Kristianina

21. ikaretsaka ( 12/10/2009 18:13)
Rakapy>tsary anah aloha ny fiainako fa misy tompony..ny adidiko de ny miaina araka izay fisehony eo... izay no finoako ka tsy asiantsika ady hevitra lava ny @ iny!

Ny Fanomezany ny fiainako andavanandro fotsiny ohatra sy ny maha ambinina ahy na tsy maha ambinina ahy @ ze ataoko androany sy omaly sy rahampitso ary androany...
Tsy afaka nanao izany ahako raha tsy nomen ilay tompony.
22. rzakarivola ( 12/10/2009 18:15)
ikaretsaka:

Tsy noho ny didy no maha Xtianina ahy aloha..fa nohon'ny fitiavaNY ahy... vakio ny evanjely anio

==> Dia hoy i Jesoa hoe :
- "Izay manana ny didiko ka mitandrina azy no tia ahy; ary izay tia ahy, dia hotian'ny Raiko, sy hotiako koa, ka haneho ny tenako aminy aho.",
- "Tomoera amin'ny fitiavako[/quote]", sy koa
- "[color=blue]Raha mitandrina ny didiko ianareo dia hitoetra amin'ny fitiavako
"
Evanjely masina nosoratan'i Masindahy Joany
23. ikaretsaka ( 12/10/2009 18:32)
De hoy le bandy nilaza hanaraka an'i jesoa "hoe efa hatr@ fahakeliko aho de nitandrina ny didy"
Fa tsy mbola poinsa lery satria zavatra hafa no notiaviny na notandremany aza ny didy...
Jereo ao @ bokin-dramarka ao
24. rakapy ( 12/10/2009 18:46)
Hoy i Ikaretsaka
Rakapy>tsary anah aloha ny fiainako fa misy tompony..ny adidiko de ny miaina araka izay fisehony eo... izay no finoako ka tsy asiantsika ady hevitra lava ny @ iny!

Ny Fanomezany ny fiainako andavanandro fotsiny ohatra sy ny maha ambinina ahy na tsy maha ambinina ahy @ ze ataoko androany sy omaly sy rahampitso ary androany...
Tsy afaka nanao izany ahako raha tsy nomen ilay tompony.

Raha ny fandinihiko ny teninao dia ohatra ny milaza fa mitovy @ ny akoho amam-borona izany isika ka izay anaovan'ny tompony azy dia izay? Ramaka na te hirevy rapatro androany dia ajedao ny gana atao tsaky?Raha mbola tsy misy vahiny dia fahano vary sy tsako aloha ny gisa hatavy?
Tena mitovy @ izay ilay A/tra sy olombelona raha dinihina ?
Ny olombelona no A/try ny biby fiompy fa i Zanahary kosa no A/try ny olombelona?
25. ikaretsaka ( 12/10/2009 19:27)
fa zany hoe eto hafa ny rapatro... ny an'ny olombelona de le nahary fa tsy le natao hikarakara..
izay no naga sambihafa anazy
raha nahay nahary akoho sy ganma raolombelona sans intervention n'iza n'iza de ekeko le kozin-drakapy hoe mitovy..sinaingy.... :-D
26. soanja ( 13/10/2009 00:20)
Lasa aza ndraiky ndaty longotsika igny. Aba Laza?
27. rzakarivola ( 13/10/2009 07:05)
cutie:
fa iza no namorona we xtiana e lol

==> "ary tany Antiokia no voalohany nanaovana ny anaran'ny mpianatra hoe kristiana." [Asa 11:26]

cutie:
za alou tsy afaka ny handinika an'i kristy e, fanahy izy amiko :)

==> "Ny masonao no jiron'ny tena; koa raha tsara ny masonao, dia mazava ny tenanao rehetra; fa raha ratsy izy, dia maizina koa ny tenanao.
Koa tandremo, fandrao maizina ny mazava izay ao anatinao.
Ary amin'izany, raha mazava ny tenanao rehetra, ka tsy misy maizina, dia hazava avokoa izy rehetra, tahaka ny jiro raha mirehitra tsara ka manazava anao
" [Lioka 11:34-36]

cutie:
zany an :) ka manin moa tsy tonga de lazaina we mora ny ziogany e lol

==> "Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako." [Matio 11:30]
28. rzakarivola ( 13/10/2009 07:39)
rakapy:

Ny ahy no maha lasa ny heritreritro sy fanotaniana mipetraka ato an-tsaiko dia ny hoe: tia anao ve A/tra sa ianao no tia azy?

==> 1- "Izao no fitiavana: tsy ny nitiavantsika an'Andriamanitra, fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra noho ny fahotantsika." [1Jaona 4:10]
2- "Isika tia, satria Izy efa tia antsika taloha." [1Jaona 4:19]
29. rzakarivola ( 13/10/2009 08:03)
rakapy:
Mba lazao hoe ny fomba ahafantaranao fa tia anao izy?

==> Tsy izaho no nametrahan'i rakapy ny fanontaniana nefa afaka mipetraka amiko koa izany ngamba ô? Ary tena tsara apetraka, satria samy manaiky daholo ny rehetra (fara-faharatsiny izay mino fa misy Andriamanitra) fa "tia antsika" Izy, saingy eo amin'izay porofom-pitiavana izay dia tena zava-dehibe hananana antoka.
Tsy ampy ho porofo : ahafahako milaza fa tia ahy Andriamanitra ny zava-tsoan'ny nofo iainako isan'andro. Tena marina fa fitiavan' Andriamanitra ireny, saingy tsy ampy ho porofo hoy aho, satria :
- mba misy zava-dratsin'ny nofo azoko ihany koa, tsi-fahasalamana ohatra, koa na hanao bemarenina ny sofiko, na hakomboko tsy hahita ny masoko, ny tenako mahatsapa tsara ny fanaintainana.
- indraindray aho na manana ny ampy aza, tsy manam-piadanana ny foko, misy entana tsapako mavesatra ao anatiko.
- Rehefa tonga ny fotoanan'ny fahasahiranana, tsy dia ampy hampitony ny foko ny fahatsapako fotisny fa misy rivotra iainako ... sns. Fa ny rivotra mety hihaona.
- Fa indrindra indrindra : mahatonga ny fisainana fa ireny olona marary na maty na tsy manan-kohanina ireny izany dia tsy tian' Andriamanitra.

ampy ho porofo : "Izao no nanehoana ny fitiavan'Andriamanitra antsika: Andriamanitra naniraka ny Zanani-lahy Tokana tamin'izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin'ny alalany." [1Jaona 4:9]

Raha fintiniko, ho ahy ny porofo fa tena tia antsika Andriamanitra, dia i Jesoa Kristy velona ka miteny, ary ny TeniNy dia Tenin' Andriamanitra, mampahafantatra ny momba an' Andriamanitra, ny fahamarinaNy sy ny fahamelohantsika, ny fitiavaNy sy famonjena antsika.
30. rzakarivola ( 13/10/2009 08:08)
ikaretsaka:

De hoy le bandy nilaza hanaraka an'i jesoa "hoe efa hatr@ fahakeliko aho de nitandrina ny didy"
Fa tsy mbola poinsa lery satria zavatra hafa no notiaviny na notandremany aza ny didy...
Jereo ao @ bokin-dramarka ao

==> Tsy haiko ilay bandy lazainao io. Fa ny voalaza ao hitako mitovitovy amin'io dia ilay tovolahy nilaza fa nahatandrina ireo didy rehetra hatry ny fahakeliny saingy rehefa nasain'i Jesoa nanaraka Azy dia niverina t@ alahelo. Dia tamin'io indrindra ilay tenin'i Jesoa nolazain-drakapy tetsy ambony.
31. ikaretsaka ( 13/10/2009 10:45)
Hita mihitsy hoe mpitsimpona le zalahy ity de raha tsy tsimpinina le izy tsy hitany... jereo fa ao alohan'ny resaka rameva sy vodifanjaitra
32. cutie ( 13/10/2009 23:37)
Raha fintiniko, ho ahy ny porofo fa tena tia antsika Andriamanitra, dia i Jesoa Kristy velona ka miteny, ary ny TeniNy dia Tenin' Andriamanitra, mampahafantatra ny momba an' Andriamanitra, ny fahamarinaNy sy ny fahamelohantsika, ny fitiavaNy sy famonjena antsika.

in ny dikan'le we fahamelohantsika eto :roll:
33. prime ( 14/10/2009 14:25)
cutie:
Atra tia anao fa anao ny safidy na ho tia azy enao na tsia


Itoviako hevitra tanteraka... :)
34. cutie ( 14/10/2009 20:11)
hay ve mba mitovy hevitra amiko ihany i prime ty ndraindray :-D
35. ikaretsaka ( 14/10/2009 20:28)
ka tsy mahita zavatra hotsimponina mifanohitra @ zay izy tsinona ka
36. cutie ( 14/10/2009 20:29)
:-D :-D :-D :-D :-D
37. ikaretsaka ( 14/10/2009 20:47)
letieeeee... milaza ny marina tsy filaza indray ra ika de memehezana... ndroky hoa tssss
38. cutie ( 14/10/2009 20:52)
ka mampime koa :-D
39. Veloo ( 15/10/2009 02:21)
Mpandefa : LazaDaddy [ Valio ] 12-10-2009 02:15:43
Lohateny : Kristianina
Ireto misy didy nomen'i Kristy:
- tiavo Jehova Andriamanitra @ fonao rehetra
- tiavo ny namanao sy ny fahavalonao
- mandehana ataovy mpianatro ny firenena rehetra
- izay te hanaraka ahy dia tsimaintsy mitondra ny hazo fijaliana

Raha ireo didy ireo no dinihina lalina, Kristianina manara-dia an'i Kristy tokoa ve isika?


mihezaka isan'andro/ora/minitra/secondra, tsy ho vita-tsika irery io raha tsy manaiky an'i Jesosy ao am-po tsika isika miaradia aminy :-*
40. prime ( 15/10/2009 14:30)
cutie:
hay ve mba mitovy hevitra amiko ihany i prime ty ndraindray
... f'angaha moa dia tena nifandaka foana ny hevitra hatramin'izay? :wink: :)
ikaretsaka:
ka tsy mahita zavatra hotsimponina mifanohitra @ zay izy tsinona ka
... :-D Tsy hita ra-ika fa izay angamba no mba hain'ny tena avy amin'Andriamanitra dia ny mamaky sy mianatra ny teniny ary miezaka eo ambanin'ny Fanahy Masina mankato izay voambarany amin'ny anaran'i Jesosy Kristy velona sy masina manan-kery avy any Nazareta...

Tsy manan-tsaina toa anareo izahay ka afaka tsy mitsimpona e... :lol: :-D :-D

Mankasitraka rahalahy ikaretsaka a... :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1499