Marina ve zany ry reto

21. cutie ( 24/09/2009 18:15)
mba misy temoins de jehovah aza ve ato mba anontaniana :)
22. ikaretsaka ( 24/09/2009 18:24)
to t+ aby ro betsaka koa
23. cutie ( 24/09/2009 19:00)
hay :D
24. rijadolly ( 24/09/2009 19:36)
Ary T fotsiny ve misy ato? hihihihih!

Fanampiny kely ,ra araka ny fahafantarako azy dia ry zareo samy zareo ihany no mifampaka-bady ao.
Ny azofijalina koa dia samy hafa ny an\'tsika satria tsatoka mahitsy fotsiny ny azy fa tsy misy ilay mitsivalana.Ra amiko iny tsy olana na misy na tsy misy satria Ilay ASA VITA no zava-dehibe.

Asa azo alain-tahaka avy any aminy indray dia izireo tena manao ny asany amin\'fony na dia mahazo tsikera foana aza.Tsy miditra amin\'ilay hoe fisarihana ny hanaraka ny atoko misy azy aho fa kosa any amin\'ilay fahasahiana manely ny Filazantsara n\'Kristy (porte/porte)kanefa dia tsy mpino ao aminy no idirana.Fa ny antsika ndray matetika dia izay mpino ao amin\'Fiangonana no vangin\'Faritra na Pastera...Ny SDF moa dia adino tanteraka satria menatra raha mitory eny an-dalana,na manokatra Baiboly eny an-dalana ho an\'olona iray . :oops: :oops:

Ialako tsiny amin\'izay TEMOINS ra misy latsaka na misy diso izay lazaiko fa izay ny voaraiko tamin\'fanazavana azoko.

Ilay lohahevitra izay vao valiako.betsaka an\'ireny boky ireny atao amiko entin\'izy ireny fa tsy marina velively izany.Aza miala ny Fiangonana misy anao na dia mitarika anao aza ny hafa raha tsapanao fa ao Jesoa Kristy.Mety mbola diso ihany izany teniko izany satria mety ao Jesoa Kristy fa ianao mihitsy no tsy mandray Azy.Ekena fa misy fiasan\'Andriamanitra izay tenenin\'hafa Fiangonana aminao ao aminy kanefa ty no tsarovy.Kitsipona iray MARKA 9: 38 Ary hoy Jaona taminy: Mpampianatra ô, nahita olona anankiray namoaka demonia tamin\'ny anaranao izahay, ka noraranay izy, satria tsy nanaraka antsika.39 Fa hoy Jesosy: Aza mandrara azy; fa tsy misy olona izay hanao asa lehibe amin\'ny anarako ka hahateny ratsy Ahy vetivety.40 Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika.

25. cutie ( 24/09/2009 19:52)
ny henoko ndray de ry zareo tsy mankalaza xsmas, tsy mi feter taom-baovao sy faran'ny taona, anniversaire koa, tsy miraharaha momba ny fahafatesana. Ny paka no tena fety be @ ndry zareo, fa ny alakamisy masina ry zareo tsy mandray komino fa ze sahy maka an'iny de mi assurer-ny tenany fa hiakatra velona any an-danitra. De ry zareo koa de tsy mahandry ny fara andro :-D
26. ikaretsaka ( 24/09/2009 20:06)
.Fa ny antsika ndray matetika dia izay mpino ao amin'Fiangonana no vangin'Faritra na Pastera...Ny SDF moa dia adino tanteraka satria menatra

Kozy ve zany le!
8O Ny any aminareo izany fa tsy ny any aminay kle...
kozio an'i pedro sy m Teresa izany raha tsy....
27. rijadolly ( 24/09/2009 20:54)
ihihihihi! =)) =)) =)) Aza tsipon'ise ny teniko fa tohizo hatramin'farany.Misy an'izao ao hoe:" mitory eny an-dalana" sy hoe "manokatra Baiboly eny an-dalana"
28. ikaretsaka ( 24/09/2009 21:57)
ary tsy mahatanty tsimpona itony kay rehefa tena itsimponana, kanefa izany no hanaovan'itony ilay vondrom-boky misy ny kely voasoratra!

fanahiniako ny tsy nitsimpona io nataon ianona bold io satria ny T- tsy mi wawawa eny an-dalana fa mitety trano! de eo ambaravaranao izy no manokatra rehefa tsy ampidirinao....

29. Ratoa ( 24/09/2009 23:57)
izaho indray dia mifanerasera akaiky amin'ny témoins de Jehovah. nahaizako zava-dehibe momba ny finoako ny fifaneraserako aminy. Betsaka amin'ireo voalazan'i rijadolly ireo no tsapako. Marihiko fotsiny fa ny tena votoatiny ny finoany dia ny mijoro ho vavolombelon'i Jehovah sy mitarika ny hafa ho tonga vavolombelon'i Jehovah. Amiko izy dia tsy manaratsy mihitsy ny finoan'ny hafa fa ny azy no imasoany ho tonga lafatra: hita eo amin'ny fietsiny sy ny fiainany rehetra izany. izy dia tena miray hina ary mifanampy amin'ny fiainana an-davan'andro, mikarakara ny mpiray finoana aminy. Be fandavan-tena amin'ny asa-piangonana (salle du royaume de Jehovah no ataony anarany).
Ry Zareo dia milaza fa kristiana izy.
Nitaominy aho hifindra ho témoins de Jehovah, dia novaliako izy (mbola tsy nanaraka ny fampianarany aho tamin'izany) :"izaho tsy mba natao batisa fa rehefa no raisina ho mpandray ny fanasan'ny tompo aho vao natao batisa. Ny razambeko anefa dia anisan'ireo 12 lahy nandika ny Baiboly amin'ny teny malagasy. kristiana convaincu aho ary manaja ny razambeko aho ka tsy hivadika ho témoins de Jehovah na oviana na oviana aho. Tsy misakana antsika tsy iaraka handinika ny Baiboly izany". Dia nanaiky izy.

Betsaka itovizana amin'ny voaraikitry ny Baiboly protestanta malagasy ny voasoratra ao amin'ny Baiboliny. Tsy mahalala ny Baiboly katôlika aho, na gasy izany na amin'ny teny hafa. Rehefa miara-mamaky teny izahay dia vereniko vakiana amin'ny teny malagasy, anglisy, allemand ary frantsay (baiboly réformé) iny. Ny voasoratra amin'ny teny gasy ( édition 1908-1909 rééditée en 1965) sy ny voasotra ao amin'ny baiboly témoins de Jéhovah no mifanakaiky indrindra ary be mitovy.
Ireo boky kely na "revue" zarainy dia tsy mampiditra devoly izany fa tracts na gazety toa ny rehetra iny. Fampianarana tsotsotra (simplifié) entiny miasa hisarihana ny olona ho tonga ho témoins iny. Inona ny olana amin'izany? Isika manana ny "Fanasina" sns. Amariniko sy dinihako min'ny Baiboliko daholo izay voalaza ao satria mitanisa andininy amin'ny Baiboly ireny. rehefa vita ny ilako azy dia ariako tahaka ny gazety rehetra
Ny ataony hoe Révélation dia Apokalipsy na Fanambarana no anarany ao amin'ny Baiboly protestanta malagasy, Revelation amin'ny Baiboly teny anglisy (édition de 1611), Offenbahrung izay midika hoe Fanambarana na filazana mazava, amin'ny teny allemand,(Baiboly naverina nadika tamin'ny 1907 - 1931 avy amin'ny teny nanoratana azy teny ampiandohany ary natonta tamin'ny 1942).
Marihiko fa betsaka ny soa azoko amin'ny fiarahana amin-dry zareo, na dia ny fandalinana ny kely mba haiko amin'ny soratra masina ihany aza.
Izaho koa dia miangona any amin-dry zareo ndraindray fa mahafinaritra ahy ny fombany: tsy be filiriny fa tonga dia ny soratra masina no banjinina sy azavaina. Ilay fiangona réformée fandehanako ohatra dia miresa bola foana. Nisy izany pasitera niteny hoe: nous allons monayer notre foi en Dieu et notre reconnaissance!!!!!Tofaka aho tamin'izay. Fa angaha azo vidiana vola ny fitiavan'Andriamanitra?
Araky ny hevitro: tsara ny mijery ny manodidina ahafantarako izay tena misy ahy. Izay tsy fantatro dia tsy mba aratsiako na amb aniako fa voalaza :" aza mitsara dia tsy ho tsaraina ianao".
30. ikaretsaka ( 25/09/2009 02:11)
Ny mahagaga @ ty raham-pivavahana ity koa hoa de matetika rehefa milaza zvtr hita momban'ilay fombam-pinoana,ka @ sehatra hafa sy fijery hafa ny olona 1 hafa... nefa de tena tranga misy momban'ilay fivavahana saingy tsy ao @ iheveran ilay olona azy no resahina, dia io hoe "aza mitsara" io foana no fika fialana bala..fa tsary misy mihaiky na fara faharatsiny manazava ny antony anaovany na nahatonga le raha le olona.
31. soanja ( 25/09/2009 02:57)
Ny T- voalohany nifanday tamiko dia havan'ny namako be izay. Isaky ny mifanena izahay tamin'ny zah 15 taona any angamba io dia atorony foana ireny boky kely ireny. Sady tonga dia niteny izy hoe mariky ny devoly ny amin'ny signe de croix sns sns... Fantany moa aho fa Katolika dia nahita holazaina foana izy momba ny zavatra hinoanay, isan'izany ny resaka trinite masina. Izay olona izay aloha tsapako fa somary vatravatra be tokoa rehefa manazava ny finoany ary ny hafa tsy misy lanjany aminy. Nefa tsy nahalala ny hafa mitovy aminy aho tamin'izay fa isany tsy nitiavako azy ireo izany taloha.

Taty afara indray dia efa nanana tokatrano aho vao vonona handray andry zareo satria malalaka aho tamin'ny tranoko fa taloha mantsy vao eo ambaravarany izy ireo dia tsenain'ny mamanay hoe " tsy manam-potoana fa misaotra"
Ny nahagaga ahy dia samy naka baiboly izahay dia ny ahy moa baiboly protestanta no nananako. Ka tena misy fiovana mihitsy " ny teny" voasoratra ao amin'ilay baiboly ananako sy ny azy. Farany dia nitondran-dry zareo ny baiboliny aho fa iny mazava kokoa hoy ry zareo fa ny ilay ananako tsy mahateny azy tsara. Ny fanodikodinana ny teny tao no nahafantarako voalohany fa io " teny ' io raha vao misy fiovana kely fotsiny na ny article aza dia mivadika zavatra hafa ny dikany ary io no ifikaran'ny tsy fitoviana ara-kevitra tao anatin'ilay baiboly roa. Ao izany no mahalaza tsara fa " Anjely" i Jesoa.
Olona tsapako fa tena manana ny hasiny tokoa ireto olona amin'izay hinoany ary tia mandray olona sy tsotra ry zareo. Mahafantatra koa izy rehefa hoe tsy tafa ianao. Mahalala onona izany. In-3 na in-4 izy miverina ka raha tsy mandray ianao dia tsy tonga intsony ry zareo. Zay no taty aminay, efa lehibe aho amin'io.

Koa ny fahitako azy angamba dia miankina amin'ilay olona ifandraisana tsirairay eo no ahitanao na tonga hitory ny azy izy na hanaratsy ny anao. Raha ny fahafantarako azy dia mitovy ny zavatra toriana sy theme isan-kerinadro maneran-tany ary iny no tena hainy mamaly an'iny satria iny no dinihiny mandritra ny herinandro , avy eo izy mitory an'iny. Vao miala an'iny ny size anefa dia somary manome fotoana izy hoe amin'ny manaraka io resahantsika satria mila sopapa izy tsinona.

Ny fandraisana azy ireo ho Xtianina na tsia dia tsy anjarantsika na ny tsirairay no hiteny izany. Izy tsinona mahalala ny hinoany fa dia manaja azy amin'izany no hitako fa mety.
32. ikaretsaka ( 25/09/2009 03:40)
Raha ny fahafantarako azy dia mitovy ny zavatra toriana sy theme isan-kerinadro maneran-tany ary iny no tena hainy mamaly an'iny satria iny no dinihiny mandritra ny herinandro , avy eo izy mitory an'iny. Vao miala an'iny ny size anefa dia somary manome fotoana izy hoe amin'ny manaraka io resahantsika satria mila sopapa izy tsinona
:-D :-D
ary izay kay izany no tsy niverenan'ilay "mpiresaka sy mpanatitra boky" tao @ dorm ko intsony fony zahako mbola nianatra... leo ny maka sopapa fa za moa hainareo ihany fa be fanontaniana izay de io lazaiko io hoe notsipihiko foana ny bokiny de hi-lite ko izay tsy mazava sy tiako hizarana ny opinion ko momba ilay sobjektra!
de lasa maka sopapa any ry zareo.. de in 8 in 9 niverina ..de nanomboka nahalana de nanao im-10 in 11 de tsary nimpoly tsotry....
33. soanja ( 25/09/2009 03:49)
ikaretsaka:

Raha ny fahafantarako azy dia mitovy ny zavatra toriana sy theme isan-kerinadro maneran-tany ary iny no tena hainy mamaly an'iny satria iny no dinihiny mandritra ny herinandro , avy eo izy mitory an'iny. Vao miala an'iny ny size anefa dia somary manome fotoana izy hoe amin'ny manaraka io resahantsika satria mila sopapa izy tsinona
:-D :-D
ary izay kay izany no tsy niverenan'ilay "mpiresaka sy mpanatitra boky" tao @ dorm ko intsony fony zahako mbola nianatra... leo ny maka sopapa fa za moa hainareo ihany fa be fanontaniana izay de io lazaiko io hoe notsipihiko foana ny bokiny de hi-lite ko izay tsy mazava sy tiako hizarana ny opinion ko momba ilay sobjektra!
de lasa maka sopapa any ry zareo.. de in 8 in 9 niverina ..de nanomboka nahalana de nanao im-10 in 11 de tsary nimpoly tsotry....


Ka sao kosa ary sarotra iraha-mandinika baiboly i Ika? Zah koa raha diliran'Ika fanontaniana foana sady tsipitsipahan'Ika ny bokiko ohatra nefa tsy tiako izany, nefa ny ahy sy ny hevitro tsy tody any amin'Ika dia inona fa tsy toy mandevina alika ihany izany na mopera vaky damozana, samy miala isika ry havako!


:-D :-D :-D

Ireny anie mba olombeona ihany fa tsy hoe efa anjely akory! :-* :-* :-*
34. ikaretsaka ( 25/09/2009 03:51)
f any nahamarika ahy t@ njareo dia io finiavana sady mizara ny azy no mandray ny anao io ... fa tsy le manao ohatran'ny sasany ato hoe ny azy ihany no asesisy de afaka 2 volana iny sobjektra voatampona iny no averina apetraka @ domba hafa :wink:
35. soanja ( 25/09/2009 03:57)
ikaretsaka:

iny sobjektra voatampona iny no averina apetraka @ domba hafa :wink:





:-D :-D :-D

Ka sao mba miova hevitra re ianao! Tsy misy mafy tsy laitra ny zoto e!
36. ikaretsaka ( 25/09/2009 04:12)
Ikazakoa raha diliran'Ika fanontaniana foana sady tsipitsipahan'Ika ny bokiko ohatra nefa tsy tiako izany


soanja.. raha miditra ao antranoko ve ianao ka hanao hoe hifampiresaka baiboly isika mombana theme izao sy izao!
de arosoy ny anao point par point miaraka amin'izay arguments anao.. de dinihiko tsara iny

de tsoriko kosa fa tapatapak'ahitra ro atao ka tsy maintsy hanipika sy hi hi-lite izay hotaroninao aho mba hahafahako koa mamoaka ny hevitro momba ilay point nolazainao hoe izao.. hahafahako manao hoe ahoana raha izao no arguments ... na hoe sao tsy zany kosa fa zao? na hoe le momba an'izao ahoana ny aminy?
37. soanja ( 25/09/2009 04:24)
ikaretsaka:

Ikazakoa raha diliran'Ika fanontaniana foana sady tsipitsipahan'Ika ny bokiko ohatra nefa tsy tiako izany


soanja.. raha miditra ao antranoko ve ianao ka hanao hoe hifampiresaka baiboly isika mombana theme izao sy izao!
de arosoy ny anao point par point miaraka amin'izay arguments anao.. de dinihiko tsara iny

de tsoriko kosa fa tapatapak'ahitra ro atao ka tsy maintsy hanipika sy hi hi-lite izay hotaroninao aho mba hahafahako koa mamoaka ny hevitro momba ilay point nolazainao hoe izao.. hahafahako manao hoe ahoana raha izao no arguments ... na hoe sao tsy zany kosa fa zao? na hoe le momba an'izao ahoana ny aminy?


Ekeko anie izany Ika raha ifanarahana dieny mialoha e. Saingy raha ao an-tranonao aho dia manazava izay tiako tenenina eo aho avy eo raisinao ny bokiko de asianao tsipitsipka sy hi-lite-vanao nefa zah mety tsy nifanaraka taminao an'izany dia mety tsy hety ny raharaha satria tiako ianao mba milaza mazava fotsiny fa tsy iny bokiko iny no anaparanao ny toetra tsy zaka. Maninona raha maka cahier hafa ianao dia ny anao no tsipitsipihanao fa tsy ny ahy? Na izah manana ny cahier-ko dia maka noty izay tianao anontaniana? Mino aho fa na tsy izah aza ireo olona ireo dia efa kopy aho e na in-2 fotsiny hoe tsy miverina any aho fa efa fantatro fa tsy ho tafita ny hafatro. Ry zareo anie ka raha ho any dia tsy ny hifanditra ara-pinoana fa hitory ny azy e.

:-D :-D :-D Fahitako an'ireny aloha efa vita planina ny azy ny hotoriany ary indraindray ihany izy vao vonona hanao argument.
38. ikaretsaka ( 25/09/2009 04:30)
raha nomenao ahy ny boky heo ity diniho ....
de teneniko heo reto tsa digniko fa zao ro nandinihako anazy!de tsipihiko..
fa raha ny kahie nao aza manahy ka tsy foinao "hanaovako devoir"
39. soanja ( 25/09/2009 04:43)
ikaretsaka:

raha nomenao ahy ny boky heo ity diniho ....
de teneniko heo reto tsa digniko fa zao ro nandinihako anazy!de tsipihiko..
fa raha ny kahie nao aza manahy ka tsy foinao "hanaovako devoir"


Zany hoe efa nomeny anao ve zany ny boky sa mbola azy?

Ny ahy aloha raha ahy ny boky dia soritako fa raha tsy ahy dia tsy sahy aho.


:)

Tiako ny devoaran'Ika ka1 Ry zareo anefa mety tsy tia ny devoaranao! fa mba te hanavotra anao fotsiny ny ao an-tsainy.
40. ikaretsaka ( 25/09/2009 05:04)
nomeny exemplaire 1 @ le 'wactchtower" za de rahampitso miresaka ho'zy.. eny ary hoa ..de novakiako de ze point tsy nazava no hi liteko de nanontaniako..
hmmm mahaliana izany hevitrao zany ho'zy fa andraso aloha za mba handinika koa (haka sopapa izy amin'io )

de nimpoly de nanome boky 2 (valin le sopapa hono) de nataoko ohatran zay... de nentiko tao @ chapelle nay (nisy tao @ le dorm ko) de tao @ sachristy de nazavaiko anazy (resaka le sary ireny no theme t@ izay raha tsy diso aho hoe ireny ny baibolin'ny tsy mahay mamaky teny aminay hoa) ..de handeha haka sopapa indray hono izy..
de tsy hita aloha izy elaela de adino le sobjektra

de nimpoly izy niaraka t@ na olona hafa de resaka taova sy ra indray ny theme.. de hitany angamba za hoe marikivy be .. de anontaniany.. de ho'zy za hoe de ahoana izany ny amiko hoa fa za zao misy ran'olona ato amiko fa za efa natao transfusion, organen'olona ny ato anatiko.. sns...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1358