Ny mahagaga momba ny mpino sasany tokoa

41. Veloo ( 03/07/2009 00:47)
Mety tsy azoko angamba ny tenin'i Veloo. Maro tokoa ny Fiangonana milaza hoe "aty aminay no tena misy ny famonjena".


Ny but-tsika eto an-tany lesy dia ny mitory ny filazan-tsara, mampiseho ny fahamarinana avy amin;ny baiboly, manoro ny lalana tsara andehanan;ny tsiray2 avy ary mivavaka ho an'ny tsiray2 mba hiditra ao aminy ny fanahy masina... ary tsy antsika velively ny manova ny olona, Antra irery no mahay an;izany. Ka na iza na iza fiangonana miteny hoe - aty aminay no tena misy ny famonjena - dia tsy mety mihitsy izany amiko..ilay fiteny amiko dia mi-FORCER OLONA IANAO. Isika tsy afaka hiteny na hi-forcer olona hanaraka ny denomination izay hananan-tsika manao safidy ry zareo itany fa tsara izay nolazaina azy dia manaraka izy , itany fa ratsy dia azy sy Andriamanitra samy irery izany.
Asa raha mazava ilay izy? za ko tsy dia mahay miteny tsara hihihih
42. cutie ( 03/07/2009 18:36)
veloo mahay njy koa
Mazava be amiko aza le izy :wink:
43. cutie ( 03/07/2009 18:42)
Mpandefa : rzakarivola [ Valio ] 30-06-2009 15:32:21
Lohateny : Re : Ny mahagaga momba ny mpino sasany tokoa
Hoy i cutie:
Ny tsy azoko koa de manin no tsy manamparitaka le we fitoriana any @ lazain-dry zareo we ho very fa le mbola ho voavonjy ihany no omena sy lazaina fa handray ny baiboly?

==> Asa raha azoko ilay fanontanian'i Cutie na tsy azoko, fa ity no valiny araka ilay fahazoako azy.
Izao no baikon'i Kristy :
1- Ataovy mpianatro ny Firenena rehetra, manaova batisa azy @ anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina : fitoriana amin'ny olona rehetra (mba ho tonga mpianatr'i Kristy), ary fanaovana "bizutage" ary fanomezana mari-pamantarana izay voaray ho mpianatr'i Kristy.
2- Mampianara azy hitandrina izay nandidiako anareo : fampianarana ny didin'i Kristy hotandreman'ireo nino ary nahazo ny marika famantarana.

NB : Izaho tsy mbola nandeha tany ambanivohitra nitory, fa t@ fandehanako miasa sy ny fodiako avy miasa dia nisy fotoana mba nifampiresahako t@ olona ny @ finoana, ary tsapako tamin'izany fa mahafantatra na nandre momba ny Baiboly sy Jesoa kristy daholo ireo, mpamaky baiboly sy tena mpivavaka azay ny sasany, saingy ny ankamaroan'izy ireo kosa dia tsy mahafantatra ny fitsaran' Andriamanitra sy ny tena famonjena, indrindra fa ny ifandraisan'izany amin'ny fiainana iainany andavanandro. Ka hoy aho hoe, isan'izay toerana mila itoriana fibebahana sy famonjena eto Antananarivo renivohitra.

mampatsiahy le hira we :
Ry tanora o avia
Mitsangana mitoria
Ambarao lay famonjena
Ka sahia avia avia
Torio Kristy :wink:
44. cutie ( 03/07/2009 18:43)
36. Mpandefa : rzakarivola [ Valio ] 30-06-2009 15:56:01
Lohateny : Re : Ny mahagaga momba ny mpino sasany tokoa
Hoy i Iza moa ?:
Nga refa we mitory de midika zay fa tsy manaja ny finoan'ny hafa.

==> Ny atao hoe manaja dia mametraka ilay hajaina amin'ny toerany (eto izany ny finoany).
- Maro ny mpino mantsy tsy mitombina akory amin'ny finoany (na silamo io na kristiana na boudista na hafa), ka ny atao hoe manaja ny finoan'ny olona iray dia mametraka ilay olona eo @ finoany, manentana ny fanahiny handinika lalina ny finoany hahalalany ny marina.
- Misy dia misy tokoa olona mpitory tsy manaja ny finoan'izay itoriany, ary azo inoana fa tsy mahomby ny fitoriana toy izany, tsy mitondra famonjena.
- Misy kosa anakiray izay tsy mba nanitsakitsaka mihitsy ny finoan'izay nitoriany, fa ny mifanohitra aza, napetrany tsara teo amin'ny finoany ireo izay nitoriany : i Jesoa Kristy. Ankehitriny, raha mbola ny fanahin'i Kristy koa no ao anatin'ny mpitory ka mampiloa-bava azy hitory, dia tsy hisy fanitsakitsahana fa tena hanaja izay itoriany mihitsy izy.


Hoy i Iza moa?:
Le oul toriana nga voatery tsy maintsy hanaraka ny finoan'le mpitory?

==> Ny olona izay tsy manomboka mino izay efa nampianarina azy voalohany aloha dia olona tsy handroso mihitsy na hifindrafindra finoana aza, na hitoriana aza.
:wink:
45. cutie ( 03/07/2009 18:44)
Mpandefa : rzakarivola [ Valio ] 30-06-2009 16:01:15
Lohateny : Re : Ny mahagaga momba ny mpino sasany tokoa
Hoy i fijo:
izany hoe homena tsy miandry takalo fa dia tena am po tokoa tokoa ....
m"if"anome ka,izay le izy marina kokoa


Hoy i cutie:
ka ahona ndray le we tsy miandry takalo raha zany

==> Izao no tonga amin'ny hoe "ny teninao no hanamelohana anao."
:-D :-D :-D :-D
46. Koditra ( 04/07/2009 01:47)
Mpandefa : Koditra [ Valio ] 02-01-2010 11:38:39 XML
Lohateny : Fa ahoana marina eh?
Tsy maintsy mikipy rehefa mivavaka raha tsy izany tsy tafiditra ny fanjakan’ny lanitra.

1. Mpandefa : mazotomamal [ Valio ] 02-01-2010 11:59:40
Lohateny : Re : Ny mahagaga momba ny mpino sasany tokoa
Soa ihany alo za fa mikipy foana eh.

2. Mpandefa : Bmoukny [ Valio ] 02-01-2010 12:15:04
Lohateny : Re : Ny mahagaga momba ny mpino sasany tokoa
Tsy maintsy mikipy rehefa mivavaka raha tsy izany tsy tafiditra ny fanjakan’ny lanitra.
Marina izany

3. Mpandefa : Tsimvakl [ Valio ] 02-01-2010 13:10:14
Lohateny : Re : Ny mahagaga momba ny mpino sasany tokoa
Eka ozy.

4. Mpandefa : Mlayfòna [ Valio ] 03-01-2010 08:11:07
Lohateny : Re : Ny mahagaga momba ny mpino sasany tokoa
Bmoukny, Tsmivakl : Mitovy hevitra tanteraka

5. Mpandefa : Tsmaimb [ Valio ] 03-01-2010 08:11:07
Lohateny : Re : Ny mahagaga momba ny mpino sasany tokoa
Tsy misy iadian-kevitra io


6.
7.
-
-
-
94. Mpandefa : Gistrlav [ Valio ] 12-01-2010 17:53:14
Lohateny : Re : Ny mahagaga momba ny mpino sasany tokoa
Manomboka androany a zany hikipy foana @zay refa ivavaka. Misaotra an’Koditra.
47. Koditra ( 04/07/2009 01:49)

(Nisy tsy nety lé copie/coler teo ambony fa tsy olana.
Ataoko angamba fa samy hiaiky isika rehetra fa tsy misy endriny ny Forum raha mitovy @io ohatra nomeko etsy ambony io avokoa izay dinika rehetra miseho eto. Ilay izy misy hevitra maro samihafa iny mihitsy no tena mahafinaritra, na ho an’ny mpandray anjara na ho an’ny mpamaky fotsiny te hampitombo fahalalàna. Averiko eto na dia efa nolazaiko tany ambadika tany aza fa tsara ny maneho hevitra ary ny hevitra rehetra dia tsara avokoa, ahoana moa no ahafantarana fa diso ny hevitra iray raha tsy fantatra ny marina? Ahoana no ahafantarana fa marina ny hevitra iray raha tsy fantatra ny diso? Ny toe-tsaina voalohany tokony hovoizin’ny Mpidinika tsirairay dia ny tonga eto handray hevitra maro isankarazany ary mandray izay mety maharesy lahatra azy fa tsy hoe tonga eto handresy lahatra, raha io tranga farany io dia tsy maintsy hitovy @io ohatra napetrako etsy ambony io ny valin’ny dinika apetrany.

Ny sehatra tahaka itony Forum itony dia mitaky fahalalahan-tsaina, tsy ankizesta na fieboaboana na fizahozahoana, ary io fanajana ny hevitry ny hafa io no anisan’ny tokony imasoana ihany koa.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0086