Ilay Andriamanitra resahina matetika eto ve Andriamanitra?

1. soanja ( 13/08/2009 19:36)
Variana tokoa aho mandinika ny fahazahoantsika an'Andriamanitra. Ilay Andriamanitra dia averimberintsika eto fa masiaka be, hamono, handringana, tsy maintsy hilavo lefona isika aminy, hotsarainy isika, tsy maintsy hibebahana, hifonana ary ho tiavina mihoatra ny loha na mihoatra ny rehetra. Be fitiavana koa anefa Izy fa tsy maintsy ireo aloha no mandeha aloha vao hanome ilay Fitiavana Izy. Hanolotra fanomezana antsika ary hitsimbina antsika. Izany rehetra izany dia noho ilay filazana ny fisian'ilay Paradisa.

Raha hilaza ve aho fa tsy Izay Ilay Andriamanitra fa isika no nomen'olona hevitra dia iny no fikirin'ny saintsika, dia ahoana hoy ianareo?

Omeko anareo amin'ny manaraka no heveriko fa Andriamanitra ary inona no antony nanamboarany antsika na ny nahaOlona antsika.
novalian'i soanja ny 25/08/2009 13:34
2. cutie ( 13/08/2009 21:49)
vo haingana mitsy koa za ry soanja no nametraka fanontaniana we raha le Atra resahina matetika eto le laizana fa be fitiavana sy ny sisa de nahona no mbola betsaka ny oul mijaly, ny zavatra tsy rariny miseho rehetra sns, de nahona reo rehetra no avelan'Atra hiseho amintsika daholo, de ahona koa le we "helo" de we avelan'Atra ho very any daholo ve ny oul nefa lazaina fa mpamindra fo izy. Tsy azoko mitsy alou ny fandehany fa miandry ny valin-tenin-jy momba le we antony nanamboarany antsika. :D
3. soanja ( 13/08/2009 23:42)
Salut Cutie,

Niaranifoha tamiko i Cutie! Faly aho. :D :D

Rehefa atao ny fandinihana eto matetika sy ny eny rehetra eny izay voizina dia tsy izy ilay Andriamanitra resahina raha vao tsy handringana izay izy any amin'ny farany. Tsy izy izay ilay Andriamanitra raha vao tsy Hanafay sy hanipy ny maro hafa any anaty afo miredareda. Tsy izy izay ilay Andriamanitra raha vao tsy atahorana toy ny biby masiaka mierongerona handripaka. Ary tsy izy izy raha vao tsy hanimba izao tontolo izao ary handray ny olony IHANY!

Mba Andriamanitra manao ahoana loatra re izao Andriamanitra nanamboatra antsika izao nefa hampisaraka antsika sy handringana izay tsy manaraka ny teniny.

Tsy Andriamanitra tia tena loatra ve izany lazaina amintsika izany?

Tian'izany Andriamanitra izany raha tsy manota ianao, ary raha manota ka mibebeka dia izay no farany tsara. Nefa dia manota foana raolombelona. Inona hozy ianao nilaza mihitsy hono Izy hoe araka ny teny nomeny avy amin'ny alalan'ny boky iray hoe TERAKA NIARAKA tamin'ny ota ianao. Iza no namorona ny ota? Izy ve? Nisy tampoka ny helo satria nisy ny Devoly? Iza no nanamboatra io Devoly io? Navela higalabona ny ota, navela hanjaka ny Devoly ary nisy fotoana aza hono nifanaraka mihitsy izy sy Devoly handamin-javatra.

Tsy ampy fandinihana mialoha ve zany ilay Andriamanitra raha nisy ireo nefa izy no nanamboatra sy nampisy?

Tsapanao ao aminao ve izany Andriamanitra handringana izany. Manampy anao ve izany Andriamanitra izany? Manilo anao ve izy sa tahotra ho tsapanao?
SA VE rehefa mieritreritra Izy Andriamanitra ianao dia FITIAVANA no tsapanao manenika anao?

Diniho akaiky ary fa mbola afaka mifoha ianao fa tsy HATORY intsony. Mbola afaka hiaina Azy ianao tsy AMPATAHORANA!

4. ikaretsaka ( 14/08/2009 04:26)
Tsy izy izay ilay Andriamanitra raha vao tsy atahorana toy ny biby masiaka mierongerona handripaka

itovizako hevitra io aryanisan"ny mivoy an'io za

Mba Andriamanitra manao ahoana loatra re izao Andriamanitra nanamboatra antsika izao nefa hampisaraka antsika sy handringana izay tsy manaraka ny teniny
.
izay leandriamanitra "laid back" ohatran"ny Ray amandreny..
ilay karazan'ny manao le hoe
"zanako ianao" tiako ianao ary tokony hifankatia isika ... malalaka tanteraka ianao ary nomeko izany .... fa ireto kosa tsy azonao atao....
saingy..
amiko manokana dia ahy (ny consciansiko) sy Izy (Atra) io, aloha.... fa tsy hoe za tsy malil tsy malil de hoe za zao ho'zy soanja ohatra

raha manam-potoana i soanja de vakio "Dilige et quod vis fac." (Tiava dia ataovy izay tianao atao) -St. Augustin... from the 7th Sermon on the First Letter of St. John. Inoako fa misyt an'io ny tahirimbokim-panjakana any aminareo

5. cutie ( 14/08/2009 13:21)

manin tsara le tsy malil tsy malil fa tsy azoko :-D

soanja
Ka refa dinihina koa ny baiboly de bdb ny zavatra tsy azo ao hany ka lasa mampatahotra le izy arak'io lazainjy io ambony de lasa mampatahotra le Atra :-D , zay le voalaza matetika eto @ forum, le fandringanana sy fanafaizana sy ny tariny.

SA VE rehefa mieritreritra Izy Andriamanitra ianao dia FITIAVANA no tsapanao manenika anao?
Fa io alou no raisiko hatramizao e :D
6. soanja ( 14/08/2009 13:49)
ikaretsaka:

Misaotra an'Ika nizara. Tena tsy manana an'io tokoa ny tahirim-bokimpirenena fa dia aleo zany tadiaviko io any amin-dry Mopera aty aminay.

Isan-karazany ny fomba ifandraisan'Andriamanitra amintsika ary izay heverintsika tsara na ratsy dia ifampiresahana amintsika avokoa ary Ampitiavana.

Fitiavana no votoatin-kevitr'Andriamanitra amintsika. Tsy manana afa tsy io Izy. Ny ankoatr'izay dia an'olombelona avokoa ny fihetsem-po mahery sy masiaka ary mpanafay.

7. booboo ( 14/08/2009 13:51)
SA VE rehefa mieritreritra Izy Andriamanitra ianao dia FITIAVANA no tsapanao manenika anao?
Fa io alou no raisiko hatramizao e

+1
8. soanja ( 14/08/2009 13:54)
cutie:

amiko manokana dia ahy (ny consciansiko) sy Izy (Atra) io, aloha.... fa tsy hoe za tsy malil tsy malil de hoe za zao ho'zy soanja ohatra

raha manam-potoana i soanja de vakio "Dilige et quod vis fac." (Tiava dia ataovy izay tianao atao) -St. Augustin... from the 7th Sermon on the First Letter of St. John. Inoako fa misyt an'io ny tahirimbokim-panjakana any aminareo

manin tsara le tsy malil tsy malil fa tsy azoko :-D

soanja
Ka refa dinihina koa ny baiboly de bdb ny zavatra tsy azo ao hany ka lasa mampatahotra le izy arak'io lazainjy io ambony de lasa mampatahotra le Atra :-D , zay le voalaza matetika eto @ forum, le fandringanana sy fanafaizana sy ny tariny.

SA VE rehefa mieritreritra Izy Andriamanitra ianao dia FITIAVANA no tsapanao manenika anao?
Fa io alou no raisiko hatramizao e :D

Mino marimarina koa aho ry Cutie fa io tsapanao io na voarainao io na ny raisinao io koa no tsapan'ny hafa. Tia antsika 100% Andriamanitra. Tsy hampijaly Izy ary hampitony lalandava ny momba antsika. Isika sy ny saintsika no mamitaka ny fiheverantsika ny momba azy satria nisy nanesika tao an-tsaintsika ny resaka Devoly.

Mahereza mitony sy mitia ny hafa ary hanaparitaka izany fitiavany izany araka izay vitanao. Sambatra ianao mahatsapa!

:-* :-* :-*

Omeko miandalana raha vao vita ny Finoana Malagasy ny hoe IZA MOA ANDRIAMANITRA AMIKO.
9. cutie ( 14/08/2009 14:03)
ok akia :-*
10. niryna ( 14/08/2009 16:48)
soanja:

Variana tokoa aho mandinika ny fahazahoantsika an'Andriamanitra. Ilay Andriamanitra dia averimberintsika eto fa masiaka be, hamono, handringana, tsy maintsy hilavo lefona isika aminy, hotsarainy isika, tsy maintsy hibebahana, hifonana ary ho tiavina mihoatra ny loha na mihoatra ny rehetra. Be fitiavana koa anefa Izy fa tsy maintsy ireo aloha no mandeha aloha vao hanome ilay Fitiavana Izy. Hanolotra fanomezana antsika ary hitsimbina antsika. Izany rehetra izany dia noho ilay filazana ny fisian'ilay Paradisa.

Raha hilaza ve aho fa tsy Izay Ilay Andriamanitra fa isika no nomen'olona hevitra dia iny no fikirin'ny saintsika, dia ahoana hoy ianareo?

Omeko anareo amin'ny manaraka no heveriko fa Andriamanitra ary inona no antony nanamboarany antsika na ny nahaOlona antsika.

Marobe ny andriamanitra ary marobe ny zavatra ataon'olona andriamanitra fa ny Atra izay hivavahan'ny kristiana( ny olona izay manaiky an'i kristy ho tompo sy mpamonjy ary nanafaka azy tamin'ny ota rehetra ,mino azy fa maty noho ny ota izy ,mino aza fa mbola hiverina indray izy ary mino azy fa Atra koa izy ,ireo no atao hoe kristiana) .Ny kristiana dia iray ihany ny Atra ary dia ny rain'i kristy izany ,io Atra io dia manana zanaka lahitokana dia Jesosy kristy, ny an'ny hafa dia manana Atra izy fa mananjanaka vavy telo,ny an'ny kristy ny Atra-ny dia mampianatra ny kristiana mba ho tia ny fahavalo ny an'ny hafa indray dia aripao ny fahavalo fa raha tsy izany tsy miditra any am-paradisa
vita tompoko
11. soanja ( 14/08/2009 23:37)
niryna:

soanja:

Variana tokoa aho mandinika ny fahazahoantsika an'Andriamanitra. Ilay Andriamanitra dia averimberintsika eto fa masiaka be, hamono, handringana, tsy maintsy hilavo lefona isika aminy, hotsarainy isika, tsy maintsy hibebahana, hifonana ary ho tiavina mihoatra ny loha na mihoatra ny rehetra. Be fitiavana koa anefa Izy fa tsy maintsy ireo aloha no mandeha aloha vao hanome ilay Fitiavana Izy. Hanolotra fanomezana antsika ary hitsimbina antsika. Izany rehetra izany dia noho ilay filazana ny fisian'ilay Paradisa.

Raha hilaza ve aho fa tsy Izay Ilay Andriamanitra fa isika no nomen'olona hevitra dia iny no fikirin'ny saintsika, dia ahoana hoy ianareo?

Omeko anareo amin'ny manaraka no heveriko fa Andriamanitra ary inona no antony nanamboarany antsika na ny nahaOlona antsika.

Ny kristiana dia iray ihany ny Atra ary dia ny rain'i kristy izany ,io Atra io dia manana zanaka lahitokana dia Jesosy kristy,

Amin'i Nyrina izany dia tsy Andriamanitra i Jesoa Kristy?

Amiko anefa dia Andriamanitra i Jesoa Kristy. Izy no nizara ny fitiavana tamintsika ka nahafantsika nahalala fa hanana an'Andriamanitra isika ao anatintsika rehefa lasa Izy dia tsy inona izany fa ny FANAHY MASINA , izay tsapantsika isanandro vaky manome aina sy mamelona antsika ary hitarika antsika hanasoa ny hafa sy tena ary ny manodidina.

12. Veloo ( 16/08/2009 16:11)
Nisy tampoka ny helo satria nisy ny Devoly? Iza no nanamboatra io Devoly io? Navela higalabona ny ota, navela hanjaka ny Devoly ary nisy fotoana aza hono nifanaraka mihitsy izy sy Devoly handamin-javatra.

Raha tsy diso aho ianao tsy mino ny devoly? ahona no lasa nuresaka ny devoly ianao?
13. Veloo ( 16/08/2009 16:17)
de nahona no mbola betsaka ny oul mijaly, ny zavatra tsy rariny miseho rehetra sns, de nahona reo rehetra no avelan'Atra hiseho amintsika daholo,

cutie a, ny fanalaviran-tsika an'Andriamanitra no mampisy an;ny fahoriana sy ny zavatra ratsy miseho ankehitriny... ary matoha miseho amin-tsika ireny dia ny consequence ny separation-tsika amin'Andriamanitra, marina mihitsy fa Andriamanitra dia Fitiavana fa rehefa tsy manaiky ny fitiavany isika dia izao zavatra miseho ankehitriny izao...Ny fahotana dia number 1 ny ratsy rehetra....
14. Veloo ( 16/08/2009 16:19)
Iza no namorona ny ota? Izy ve? Nisy tampoka ny helo satria nisy ny Devoly? Iza no nanamboatra io Devoly io? Navela higalabona ny ota, navela hanjaka ny Devoly ary nisy fotoana aza hono nifanaraka mihitsy izy sy Devoly handamin-javatra.

miandry ny valin-ten'i Soanjo aho amin'ity questions-nataonao ity... misaotra indrindra
15. soanja ( 17/08/2009 01:06)
Veloo:

Nisy tampoka ny helo satria nisy ny Devoly? Iza no nanamboatra io Devoly io? Navela higalabona ny ota, navela hanjaka ny Devoly ary nisy fotoana aza hono nifanaraka mihitsy izy sy Devoly handamin-javatra.

Raha tsy diso aho ianao tsy mino ny devoly? ahona no lasa nuresaka ny devoly ianao?

Marina izany tsy mino ny devoly aho. Tsy misy ny devoly. Ny tahotra kosa dia misy. Manalavitra ny hazavana ny tahotra. Takonan'ny tahotra ao amin'olombelona matetika ilay hazavana, ilay fahendrana, ilay fahamarinana izay tsy iza fa Andriamanitra. Amiko dia tsy hain'ireto nanoratra momban'ny finoany ny fanazavana ny zavatra tsapany dia nanoratra ny fisian'i Devoly izy ireo. Io hevitra io ahafahany manazava ny zavatra tsapany manelingelina azy -tsy mampitambatra azy amin'Andriamanitra.

Miresaka ny devoly aho satria izay no voalazan'i Boky Baiboly. Io teny ao anaty baiboly io no naveriko hilazana fa io no resaka asesika ny olona mba hino an'Andriamanitra nahary ny tany sy lanitra ary izao rehetra izao , mba hatahotra ny olona. Amiko raha ny fitiavan'Andriamanitra antsika no dinihina dia tsy misy izany Devoly izany. Raha mahatsapa izany Fitiavana izany ianao dia tsy hahatsapa afa tsy fitiavana ankoatr'izay dia Tahotra avokoa.

16. soanja ( 17/08/2009 01:11)
Veloo:

Iza no namorona ny ota? Izy ve? Nisy tampoka ny helo satria nisy ny Devoly? Iza no nanamboatra io Devoly io? Navela higalabona ny ota, navela hanjaka ny Devoly ary nisy fotoana aza hono nifanaraka mihitsy izy sy Devoly handamin-javatra.

miandry ny valin-ten'i Soanjo aho amin'ity questions-nataonao ity... misaotra indrindra

Ny olombelona no namorona sy nanesika ny fisian'ny ota, helo sy ny devoly ao an-tsain'ny hafa mitovy aminy mba hanintonana ny hafa hatahotra sy tsy hiaina afa tsy ao anaty tahotra momba izany Andriamanitra izany. Andriamanitra dia tsy inona fa FITIAVANA. Tsy handringana velively Izy ary miaramiasa aminao hanasoa ny momba anao sy ny hafa mifandray.

17. ari.malala ( 17/08/2009 06:46)
Voaresaka ao @ baiboly ny momba ny demony sy ny asany, fa voaresaka bb kokoa ao ny nandresen'i Kristy azy, noho izany dia amiko manokana, ny fitiavana nentin'i Kristy nandresy izay demony izay no tokony voizina raha hiresaka Azy sy ny momba an'Andriamanitra. Amizay tsisy intsony ny fampitahorana. Ilay manao hoe raha tsy manao anizao d ho very koa amiko tsy mety...
18. ikaretsaka ( 17/08/2009 14:25)
Iza no namorona ny ota? Izy ve? Nisy tampoka ny helo satria nisy ny Devoly? Iza no nanamboatra io Devoly io? Navela higalabona ny ota, navela hanjaka ny Devoly ary nisy fotoana aza hono nifanaraka mihitsy izy sy Devoly handamin-javatra.

Hoy ny Katesizin'ny fiangonana Katolika, araka ny nalaina t@ fampianaran'i Md Augustin

Ny fahotana dia fandikana ny raisonm,n ny marina ary ny lafiny tsara @ feon'ny fieritreretana, tsy fanatanterahana ny tena fanehoana fitiavana marina sy ny fitiavan"Atra ...vokatry ny tsy fahatsapan-tena ka fifikirana @ zavatry ny tany

Sin is an offence against reason, truth, and right conscience; it is a failure in genuine love for God and neighbour caused by a perverse attachment to certain goods.... It has been defined [by St Augustine] as "an utterance, a deed, or a desire contrary to the eternal law."

19. soanja ( 17/08/2009 15:13)

Marina tokoa io. Misaotra nizara!

:-* :-*
20. soanja ( 18/08/2009 03:58)
Ny tsy ekeko indrindra aloha dia ny hoe zaza menavava vao teraka dia efa lazaina fa mitondra ota. Mampalahelo!

Ka inona moa izany no mahasamihafa azy amin'ilay hoe vao teraka ny zaza Gasy iray tamin'ny andro iray dia eo no efa misy mametaka hoe teraka alakaosy ka ratsy vintana. :(

Ny fanolorana ny zaza hapetraka eo an-tanan'Andriamanitra mba hisy fiahiana ny fiainana dia tena ekeko tokoa, fa tsy noho ny fahotana tamin'ny fototra velively izay tsipahako ankitsirano.

Iny zaza vao teraka iny dia efa mariky ny FITIAVANA goavana tokoa ary mibaby FITIAVANA feno ka isika manodidina azy indrindra ny ray aman-dreniny no atokisany hizarany izany tsy misy fepetra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0528