kabarin'ilay soavaly hors piste 260509

1. bazylou ( 26/05/2009 17:32)
Hafatry ny filoha Ravalomanana anio 26 may

Mardi, 26 Mai 2009 14:35
.26 MEY 2009

Ry vahoaka malagasy tia tanindrazana, izay maro an’isa, ary mitolona tsy mitsahatra, tsy manaiky lembenana, miarahaba anareo aho.

Ankehitriny i Madagasikara dia entin’antokon-jiolahy manana tetika maizina miafina, tarihan’i Andry Rajoelina ary tohanan’ny frantsay.
Ny tanjon’izy ireo dia ny hanjanaka indray an’i Madagasikara, ary ny hanandevo ny Vahoaka malagasy. Ny tetika fitaka vaovao hitan’ny frantsay ialana amin’io savorovoro naterany io, dia ny fampiharana ny fifanarahana vaovao nataony tamin’i Andry Rajoelina sy ireo jiolahy manohana azy. Ny zavatra kendren’izy ireo dia ny hisian’ny adim-poko eto Madagasikara.

Ny mpitondra an’i Madagasikara ankehitriny dia saribakolin’ny frantsay. Miara-miasa akaiky amin’ny frantsay izy ireo, ka ampiasainy ny fomba rehetra - tafiditra ao anatin’izany ny fanenjehana, ny famonoana, ny fanagadrana, ary ny fampihorohorona ny vahoaka malagasy, izay hita fa tena mahery fo ; tsy manaiky lembenana, fa mijoro amin’ny fitakiana ny ara-dalàna sy famerenana ny lalampanorenana.

Hahafahan’izy ireo mifikitra eo amin’ny fitondrana izay tarihiny io, dia mampiasa hery izy. Mihevitra izy ireo fa izany fahefana izany no manome zo azy handika lalàna. Tsy izany velively anefa ny safidin’ny Vahoaka malagasy.

Tsy tian’ny frantsay handroso mihintsy i Madagasikara. Izy ihany no tiany hahazo tombontsoa. Avelany hanapotika ny fotodrafitrasa ireo olona baikony sy karamainy ireo mba tsy hampandrosoana an’I Madagasikara sy hampivoatra ny farim-piainan’ny Vahoaka malagasy.

Ireo andian-jiolahy tarihan’I rajoelina dia tsy manam-pikasana hafa, afa tsy ny hanapotika ny fandrosoan’ny toe-karena Malagasy. Amin’izay dia mahantra sy mijaly ny Vahoaka Malagasy.

Hahatongavany amin’izany dia notafihany ireo fananam-panjakana sy fananan’olon-tsotra. Ao koa ny fangalany vola tao amin’ny Banky Foibe sy ireo fikambanana, toy ny «Assurances», izay fananan’ny firenena Malagasy.
Amin’izao fotoana izao dia miezaka i Andry Rajoelina, ampian’ny frantsay, handresy lahatra ny firenena miteny frantsay rehetra. Ny tanjon’izy ireo dia hahazony ny fankatoavana sy ny fanohanan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, amin’ny fandikan-dalàna sy ny fampiasana herisetra rehetra izay ataony.

Ry vahoaka malagasy tia tanindrazana, mijoro, mitaky ny ara-dalàna,

Hanao izay tratry ny heriko aho aho, ary hampiasa fahaizako sy ny fahefako, handrodanana haingana io fanjakan’ny baro tarihin’I Andry Rajoelina io, ary hamerina ny ara-dalàna sy ny hisian’ny fanarahana ny Lalampanorenana eto amin’ny tany sy ny Fanjakana.
Hahatongavana amin’izany dia nitety firenena maro aho. Nanaiky daholo ireo firenena ireo, izay hanampy antsika. Ho hambarako aminareo atsy ho atsy ny mikasika izany.

Koa ambarao amin’ny Malagasy rehetra mpiray tanindrazana izao resaka lazaiko aminareo izao. Ary mahereza fa mahatsiaro anareo mandrakariva am-bavaka aho.

Aza matahotra fa homba antsika mandrakariva Andriamanitra!
:-D :} :}
novalian'i rakaroka ny 27/05/2009 13:08
2. bazylou ( 26/05/2009 17:36)
hita mihits hoe tena efa maty lery e!! tsiopaky ny miala aina sisa!! ny frantsay koa le8 tsy mirevyan'ialahy , donc, degage e!! ny constitution nosoniavin'ialahy aza mbola frantsay no langue nationale , nefa hono tsy mirevy frantsay ?? mahagaga ann!! aiza le usa e, le rsa e;!! le ambasdy usa ihany no vavolombelon'ilay fahefana nafindran'ny tazy , dia io no vavolombenlon'ilay miaramila nanome azy an'i tgv:: vita e, vita le le8 :-D :-D :-D
Mipetraha letsy rehefa resy fa aza manao adim borotsiloza !!! :-D :-D
3. bazylou ( 26/05/2009 17:41)
http://ti1ca.com/wf9g1zj2-PRM260509-7h30-PRM260509-7h30.wma.html


dia midira le8 raha hiady amin'ny frantsay ianao a!! kozy e! ze gtt tsy mahavita inona !!
nivalya tamin'ile8 izany nynataony tamin'ny andron'ny deba!!! loool :-D
4. rakaroka ( 26/05/2009 17:55)
Je vois mal mihitsy hoe "hiseho ny GTT" aty Frantsa dia hoe Ra-8, Ra-8 hatrany ! , dia ny Frantsay haratsiana toa izao ve no andrandraina hanohana azy indray :roll: 8O 8O 8O , marina 'za tsy frantsay aza fa :-D :-D :-D :^) =)) =)) =)) FAHAIZANA DIPLOMASIA IZAO RY HAVANA !
5. Noue ( 26/05/2009 18:08)
rakaroka:
Je vois mal mihitsy hoe "hiseho ny GTT" aty Frantsa dia hoe Ra-8, Ra-8 hatrany ! ,
dia manaova solomaso rehefa tu vois mal eee!!


6. bazylou ( 26/05/2009 18:08)
aleo hanao eo ihany ho aho fa iny le8 nareoiny tsy hotafiditra intsony eto mada,, vita matavy e!! vita!!
DE ho hita eo izay haharesy frantsay!! ka na anao tour du monde in 1000000000000000000 azai le8 na lasa tikoland aza izao tonotlo izao dia tsy haharesy frantsay na oviana na aoviana e!!! :-D :-D
izaory gtt mbola mirehoka mana le8 ihany !! de aleo anaoeo fa ho hitan'nyfrantsay ny anamboarana azy!!
7. Noue ( 26/05/2009 18:13)
koa raha tsy bazylou no iza ka oe vita matavy izy?? :^) :^) :^)
8. rakaroka ( 26/05/2009 18:30)
[quote=Noue]
dia manaova solomaso rehefa tu vois mal eee!!

Ny olana GOAVANA BBBbbbbE anie, dia ilay mihevitra fa mahita anefa tsapa izao fa PAHANA , ary omeko soupapa kely ihany ny mba misaina mpanohana an-Ra8 , saika lasa lavitraaaaaa be tokoa 'ngamba isika raha mbo... (diniho tsara ity ) :roll: :roll: :roll: :-w :-w :-w :-w :-$
Raha mbo "mahay mifandray @ olona" lé antsoina hoe Ra-8 , saingy iny kilema kely iny no singam-bolo...mandavo e, ka sahirana be lé hafa raha mbola hanampy lunettes @ lesoka tsy takon'afenina e ! 8O 8O 8O . Rahateo tena tsy mahay misintona lesona @ tsy mety fa manao lalan-kita kisoa ftsn!
Mila hahitsy le "fijery sy fisaina" raha te ho "tafa" eo @ fhm sy tontolo,
mbô kôzy @ maha mpinamana e!
:wink:
9. xxx ( 26/05/2009 18:32)
rakaroka:

Je vois mal mihitsy hoe "hiseho ny GTT" aty Frantsa dia hoe Ra-8, Ra-8 hatrany ! , dia ny Frantsay haratsiana toa izao ve no andrandraina hanohana azy indray :roll: 8O 8O 8O , marina 'za tsy frantsay aza fa :-D :-D :-D :^) =)) =)) =)) FAHAIZANA DIPLOMASIA IZAO RY HAVANA !



nga moa izy nangataka ny hotohanan'ny frantsay?
sady nga moa raha milaza hoe frantsay dia ny frantsay rehetra?
nga raha groupen'olona no manao ratsy dia antony hankahalana ny rehetra?
10. kidoropamba ( 26/05/2009 18:42)
Lany klé hoa Ravalo raha any ny alehany.

Ho "voa double sahala amin'ny akoho vavy" ity Ravalo ity: Vokaikitra an-doha (Lany vola amin'ireto GTT ireto) NO SADY voatomboka ao ambany (vitan'ny TGV matavy).

Vita e.
11. rakaroka ( 26/05/2009 18:57)
[quote=xxx]
[quote=rakaroka]

nga moa izy nangataka ny hotohanan'ny frantsay?

Si tonga nangataka taty mihitsy izy tsy nahazo ...Tsy mety anie le sady haratsiana sy henjehina ihany le perso no miandrandra zavatra aminy ianao,
sady nga moa raha milaza hoe frantsay dia ny frantsay rehetra?


Tsara ny fanamarihanao eto satria tsapako "crime" le manenjika fahatany ny frantsay hany na ny frantsay tsy naninn tsy naninn aby aza, dia hiharan'ny fankahalana ARY TSY METY izany. Raha manenjika dia mba "identifieo tsara fa tsy hoe olona iray no mangalatra akoho dia i Alasora iray vohitra no 'ndeha ho faizina!

nga raha groupen'olona no manao ratsy dia antony hankahalana ny rehetra?
^:^ ^:^ ^:^ :-$
Fa 'lay fanenjehana vazaha 'ndrindra ny frantsay tsapako miteraka fakahalana
fahatany ...Maro ny gasy no tsy mandalina firy fa mitroatra enti-po ftsn , 'zany no mahatonga an-drizareo mandoro 'ze tsy fandoro rehetra io
satria vao cité-nao ny hoe itsy na 'zaroa dia "daroka" na fanapotehana fahatany no setriny, an'iza anefa ny fatiantoka avy eo?...
Ny tany 'ngeza aza wa mahalala mifandray fa tsy ho lany fotoana hifanasa vangy ftsn satria tsy hisy raharaha ho vanona, tsapako strategien-dRa-8 angamba io hoe rehefa tsy manampy ny Frantsay sy ny any ivelany dia "bloquer ry Andry" mais hélas tsy rizareo irery fa ny Nation iray manontolo no mikatso
Donk ny fehiny strategien-drizareo dia ny hoe "raha maty aho matesa rahavana" satria hoe tsy crédible 'tsony Ra8! dia aleo atao izay tsy hampandeha ny "tokony handeha rehetra!" MAZAVA :idea: :idea: :idea:



12. locl ( 26/05/2009 19:24)
aleo izy hanao défi @ Frantsay e! Mafy be izy sady zahay koa vonona hanohana.
13. xxx ( 26/05/2009 19:24)
rakaroka:

Si tonga nangataka taty mihitsy izy tsy nahazo ...Tsy mety anie le sady haratsiana sy henjehina ihany le perso no miandrandra zavatra aminy ianao,
sady nga moa raha milaza hoe frantsay dia ny frantsay rehetra?


taiza oviana t@ firy... raha enao irery no nahita azy tonga tany nangataka an'izany dia angamba tanaty nofinao... mbola tsy nahita mihitsy aloha aho tanaty vaovao hoe tonga nangataka fanohanan'ny Frantsay manokana i Ravalo.

[quote=rakaroka]
Tsara ny fanamarihanao eto satria tsapako "crime" le manenjika fahatany ny frantsay hany na ny frantsay tsy naninn tsy naninn aby aza, dia hiharan'ny fankahalana ARY TSY METY izany. Raha manenjika dia mba "identifieo tsara fa tsy hoe olona iray no mangalatra akoho dia i Alasora iray vohitra no 'ndeha ho faizina!

tsy manenjika fahatany izy tompoko fa zava -misy io action an'ny frantsay sasantsasany aty Afrika io, io no atao hoe Françafrique ary na ry zareo frantsay aza izay tonga saina amin'io dia efa manao lutte contre la Françafrique. Ireo groupe efa identifié dia TOTAL, BOLLORE, groupe AREVA.

rakaroka:

Donk ny fehiny strategien-drizareo dia ny hoe "raha maty aho matesa rahavana" satria hoe tsy crédible 'tsony Ra8! dia aleo atao izay tsy hampandeha ny "tokony handeha rehetra!" MAZAVA :idea: :idea: :idea:



mbola izy aloha zao no crédible indrindra satria tsy misy manaiky an'io gouvernement HAT io.

Zao @ zay ary; pose l'hypothèse qu'il y a effectivement des groupes français derriere ce coup d'Etat, alaviro @ zay hoe zay lazain'i Ra8 rehetra dia lainga. Raha tena misy izany, admettons le, ahoana hoy ianao?


sa tsy mety manaiky an'izany mihitsy ny sainao?
14. Noue ( 26/05/2009 19:25)
"rakaroka":
Si tonga nangataka taty mihitsy izy tsy nahazo ...
alefaso eto ho hitan'ny rehetra ny lahatsoratra na source nilaza an'io oe tonga nangataka taty mahintsiny izy ! raha ataon'rakaroka hitan'ny be sy ny maro eto io dia miaiky aho !! raha tsisy hapoaka kosa rakaroka dia ho hitantsika eo ! dia hatsaharo ny lainga fa mandreraka be eee !!!
15. rakaroka ( 26/05/2009 19:57)
[quote=xxx]

taiza oviana t@ firy... raha enao irery no nahita azy tonga tany nangataka an'izany dia angamba tanaty nofinao... mbola tsy nahita mihitsy aloha aho tanaty vaovao hoe tonga nangataka fanohanan'ny Frantsay manokana i Ravalo.

Zava-dehibe ny fananana ny antsoina hoe "honéteté d'ésprit" ! Ka na hiorakoraka toa inn aza ianao sy 8O 8O 8O :-D =)) =)) =)) :@ :@ :@ n'ny olona ftsn satria olona mpihatsara ivelatsihy no ho fiheviny anao.
'za miaina eto Frantsa no mpankany Dago koa , naharaka tsara ny fifandraisana sy ny fanampian'ny frantsay , link iray ftsn no omeko anao ity fa tsy tambo isaina ny fifampiaraharahana nisy ary jereo tsara fa faha Ra-8 io
http://www.madanight.com/articles/diplomatie/583-france-madagascar-une-relation-fondee-sur-l-aide-au-developpement-et-l-economie.html


16. xxx ( 26/05/2009 20:13)
[/quote]
zao ary no lazaiko aminao ry rakaroka hoe rehefa misy ny fivoriana gtt, izay tsy misalasala milaza mazava fa ny françafrique no ao ambadik'io coup d'Etat io isaky ny fivoriany, dia misy vazaha frantsay maro ao anaty assistance. Tsy géné @ zany anefa izy satria na izy samy frantsay aza mahafantatra fa tena misy io France manipulatrice des pays d'Afrique io, nefa fantany fa tsy concerné @ zany izy.
Ka tsy hitako hoe inona no hypocrisie @ zany fa ny frantsay accuséna hafa, dia ny frantsay mifampiraharaha sy mifankatia @ gasy dia hafa. Raha hoe io groupe ratsy io ihany no hangatahana fanampiana dia miaiky aho hoe fihatsarambelatsihy, saingy hafa ilay groupe ratsy dia hafa ilay France hangatahana fanampiana.

17. rakaroka ( 26/05/2009 20:17)
[quote=xxx]
tsy manenjika fahatany izy tompoko fa zava -misy io action an'ny frantsay sasantsasany aty Afrika io, io no atao hoe Françafrique ary na ry zareo frantsay aza izay tonga saina amin'io dia efa manao lutte contre la Françafrique. Ireo groupe efa identifié dia TOTAL, BOLLORE, groupe AREVA.


Tsy azon'i xxx le Françafrique, ary mitombina tokoa anie le ahiahiko e!
sahala @ hoe 'reo groupe ireo 'zany no Francafrique no fandraisanareo azy, ary io no lazaiko hoe "aza afangaro re!"

mbola izy aloha zao no crédible indrindra satria tsy misy manaiky an'io gouvernement HAT io.


Tsy crédible mihitsy Ra-8 n'aiza n'aiza afa-tsy eo anivon'ny minorité de perso
mpomba azy. Ny comité interna; anie tsy manao hoe "avereno izy , plutôt tokony jerena ny "tierce perso ankoatra ireo ka lanim-bahoaka , izany no mahatonga azy ireny te hanafaingana ny fifidianana , rahateo ilainy ny politique stable" raha toa ifampiraharaha!

Zao @ zay ary; pose l'hypothèse qu'il y a effectivement des groupes français derriere ce coup d'Etat, alaviro @ zay hoe zay lazain'i Ra8 rehetra dia lainga. Raha tena misy izany, admettons le, ahoana hoy ianao?


Hainao ? tsy misy mahalala izay miafina sns fa arakaraka ny "toetra asehonao ny olona ny sary hiheverany anao sy hivela koa, 'za tsy niteny hoe mpandainga Ra-8 fa 'zao Sarko en perso dia nahateny fa toa olona tsy mazava" raha "adika" ny fahitany azy (en parlant de Ra-8) . Hanao ny commentaire'nareo 'nareo hoe resaka Franca izany, anareo anareo lé izy satria io tsy i Sarko ihany no "sahirana @ ny maha Ra-8 azy fa ny mpiara-miasa taminy maro aza maro no niaiky io toetrany fatra-panika olona io, ho ahy raha ny marina tsy vazaha tsy gasy fa atao excuse ftsn ny vazaha eto!...


18. Noue ( 26/05/2009 20:20)
tena tsy ao mahintsiny rakaroka zany ee! hafangarony daholo ny inona re no azoko hilazana azy ee ??
ny resaka eto dia
Ny mpitondra an’i Madagasikara ankehitriny dia saribakolin’ny frantsay. Miara-miasa akaiky amin’ny frantsay izy ireo, ka ampiasainy ny fomba rehetra - tafiditra ao anatin’izany ny fanenjehana, ny famonoana, ny fanagadrana, ary ny fampihorohorona ny vahoaka malagasy, izay hita fa tena mahery fo ; tsy manaiky lembenana, fa mijoro amin’ny fitakiana ny ara-dalàna sy famerenana ny lalampanorenana.
koa satria la frantsa dia anisan'ny nanampy an'tgv t@ io coup d'état io dia izay no nahatonga ny zavatra nolazain'Ravalomanana !! aiza ve ka ny lien alefan'i rakaroka lien efa lany daty t@ 2005 ?? :-D :-D :-D :-D :-D tena hita fa raha resaka politika dia tsy ao mahintsiny rakarika fa mamalivaly @ tsinapany fotsiny !!
19. bazylou ( 26/05/2009 20:22)
le8 tsy nangataka tany amin'ny frantsay ??? aza mandainga e!! tsy nisy izany!! jereo fa ny olona mpamorona asa be indrindra eto mada dia frantsay daholo!! ny aide tamin'ny frantsay manginy fotsiny!!! de hoe matanjaka noho izy ve??!! tsssle, anda mitsoraka le8 fa efa lany daty nareo e!! :-D
20. Noue ( 26/05/2009 20:24)
"rakaroka":
Tsy azon'i xxx le Françafrique, ary mitombina tokoa anie le ahiahiko e!
sahala @ hoe 'reo groupe ireo 'zany no Francafrique no fandraisanareo azy, ary io no lazaiko hoe "aza afangaro re!"
tsy hitako mahintsiny oe inona kay no hiharovan'i rakirika an'io francafrique io ee ??? na dia ny jamba aza mahita oe tsy rariny ny zavatra ataon'ny francafrique dia mbola ny an'i rakirika mbola mahita lazaina sy miaro hatrany !!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0081