Mifanakiana fa miray hina hatrany !

1. majesty ( 24/08/2009 05:19)
Rehefa jerena ny dinika mifanesisesy tato dia betsaka ny protestant no manohitra ny katolika (toy ny hoe masina Maria e,i Md Piera e ...sns) kanefa ry Môpera sy ry Pasitera ary rehefa fotam-pivavahan'ny ffkm miara-mitarika ny fotoana sy miaraka mivavaka ery ambony polipitra ery toa tsy misy olana akory, mahagaga e!
2. ari.malala ( 24/08/2009 06:25)
:-D :-D :-D :-D :-D k zay lay hoe ny tapany iany no mikobana ko :-D :-D :-D :-D :-D ho ahy manokana aloha satria ny fianakavian'ny reniko dia protestanta, d sady haiko ny any @ zareo no haiko ny katolika satria d katolika ny raiko, izay no finoana nanabeazana ahy. Amiko manokana iany koa, ts ny maha katolika na ny maha protesatant koa no inona fa ny finoana an'Andriamanitra. Ny tena tsara d mifanaja fa tsy laozana mifandrirotra sy mitsingoloka (io no tena tszakako eto!) satria misy d tena mihevitra ny tenany fa hiakatra velona any andanitra zao d zao refa avy mamoaka ny venins retraretra any anaty vavany any...
3. fahamarinana ( 24/08/2009 07:24)
:arrow: majesty a : vao tonga angamba ianao ,fa nisy androny koa ny Kato niresaka naharitra ny Protestant !Ny tiako lazaina hoe rehefa tery ny saina sy tsy mandray fanazava omeny ny hafa sy manery ankolaka na mazava be izao dia io no mahatonga ilay raha hihitatra : voakasik'io daholo ny Finoana rehetra fa tsy ny Kato na Protest irery ihany ! Ivereno vakiana ny dinika taloha fa tahaka izay ! :D
ari : Mitovy ny cas-ntsika,ny ahy aza niampy hoe lehibe sy notezaina Kato nefa hatramin'izao dia andehanako daholo izy roa tonta !Tsy miteraka olana amiko !
Dia hisy hilaza koa ve hoe manafangaro Finona fa mila mifidy ? odoie ! :-P (l)
4. majesty ( 24/08/2009 07:29)
fah : aleo atao hoe mifanakiana zany reo e,na ny andaniny na ny ankilany kanefa ange ho aho ka dia miaraka mitarika fotoam-pivavahana iray ihany ireo rehefa ilay fotoan-dehibe ireny e, ny tiako lazaina dia ny hoe ny mpiandry ondry zany mifanara-tsaina fa ny ondry taritina no mifanipaka araka ny dinika izay iarahan-tsika mahita ato. Tsetsatsetsa tsy aritra iny
5. fahamarinana ( 24/08/2009 07:34)
:arrow: majesty :ny aty aminay akia efa mitarika amin'izay ,efa nazavaiko ihany taloha fa angamba satria maro ny mpivady samihafa Finoana dia lasa tafaraka foana na ary na atsy !Na manao fety na fotoan-dehibe ,eny na fotoam-pifohazana ,isan'ny lavin'ny olona noho ny tsy dia fahalalana sy koa tsy fanazavana atolotry ny voakasik'izay !..
Izany no tena mba tiako ,nefa ny tiko moa tsy voatery ho tian'ny hafa !Eo indrindra ilay manahirana e ! :) (l)
6. ni81 ( 24/08/2009 07:48)
Dia hisy hilaza koa ve hoe manafangaro Finona fa mila mifidy ? odoie !
zà zafikeli-na Pasitera Protestanta, ary nianatra t@ sekoly katolika, ary manambady katolika fa nijanona ho protestanta ihany (ny protestanta moa misy karazany marobe) :)
Rehefa misy fotoan-dehibe @ fianakavian'ny vadiko any @ katolika ka manasa anay izy dia mandeha aho.
7. tywa68 ( 24/08/2009 09:04)
:lol:
8. rakapy ( 24/08/2009 09:25)
Mbola averiko indray ilay ohatra nolazaiko fahiny iny.

Ilay A/tra izay inoan'ny finoana maro eto an-tany dia IRAY ihany.Dia ilay NAHARY IZAO TONTOLO IZAO. Fa ny fanehoana , filazana, fombafomba sns izay eo @ mpino no samihafa.
Tsy misy hafa ireny compagnie de transport ery Anosibeireny ny fiangonana isakarazany.

Raha Tulear no tianao andehanana , dia misy compagnie maro ao afaka ny hitondra anao ho any. So.na.tra, Ma.fio, ko.fi.fi,Mafio..... Izy ireo sy ny mpanerany tsy1/1 avy dia samy milaza fa ny compagnie-ny irery ihany no tonga any ara-potona sy tsara fiara sns....ary nahazo alana t@ fanjakana manoka fa mpakany Tulear.

Dia toy izany ihany koa ny fiangonana. Samy manao izay isarihana olona maro satria @izay mba tsy hitsipozipozy ilay fiangona. Ny tena ao ambadik'izany anefa dia ny VOLA sy FAHEFANA. (MONEY& POWER).Fa izay lasa any ankoatra dia tsy hiverina hintsony ka hitaraina hoe
AVERENO NY VOLANAY SY HERI-PO LANINAY TAO @ FIANGONANAREO FA KAY TSY MARINA AKORY ILAY NOLAZAINAREO ANY FONY TENY AN-TANY IZAHAY

:-D :-D :-D
9. rzakarivola ( 24/08/2009 10:51)
ari.malala & fahamarinana >>> Fantatro fa Andriamanitra miteny isanandro isanandro, fa tato ho ato aho nahatsapa zavatra manokana t@ teny entinareo, mahatsapa fahazavana.
10. majesty ( 24/08/2009 10:56)
Rakapy :
Ilay A/tra izay inoan'ny finoana maro eto an-tany dia IRAY ihany.Dia ilay NAHARY IZAO TONTOLO IZAO. Fa ny fanehoana , filazana, fombafomba sns izay eo @ mpino no samihafa


Misy mino fa izao tontolo izao dia tsy nisy namorona fa tongatonga ho azy, ny olona avy amin'ny trondro dia avy eo lasa rajako ...sns Ny Atra inoan'ireny antokon'olona ireny zao dia hafa (tsy izany ilay Nahary izao tontolo izao izany ).Noho izany tsy voatery hitovy ny Atra inoan'ny finoana tsirairay eny fa na ny isany aza. Misy mino Atra tokana misy mino Atra maromaro.


Tsy misy hafa ireny compagnie de transport ery Anosibeireny ny fiangonana isakarazany.
Raha Tulear no tianao andehanana , dia misy compagnie maro ao afaka ny hitondra anao ho any. So.na.tra, Ma.fio, ko.fi.fi,Mafio..... Izy ireo sy ny mpanerany tsy1/1 avy dia samy milaza fa ny compagnie-ny irery ihany no tonga any ara-potona sy tsara fiara sns....ary nahazo alana t@ fanjakana manoka fa mpakany Tulear.


Eo koa dia samy manana ny fijeriny ary misy mifanohitra mihitsy aza : raha atao hoe samy ho any Toliara ohatra (atao hoe mbola tsy nisy tonga tany fa plan no arahana) dia misy milaza fa any avaratra ny lalana,misy milaza fa any andrefana, ny hafa miteny fa mianatsimo ...sns noho izany tsy voatery ho samy tonga any Toliary any avokoa ireo.
11. rakapy ( 24/08/2009 11:04)
Hoy majesty

Misy mino fa izao tontolo izao dia tsy nisy namorona fa tongatonga ho azy, ny olona avy amin'ny trondro dia avy eo lasa rajako ...sns Ny Atra inoan'ireny antokon'olona ireny zao dia hafa (tsy izany ilay Nahary izao tontolo izao izany ).Noho izany tsy voatery hitovy ny Atra inoan'ny finoana tsirairay eny fa na ny isany aza. Misy mino Atra tokana misy mino Atra maromaro.

Koa izy ary efa milaza fa tonga tonga ho azy ve ko mbola hiino ny fisian/Atra indray? midika izany fa tsy misy A/tra amin'ireo antokon'olona ireo.

Eo koa dia samy manana ny fijeriny ary misy mifanohitra mihitsy aza : raha atao hoe samy ho any Toliara ohatra (atao hoe mbola tsy nisy tonga tany fa plan no arahana) dia misy milaza fa any avaratra ny lalana,misy milaza fa any andrefana, ny hafa miteny fa mianatsimo ...sns noho izany tsy voatery ho samy tonga any Toliary any avokoa ireo

Tena mazava aminao ny tiako ambara. Tsy misy mahay sy mahafantatra ny marina isika eto . Fa JAMBA MIFAMPITANTANA avokoa.
12. ni81 ( 24/08/2009 13:19)
Tena mazava aminao ny tiako ambara. Tsy misy mahay sy mahafantatra ny marina isika eto . Fa JAMBA MIFAMPITANTANA avokoa.
ny marina? voalaza ao anaty baiboly ao ka! :)
13. rakapy ( 24/08/2009 13:53)
hoy i Ni81
ny marina? voalaza ao anaty baiboly ao ka!

Ny marina @ finoana sy fihevitra xana no ao anaty baiboly fa tsy ny marina @ finoana sy fihevitra hafa ka! :D
14. ni81 ( 24/08/2009 13:59)
Ny marina @ finoana sy fihevitra xana no ao anaty baiboly fa tsy ny marina @ finoana sy fihevitra hafa ka!
ka kristiana ange ireo kato sy prote voalaza eo ireo e! :)
15. rakapy ( 24/08/2009 14:05)
:-D :-D :-D kay moe aferan'ny propest sy katol no titre :-D :-D :-D Izaho efa zatra ilay fivavahana safobe tsy mivaky kay moa resaka mivaky ity ato ity :-D :-D :-D Sitomiko miverina aty amiko izany ny teniko raha izany ko.
16. ni81 ( 24/08/2009 14:06)
kay moe aferan'ny propest sy katol no titre Izaho efa zatra ilay fivavahana safobe tsy mivaky kay moa resaka mivaky ity ato ity Sitomiko miverina aty amiko izany ny teniko raha izany ko.
:-D :-D :-D sintony ary e
17. rakapy ( 24/08/2009 14:09)
Izay fa efa nampirimiko aty am-posiko :-D :-D :-D
18. ni81 ( 24/08/2009 14:12)
19. majesty ( 24/08/2009 14:20)
Koa izy ary efa milaza fa tonga tonga ho azy ve ko mbola hiino ny fisian/Atra indray? midika izany fa tsy misy A/tra amin'ireo antokon'olona ireo


Manana ny inoany izy fa tsy Atra fotsiny no iantsoany azy fa hoe " Être supréme "

Tena mazava aminao ny tiako ambara. Tsy misy mahay sy mahafantatra ny marina isika eto . Fa JAMBA MIFAMPITANTANA avokoa.


Ilay ohatra nataonao ambony no nahatonga anah niteny an'io fa izay no ilaintsika ny fanazavana ny lalana ho diavina sy ny tondro-avaratra ahitana izay ho aleha dia tsy inona fa ny Soratra masina izany fa ny mampalahelo fotsiny samy misintona izay tiany ho roritina ao ny olona rehetra dia lasa tsy mitovy ny hevitra sy ny lalana ho diavina.
20. rakapy ( 24/08/2009 14:38)
Hoy majesty

Manana ny inoany izy fa tsy Atra fotsiny no iantsoany azy fa hoe " Être supréme "

Raha mbola manana etre supreme izy dia izay ilay atao hoe A/tra. Ny filaza azy fotsiny samihafa,miankina @ fitenenana sy ny finoana sns... fa Izay no atao A/tra.

Ilay ohatra nataonao ambony no nahatonga anah niteny an'io fa izay no ilaintsika ny fanazavana ny lalana ho diavina sy ny tondro-avaratra ahitana izay ho aleha dia tsy inona fa ny Soratra masina izany fa ny mampalahelo fotsiny samy misintona izay tiany ho roritina ao ny olona rehetra dia lasa tsy mitovy ny hevitra sy ny lalana ho diavina

Raha ilay ohatra noraisiko tetsy ambony momba ireo compagnies de transports dia toy izao:

Ny compagnies tsy 1/1 dia ny fiangonana
Ny chauffeur ny taxi-brousse dia ny mpitarika(pasitera,mopera, .....)

Nefa na ireo chauffeurs ireo aza dia tsy mbola nisy tany Tulear
:-D :-D :-D nefa dia milaza sy miseho ho mahafantatra ny lalana.
Ka izay ilay nilazako hoe "samy jamba mifampitantana isika"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0465