary ny fananako azy tamin'ny fiainako dia nahafahako nizara izany fitiavana nomeny ahy izany ny hafa
Tamin'ny mbola kely aho dia nolazain'ny havan'ny neninay fa hafa raha samy ankizy,izaho moa tsy mahatadidy hoe ahoana aho no hafa,ny tadidiko fotsiny dia hoe manambitana io zaza io,dheu! inona koa izany vitana izany hoy aho anankampo fa tsy sahy nanontany aho,dia nitohy teny ny fiainako,nanao antsampaka ny fianarana fa marobe loatra ny ankizy hiditra ao an-tsekoly,mbola misy marobe ,lazain'ny zareo fa iray sisa ny toerana dia nanao antsampaka ny sekoly ary ny anarako no voaray.Dia mbola niteny indray koa ny nenitoako hoe manana vitana hoy aho aminareo io zaza io,dia nitohy teny ihany ny fiainako ary hafa noho ny ankizy aho .Dia nitohy hatramin'ny fiainako izao dia rehefa niverina tany amin'ny tanana aho dia hoy indray ilay nenitoako hoe tsy efa niteny taminao aho fa manambita hianao ? ny fahalalako izay teneniny dia tsy vitana izany fa Atra no miahy ahy amin'ny androko rehetra satria nanankina ny fiainako taminy aho na dia mbola zaza aza.
Raha misy zavatra mitranga amin'ny fiainantsika dia nataon'Atra avokoa izany ary misy antony avokoa izany mba hanomezantsika voninahitra ny anarany na inona mitranga amin'ny fiainantsika,izy no mandahatra ny lalantsika ary raha manankina ny fiainantsika amiNy isika dia ataony lavorary sy tanteraka hoy ny soratra masina ny fiainantsika.Mety eritreretintsika ohatra hoe nangataka zavatra taminy isika dia tsy nomeny ,avy eo dia manome tsiny azy,any aoriana anefa dia apoitrany amintsika ny antony tsy nanomezany antsika ary eo isika vao mahatsampa hoe tsy nahasoa ahy ilay izy ary efa fantany mialoha izany satria izy no mandahatra ny lalako sy ny ho aviko ary ny ho avin'izay rehetra mino azy,eny fa na tsy mino azy aza dia efa fanttany ny ao am-pontsika ary dia vao maika hohamafisiny ny fo rehefa manalavitra sy tsy mino azy,fantany ny mino na tsy mino azy
Ny malagasy no miteny hoe mihonona fa izay no anjara sy lahatra: tsy misy olona afaka hiala aina raha tsy ny fandaharan'Atra no manajanona ny fofon'ainy ,tsy tonga anefa izany raha tsy izy koa no mandahatra izany
Raha toa kosa hoy aho ka misy olona maty novonoin'ny olona dia maty. Atra tsy naniraka ilay mpamono olona hoe mandehana vonoy iny.Kanefa Azy ny aina,izy no nanome ary miverina any aminy koa ny aina,raha tsy tiany maty ilay olona dia tsy maty ,raha tsy mbola tonga ny anjarany dia mbola mety velona teo izy na dia hoe nijalijaly aza.
ka izany no itenenako hoe tsy aiko ny tian'ny malagasy tenenina amin'ilay anjara sy lahatra ary vintana .
MIsy aza hoe zaza teraka lakaosy,dia hoe totom-bitana
Misy aza reny mahita ny zanany maditra dia hoe raha nampoiziko toa izao ny ditranao,mbola kely dia efa nahohoko hianao,tena diso tafahoatra kosa ilay izy ary mampanontany tena hoe fa angaha ilay ramatoa niteraka an'ilay zaza ahafantatra ho hendry na haditra ny zanany ? miteniteny am-pahatezerana fotsiny ilay ramatoa tss
Mety manampy anao ny hevitra kely narosoko ?
