Marina ve zany ry reto

1. xxx ( 22/09/2009 20:37)
Izaho dia xstianina ,aty @toerana misy ahy dia misy ilay temoin de jehovah ireny zareo mizara boky de raisiko satria mba misy zvt mahasoa sy mahaliana ho vakiana ilay bokinzareo reny marihiko aloha fa za tsy xtianina ,naheno aho nefa fa mampididoza hn ny mitahiry ireny bokiny temoin ireny na mampisy devoly za nefa manana boky betsaka avy aminizireo ka ny fanontaniako efa naheno anio ve nareo hoe mampididoza na mampisy devoly ny fitehirizana anireny boky ireny misaotra hamaly :cry:
novalian'i ni81 ny 29/09/2009 07:21
2. cutie ( 22/09/2009 20:43)
Mbola tsy naheno :)
3. ikaretsaka ( 22/09/2009 20:53)
Izaho dia xstianina


3 lignes manaraka

marihiko aloha fa za tsy xtianina
8) 8O 8O 8O



anyways.. miverina any @ sobjektra isika: amiko araka ny finoanao azy ihany io... ny zavatra masaka ao an-tsainao no mitondra an'io fa amiko ;e izy de taratasy bedebe misy sarisary sy soratsoratra... fakako sy ataoko fikopaka rehefa mafana ny andro...de rehefa handrangitra andry zareo za de vakiako le izy de tsaraiko @ stylo mena de averiko any aminy....


aminao le izy mety hafa!

Fa raha tsy mahay anjareo dia aza atoro ny lava trano ry zareo fa le eny 2 arret ana Bus sns ireny resahana!

rehefa tsy manan-kalahatra intsony ry zareo rehefa sendra ny arguments tsara lahatra @ ady hevitra sy fantatrao bebe kokoa ny momba azy na ny sobjektra toriany aminao.. dia raisiny malaky ny tananao de iny izy no mangoron'entana!
4. ikaretsaka ( 22/09/2009 21:11)
momba ilay devoly devoly= matetika rehefa misy ideolojia somary manohitohina ilay raha hafa efa tafaraikitra mialoha ao anatinao..de io no adjectif qualificatif hamaritana ilay raha vaovao mifanipaka @ ilay efa tao taloha!
5. soanja ( 22/09/2009 22:05)
xxx:

Izaho dia xstianina ,aty @toerana misy ahy dia misy ilay temoin de jehovah ireny zareo mizara boky de raisiko satria mba misy zvt mahasoa sy mahaliana ho vakiana ilay bokinzareo reny marihiko aloha fa za tsy xtianina ,naheno aho nefa fa mampididoza hn ny mitahiry ireny bokiny temoin ireny na mampisy devoly za nefa manana boky betsaka avy aminizireo ka ny fanontaniako efa naheno anio ve nareo hoe mampididoza na mampisy devoly ny fitehirizana anireny boky ireny misaotra hamaly :cry:


ka indry Xtianina sa tsia zany no tena izy?


:)

Tsy maninona aky ireny boky ireny a. Rehefa mamaky azy indry dia ahita info na fahalalana be dia be tokoa momba ny fiainana ankehitriny sy ny ifandraisan'izany amin'ny tenin'Andriamanitra ao anaty baiboly.

Aza mba minomino foana ny zavatra resahin'ny olona koa fa izay no matetika mampitombo ny tahotra ka na dia zavatra tena tsotra aza dia lasa lazaina fa Devoly io.

Rehefa mandray zavatra anefa dia ataovy amin'ny fo foana, satria raha raisindry le izy nefa hataondry haingontrano dia mampalahelo ny olona mba liana te hamaky an'ireny nefa tsy hahazo ny anjarany.

Ny zavatra tsapako koa dia ireny boky ireny vita amin'ny hazo daholo. Dia mandreraka ahy ny hoe be ny hazo ripaka amin'ny fahalalana mety tsy hiasa amiko. Dia eo no misalasala sy mandanjalanja aho hoe ekeko ve ny fandripahana ala dia hahazo fahalalana vaovao no tsara sa aleo hilamina ny ala dia milamina koa ny saiko , tsy voatery sesefako fahalalana be loatra?
6. majesty ( 23/09/2009 04:28)
mitovy @ ika : kristiana sa tsia?
Raha tsy kristiana enao dia ny temoin de Jehovah koa tsy kristiana (tsetsatsetra tsy aritra io)
boky sy gazety ôtran'ny fahita eny an-tsena ihany ireny ka tsy hitako izay hampisy loza sy hampiditra devoly @ fananana azy.
Za koa anisan'ny mazoto mampian-trano an'ndry zareo ireny fa rehefa miresaka izahay dia izay fampianarany ho entiny aty amiko dia ahitsiko araka ny fahalalako ny soratra masina,dia milaza ry zareo fa hiverina miaraka @ olona mahay kokoa any am-piangonany any kanefa avy eo tsy hita akory .
7. niryna ( 23/09/2009 04:51)
Izaho dia xstianina


3 lignes manaraka

marihiko aloha fa za tsy xtianina
8) 8O 8O 8O


mety ho diso tsipelina angamba izy fa tsy kristiana no tiany ho tenenina
asa aloha
ikaretsaka:



anyways.. miverina any @ sobjektra isika: amiko araka ny finoanao azy ihany io... ny zavatra masaka ao an-tsainao no mitondra an'io fa amiko ;e izy de taratasy bedebe misy sarisary sy soratsoratra...

toy ny tract rehetra ihany io fa fantaro ny finoanao, tsara ny mandalina ny an'ny hafa mba ahafahanao mihazona ny anao

fakako sy ataoko fikopaka rehefa mafana ny andro...de rehefa handrangitra andry zareo za de vakiako le izy de tsaraiko @ stylo mena de averiko any aminy....
izany ve tsy mitory fanambaniantsaina ry ika? manao tsinontsinona ny an'ny hafa hianao.
Tsara ho fantatra fa kristy dia nampianatra ny olona rehetra mba ho tia ny fahavalony eny na dia tsy mitovy finoana aminao aza ireny dia mizara fitiavana aminy hianao , izao no didiko hoy kristy , dia ny ifankatiavanareo fa izay no ahafantaran'izao tontolo izao fa mpianatro hianareo ary iza no mahalala fa mety liana ny finoanao izy dia resy lahatra ary dia miverina amin'ilay ray nahary azy koa ,firifiry no resy lahatra ?

Ny T J dia mino an'Atra fa tsy mino an'i kristy ho Atra

Izahay izao manana namana kristiana ,silamo ,hindu ,budha ..ny finoana no tsy mitovy fa afaka mifampiresaka tsara izahay ary samy mizara ny finoany.
Ny mampihomehy dia lasa miantso hoe Aleloia na hoe Jesus Christ ry zareo
Isika dia taratra amin'ny finoantsika avy fa tsy hoe tsy tiako ny an'ny hafa dia ambaniako ilay izy ,anjaranao no mizara raha mangetaheta izy ireo ,manasa an-dry zareo miangona any aminay aho dia tonga izy na tsy mino an'Atra aza satria mbola tsy niditra fiangonana hatramin'izay niainany,izay ilay tiako tenenina kely an'ika
ikaretsaka:


Fa raha tsy mahay anjareo dia aza atoro ny lava trano ry zareo fa le eny 2 arret ana Bus sns ireny resahana!

rehefa tsy manan-kalahatra intsony ry zareo rehefa sendra ny arguments tsara lahatra @ ady hevitra sy fantatrao bebe kokoa ny momba azy na ny sobjektra toriany aminao.. dia raisiny malaky ny tananao de iny izy no mangoron'entana!
mitombona io fa tsy maharesy lahatra azy ny olona satria mahay tenin'Atra betsaka izy,tsotra ny valiny raha te andresy lahatra azy hianao
vakio ny baibolintsika ao amin'ny Jaona 1 1-4 manambara fa Kristy dia Atra ,jereo fa ny azy miova ho andriamanitra kely ilay teny ao amintsika hoe Atra na god ilay God . Dia eo izy manazava hoe tsy Atra i kristy .Raha mahay mitsimpona moa hianoa dia omeo azy daholo ny verses manambara fa Atra Izy sinon tsy mampiditra an-trano dia vita


8. ikaretsaka ( 23/09/2009 13:16)
de vakiako le izy de tsaraiko @ stylo mena de averiko any aminy....

izany ve tsy mitory fanambaniantsaina ry ika? manao tsinontsinona ny an'ny hafa hianao

niryna> matoa iny zaraina de natao hodinihina sy fakafakaina sy opinions samy contester-na de zay no ataoko ka

ohatran'ny magazine na gazetyhoy ianao, dia jerevo ianao rehefa mamaky magazine ka misy article 1 mety manaitra na ohatran izany dia zo-nao aty ny manoratra sy mandefa ny hevitrao any @ le nanoratra ilay article. na ny editor//de zay no ataoko
9. ravonjison ( 23/09/2009 14:10)
xxx:

Izaho dia xstianina ,aty @toerana misy ahy dia misy ilay temoin de jehovah ireny zareo mizara boky de raisiko satria mba misy zvt mahasoa sy mahaliana ho vakiana ilay bokinzareo reny marihiko aloha fa za tsy xtianina ,naheno aho nefa fa mampididoza hn ny mitahiry ireny bokiny temoin ireny na mampisy devoly za nefa manana boky betsaka avy aminizireo ka ny fanontaniako efa naheno anio ve nareo hoe mampididoza na mampisy devoly ny fitehirizana anireny boky ireny misaotra hamaly :cry:



Tsy mampididoza na mampisy devoly izany ka. Fa kosa mameno trano tsy misy antony.

Aza mandany andro @ izany ri xxx an ( na ny miresaka @ izy ireo na ny manangona ireo boky ). Demagogie no betsaka.
10. booboo ( 23/09/2009 19:01)
mampididoza mihitsy reny boky reny kah ! angonina angonina ao dia mameno trano fotsiny ! vovoka tsy vovoka intsony ! sady mameno poubelles fotsiny avy teo rehefa tena hanao tri @ zay ! pfffiouuuuuuu ! loza be ho an'ny filaminan'ny trano ireny

:arrow:
11. ikaretsaka ( 23/09/2009 23:40)
ho an'ny mpampiasa fatana mitsitsy aloha tena milay ireny e... tsy maty intsony koa ny vodinkesika any @ tanana hangalana kitay menaka handrehetan'afo
12. soanja ( 24/09/2009 03:01)
ikaretsaka:

ho an'ny mpampiasa fatana mitsitsy aloha tena milay ireny e... tsy maty intsony koa ny vodinkesika any @ tanana hangalana kitay menaka handrehetan'afo


Ka sao dia mba izay ary no mahatonga hoe mampisy devoly satria niafara tamin'ny afon-tsolifara tsy mety maty ny bokikely niavovona. Aza mba hitako aza mahita ahy!

Tsy misy maharatsy an'ireny boky ireny mihitsy aloha amiko fa raha tsy ilainao kosa ny info ao dia hoy aho hoe aleo ho an'izay mila azy no hampiasa azy. Ireny koa mety hamparary fitombenana raha entina any ankabone. Be mantsy ny gazety ao Dago no miafara amin'izany.

Anontanio ilay mpitondra azy ireo hoe: azo recycle-vana ve hono ny boky sa atao ahoana rehefa vita ny ilana azy? Ahoana no ataonareo hoe mba tsy handripaka ala be loatra? sa efa mamboly hazo ihany nareo noho izany/ Misoatra mialoha hoe!

13. nathie86 ( 24/09/2009 11:25)
ikaretsaka:

ho an'ny mpampiasa fatana mitsitsy aloha tena milay ireny e... tsy maty intsony koa ny vodinkesika any @ tanana hangalana kitay menaka handrehetan'afo



:lol: :lol:

Fa ny baibolin'ny temoins marina ôtrany misy ankoatrany 66 an. Misy oe révélation zay. Misy resaka ny adin'ny anjely,JK t@ devoly d nidina taty an-tany ny devoly fa resy d oe Michael no autre nom de Jesus sns sns.
14. ni81 ( 24/09/2009 11:29)
Fa ny baibolin'ny temoins marina ôtrany misy ankoatrany 66 an. Misy oe révélation zay. Misy resaka ny adin'ny anjely,JK t@ devoly d nidina taty an-tany ny devoly fa resy d oe Michael no autre nom de Jesus sns sns.
baiboly mitovy @ ampiasain'ny "protestant" ihany akia ny azy ireo a!
15. nathie86 ( 24/09/2009 12:10)
zany v?? ayyyy
16. ni81 ( 24/09/2009 12:28)
zany v?? ayyyy
ie
17. rhina ( 24/09/2009 12:43)
raha ny hevitro manoka no lo ry reto an
tsy ny t- ihany fa ny rehetra mintsy dia tsy afaka hitsara aho eo iza no kristiana na iza no tsia. Ny fivavahana dia akohatran'ny maha fivavaandrazana azy izany oe rehefa protestant dadab s bebe d protestant koa ny taranany dia
Conviction na faharesana lahatra no ivavahan'ny olona iray ao @ fiangonana iray izay entiny ho finoana ary mety mahatonga azy manaratsy ny afa sns

amiko manokana oa dia tsy tokony dia hitsaratara loatra satria tena mbola tsy fantatra marina izay tena marina e!! fa tanomafy fotsiny ny finonao dia zay
na t- ena na t+ en na xtianina enao na jentilisa enao.

fa enao sy ny ray ao ambony no iresaka rehefa ratrizay fa tsy enao sy finoana afa

18. ni81 ( 24/09/2009 12:45)
na t- ena na t+
:lol:
19. ikaretsaka ( 24/09/2009 14:59)
rhina> ny temoins kosa tsy Xtianina e.. raha raisina ny definition an"jny atao hoe Xtianina: satria ry zareo tsy manaiky fa i Jesoa de Atra, ary tsy mitovy lanja amin-jareo ny hoe Atra sy ny Zanak'Atra.
fa nesorina tanteraka ilahy "Atra marina avy @ Atra marina"
20. rijadolly ( 24/09/2009 18:12)
na t- ena na t+
Tsy ratsy koa iny
ika:
ny temoins kosa tsy Xtianina e..
Manindry mafy mihitsy ry zareo fa mino an\'i Jesoa ho Kristy ka.Sady Zanak\'Andriamanitra le nilazain\'Mpaminany fa ho avy dia efa tonga.
satria ry zareo tsy manaiky fa i Jesoa de Atra
Eo no tsy itoviny an\'izay mino ny 3 izay 1(trinite).Miavaka tsara ny azy Ny toeran\'Andriamanitra,sy ny maha Zanaka an\'Jesoa Kristy ary aminy maha Fanahy ny Fanahy Masina.Ty ny kitsipona hanamarinan\' izireo izany (Jaona 14: 28 ; 8: 28) Dia oh misy fanafohezateny oh zao \"kat\" Katolika angamba miaraka amin\'ilay izy.Mihevitra oh tsika koa ry zareo fa mitovy filaharana an\'Jesoa,Zoky tsika Izy,Rahalahitsika noho ny fandraisany antsika tahaka izany ary izany tokoa isika,Zanak\'Andriamanitra.
Mino tahaka antsika koa ry zareo fa ny Fanjakan\'Andriamanitra dia Jesoa Kristy no Mpanjaka(tsy hita maso hono tsy azoko????) izany. + 144 mille izay miaraka manapaka Aminy.
Ny vahoaka entina dia ireo zay mahazo ny fiainana mandrakizay.Izay maro tokoa.Mino izireo fa tsy holevona mihitsy ny tany fa ho lasa ho paradisa aorian\'fanatorotorona ny fanjakana tsy izy,fa ny Fanjakan\'Andriamanitra dia hitohetra mandrakizay.Rahoviana? rehefa tanteraka ireo Faminaniana(Matio 24:3- 14 ; Liok 21: 7-13, 25-31 ;II Timoty 3: 1-5 ;...)
Mino ny asan\'Rà Jesoa Kristy ho avotra ahazoana Fiainana mandrakizay ry zareo.Mino ny fananganana ny maty koa izireo.
Eo @ fandravana ny fanjakana ety antany dia hisy ny olona ho velona,Izay hiaina mandrakizay amin\'ity tany ity izay efa voadio. kitsipona hanaporofony izany...(Matio 24:36-39 ; II Petera 3: 5-7,13)
Tsy T- za fa kosa maka izay tsara any aminy mba hanamafisako ny Finoako izay tsy mivoana ny Baiboly.
Saika adinoko,mampiasa ny Baiboly Pro sy Kato ry zareo hatramin\'izay.Ary dia efa nahadika ny Baiboly amin\'teny manazavazava kokoa sy direct kokoa oh ny an\' diem..

Alaivo zay tsara fa ataovy oh ny an\'ika izay itanao fa tsy mety.
Ra amiko manokana dia tsy afaka hanaratsy ny an\'Hafa aho raha tsy fantatro fa voahajako ny ahy. Rahoviana???????

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4034