FISAORANA LEHIBE NO ATOLOTRO

21. niryna ( 17/12/2009 04:27)
doudouridou:

Aleloia ! Deraina Jesosy !

Mampihoron-koditra ahy ilay resaka accident ity, mampa tsy te hitondra tômôbil mitsy, nefa tsy maintsy.... fa dia apetraka aminy fotsiny ilay izy, dia ny tanany mahery no angatahana hitantana sy hiaro ohatr'izao.



^:^ ^:^
Marina tokoa izany ary matetika na mitandrina izao aza ny tena dia misy olona aggressive be ireny ary ireny no manara-body ny tena koa.
Nahazava-doza ny anay dia toerana tsy tokony hiviliana no nivilian'ilay mpamily ary izy koa amin'izany nanadino ny permit-ny no sady fiaran'ny fiasany no noentiny
Na mijoro isika na mandeha eny fa na dia mipetraka eo fotsiny aza ,rehefa tonga ny anjara dia tonga.Ramatoa izay noheverinay fa mipetraka mangarangarana eo ambaravarankely izy hay maty,jereo amin'izany.
Wake-up call koa no filaza izao zavatra mitranga izao ka zaraiko anareo,izany hoe misy zavatra tian'Atra ataon'ny olona ary asehony ny voninahiny mba anankina aminy foana na inona mitranga amin'ny fiainana na inona ary ny zavatra toa izao no tena vao maika miantsoantso tsy mitsahatra misaotra azy ny tena ary mampitombo ilay finoana ao anaty ihany koa fa na inona mitranga dia ny tanany no anafaka na andefa antsika amin'izay tiany
22. niryna ( 17/12/2009 04:32)
arson:

Tena fahasoavana lehibe tokoa zany, tena mitovy an'izany mihitsy ny lozam-pifamoivoizanan nahazo anay, potika tanteraka ny fiara fa izahay tsy nisy naninona fa kika kely fotsiny ny sandry sy ny lohalika.
eny tokoa fahasoavana omeny antsika maimaimpoana izany ary mety tsy ho tsampantsika ilay izy raha tsy mitranga,nisy koa fianakaviana toa izany fahiny,nivadika teny amin'ny moron'ny digue ny fiara ary nokidiadia teny ambony ka hatrany ambany,potika tsy nisy azo noraisina kanefa ireo fianakaviana tao anaty fiara izay niisa enina tsy nisy naratra na iray aza.
Tian'Atra isika,asehony amin'ny fiainantsika ny asa mahagaga ataony,matetika anefa isika toa tsy mahafantatra izany raha tsy tena misy dona mafy ary iny no ampanairany ny finoantsika mba hiverina na hijoro hino azy na inona mitranga na ahoana ny amafin'ny fiainana
Andriamanitra tokoa tsy tia ratsy , ary ny tanany no mitantana ny diantsika tsirairay avy.Fitsapana daholo anefa zany rehetra izany !!!!!

ny zanany dia tahiny foana ary tsy misy miala aina isika raha tsy izy no maka izany,manana ny anjely maro koa izy miaro antsika amin'ny fotoana tsy ampoizina ary dia ireny no manavotra antsika tsy ho latsaka isika na fiainana io ,na zavatra mitranga,na fakampanahy sns.Deraina mandrakariva ny hery lehibe mahagaga ataony antsika

23. niryna ( 17/12/2009 04:33)
ni81:

Dia misaotra an'Andriamanitra tokoa t@ zany famonjeny ny vady aman-janak'i niryna izany e!



^:^
24. niryna ( 17/12/2009 04:35)
Veloo:

dera sy laza anie ho an'Antra tsitoha... eeeeeee izy irery ihany no afaka manampy antsika..

Mahereza daholo e :-* :-* :-* :-*



=D>
25. niryna ( 17/12/2009 04:41)
tywa68:

Tena zany marina hoe mampitahotra rafahafatesana ary ny zava-mitranga ohatran'zao no mahatonga saina fa misy mitahy isika : isaorana anie ny Tompo be fampindram-pò :wink: Isaorana koa i Niryna nampatsiahy fa mila miomana foana isika, n'inn2 ataontsika. :-* :-*

Resilahatra tanteraka ao amin'izay hoe ny zavatra mitranga toa izao dia tena mahatonga saina antsika,raha misy feo mibitsika ahy ato anatiko ka tohizako ny lafiratsiny dia hoe raha izany tokoa moa ka tsy nobatain'ilay anjely tao ilay zaza fa navelan'Atra hoe izay no fotoanany dia ahoana? miala ,miala tery ry eritreritra ratsy,tsy voavidy ny fitiavana indrindra hoe zanaka sy vady izany ary ny fianakaviana.Soa ihany isika fa nomen'Atra ahazaka ny manjo fa asa tokoa angamba raha tsy mba manana an'Atra nanome hery antsika amin'ireny loza maro mianjady amin'ny fiainantsika ireny isika

:roll: :cry:
26. niryna ( 17/12/2009 04:46)
fijo:

mampalahelo tokoa fa nisy ny loza,fa ilay hery lazaina lava kosa.......aoka marina
:d tonga soa eto amin'ny sehatry ny fivavahana indray fijo,raha mbola tsy mahafantatra ny asatanan'Atra hianao dia antsoy izy fa izy no anome valiny mahafapo anao ,ataovy ny andrana


(l) (l) :-* :-* (l) (l)
27. niryna ( 17/12/2009 04:47)
cutie:

:-D :-D :-D :-D :-D
efa kopy koa le "hery " ka, za nga manota



:D
28. Djhamhal ( 17/12/2009 06:52)
Fisaorana lehibe no atolotra anao ry Atra Mahery,nasehonao anay isan'andro ny asa mahagaga

deraina mandrakariva anie ny tompo ! ary izy anie hanome fifaliana ho an'ny vahoaka malagasy !Amen !
29. niryna ( 17/12/2009 15:18)
Djhamhal:

Fisaorana lehibe no atolotra anao ry Atra Mahery,nasehonao anay isan'andro ny asa mahagaga

deraina mandrakariva anie ny tompo ! ary izy anie hanome fifaliana ho an'ny vahoaka malagasy !Amen !



=D> ^:^ Raha ity oloko mahantra ity no hiantso dia hihaino ny feony aho ary ho sitraniko ny taniny.
Raha isika vahoaka malagasy tsy vaky volo no miaraka mifanaiky fa hiaraka hivavaka,hitalaho amin'Atra izao fanangejana mahazo ny firenentsika izao dia hihaino tokoa aho
30. bobone ( 18/12/2009 07:22)
Niryna : Misaora an'Atra akia fa lehibe ny fitiavany an! marina ilay teniny hoe ''
hataoko hafa ny manompo ahy'' izany hoe anehoany ny voninahiny foana ny tena manompo azy ary na zavatra tsy noheverinao ho hisy aza misy eo @ Atra. izay ilay harem-pahasoavana omeny ilay malala ! na dia misotro zava-mahafaty aza hoy ny teniny dia tsy hampaninona azy izany ! ankalazao izy fa mendrika azy ny dera sy laza ary voninahitra !!! tiany aseho eo à ny olona tsy mino ny fahasoavany !!! tsy nataotaony foana izany fa misy olona tiany hovonjena ihany koa ao fa fitaovana nentiny nanehoana izany voninahiny izany ianareo!!!
ao koa ilay hoe apetrao aminy ny fanahianao rehetra !!!! manja anie io JESOSY io e!
Misaotra akia zoky malala nizara bà mamy be njy e! :-* (l) (l) :-* :D :D :D
31. farihy ( 18/12/2009 19:30)
niryna:

Niditra ny trano aho dia naheno olona miresaka,gaga ihany aho fa tsy fotoana fahatongavan'ny rehetra anefa ilay ora

Namakivaky ny lalantsara aloha aho ary niezaka namatatra hoe fa maninona no misy olona sahady,vao niditra ny lakozia anefa aho dia ireo ,tsy nisy niteny tsy nisy nivolana izy mianaka,ny vadiko sy ny zanako io.Noheveriko fa nisy maty ilay fahanginana tampoka sy ilay korana enoko teo.Teo vao nitaraina ny zanako fa nanao accident ary nisy fiara nisosa nandeha tany amin'ny tsy tokony tsy nalehany,toerana tsy azo iviliana anefa dia nivily ilay fiara .

Naratra ny lamosin'ny vadiko,tsy fantatro izay niavian'io hoy izy fa ny fantatro fotsiny dia niantso ahy ny zanako fa nanao accident izy ary hatreo ihany dia tsy nahatsiaro saina intsony rehefa avy nanome ilay toerana misy azy.Ny ambulance sy ny jiromenan'ny polisy no itako voalohany hoy izy ary ilay fiaran'ny zanako potika tsy nisy azo noraisina,nidoboka ny foko fa tsy itako ny zanako,io eo izy ao anatin'ny fiaran'ny ambulance tsy mihetsika tsy miteny.Kenda aho ary nivavaka kely mba tsy aninona izy.Noentina tany amin'ny hopitaly ilay zaza ary rehefa natao ny fitarafana rehetra dia tsy naninona izy ,aleloia, praise the lord.Misaotra an'Atra lehibe ny amin'izany!

Ny herin'Atra hoy ny vadiko no naniraka ny anjeliny niaro azy tao anatin'ilay fiara,nisy hery tao,hery tsy azo lavina,asan'ilay Mahery no nibata azy tao anatin'ny fiara satria ilay zaza tsy naratra,ilay fiara potika ary ilay nitrongy azy dia nivily tany amin'ny fefin'ny olona vao tafajanona.
Fisaorana lehibe no atolotra anao ry Atra Mahery,nasehonao anay isan'andro ny asa mahagaga,ny asan'ny tananao,nafahanao tao anatin'ny lozam-piara ny zanakay,tsy aiko ny tsy izara izany fahagagana lehibe nasehonao anay mianakavy izany.Misaotra Tompo o. Amena!
(l) niryna

Ny an-tsika dia ny FISAORANA no hatao lehibe fa ho velona sy sitrana raha vao misaotra!

32. bobone ( 21/12/2009 07:38)
:D :D :D :D Farihy : marina zany ! fisaorana an'Atra no zava-dehibe ! hoy Izy hoe ' Misaotra @ zavatra rehetra ) tena mandrika ho deraina izy fa tsy misy tahaka azy :D
33. niryna ( 23/12/2009 02:52)
bobone:

Niryna : Misaora an'Atra akia fa lehibe ny fitiavany an! marina ilay teniny hoe ''
hataoko hafa ny manompo ahy'' izany hoe anehoany ny voninahiny foana ny tena manompo azy ary na zavatra tsy noheverinao ho hisy aza misy eo @ Atra. izay ilay harem-pahasoavana omeny ilay malala ! na dia misotro zava-mahafaty aza hoy ny teniny dia tsy hampaninona azy izany ! ankalazao izy fa mendrika azy ny dera sy laza ary voninahitra !!!

marina izany
amin'ny fahohiriana:matokia Azy
amin'ny fijaliana:mino Azy
amin'ny fifaliana:midera ny anaraNy
amin'ny zavatra rehetra :misaora Azy


tiany aseho eo à ny olona tsy mino ny fahasoavany !!! tsy nataotaony foana izany fa misy olona tiany hovonjena ihany koa ao fa fitaovana nentiny nanehoana izany voninahiny izany ianareo!!!
isika rehetra ka,tsy vitany hoe ampihova ny fon'izay mbola tsy nanakiina azy,ampahery ireo izay very fanantenana ka mila hamohifo ny anarany dia asehony ihany koa fa na inona mitranga amin'ny fiainantsika rehefa mino azy dia asehony amintsika foana izany heriny izany.Manome fanantenana ireo izay mino azy ka vao maika koa mifikitra aminy hatramin'ny farany ihany koa ny zavatra mitranga toa izao.

ao koa ilay hoe apetrao aminy ny fanahianao rehetra !!!! manja anie io JESOSY io e!
tanteraka :D

Misaotra akia zoky malala nizara bà mamy be njy e! :-* (l) (l) :-* :D :D :D
tsy misy fisaorana aky razandry kely a ,mahareza hatrany


:-*
34. niryna ( 23/12/2009 02:55)
farihy:

Ny antsika dia ny FISAORANA no hatao lehibe fa ho velona sy sitrana raha vao misaotra!
marina izany tsy mitsahatra ny misaotra azy isika na inona mitranga na inona ary matoa mitranga ny zavatra dia misy antony avokoa izany


^:^ ^:^
35. xxx ( 23/12/2009 09:21)
Mirentirenty toy ny publicite SIGARA MANTOLA t@ 1978 mihintsy ilay fivavahana ato :@ :@ :@ :@ :@
36. fijo ( 25/12/2009 20:18)
ka varotra daholo io anie ry akama e,
37. rijadolly ( 26/12/2009 11:07)
Fisaorana tanteraka ho an\'ilay Tompon\' ny Hery, ary mbola nasehoNY indray ny fahalehibeazaNY. Mahatsiaro sambatra izay mahatsapa ny fiarovaNy sy izay mialoka amiNY.

xxx ; Fijo .Amidio ny ankanjo dia mividiana mba ananantsika ny Fiarahana ny TOMPONY; eny tsy matiantoka ianao ra manandrana ny tsirony, indrindra ra mahay maka fy.

Velom-panotaniana ianao hoe: Hafaliana manao ahoana ary izao ataonareo izao???

I PETERA 2 :1 Koa esory ny lolompo rehetra sy ny fitaka rehetra sy ny fihatsarambelatsihy sy ny fialonana ary ny fanaratsiana rehetra,2 fa tahaka ny zaza vao teraka dia maniria ny rononom-panahy tsy misy fitaka, mba hitomboanareo amin\'izany ho amin\'ny famonjena,3 raha tahiny \"nanandrana hianareo fa tsara ny Tompo;\"4 Izay hatoninareo toy ny vato velona, \"nolavin\'ny olona, fa voafidin\'Andriamanitra sady soa,\"5 ka dia atsangana koa hianareo tahaka ny vato velona ho trano fanahy, ho fisoronana masina, hanatitra fanati-panahy sitrak\'Andriamanitra amin\'ny alalan\'i Jesosy Kristy.6 Fa misy teny ao amin\'ny Soratra Masina manao hoe:
\"Indro mametraka fehizoro ao Ziona Aho, dia vato voafidy tsara;
Ary izay mino Azy tsy ho menatra\" (isa. 28. 16).
38. xxx ( 26/12/2009 18:34)
Mirentirenty toy ny publicite SIGARA MANTOLA t@ 1978 mihintsy ilay fivavahana ato
ka varotra daholo io anie ry akama e,
ka ny zavatra ratsy aza anaovan'ny olona pub ka ny zava-tsoa indray ve kosa no afenimpenina e! :D
39. niryna ( 27/12/2009 06:01)
xxx:

Mirentirenty toy ny publicite SIGARA MANTOLA t@ 1978 mihintsy ilay fivavahana ato :@ :@ :@ :@ :@


ny tsy itovizany dia midera an'Atra noho ny fahasoavany lehibe sy ny famonjena izay nomeny,mety ho publicite izany aminao,tsy misy maharatsy an'izany satria fanomezam-pahasoavana lehibe izany ka dia deraina mandrakariva ny anarany azy zaraina sy atao fantatry ny ambanin'ny lanitra izany
ny maha-samihafa azy kosa anefa dia tsy mba misy vola aloha fa izay mandray azy no ho sambatra tokoa
:-*
40. niryna ( 27/12/2009 06:02)
fijo:

ka varotra daholo io anie ry akama e,
varotra boky sa varotra baiboly sa inona no varotana ry fijo


:cry:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1976