antso avo ho anareo mpiandany an'i ra-8

1. patrick2002 ( 08/02/2009 01:54)
Voalohany dia mirary fiononana tanteraka ho an'i fiaavian'ny maty ny tenako ,ary mangataka min'Andriamanitra ho filahatsasatry ny fanahinireo izay namoy ny ainy tamin'iny , fitakiana iny ,Nijoro ireo olona ireo nitaky ny hanalana ny tsy rariny sy ny fanandevozana nataony Ravalomanana ho an'i Malagasy ,Dia Andriamanitra loloavintsika atapony loha anie anafay an'izay tompon'Andraikitra tamin'iny.
Fa ho anareo MPanohana an'i Ravalomanana kosa dia mahatsapa izaho fa anti-ratsiraka ny ankabeazanareo ,efa ela izaho no namerina teto fa mbola pire no i Ratsiraka ity ra-8 ity eo @ fitazomana fitondrana ,tsy ho mora no hanala anio eo ary manana esprit apocaliptique ingahy io ,efa niteny izaho fa vitanio ny hanapoizina ny ranony Mandroseza ,raha ilaina izany fa eto isika hahita azy .
Ka mahagaga ahy no hankahalanareo an'i Ratsiraka nefa ity tohananareo dia mbola pire noho i Ratsiraka ,fangoronakarena ,fanagadrana an'izay tsy mitovy hevitra , samy mieboebo ny iray nanao lapa ny Iavoloha ny iray nividy Avion ho an'i filoham-pirenena. Ka dia ny aina no mahateza ,fa haveriko ihany indray fa : la politique c'est comme une guerre nucleaire ,il n'y a pas de vainqueur ,mais de survivant .
Na mbola i Ravalo no eo na i TGV isika malagasy rehetra dia survivant daholo amin'izao ady lahy politika izao.
novalian'i xxx ny 10/02/2009 04:33
2. naughtyboy ( 08/02/2009 03:20)
dia mitondra fampiononana ho any manamanjo koa ny tenanay fa izaho dia anisany manameloka tanteraka ny fihetsiky le8 t@ ireny zvnisy ireny ary ho ratsy fiafara manko lery io satria izay no vita ny aminy eo imasony rehetra na ny vahoaka na ireo mpanaramaso any ivelany,ary i Andry koa de anisany nanao zv tsy ampisainana taorinany destitution maha maire azy,raha izao aloha no jerena dia mila miala tsy misy hatak'andro le7mbenana+1 ary izaho dia tsy momba ny itondrany Andry ny governemanta ,tsy zakany izany .Tohanako ny fihetsehambahoaka manoloana ny tsy rariny nefa kosa tsy azo omena mpanentana na DJ rahampitso izay tsy manana traik'efa akory ny fiainampirenena
3. Ryhana ( 08/02/2009 04:37)
Na inona na inona lazainareo mpomba an-Ratsiraka dia tsy hisy hanaiky anareo eto.
Tsy nisy vitan-dRatsiraka afa tsy fanimbana firenena teto ary io mbola tohizany io ihany.
Tompon'andraikitra tamin'ny fitondrana olona teny amin'ny zone rouge i Tgv sy ireo mpanao politika efa naloam-bahoaka miaraka aminy. Efa hita fa zone rouge ka mbola hamporisihana ho eo ihany ny olona. Fa manino i léry no tsy sahy nitarika teo fa ny olona no nalefa
Mpanao politika tsy sahy fifidianana ireo ka izao no mba fomba hitany hidirana eo amin'ny fitondrana.
4. sitlo ( 08/02/2009 05:30)
Mbola mitazona ny position-ko aho. Teneno ny lalàna nodikan'ny filohampirenena dia ho hitako eto raha hanohitra aho.

Toa ny mpandika lalàna indray ity no miseho mahay vava. Mba nazavain-dRajoelina tamin'ny vahoaka notaritiny ve aloha ny atao hoe zone rouge vao nandeha?

Sa ny akanga maro tsy vakin'amboa no nasesika.
5. naughtyboy ( 08/02/2009 06:30)
efa eny @ HCJ ny fitarainana mikasika ireo lalàna nodikainy le8 ho anze liana
tsy ny fandatsahana ain'olona izay tanampolo no nentiny nataony ireo commando RFI @ alalany baiko mivantana any @ presidence akory no atao oe lalàna,betsaka ireo foloalindahy sy tafika nahazo fiofanana mahalala tsara izany ary afaka miaro ny zone rouge nefa tsy mandatsaka aina na 1 aza,asa na mazava aminy le8 izany fitandroana ny lalànany zon'olombelona na any @ tany mihotakotaka aza,betsaka ireo fomba azo ampiasaina iarovana ny ain'ny mpiray tanindrazana sy ny mpanao gazety na dia manao fihetsiketsehana aza izy ireo manohitra sa fanjakany baroa ?teo aloha aza moa ny mpanao gazety milaza ny zvmisy no lazaina fa mpampihorohoro ka aiza ny mamono olona no tsy lazainy ity fitondrana ity ho aradalàna anisany lalàna nodikainy izany
6. sitlo ( 08/02/2009 06:48)
betsaka izao sy izao

Ataovy explicite rehefa miteny

ny lalàna?

Tsy azo atao ny mankeny amin'ny zone rouge
7. naughtyboy ( 08/02/2009 07:12)
izaho v no lohany foloalindahy hanana paika fiarovana ny hotakotaka sa efa misy olona tokony hanana ny andraikiny @ zany ? na izany aza...
- efa andro maro no nahalalana ny fihetsehana t@ sabotsy teo tokony efa hisy check point/barrage betsaka natao hiarovana ireny faritra toy Ambotsirohitra ireny fa tsy zone rouge 1 fotsiny
-tsy andiana miaramila toy ny RFI akory no nilaina hitantana ny fitazomana ny filaminana toy ireny fa fitambarany ireo garde national,police sy ny division d'infanterie sns ary indrindra ny pompier ary ireo ambulance maro2
-na ny grenady mandatsadranomaso na ireo tifidrano mahery vaika na ny fisakanany andiantafika dia safidy teo ampelantanana na koa tifitra miaro fampitandremana sy ny tifitra @ tongotra sombiny @ safidy azo nampiasaina

Mazava tsara @ sitlo ngamba ireo raha tsy azo atao ny nakeny @ zone rouge dia azo nosakanana mialoha tsy nilaina nadatsahana ràn'olona izany ,@ maha filoha mpitarika ny tafika any le8 de nampahalalany ireo mpanolotsaina @ foloalindahy azy izany nefa dia notsinotsinoaviny fa ny eritreritra ny hamono sy handripaka tsotra izao no vahaolana tsotra taminy,heloka izany aramiaramila raha mbola manana safidy ianao ary arasivily
8. Chuan ( 08/02/2009 08:04)
Ny olona mpanaraka an`i TGV aloha araka ny efa nolazaika teto , dia mila tonga saina satria ataon`ny olona tohatra fiakarana fotsiny . Rehefa maty ianao dia lazainy fotsiny hoe maritiora ireny de mody hanaovany ranomasom-boay kely mba hanasoketana ny andaniny nefa fantany tsara fa Zone Rouge io toerana io ary efa nampitandrina ny miaramila teny talohan`ny fitifirana , raha tsy zany dia hanaovany poster glady be ho afficher-na eny amin`ny 13 mai mba handrangitana ny olona . Tsara ny milaza fa ny ampahany amin`ireny olona miaraka amin`i TGV ireny dia miandry ny hisian`ny korontana fotsiny ihany mba hahafahana mandroba saingy indrisy fa tsy tafita izay satria efa manomboka ny miaro ny olona sy ny fananany ny Tafika . Fiantsiana no ataon`i TGV ka ny mpanara-dia anazy no ataony sorony ! Tongava saina izany ianareo fa aza manaiky an`izay intsony ary ny fahendrena voalohany dia ny tsy mamaly ny antso ataon`i TGV intsony . Ny zavatra tokony ho fantatr`i Naughtyboy sy Patrick2002 dia izao , i TGV tsy hoe mahasarika ny majorité n`ny olona eto Tanà akory ka handeha hi-geste hoe mpitarika ny olona , dia hoe miteny amin`ny anaran`ny Vahoakan`Antananarivo . Tsy bandy kely matim-bola sy mpanaonao foana tahaka izao no handeha harahin`ny olona ary mananmpy trotraka an`izany ireo Pourriture-n` olona mpiady seza manohana an`leiry avy ao ambadika izay tsy nahavita afatsy nampahantra ny gasy nandritry ny taona maro . Ny olona tena majorité eto amin`ny tanàna dia tsy mankasitraka an`izao korontana izao , olona te-hiasa hamelona ny ankohonany fa tsy ho korontanina lava am`zay ambition politique-tsisy dikanao any , olona miandry fifampidinihina eo ambony latabatra hisian`ny filaminana , olona mahandry fifidianana tahaka ny eny amin`ny tany demokratika rehetra raha misy fanoloana olona tokony hatao eto amin`ny Firenena fa tsy hoe andeha hanongam-panjakana
9. Noue ( 08/02/2009 08:18)
Chuan:

misaotra Tompoko ! tena mazava tsara ny tianao lazaina eee ! fa ny hanampiako kely azy fotsiny dia izao eee! rehefa manome ny heviny ny olona dia tsy midika akory oe pro an'i anona na tsy pro an'i ranona fa ny hevitra lazaina no tokony dihinina sy hisainana eee

10. mosabe ( 08/02/2009 08:36)
Noue:

Asa natsikaritrareo fa olona mahatra avoka ireo voatifitra , izany hoe olona tsy manana zavatra hovery @ korontana , rehefa tsy manana zavatra hovery ianao dia azo entina etsy sy eroa hanakorontana, zwam,jomaka,TTS....

ialahy ve raha misyzone rouge eny @ Berlin na Stockholm dia mbola handeha ihany ?

11. OoRakotooO ( 08/02/2009 09:02)
Ny resaka andraikitry R8 sa TGV dia mipetraka ao arianan'ny hoe :
- raha tsy misy ontsony fitsaràna azo hitarainana satria miandany;
- raha tsy azo antoka intsony ny governemanta sy ny mpanatanteraka satria voafehy toy ny alika voabaiko;
- raha tsy mety ho resy @ fifidianana ilay mpitondra (hafa tsy any @ toerana mba mahazo information) satria mipatrapatraka ny vola ary manapatra fahefana ny administration hampifidy ny kandidà-ny;
- Rehefa matahotra daholo ny mpandraharaha rehetra satria izay tady hanohitra dia tapa-doha,

dia tonga @ izao isika.

-Rehefa nitranga ny révolution t@ 1789 tao frantsa, tsy ny frantsay rehetra no nitsangana fa izay nahasahy ihany.
-Rehefa voazanaky ny rainiboto ny frantsay t@ 1941, tsy ny frantsay rehetra no nanano resistance fa izay nahasahy ihany.
- Rehefa niady ho an'ny fanafohanana ny fanandevozana ny nordiste t@ 1861 dia raikitra ny civil war t@ tany USA satria mbola nila andevo ho folahina ny sudiste.

Ka ianareo izay mbola vonona ny hipetraka any an-dafy na izay mipetraka eto Vohitsara eto ka mbola vonona ny ho ANDEVON'i R8 dia tompoy izy ary henoy izay lazainy fa izahay andray ny andraikitray ka tsy maintsy hanala azy eo na ilaina aza ny mandatsa-DRA, na ny azy io na ny anay!

N arivo lahy tsy maty indray andro
12. sitlo ( 08/02/2009 09:20)
tsy maintsy hanala azy eo na ilaina aza ny mandatsa-DRA

hiteny an'izay ihany moa ka VIVA eh, demokrasia eh...

raha ny ràanao moa no latsaka maninona fa ilay olona ampitambazanao noho ny fahantrany no mampalahelo
13. Samoana ( 08/02/2009 09:38)
Hoy patrick2002
...Ka mahagaga ahy no hankahalanareo an'i Ratsiraka...

Tsy patrick des années 80 tokoa nareo ka tsy nahalala ny méthode fanaon'ny DGID an-dradidy :wink:
14. heidi ( 08/02/2009 09:45)
na ratsiraka na tgvendrana na ravalo samy tsy mendrika
fa izay mandika ny lalàna mihoa-pefy kosa dia faizina
rehefa tokony handray andraikitra ny polisy sy ny miaramila dia
afaka manantateraka izany izy, mbola ambany fahefan'ny mpitondra ireo
ka tsy maintsy manantateraka ny baiko avy amin'ny avo
adalan'ny ilay andian'olona azo lolovin'ny mpanohitra tgvendrana
no hisangisangy ny danzé mety ahazo azy....
NY RESPONSABLE DIA I tgvendrana aloha, fa na izany aza i ravalo tsara mihongana, afaka ahongana am fomba milamina fa tsy korontana otran'ny ataon'i tgvendrana
15. Noue ( 08/02/2009 10:04)
misy ny lanana ! aoka samy hanaja izany !!! tsy fanjakan'ny baroa akory Madagasikara !!!
16. OoRakotooO ( 08/02/2009 10:14)
Iza no ampiatra ny lalàna Noue a? Ianao any alavitra any sa ireo mpitsara voageja sa iza?
Ny lalàna izao dia izay tian'i R8
17. heidi ( 08/02/2009 10:18)
ka mbola izy no filoha aloha hatramzao......
ny fanoganana afaka atao ampilaminana hoy aho fa tsy manao fomban'ny fanjakan'ny baroa.... ny miaramila ambany fahefan'ny ravalo ary ny andian'olona mpanakorotona ambany fahefan'i tgvendrana, iza no tsy misaina amzany fangah i tgv mbola filoha?????? MBOLA DJ
18. sitlo ( 08/02/2009 10:25)
heidi:
iza no tsy misaina amzany

ratonga
19. OoRakotooO ( 08/02/2009 10:33)
Ka inona aza ilay fanonganana milamina ry heidi raha tsy ny Fitsaràna (voageja hiandany), tsy ny Fifidiana (miady @ administration sy vola be mikararana)
20. kalovavy ( 08/02/2009 10:36)
haidi, fijerinao amboary, fahefany no ambakainy anao , jereo ny zava misy, de alefaso fisainana, za tsy milaza, ity no tsara ho filoha, na iry no ratsy. Fa ny zava misy no hitako, misy tsy mety ataony mpitondra ka mila hovainy ao aminy fahefany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0478