Ny mahagaga momba ny mpino sasany tokoa

1. soanja ( 18/06/2009 22:38)
Dia ny mahita foana fa ny hafa no ho very ary izy no manana ny fahamarinana sy mahita ny tsy hitan'ny olona. Mahalala antsakany sy andavany io baiboly io. Dia milaza foana izy ireo fa izy ireo no hoavonjy fa ny hafa ho very. Avy taiza no nilaza ao anaty baiboly fa ianao ranona no voavonjy fa ny hafa haringana avy?

Raha mahatsiaro fa ao aminao ny fahamarinana dia midera an'Andriamanitra. Mihobia ny fahalebiazany. Ampafantaro ny hafa ny famirapiratany ao aminao dia tsy inona fa ny fitiavana feno ny hafa sy ny manodidina ary indrindra ny tenanao izay goavana eo aminy. Aza midera tena ho ianao no izy fa ny hafa zero boribory.

Matoa Jesoa tonga teto an-tany dia ny hanavotra antsika sy mba ahitantsika ny fahamarinana mandrakizay. Ny tenanao izay tempolin'Andriamanitra dia itoerany tokoa ary isika rehetra dia manana izany fanahy izany. Anjarantsika tsiraidray ny mahalala hoe aiza ho aiza aho manolona ny tenin'Andriamanitra, ny hafatr'Andriamanitra ary ny asa tokony ataoko manoloana izany asan'ny fanahy ao amiko izany.

Fitiavana no aparitaka fa tsy ny tahotra!
novalian'i Koditra ny 04/07/2009 01:49
2. cutie ( 18/06/2009 23:19)
eny wa
zay mitsy no tena tsy azoko @ le finoana xstiana. I kristy ve raha nitory taloha de tonga de fampitahorana no nasesiny :-D :-D :-D
ka raha efa voavonjy moa ry zareo manin no mbola mivavaka ihany fa tsy tonga de manantena ny hiakatra velona any an-danitra lol. Ny tsy azoko koa de manin no tsy manamparitaka le we fitoriana any @ lazain-dry zareo we ho very fa le mbola ho voavonjy ihany no omena sy lazaina fa handray ny baiboly????
De samy mi blablabla eo mifampitory ny efa hay ihany ihany de miseho ho we za no tena lafatra fa ny sasany tsy alehany daholo :roll:
3. ikaretsaka ( 19/06/2009 00:48)
Miombonkevitra aminareo 2 vavy
4. Hinagasy ( 19/06/2009 02:34)
Marina ilay voalaza etsy aloha.
Izaho aloha tsy dia tia indray ilay tenen'i Cutie hoe mandehana mitory any amin'ilay lazaina hoe very, indrindra raha manana ny finoany fa tsy kristianina ohatra ilay olona. Fifanajana fotsiny ilay izy, hajao ny finoanao dia hajao koa ny finoan'ny hafa, marina aminao ny finoanao dia ohatr'izany koa ny fandraisan'ny olona hafa ny finoany. Ka raha andeha hitory any amin'ny olona "tsy mino" amiko dia tsy fanajana ilay finoan'ilay olona izay efa manana ny finoany, ampisehoy amin'ny alalan'ny fitondrantena mendrika sy fanajana ary fitiavana ny olona ny finoanao fa hajanony ny bla bla bla mandreraka.
5. maryline ( 19/06/2009 05:33)
soanja:

Dia ny mahita foana fa ny hafa no ho very ary izy no manana ny fahamarinana sy mahita ny tsy hitan'ny olona. Mahalala antsakany sy andavany io baiboly io. Dia milaza foana izy ireo fa izy ireo no hoavonjy fa ny hafa ho very. Avy taiza no nilaza ao anaty baiboly fa ianao ranona no voavonjy fa ny hafa haringana avy?

Raha mahatsiaro fa ao aminao ny fahamarinana dia midera an'Andriamanitra. Mihobia ny fahalebiazany. Ampafantaro ny hafa ny famirapiratany ao aminao dia tsy inona fa ny fitiavana feno ny hafa sy ny manodidina ary indrindra ny tenanao izay goavana eo aminy. Aza midera tena ho ianao no izy fa ny hafa zero boribory.

Matoa Jesoa tonga teto an-tany dia ny hanavotra antsika sy mba ahitantsika ny fahamarinana mandrakizay. Ny tenanao izay tempolin'Andriamanitra dia itoerany tokoa ary isika rehetra dia manana izany fanahy izany. Anjarantsika tsiraidray ny mahalala hoe aiza ho aiza aho manolona ny tenin'Andriamanitra, ny hafatr'Andriamanitra ary ny asa tokony ataoko manoloana izany asan'ny fanahy ao amiko izany.

Fitiavana no aparitaka fa tsy ny tahotra!



Samy mbola ho tsaraina avokoa isika rehetra ka aza mifampitsara ny tokony hatao dia aoka samy hanaja ny finoan'ny, fa tsy hoe:" ranona ratsy ranona tsara, ny ahy ihany no marina" ka raha misy hafa mba manome ny heviny dia henjehiny sy batibatina na hananganana hevitra vaovao contre azy eo amboniny , ny sehatra malalaka ka manana zo ny tsirairay hanome ny heviny eto amin' ny dinika.Misaotra :-*
6. maryline ( 19/06/2009 05:42)
Hinagasy:

Marina ilay voalaza etsy aloha.
Izaho aloha tsy dia tia indray ilay tenen'i Cutie hoe mandehana mitory any amin'ilay lazaina hoe very, indrindra raha manana ny finoany fa tsy kristianina ohatra ilay olona. Fifanajana fotsiny ilay izy, hajao ny finoanao dia hajao koa ny finoan'ny hafa, marina aminao ny finoanao dia ohatr'izany koa ny fandraisan'ny olona hafa ny finoany. Ka raha andeha hitory any amin'ny olona "tsy mino" amiko dia tsy fanajana ilay finoan'ilay olona izay efa manana ny finoany, ampisehoy amin'ny alalan'ny fitondrantena mendrika sy fanajana ary fitiavana ny olona ny finoanao fa hajanony ny bla bla bla mandreraka.



Misaotra anao amin' ny fahalalahan' ny sainao tia mankasitraka sy manaja ny hafa, ary miombikevitra aminao tanteraka aho.
Ny Tompo mihintsy no efa nilaza fa tia mifanditra ny olona nohon' ny fivavahana sy ny aminy, ary tsy mbola nisy niakatra tany ka iza no ho vonjena ary iza no tsy ho vonjena fa anjaran' ny tsirairay no mampita amin' ny tsirairay izay fantany fa mety fa aza mifanenjika , ataoko fa nilaza tamin' i NOA Andriamanitra ny amin' ny tondradrano dia nasiany nanamboatra sambo izy,efa nampitandrina izy, ny sasany nilaza fa fampitahorana izany ary ny sasany nanaraka ny heviny ohatr' izany koa isika rehetra ato amin' ny dinika.
7. ari.malala ( 19/06/2009 06:17)
mitovy fijery @ cutie sy Soanja ary ika koa ah, ary efa ela no niteny anizany teto :)
8. ravatorano ( 19/06/2009 06:50)
ajao ny finoanao d aza manaiana be fahatany ny finoan'ny hafa
zay aloha dia tena iombonako hevitra amin'izay niteny azy eo ambony eo ary marina koa ilay hoe tokony hidina any amin'toerana hafa nyXtianina mampiely ny filazantsara sy ny evanjely mba ho raisin'ny hafa izany fa tsy ny efa mahalala indray no mifanaraby sy mifanentana amin'ny andininy sy ny toko !
:wink:
9. fahamarinana ( 19/06/2009 06:54)
hinagasy:
Ka raha andeha hitory any amin'ny olona "tsy mino" amiko

:arrow: he ! dia ho very ny tsy mino zany ve ! Dia ny rehetra hany ka tsy miditra am-piangonana daholo e ! :?
soanja:
Raha mahatsiaro fa ao aminao ny fahamarinana dia midera an'Andriamanitra. Mihobia ny fahalebiazany. Ampafantaro ny hafa ny famirapiratany ao aminao dia tsy inona fa ny fitiavana feno ny hafa sy ny manodidina ary indrindra ny tenanao izay goavana eo aminy

:arrow: iraisako hvtr tanteraka
cutie-ika-ari : efa adihevitra be teto daholo ireo fa misy ny namana vao tonga dia iverenana idray !
Mirary soa sy faharetana ho antsika e ! :-* (l)
10. bor2lais ( 19/06/2009 08:07)
ravatorano:

ajao ny finoanao d aza manaiana be fahatany ny finoan'ny hafa
zay aloha dia tena iombonako hevitra amin'izay niteny azy eo ambony eo ary marina koa ilay hoe tokony hidina any amin'toerana hafa nyXtianina mampiely ny filazantsara sy ny evanjely mba ho raisin'ny hafa izany fa tsy ny efa mahalala indray no mifanaraby sy mifanentana amin'ny andininy sy ny toko !
:wink:

----------
ravatorano >
Manararaotra ny fandalovanao eto amin'ity lohahevitra "fivavahana, finoana" ity ! Satria raha azoko tsara dia ianao no (isan'ireo) "mpandrindra" eto.

Mba ialàna amin'ny lohateny miendrika "fitsikerana" tahaka itony dia heveriko fa tsara ny ametrahanareo mazava ny tsy azo atao.

Ohatra : io noraisinao farany io izao dia tsy misoratra n'aiza n'aiza hoe tsy azo atao ny mifanentana amin'ny andininy sy ny toko.

Izaho koa anefa dia miombon-kevitra tanteraka aminareo ny tokony hanajana ny finoan'ny hafa raha tahiny ka tsy manohintohina sy/na mety manimba ny maha-olombelona izany.

Amiko mantsy, ary izay no maharesy lahatra ahy, na inona na inona finoana, dia tsy tokony atao ambanin-javatra ny maha-olombelona.

Raisiko ohatra ny voasoratra ao amin'ny Matio 18 : 8-9 (satria misy lohateny momba an'io ao ambany ao) :

"8 Koa raha ny tànanao na ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izy ka ario ho afaka aminao, fa tsara ho anao ny hiditra kilemaina na mandringa any amin'ny fiainana noho ny manana tànana roa sy tongotra roa, nefa hariana any amin'ny afo maharitra mandrakizay.

9 Ary raha ny masonao no manafintohinana anao, esory hiala izy, ka ario ho afaka aminao; fa tsara ho anao ny hiditra toka-maso amin'ny fiainana noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin'ny helo mirehitra afo."

Raha misy eto manokatra lohateny "manentana hanapa-tongotra na hanala maso" satria lazaina fa izay no finoany ary voasoratra ao amin'ny Baiboly izany dia tokony ho raràna.

Hevitro manokana io ary miala tsiny mialoha amin'ireo tsy mitovy hevitra amiko na amin'ireo mety ho tohina ! (Ekeko am-panetren-tena fa mety nisy teny nanindrona ny namana tokoa natao teto !)

Ny tanjona dia mba resaka mahasoa sy mampandroso no aseho eto !

Mahereza hatrany !


11. xxx ( 19/06/2009 08:33)
Marina mihintsy ilay voalaza etsy ambony, Toa lasa resaka politika izy ity samy maka ny ekipany avy TGV sy i TIM indray ato izany
12. ikaretsaka ( 19/06/2009 10:57)
Ny mampalahelo @ izy ity de matetika le zanajanany sy sampatsampany ao @ ilay fivavahana (tsy kristianisma irery ihany no lazaiko hoe fivavahana sy mpivavaka eto) no tena mivoy an'io hoe rehefa tsy manaraka ny azy araka ny interpretation ny le olona dia voaozona..tsy avotra sns
De tsisy ho avotra mihitsy izany fa na mpivady na mpianaka aza ange misy tsy mitovy loha sy fijery @ lafinjavatra maro e
13. ari.malala ( 19/06/2009 11:04)
Ny tena mahavariana ahy dia raisiko ohatra zao hoe haiko ikaretsaka fa katolika, d mody itondrako hevitra anozongozonana an'iny, d refa manohitra anà enao d lazaiko fa manohitra an'Atra, nefa effectivement za no toherinao. Ny tiako tenenina eto d hoe mandray tena no Andriamanitra mazàna ireo olona miseho mitory teny eto... zareo no toherina d lazainy fa Andriamanitra no toherin'ny oul, misy mints aza sahy milaza sy mitsara hoe tsy fanahin'Atra no ao @ zay manohitra an-jareo :roll: non mais...:-w
14. ikaretsaka ( 19/06/2009 11:45)
Za tsy manao anao mihitsy hoe enao de voaozona na maty raha tsy mitovy @ hevitro fa ny ataoko de ny mitondra arguments sy mandahatra hevitra hampandinika anao sy za momba iny fiheverana nentinao iny..mety miharo fanontaniana iny.mety miharo tsindro-paingotra mitampoka hanihany fa hoentina mandinika kosa... ary ny ahy matetika de hoe "de ahoana zany raha zao....valio...donc tsy zay izany raha izao ny hamalianao azy satria zao ny antony..diniho anie"

Fa ny an'ny sasany (ilay ramatoa iry ohatra) zay fotsiny de inoy fotsiny de voaozona tenisany raha tsy mino fa d'efa milaza ahako zay....
De raha mametraka fanontaniana ianao ka somary tsinjony fa hafahafa amin'ilay voiziny dia iny izy no tsy hita
Hitan'i ari ilay fahasamihafany?
15. soanja ( 19/06/2009 11:59)
maryline:

soanja:

Dia ny mahita foana fa ny hafa no ho very ary izy no manana ny fahamarinana sy mahita ny tsy hitan'ny olona. Mahalala antsakany sy andavany io baiboly io. Dia milaza foana izy ireo fa izy ireo no hoavonjy fa ny hafa ho very. Avy taiza no nilaza ao anaty baiboly fa ianao ranona no voavonjy fa ny hafa haringana avy?

Raha mahatsiaro fa ao aminao ny fahamarinana dia midera an'Andriamanitra. Mihobia ny fahalebiazany. Ampafantaro ny hafa ny famirapiratany ao aminao dia tsy inona fa ny fitiavana feno ny hafa sy ny manodidina ary indrindra ny tenanao izay goavana eo aminy. Aza midera tena ho ianao no izy fa ny hafa zero boribory.

Matoa Jesoa tonga teto an-tany dia ny hanavotra antsika sy mba ahitantsika ny fahamarinana mandrakizay. Ny tenanao izay tempolin'Andriamanitra dia itoerany tokoa ary isika rehetra dia manana izany fanahy izany. Anjarantsika tsiraidray ny mahalala hoe aiza ho aiza aho manolona ny tenin'Andriamanitra, ny hafatr'Andriamanitra ary ny asa tokony ataoko manoloana izany asan'ny fanahy ao amiko izany.

Fitiavana no aparitaka fa tsy ny tahotra!



Samy mbola ho tsaraina avokoa isika rehetra ka aza mifampitsara ny tokony hatao dia aoka samy hanaja ny finoan'ny, fa tsy hoe:" ranona ratsy ranona tsara, ny ahy ihany no marina" ka raha misy hafa mba manome ny heviny dia henjehiny sy batibatina na hananganana hevitra vaovao contre azy eo amboniny , ny sehatra malalaka ka manana zo ny tsirairay hanome ny heviny eto amin' ny dinika.Misaotra :-*


Manohana ny hevitrao aho.

Alao hajaina lalandava ny finoan'ny hafa. Io fanajana io angamba izany ny olana mipetraka hoe hatraiza no itenenanao fa manaja ny hafa ianao na zah na ny maro eran-tany mandeha manaparitaka ny tenin'Andriamanitra izay heverintsika fa mafonja tokoa tokony ho henon'izao tontolo izao? Tsy ny eto amin'ny Forum no tiako tenenina eto mantsy fa tena isan-tokony io Mpino io maneran-tany ary fanimbazimbana ny hafa sy ny finoan'ny hafa no entina mampita ny tiany ampitaina miaraka amin'ny fampitahorana isan-tsokajiny.

Afaka hilaza tokoa ny tenako eto ary hevitro manokana fa anisan'ny manimba ny filaminan'ny olombelona eto ambonin'ny tany ny fisian'ny finoana/ fivavahana noho izany satria matetika tokoa mantsy dia hevitra entina hamonoana ny hafa sy ny momba azy izany finoana tiana aparitaka izany indraindray. Firifiry moa no nisy ady mivaingana ary nahafoezana olona be dia be noho izany fikasana hanantanteraka ny heverina fa izay no sitrapon'Andriamanitra?

Samy manana ny fahamarinany isika rehetra raha toa ka mino izay inoany avy. Izay no mahatonga ny hoe "Finoana" satria io no tsapa fa marina eo anatrehanao. Koa noho izany dia ny famelibelazana ny hafa hitsarana lava fa ianareo ho very sy ho ringana, ity bibilava ity dokotra sns...tokony tsy hisy dia mampanontany tena satria iza moa no milaza fa any aminy ny fahamarinana ary ny hafa tsy fahamarinana.

Raha ny Xtianina toa ahy, moa va tsy Jesoa Kristy , izay Fanahy, izay miaina ao anatintsika no manoro antsika ny fahamarinana araka ny fifandraisantsika amin'ny fiainana sy ny momba antsika mba ahitantsika ny fahalebiazan'ny fahefany ary indrindra ny fitiavany?

Ny fitiavana , ny fitiavana..... io no ho filamatry ny finoako! Manantena koa aho ny hafa hanoro ny finoany amin'izay tiany ampisehoana azy.


16. ikaretsaka ( 19/06/2009 12:11)
Soanja> indro hirahiko ianao hampanjaka fitiavana e hoy ilay hira izay
17. soanja ( 19/06/2009 12:21)
bor2lais:

ravatorano:

ajao ny finoanao d aza manaiana be fahatany ny finoan'ny hafa
zay aloha dia tena iombonako hevitra amin'izay niteny azy eo ambony eo ary marina koa ilay hoe tokony hidina any amin'toerana hafa nyXtianina mampiely ny filazantsara sy ny evanjely mba ho raisin'ny hafa izany fa tsy ny efa mahalala indray no mifanaraby sy mifanentana amin'ny andininy sy ny toko !
:wink:

----------
ravatorano >
Manararaotra ny fandalovanao eto amin'ity lohahevitra "fivavahana, finoana" ity ! Satria raha azoko tsara dia ianao no (isan'ireo) "mpandrindra" eto.

Mba ialàna amin'ny lohateny miendrika "fitsikerana" tahaka itony dia heveriko fa tsara ny ametrahanareo mazava ny tsy azo atao.

Ohatra : io noraisinao farany io izao dia tsy misoratra n'aiza n'aiza hoe tsy azo atao ny mifanentana amin'ny andininy sy ny toko.

Izaho koa anefa dia miombon-kevitra tanteraka aminareo ny tokony hanajana ny finoan'ny hafa raha tahiny ka tsy manohintohina sy/na mety manimba ny maha-olombelona izany.

Amiko mantsy, ary izay no maharesy lahatra ahy, na inona na inona finoana, dia tsy tokony atao ambanin-javatra ny maha-olombelona.

Raisiko ohatra ny voasoratra ao amin'ny Matio 18 : 8-9 (satria misy lohateny momba an'io ao ambany ao) :

"8 Koa raha ny tànanao na ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izy ka ario ho afaka aminao, fa tsara ho anao ny hiditra kilemaina na mandringa any amin'ny fiainana noho ny manana tànana roa sy tongotra roa, nefa hariana any amin'ny afo maharitra mandrakizay.

9 Ary raha ny masonao no manafintohinana anao, esory hiala izy, ka ario ho afaka aminao; fa tsara ho anao ny hiditra toka-maso amin'ny fiainana noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin'ny helo mirehitra afo."

Raha misy eto manokatra lohateny "manentana hanapa-tongotra na hanala maso" satria lazaina fa izay no finoany ary voasoratra ao amin'ny Baiboly izany dia tokony ho raràna.

Hevitro manokana io ary miala tsiny mialoha amin'ireo tsy mitovy hevitra amiko na amin'ireo mety ho tohina ! (Ekeko am-panetren-tena fa mety nisy teny nanindrona ny namana tokoa natao teto !)

Ny tanjona dia mba resaka mahasoa sy mampandroso no aseho eto !

Mahereza hatrany !





Ny fitsikerana hitondra amin'ny hatsarana dia tsy hitako no olana. Fa raha kosa hitsikera hamafazana fankahalana ny hafa eo amin'ny hafa sy ny hanomoana ny hafa dia hoy aho hoe tsara tokoa ny tsy hisian'izany n'aiza n'aiza.

Ny hanasoa sy hampandroso tokoa no tena tanjontsika mianakavy ary mino aho fa na izaho na ianao dia samy mahalala fa tsy mahatsara ny hevitra volena eo amin'ny manodidina manimba ny hafa.

Tsy tokony hisy sivana ny eto amiko satria samy nomen'Andriamanitra fahafahana hanazava ny antony hamoronany lohateny sy ny hitondrany izany ary ny samy mamaly amin'ny fahazahoany azy avy. Natao hifamaliana an-tsoratra ara-kevitra sy ifampitserana ary ifampianarana sy ifampifandraisana ny Forum. Ny fanajana ny hafa no tokony ho zava-dehibe rehefa mifandray eto na toeran-kafa.

Io fanajana io no azontsika resahina hoe rehefa ahoana no milaza fa manaja ny hafa isika nefa rehefa miresaka aminy na amin'ny rehetra isika na amin'ny hafa dia miteny foana sy manondro fa io demony , io devoly, io ho very sns.... tsy midika ve izany fa ataotaovy io fa ratsy? Nefa mety ho tsy marina izany hevitro izany akory fa hevitro avy amin'ny saina tsy miangatra. Hevitro manokana rehefa tonga amin'izay ny raharaha dia efa tsy manaja izay , fa asa anefa ny hevitrareo?

Tsy misy maharatsy ny andalana amin'ny baiboly mihitsy akory hho antsika Xtianina fa ny hanabatiabatiana ny hafa manoloana izany no hitako fa mampalahelo. Nefa asa tsy ahy ny Fahamarinana fa an'Andriamanitra. Izy ihany no mahafantatra izay hitany fa fahamarinana tokony arahiko ka manantena aho fa tsy hanimba ny nahatonga ity lohateny ity fa natao handinihan-tena amin'ny atao hoe Fahamarinana amin'ny Mpino izay heveriko fa mitory FITIAVANA ary ny fahitany izany mifandray amin'ny hafa. Amiko io dia miantomboka lalandava amin'ny fifanjana ary ny fifankatiavana.

Mitsikera ampitiavana!





18. adrianki ( 19/06/2009 12:41)
Miarahaba ny rehetra,

Tsy hiadian-kevitra tokoa angamba fa tsy mety dia tsy mety ny manaratsy ny hafa be fahatany n'ino n'inona antony. Ny tokony atao tokoa raha misy tsy mety dia ny mifanoro am-pitiavana sy am-pipanajana. Saingy hiaraha-mahahalala kosa aloha fa misy tokoa ny karazan'olona voasoratra fa ho Voavonjy :
"Izay rehetra mino sy mandray an'i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy marina ary Mpanapaka ny fiainany,tena resy lahatra an-tsitrapo tanteraka, ary tena miezaka mafy dia mafy , aina no fetra, tena manao marina izay nampianariny marina tokoa tsy amin'ny teny fa min'ny asa sy ny fiainana rehetra mihitsy " Izay ihany ! Na iza io na iza dia mila misafidy fotsiny dia tena manatanteraka marina ilay Safidy !
Tsotra tokoa aloha ilay izy fa ny manatanteraka azy no tena sarotra.
Raha ny hevitro indray dia matetika Isika milaza ho Kristianina no manao ny tsy mety ka te hanamari-tena amin'ny fanaratsiana ny hafa ,mba ahazoana toky angamba hoe mbola misy ratsy kokoa noho izaho! Nefa raha ny nolazain'i Jesoa tokoa dia ny mpanamari-tena no tsy ho voavonjy voalohany. Izany kosa anefa tsy manamarina ireo izay tena mpanao ratsy sy ny mody manetsi-keloka na iza izy na iza!

19. soanja ( 19/06/2009 12:53)
adrianki:

Ny tokony atao tokoa raha misy tsy mety dia ny mifanoro am-pitiavana sy am-pipanajana.




Fahendrena tokoa izany!

Ny fitoriana ny famonjena dia isan'ny adidintsika tokoa amin'ny mahaXtianina fa ny fanehoana izany am-pitiavana no mbola ilantsika ezaka tokoa. Aoka ho anisan'izany ny tenako!


20. cutie ( 19/06/2009 21:28)
Mpandefa : Hinagasy [ Valio ] 19-06-2009 04:34:06
Lohateny : Re : Ny mahagaga momba ny mpino sasany tokoa
Marina ilay voalaza etsy aloha.
Izaho aloha tsy dia tia indray ilay tenen'i Cutie hoe mandehana mitory any amin'ilay lazaina hoe very, indrindra raha manana ny finoany fa tsy kristianina ohatra ilay olona. Fifanajana fotsiny ilay izy, hajao ny finoanao dia hajao koa ny finoan'ny hafa, marina aminao ny finoanao dia ohatr'izany koa ny fandraisan'ny olona hafa ny finoany. Ka raha andeha hitory any amin'ny olona "tsy mino" amiko dia tsy fanajana ilay finoan'ilay olona izay efa manana ny finoany, ampisehoy amin'ny alalan'ny fitondrantena mendrika sy fanajana ary fitiavana ny olona ny finoanao fa hajanony ny bla bla bla mandreraka.


Nga refa we mitory de midika zay fa tsy manaja ny finoan'ny hafa. Aparitao sy zarao ny soa azonao fa de tazomina samirery any ve ?? Tsy fitiavan-tena ve zany? Le oul toriana nga voatery tsy maintsy hanaraka ny finoan'le mpitory??Ignorance ihany no fototry ny olana eto an-tany.

Raha we le mpitory no maniratsira ny finoan'ny hafa de ekeko we tsy fifanajana zay.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0082