Ilay Andriamanitra resahina matetika eto ve Andriamanitra?

61. soanja ( 24/08/2009 20:00)
fidinirina:

Misy tokoa ny ratsy satria ny devoly no namorona azy. Tsy Andriamanitra no namorona devoly fa ny devoly no nanao anakam-po hoe ndeha haongako io fanjakan'Andriamanitra io. Nazera tety an-tany izay ka tonga foana sy tsy nisy endrika ny tany noho ny haratsiana nentiny ary mbola izy foana no mitondra ny ratsy ho an'ny olona rehetra hatramin'izao.
Fa mba aiza ao anaty baiboly, raha novakianao, tokoa moa no misy milaza fa Andriamanitra no namorona ny ratsy e! sa sao dia mba mandeha @ fahatsapanao sy ny fihevitrao samirery fotsiny.
Lojika ve hoy aho ny hoe Andriamanitra namorona ny zavatra rehetra ary hitany fa tsara indrindra izany dia izy ihany no manao ndray hoe : ndehana nareo olona manotà amiko ary ireto ndray ny ratsy ataovy : izany ve lojika ? valio


Ka eo anie zany ny olana mahatonga antsika rehetra hisahotaka e.

Niforona ho azy ve zany ny Devoly????? Raha toa ve ka voalaza ao anaty baiboly hoe Andriamanitra namorona izao rehetra izao sy izay misy na ny hita maso. Izy no manana fahefana rehetra amin'izay namboariny. Ka ny mahagaga izany dia hoe nanamboatra ireo anjely izy dia raha ny fijeriko ny lojika dia raha manamboatra zavatra aho dia efa vitako testa daholo ny tsara sy ny ratsy momba ilay zavatra amboariko ary raha manantanteraka ilay zavatra aho dia efa fantatro ny ho avin'ilay zavatra amboariko hoe izao no fetran'ny fahaveloman'ity zavabita ity na fiasany ary izao ihany no vitany ary izao no tsy vitany. Koa raha nanao ny anjely ve zany izy aminareo mihevitra fa tsy i Andriamanitra no nanao ny Devoly dia tsy arany mialoha ve zany fa hisy anjely hivadika biby na devoly. Araka ny voalaza ihany fa Isika olombelona raha namboarina dia diso fanantenana izy rehefa avy eo fa niharatsy ny olombelona ary farany tena nalefany ny safodrano.

Raha Andriamanitra manana ny fahaizana sy fahalalana ny ho avy sy ny taloha ary hatramin'izay dia mahalala ny namboariny tokoa. Noho izany dia tsy hinoako hoe misy izany rehetra izany Devoly wa, wa, wa ratsy sy tsara eo aminy.

Isika olombelona no diso fanantenana amin'ny momba antsika ary mahita ny haratsin'ny zava-drehetra sy mety ho hatsarany. Isika olombelona no mitsara ny namantsika foana nefa matetika koa tsy mahita ny momba antsika. Na mahita fa mody fanina satria ny hafa ihany no ratsy. Isika olombelona no afaka manoratra ny ao an-tsaintsika hilaza fa izao no izy sy tsy izy. Isika olombelona tsy afaka mahita ny ao ambaidika sy lavitra ka voatery maminavina. Isika olombelona matahotra ny tsy fantatra ka voatery maka fehin-kevitra hoe ity ny marina ka izay heverin'ny rehetra fa marina dia izay no marina.

Andriamanitra kosa dia Izy no nandavorary. Izy no namorona amin'ny fahafahany momba antsika sy hafa tsy fantatra any. Miodina ny fiainana na eto an-tany na any amin'ny universe. Tsy misy fijanonana fa miodina tsy misy tsara tsy misy ratsy fa dia izay no izy. Andriamanitra ao anatin'io fiodinana io. Ny fifanantonantsika ampitiavana no fisian'Andriamanitra. Andriamanitra dia tsy miasa ara-potoana taloha, androany, rahampitso, ny ho avy/ na toerana fa ny anio sy izay ao anatinao.







62. soanja ( 24/08/2009 20:11)
majesty:

Tsy misy ny ratsy ??? dia tsy misy koa hoe ny tsara ??? dia isika olombelona ihany hoe no mampisy an'izany ???

Raha ny foto-kevitra kristiana aloha dia tsy ireo mihitsy. Raha ny tena marina dia misy ifandraisany amin'ny finoana boudhiste ireo foto-kevitra ireo fa noraisina fotsiny ny baiboly hitsimponana hevitra hanohanana azy.

sa tsy izany ve ?


Ka izay no tiako hambara amin'i Majesty hoe rehefa malalaka dia mamakia ny mahasamihafa ny Religion sy ny Spiritualite. Ireo mantsy dia afaka manome valiny io fanontanianao io.

Ny tenin'Andriamanitra dia manerana; ao anaty boky voasoratra, resahin'ny maro eny, hiainantsika amin'ny alalan'ny traikefa, tsapantsika amin'ny fifandraisana andavanandro na tsy indraindray. Tsy voafetra hoe ao anaty baiboly ihany fa n'aiza n'aiza. Miresaka amintsika lalandva Andriamanitra ary Izy tsy hiresaka aminao izay olan'i Jiosy sy ny Filistinina any fa ny olanao mifandray amin'ny fiainana iainanao no mety asehony anao ny tokony atao na hoe ny tsapanao amin'ny hatsarana sy hazavana omeny eo ampifandraisana amin'ny hafa.

Tsy hoe bodista sy Xtinina na Silamo ny hevitro fa ireo no mifangaro no manome fahalalana sy hazavana ho ahy ka hampahiratra ny masoko hoe Iza marina moa i Andriamanitra izay katsahiko ity. Inona no tsapan'ny hafa dia inona no tsapako. sns sns...

Misaotra nanaraka fa rehefa malalaka aho dia hanome lalindalina ny lohahevitro.


63. soanja ( 25/08/2009 02:57)
Hoy aho hoe:

Tsy katsahina akory anie Andriamanitra fa tsapanao Izy. Izy no mampiseho ny fisiaNY ao anatinao. Hifoha ao anaty torimaso ianao rehefa TSAPA izy. Fahazavana Izy ary manerana ny fisehony.
64. majesty ( 25/08/2009 04:58)
Tsy hoe bodista sy Xtinina na Silamo ny hevitro fa ireo no mifangaro no manome fahalalana sy hazavana ho ahy ka hampahiratra ny masoko hoe Iza marina moa i Andriamanitra izay katsahiko ity. Inona no tsapan'ny hafa dia inona no tsapako. sns sns


Tandremo ihany io manafangaro io fa ny choco + pepsy + menthe ange ka lasa mivadika poizina mahafaty e.

Tsy katsahina akory anie Andriamanitra fa tsapanao Izy. Izy no mampiseho ny fisiaNY ao anatinao. Hifoha ao anaty torimaso ianao rehefa TSAPA izy. Fahazavana Izy ary manerana ny fisehony.


Io izao dia tena finoana Kristiana madiodio tsy misy fangarony, hoy izy mantsy hoe " Tsy ianareo no nifidy Ahy fa Izaho no nifidy anareo ..."
65. ni81 ( 25/08/2009 08:14)
Aza mba maniry loza kosa e!
Loza @ ahoana e? Raha naniry anao ho lasa olon-dratsy aho dia marina ny teninao. :)
66. rakapy ( 25/08/2009 08:28)
Hoy i Ni81
Loza @ ahoana e? Raha naniry anao ho lasa olon-dratsy aho dia marina ny teninao.

Loza tamiko ilay izy ka! soa fa afaka tao :-D :-D :-D
67. tywa68 ( 25/08/2009 08:38)
manokafa sujet vaovao i Rakapy raha hitantara loza :-D :-D
68. ni81 ( 25/08/2009 08:42)
Loza tamiko ilay izy ka! soa fa afaka tao
hehe! mbola hiverina ao ianao ka! mety tsy ilay fiangonana narahinao teo aloha intsony fa hanaraka fiangonana hafa indray ianao. Misy instinct-ko milaza an'izay :-P
69. rakapy ( 25/08/2009 08:56)
manokafa sujet vaovao i Rakapy raha hitantara loza

Tsy mpitory na mihevitra ny hitory kosa aloha aho e! indrindra fa loza!!! :-D :-D :-D
70. tywa68 ( 25/08/2009 09:22)
:-D
71. rakapy ( 25/08/2009 09:36)
Hoy Ni81
hehe! mbola hiverina ao ianao ka! mety tsy ilay fiangonana narahinao teo aloha intsony fa hanaraka fiangonana hafa indray ianao. Misy instinct-ko milaza an'izay

De hijapy fiangonana firy re eto @ ity fiainana fohy ity. Mba manandrana zavatra hafa kosa e!
72. tywa68 ( 25/08/2009 09:43)
Tsy misy manaka ny hiverenanao Rakapy na d te hanandrana ny hafa enao a :lol:
73. rakapy ( 25/08/2009 09:55)
Izay aloha dia marina! :wink:
74. ni81 ( 25/08/2009 10:01)
De hijapy fiangonana firy re eto @ ity fiainana fohy ity. Mba manandrana zavatra hafa kosa e!
safidy hatrany io ka! :)
75. cutie ( 25/08/2009 13:31)
Voalaza teo :
Tsy katsahina akory anie Andriamanitra fa tsapanao Izy. Izy no mampiseho ny fisiaNY ao anatinao. Hifoha ao anaty torimaso ianao rehefa TSAPA izy. Fahazavana Izy ary manerana ny fisehony.


Io izao dia tena finoana Kristiana madiodio tsy misy fangarony, hoy izy mantsy hoe " Tsy ianareo no nifidy Ahy fa Izaho no nifidy anareo ..."

hummmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmmm :D
76. soanja ( 25/08/2009 13:34)
majesty:


Tandremo ihany io manafangaro io fa ny choco + pepsy + menthe ange ka lasa mivadika poizina mahafaty e.

Tsy katsahina akory anie Andriamanitra fa tsapanao Izy. Izy no mampiseho ny fisiaNY ao anatinao. Hifoha ao anaty torimaso ianao rehefa TSAPA izy. Fahazavana Izy ary manerana ny fisehony.


Io izao dia tena finoana Kristiana madiodio tsy misy fangarony, hoy izy mantsy hoe " Tsy ianareo no nifidy Ahy fa Izaho no nifidy anareo ..."


Ity tandremo tandremo ity indrindra no tsy hahavoazako ny anareo. Ny zava-drehetra ambany lanitra dia efa nomen'Andriamanitra antsika ho safidy ary miankina amin'izay no ahitanao ny teniny sy ny hatsarany. Tsy robot akory ny tena ka de izay voalaza ao anaty baiboly olona tam taona anarivony any no handidy ny fahitana an'Andriamanitra amin'izao. Raha nahavita nahita sy nahatsapa an'Andriamanitra izy ireo dia ny tenako koa tsy misy mahasamihafa azy aminy. Azoko lazaina aza fa nahita fahasoavana kokoa ny tenako hoarina amin'izy ireo satria maro ny traikefa efa nandalo ary betsaka ny azo nakana lesona. Soa fa misy ny boky sy ny tantara.

Raha nanoratra boky i Jesoa dia hoy aho hoe izay no lafatra saingy tsy nanoratra izy no ho izany tsy lafatra ny raharaha.

Hitanao izao io teny nosoratako farany io dia tsy nalaina tao amin'ny baiboly io fa dia ny fahendrena ananana no manome io nefa rehefa nodinihinao dia milaza mazava ny toy ny ao amin'i baiboly. Koa noho izany aza mihevitra fa isika dia tsy hitovy fahitana an'Andriamanitra toy ireo taloha. Samy manana ny fotoana hatsapany an'Andriamanitra ary indrindra ny hiainany azy araka ny baiboly vaovao azontsika rehetra soratana ho an'ny tenantsika raha setrina ka izay no fanirian'ny tena.




© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0548