Izaho izany ry reto tena te ihinana mangidy a

1. niryna ( 27/06/2009 13:33)
Asa hianare raha mba misy fotoana te ihinana mangidy.Mangidy e,mangidy e,hoy ilay mpivarotra mangidy amin'ny siny ,dia iny indray ilay mpivarotra manga mamy be ,any am-bavan'ialahy e,any ambavan'ialahy e.

Indraindray na mihinana mamy be na mihinana sira be,indraindray mangidy ny fiainana rehefa sendra ny loza hoy ny fitenenana ka na ny patsa iray aza tsy omby vava.
Fa ity ny ahy no ataoko rehefa tena ihinana mangidy aho.
Inona aloha ny anarain'ity zavatra ity amin'ny teny gasy e ? Bitter melon mantsy ny ahalalako azy ary mangidy izy io kanefa tena mbola tsy maheno mangidy tsara aho.Misy olona asiany jus de citron fotsiny dia lazainy fa tsy zakany ka lomany.Ny ahy indray dia alaiko ireny oliva efa avy nilona ireny dia iny ranontsira iny no amerahako ilay "bitter melon"/Tetehiko madinika kely e,dia avy e dia ataoko ao,dia isaky ny avy misakafo aho na rehefa misakafo iny dia maka misimisy kely eo,vetivetika dia mandeha mivoaka ny tena
Inona ny anareo no hohanina raha te ihinana mangidy?
Dia inona tokoa moa no antony ihinana izany ?
novalian'i niryna ny 22/08/2009 16:47
2. cutie ( 27/06/2009 14:17)
tsy asiana siramamy fotsiny ze zavatra sotroina rehetra hihihihihi. Za alou tsy manisy siramamy mitsy @ dite aty e . Za tsy misotro kafe :wink:
3. ikaretsaka ( 27/06/2009 17:34)
te hihinana mangidy?
andramo ny kafe tsy asiana siramamy dia ranona katrafay sy aferon-tany avy notanehana no hanaovana azy..
fa ambiansa be :-P
4. xxx ( 27/06/2009 18:13)
jus pamplemouse, d beks!
5. niryna ( 27/06/2009 19:04)
ikaretsaka:

te hihinana mangidy?
andramo ny kafe tsy asiana siramamy dia ranona katrafay sy aferon-tany avy notanehana no hanaovana azy..
fa ambiansa be :-P


inona izany katrafay ? dia mampaninona izany aferon-tany izany ? sao maty eo ry ika :D

izaho tsy misotro kafe ,mandoha aho raha misotro kafe na atao be ronono aza
6. niryna ( 27/06/2009 19:05)
cutie:

tsy asiana siramamy fotsiny ze zavatra sotroina rehetra hihihihihi. Za alou tsy manisy siramamy mitsy @ dite aty e . Za tsy misotro kafe :wink:

matsatso fa tsy mangidy io aky a,ny siramamy indray rehefa dorana elabe dia mangidy

7. niryna ( 27/06/2009 19:07)
xxx:

jus pamplemouse, d beks!

ny jus pamplemouse ady aminay tsy mangidy ka,ny ahy indray asiko sakay sy sira ny pamplemouse ,toy izany koa ny manga sy ny paoma maintso

:miam: :miam:
8. niryna ( 27/06/2009 19:11)
Ity ilay sarin'ilay'' bittermelon'' fa tsy fantatro ny dikany amin'ny teny gasy

ohatran'ny cocombre izany ilay izy fa bokaboka dia tetehina madinika kely rehefa avy nesorina ny voany
9. ni81 ( 27/06/2009 19:17)
Tsy margozy ve no anaran'io @ teny gasy sa?
Ny aferon-tany tsy mahafaty izany fa mangidy be fotsiny. Io no tena be mpisotro na dia ankizy aza omena an'ireny any dago matetika.

10. Ratoa ( 27/06/2009 19:18)
hypertendu angaha ianao no mandoa raha misotro kafe?
Ny angivy mangidy, andarahoina miaraka amin'ny anana na hanina @ izao. Ny anamamy mangidy, ny hoditra pamplemousse koa mangidy. Ny anatsinahy koa mangidy, ny ananambo mangidy, samy fihinana ny ny raviny na ny voany. Ny ravina papay mangidy, ny ravina voataby samy fanao laoka daholo ireo.Hypotenseur daholo ireo hafa tsy ny anamamy izay
lazain'ny sasany fa mampiakatra tension. Izaho aloha mbola tsy nahatsikaritra izany.
Aubergine amère na angivy angamba no ataonareo hoe bitter melon. Misy sariny ve? Matsiko toa ny atody izy any Madagasikara fa boribory ary mididididy toa ny melon.
Mazotoa é! izaho tsy tia mangidy raha mbola misy ny mamy
11. ni81 ( 27/06/2009 19:28)
Romarin koa rehefa tanehina ela dia mangidy be.
hypertendu angaha ianao no mandoa raha misotro kafe?
zà koa dia tsy tia kafe nefa ty hypertendy na kely aza. Mandoa toa an'i niryna io koa aho raha vao misotro na dia 1 sotro kely fotsiny aza.
12. Ratoa ( 27/06/2009 19:34)
Margôzy no afantarako an'io. concombre amère koa hoe.
13. niryna ( 27/06/2009 19:38)
Ratoa:

hypertendu angaha ianao no mandoa raha misotro kafe?
tsy tia misotro kafe fotsiny aho ka,izahay ato an-trano mihitsy no tsy misy misotro kafe,misy vahiny aza sahirana amin'ny fatrany,hi,hi

Ny angivy mangidy, andarahoina miaraka amin'ny anana na hanina @ izao.
taloha aho tena tia angivy be mihitsy miarana amin'ny anamamy fa tena leony tsy te hierika intsony taty aoriana

Ny anamamy mangidy, ny hoditra pamplemousse koa mangidy. Ny anatsinahy koa mangidy, ny ananambo mangidy, samy fihinana ny ny raviny na ny voany. Ny ravina papay mangidy, ny ravina voataby samy fanao laoka daholo ireo.Hypotenseur daholo ireo hafa tsy ny anamamy izay
razanamaria moa ilay anana mifangarongaro ireny ? asiko menaka fotsiny dia basy, fa tsy misy aty aminay,misy anamamy dia indray fa tsy fantatray na fihinana na poizina moa hipipiazan'ny alika koa ka tsy sahy maka hohanina

lazain'ny sasany fa mampiakatra tension. Izaho aloha mbola tsy nahatsikaritra izany.
ny ravimbomanga izao no nataoko omaly nasiko sira sy tongolo fotsiny dia nendesiko 1mn fotsiny.fa tsy henoko ilay izy e,sao dia mba manaizana aza izaho izany :D

Aubergine amère na angivy angamba no ataonareo hoe bitter melon. Misy sariny ve? Matsiko toa ny atody izy any Madagasikara fa boribory ary mididididy toa ny melon.
io ambony io ny sariny.
sasako madio fotsiny dia tetehiko madinika kely e dia lomako miaraka ny olive dia iny no hohaniko,tiako aloha ilay izy e

Mazotoa é! izaho tsy tia mangidy raha mbola misy ny mamy

izaho tsy tia mamy fa ny ahy sira no tiako .Andeha hividy voamadilo aho dia hohaniko amin'ny sira sy sakay aloha :D

14. niryna ( 27/06/2009 19:44)
Ratoa> ity ilay sarin'ilay" bittermelon "
15. Ratoa ( 27/06/2009 20:07)
izaho koa tia marikivy ka! na citron izany na manga manta na olive na lasary karaoty na inona moa ilay concombre kely?
Ny ravimbomanga tsy mangidy ka. Ny concombre sasany koa mety hangidy
16. niryna ( 27/06/2009 20:40)
Ratoa:

izaho koa tia marikivy ka! na citron izany na manga manta na olive na lasary karaoty na inona moa ilay concombre kely?
Ny ravimbomanga tsy mangidy ka. Ny concombre sasany koa mety hangidy


misaotra anao,andao ary hifanao fotoana dia hoento ny lasary manganao fa izaho itondra voamadilo sy pipasy manta nilomako tamin'ny vinaingotra :D
17. tsiambaratelo ( 28/06/2009 15:27)
andao ary hifanao fotoana dia hoento ny lasary manganao fa izaho itondra voamadilo sy pipasy manta nilomako tamin'ny vinaingotra





eeeh,mampatsiahy ny fihinanako voamadilo 1/2 kg,ao anaty ny adiny iray,alona sira ny 1/2 de andrahona aminy siramamy,de hohanina miaraka aminy vovo-tsakay sy vovo-tsira,hi hi hi :-D

Amizao zah tena mitsangam-bolo,raha vo misy miresaka voamadilo,brrrrrrr:D


Ny anah ndray le thé vert ireny no asoloko ny mangidy,mafaitra be ao am-bava,mangidingidy tsara.mba ialana am Jus isan-karazany be siramamy amzao mafana be izao (eto aminay).
18. ikaretsaka ( 28/06/2009 16:04)
Ny katrafay ry niryna dia hazo maniry any atsimon'ny nosintsika any. Ny hazony dia mafy tsara sy tsara loko tokoa raha samy "hardwoods" (manopy mavo izay) ary fanaovana fanaka sy ny gorodona lafo vidy any amintsika any. Ny hodritr'io hazo io dia ampangotrahana @ rano handroana dia mampitsotra hozatra trotraka sy mampi relax..na sotroina atao rano fisotro koa dia tonifiant.sady mampihena fahenoana hetaheta ilay izy any @ tany mafana..

Margozy no ahafantaran'ny gasy ny bittermelon...
19. Ratoa ( 28/06/2009 21:39)
tena mety izany. fotoanan'ny pibasy izao. miraraka ivy sahady saingy aiza no ahita manga manta. Izaho aloha manana efa nilona erintaona é. Fa ilay soamaravo kakerina dia kosehana amin'ny vaingan-tsira iny no tena rever-ko izao.
20. xxx ( 29/06/2009 12:21)
Mba hafahafa koa nareo, mbola tsy nahatsiaro te hihinana mangidy zany mihintsy aho hatrizay niainako ! Ny nivaquine no tena hitako mangidy tena tsy teliko mihintsy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.444