Kristianina

1. LazaDaddy ( 12/10/2009 00:15)
Ireto misy didy nomen'i Kristy:
- tiavo Jehova Andriamanitra @ fonao rehetra
- tiavo ny namanao sy ny fahavalonao
- mandehana ataovy mpianatro ny firenena rehetra
- izay te hanaraka ahy dia tsimaintsy mitondra ny hazo fijaliana

Raha ireo didy ireo no dinihina lalina, Kristianina manara-dia an'i Kristy tokoa ve isika?
novalian'i niryna ny 20/10/2009 05:16
2. cutie ( 12/10/2009 00:28)
tiavo Jehova Andriamanitra @ fonao rehetra

Ahona ny fanaovana an'zany?

tiavo ny namanao sy ny fahavalonao

fa nahona moa no misy fahavalo???

izay te hanaraka ahy dia tsimaintsy mitondra ny hazo fijaliana

ahona koa zany ???
Sao de mitovy @ le hira nalefako tato ihany aza io :D

3. ikaretsaka ( 12/10/2009 00:31)
Tsy noho ny didy no maha Xtianina ahy aloha..fa nohon'ny fitiavaNY ahy... vakio ny evanjely anio
4. cutie ( 12/10/2009 00:33)
Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 12-10-2009 02:31:13
Lohateny : Re : Kristianina
Tsy noho ny didy no maha Xtianina ahy aloha..fa nohon'ny fitiavaNY ahy... vakio ny evanjely anio

Raha vo asiana fepetra sy ny tariny de efa tsy mety zany :D
5. LazaDaddy ( 12/10/2009 00:40)
ikaretsaka:
Tsy noho ny didy no maha Xtianina ahy aloha..fa nohon'ny fitiavaNY ahy
tsarovy fa tiaNY na i Satana aza. Midika ve izany fa Kristianina i Satana?

cutie:
fa nahona moa no misy fahavalo???
diniho tokoa fa na i Kristy aza dia nanana fahavalo be dia be :wink:

cutie:
Raha vo asiana fepetra sy ny tariny de efa tsy mety zany
tena henjana tokoa ny fepetra nomeny, kanefa etsy an-daniny Izy milaza fa "mora" ny ziogany.
6. cutie ( 12/10/2009 00:44)
tsarovy fa tiaNY na i Satana aza. Midika ve izany fa Kristianina i Satana

fa iza no namorona we xtiana e lol

Hoy i cutie:
fa nahona moa no misy fahavalo???
diniho tokoa fa na i Kristy aza dia nanana fahavalo be dia be

za alou tsy afaka ny handinika an'i kristy e, fanahy izy amiko :)

Hoy i cutie:
Raha vo asiana fepetra sy ny tariny de efa tsy mety zany
tena henjana tokoa ny fepetra nomeny, kanefa etsy an-daniny Izy milaza fa "mora" ny ziogany.

zany an :)
ka manin moa tsy tonga de lazaina we mora ny ziogany e lol
7. LazaDaddy ( 12/10/2009 00:52)
cutie:
za alou tsy afaka ny handinika an'i kristy e
mijanona hatreto aloha izany ny adihevitra iarahana amin'i Cutie momba an'i Kristy satria efa manidy varavarana i Cutie :)
8. ikaretsaka ( 12/10/2009 01:11)
tsarovy fa tiaNY na i Satana aza. Midika ve izany fa Kristianina i Satana

raha nahafantatra ny fitiavaNY azy i satana amiko dia mahafeno ny fepetra!
fa izany resaka izany de Bizinesin'izy mitsam irery fa "amiko" fotsiny io
9. ikaretsaka ( 12/10/2009 01:13)
diniho tokoa fa na i Kristy aza dia nanana fahavalo be dia be

fa tsy nankahala sy nanisy fepetra Izy hoe ireto fahavaloko de halako
10. cutie ( 12/10/2009 01:46)
Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 12-10-2009 03:13:20
Lohateny : Re : Kristianina
Voalaza teo :
diniho tokoa fa na i Kristy aza dia nanana fahavalo be dia be

fa tsy nankahala sy nanisy fepetra Izy hoe ireto fahavaloko de halako

sy we reto mandeha any @ helo :-D
11. LazaDaddy ( 12/10/2009 01:50)
ikaretsaka:
raha nahafantatra ny fitiavaNY azy i satana amiko dia mahafeno ny fepetra!
tena nahalasa saina ahy io teninao io ry Ikaretsaka ... tsy anisan'ny fepetra ve izany ny hoe "aza manompo andriamani-kafa"? azavao raha azonao atao fa tsy mazava tsara
12. rakapy ( 12/10/2009 08:18)
Hoy Laza
tsarovy fa tiaNY na i Satana aza. Midika ve izany fa Kristianina i Satana?

Hoy Ika
Tsy noho ny didy no maha Xtianina ahy aloha..fa nohon'ny fitiavaNY ahy... vakio ny evanjely anio

Hono wa ry zalahy ! tena mba sambatra ianareo mahafantatra an'ny ao am-pon'i rajesosy ? efa niresaka taminy ve nareo ka nilaza izany t@nareo izy?
13. ikaretsaka ( 12/10/2009 12:05)
LazaDaddy:

raha nahafantatra ny fitiavaNY azy i satana amiko dia mahafeno ny fepetra!
tena nahalasa saina ahy io teninao io ry Ikaretsaka ... tsy anisan'ny fepetra ve izany ny hoe "aza manompo andriamani-kafa"? azavao raha azonao atao fa tsy mazava tsara

K'efa hoe ny voaloha-pepetra dia ny fahalalana sy ny fakantoavana fa tian'Atra ianao dia ny famelanao ny tenanao ho fitaovana iasany (ny sisa de fanampiny karazana valim-babena ihany)
Ny an'i satana satananao de io no nodikainy voalohany
Ny hoe andriamanin-kafa sy ny zatsy sy zarokatra dia mandeha ho azy ny tsy firarahiana azy rehefa tsapanao sy ankatoavinao ilay fifampitiavana misy ao aminareo sy rajehova io
Io le lazain'i St Augustin @ hoe "mitiava marina tokoa..dia afaka ataovy izay tianao atao"


14. rakapy ( 12/10/2009 12:15)
Ny ahy no maha lasa ny heritreritro sy fanotaniana mipetraka ato an-tsaiko dia ny hoe: tia anao ve A/tra sa ianao no tia azy?
15. ikaretsaka ( 12/10/2009 12:58)
Resiproky io rakapy a
Tsy poinss raha tsy fitia mifamaly...de tsy mila fepetra ny fitia mifamaly fa fahatsapan-tena no betsaka
16. cutie ( 12/10/2009 13:28)
Mpandefa : rakapy [ Valio ] 12-10-2009 14:15:40
Lohateny : Re : Kristianina
Ny ahy no maha lasa ny heritreritro sy fanotaniana mipetraka ato an-tsaiko dia ny hoe: tia anao ve A/tra sa ianao no tia azy?

Atra tia anao fa anao ny safidy na ho tia azy enao na tsia :)
17. cutie ( 12/10/2009 13:29)
Mpandefa : rakapy [ Valio ] 12-10-2009 10:18:42
Lohateny : Re : Kristianina
Hoy Laza
Voalaza teo :
tsarovy fa tiaNY na i Satana aza. Midika ve izany fa Kristianina i Satana?

Hoy Ika
Voalaza teo :
Tsy noho ny didy no maha Xtianina ahy aloha..fa nohon'ny fitiavaNY ahy... vakio ny evanjely anio

Hono wa ry zalahy ! tena mba sambatra ianareo mahafantatra an'ny ao am-pon'i rajesosy ? efa niresaka taminy ve nareo ka nilaza izany t@nareo izy?

za koa mba gaga :-D
18. ikaretsaka ( 12/10/2009 15:14)
tsary voatery hahay maminany ny ao am-pon-drajesosy nge vo mahafantatra hoe tiaNY ry rakapy e
19. soanja ( 12/10/2009 16:22)
LazaDaddy:

Ireto misy didy nomen'i Kristy:
- tiavo Jehova Andriamanitra @ fonao rehetra
- tiavo ny namanao sy ny fahavalonao
- mandehana ataovy mpianatro ny firenena rehetra
- izay te hanaraka ahy dia tsimaintsy mitondra ny hazo fijaliana

Raha ireo didy ireo no dinihina lalina, Kristianina manara-dia an'i Kristy tokoa ve isika?


Tsy didy aloha ireo amiko fa fahendrena.

Tsy afaka ny hitia am-pitiavana, amin-kahalalahana ary am-po mangoraka ny fahavalontsika isika raha ny didy no mamehy antsika hanao izany.

Ny didy dia tsy mifandraika amin'ny fo! Io ilay resahiko hoe raha terena ny zavatra dia mivadika tahotra ary ny tahotra no hitondra amin'ny aizina!



20. rakapy ( 12/10/2009 17:41)
Hoy Ikaretsaka
tsary voatery hahay maminany ny ao am-pon-drajesosy nge vo mahafantatra hoe tiaNY ry rakapy e

Mba lazao hoe ny fomba ahafantaranao fa tia anao izy?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0648