Tao Getsemania.
1. Fody
(
08/01/2009 15:37)
Misy tantara ao amin'ny Evanjely ao, ka izay afaka manaza azy dia mba iangaviana mba hanome fanazavana, satria inoako fa maro no tsy mahazo azy, sy mametraka fisalasalana.
Marihako dia eny mialoha fa tsy hiteny mihits aho mandritra ity dinika ity mba ialana amin'ny amin'ny fanasokajiana ahy ho tsy mpino; satria aho dia Kristiana.
Ilay tantara dia ho hitanao ao amin'ny : Lc 22, 39 - 46. http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=LIOKA&toko=22&andininy=39-46&dika=
Mc 14, 32 - 42 http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=MARKA&toko=14&andininy=32-42&dika=
Mt 26, 36 - 46. http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=MATIO&toko=26&andininy=36-46&dika=
Ny fanontaniana mipetraka dia izao:
1 - Nolazaina fa nandeha niala lavidavitra ny mpianatra izy rehefa nivavaka. Ary nambara koa fa natory ny mpianatra niaraka taminy: ka iza ary no nahita ny zava-niseho rehetra sy naheno ny vavaka nataon'i Jesoa?
2 - I Md Lioka dia nilaza fa nisy Anjely tonga teo amin'i Jesoa ny alin'iny nankahery azy... Ireo Evanjelista namany kosa dia tsy nisy nilaza ny momba an'izany... Nisy ve io sa tsy nisy ?
Raha nisy ahoana no tsy nolazain'i Matio sy Marka, nefa isany zava-dehibe izany?
Raha tsy nisy kosa, nandainga ve i Lioka?
3 - I Md Marka milaza fa toy izao no vavaka nataon'i Jesoa: " Aba, Raiko ô, ny zavatra rehetra hainao; esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao" (Mc 14, 36 ) .
I Lioka milaza fa izao: "Raiko ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao" (Lc 22, 42 ).
Matio kosa milaza hoe. "Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.... Raiko ô, raha tsy azo esorina ity, fa tsy maintsy hosotroiko,dia aoka ny sitraponao no hatao." (Mt 26, 39 . 42 )
Ireo vavaka ireo dia samihafa nefa lazaina fa olona iray no nanao azy, amin'ny fotoana iray, sy amin'ny toerana iray....
Ahoana ny fanazavana azonao omena???
FANAMARIHANA:
"Tsy nisy naheno ny vavaka nataon'i Jesoa ny mpianatra na iray aza satria natory, ary tsy nisy nahita ny zavatra niseho nandritra iny alina iny koa".
Ireo olona nanoratra ny Evanjely mitatitra ny zavatra nitranga eto dia tsy nisy nanatri-maso na iray aza. I Joany irery no niaraka tamin'i Jesoa tamin'iny alina iny amin'ireo evanjelista, nefa izy tsy niteny sy tsy nitantara ny zava-niseho stria sady tsy nahita izy no tsy naheno fa natory.
Dia hazavao àry

novalian'i Fody ny 23/01/2009 09:08
2. Noue
(
08/01/2009 16:19)
izao marina angamba no azo hamaliana an'ireo oe
Dans un commentaire du verset de l'Évangile de Matthieu, "Homme de peu de foi, pourquoi as-tu douté ?"

3. ikaretsaka
(
08/01/2009 16:31)
@ boky hafa (tsy aoanaty baiboly fa kosa tantara ) dia I Md Marka no mpahandro sy serveur ny sakafo t@ alakamisy masina.. sy ny natsaka ireo rano nanasan 'i jesoa Ny tongotr'ireo apostoly
nisy tantara hoe I Md Marka. Ohatran ny niafina nanaraka andry jesoa t@ io koa... izy ilay hoe nitafy drap de tratra de nitsoaka sy navelany teo ny drap...izay voalazany ao @ evanjeliny...avy nandro razoky nony vita ny kaly alakamisy masina. No lasa ry jesoa dia drap no notafiany...
Donk amiko..AMIKO HOA AN dia possible ny hoe.... nirozirozy tao gestemane tao lery ary possible koa ny nahenoany ilay vavaka
I Lioka sy I Matio no mety hoe ny henony t@ ndry piera.
Fa amiko izay an...

4. Noue
(
08/01/2009 16:31)
zany oe amiko aloha dia i Jesoa ihany no nitantara ny zavatra nataony t@ ireo mpiara-diha Aminy satria hoy izy oe
"vous n'avez pas pu rester eveillé car le moment est très dur"

5. prime
(
09/01/2009 06:08)
Mitovy hevitra amin'i Noue ny tenako... Jesosy ihany no nitantara tamin'ny mpianatra ny zava-nisy dia ireo indray nandray izay nolazainy araka ny nanambarany azy... nisy ny niampita, toy ny an'i Lioka sy Marka (tsy nanatrika mivantana an'i Jesosy), nisy ny nihaino nivantana tamin'ny Tompo toy an'i Matio sy Jaona (Apostoly)... :)
6. arimana
(
09/01/2009 10:26)
Miarahaba antsika rehetra
Voasoratra tokoa fa rehefa niverina teo amin’ireo mpianatra 3 lahy Jesosy dia nahita azy ireo natory ka nanambara hoe « dia hoy Izy tamin'i Petera: Hay! tsy mahazaka ny miara-miari-tory amiko na dia ora iray ihany aza ianareo! » (Matio 26:40 b)
Ora iray : raha mamaky io matio io isika dia tsy naharitra minitra vitsy io vavak’i Jesosy voarakitra ato amin’ny filazan tsara io dia vita. Fa izay tao aorian’io no tsy voasoratra intsony nandra paha tongan’ny fotoana nanatonany ka nahitany ny mpianatra natory.
Araka ny filazan tsaran’i Marka sy Matio, tamin’ny nihatahan’i Jesosy voalohany dia nangataka azy ireo ny hiari tory ihany ( Dia hoy Izy taminy: Fadiranovana loatra ny fanahiko, toy ny efa ho faty; mitœra eto, ka miaraha miari-tory amiko. Matio 26:38) Jesosy fa ny faharoa izy vao nanafatra azy ireo hivavaka.
Ary koa tsy hoe vao tonga ny mpianatra dia resin tory avy hatrany. Porofon’izany fa nahita an’i Jesoa mbola niankohoka izy ireo raha hivavaka Izy , ka afaka nandre ireo fehezanteny vavaka voalohany.
Hatreo ihany izany no voasoratra lovantsika ankehitriny.
Izay no voarakitra satria mbola nisy vavolombelona nahatantara dia izy 3 mpianatra, Petera, Jaona sy Jakoba mirahalahy izay ireo no nentin’Tompo nanakaiky azy kokoa. Fa izay nitranga taorian’ny vavaka reny ka resintory izy ireo avy eo dia tsy mba voarakitra intsony, ora iray izany tokoa mantsy lavalava ihany.

7. coopsal
(
09/01/2009 12:44)
Hatrany amin'ny Genesisy dia azo apetraka mihitsy momba ny boky rehetra io fanontanian'i Fody io.
Ary ireto aza misy fanontaniana hafa ihany koa :
1- Ao amin'ny [MAT. 11:20-24] dia miteny mafy ireo tanàna tsy nino Azy Kristy ary nofaranaNy hoe "Raha mba tany Sodoma sy Gomora no natao ny fahagagana natao taminareo dia mbola ho nitoetra ihany izany tany izany mandraka ankehitrio! ... Ho nibebaka ny mponina tao".
--> raha toa ary ka tena Fitiavana marina ilay Andriamanitra ambaran'ny baiboly, nahoana no tsy nataoNy tany amin'ireo tanàna voalaza ireo ny fahagagana mba hamonjena ireo tanàna ireo fa navelaNy ho ringana?
2- Ao amin'ny [Mat. 20 :29-39] mitantara jamba anakiroa nitalaho t@ KRISTY mba hositranina.
Ao amin'ny [Mar. 10 :46-52] sy [Lio. 18 :35-43] mitantara jamba anakiray.
-->Roa sa iray le jamba no tena marina?
3- Ao amin'ny [Mat. 6 :1-4] milaza KRISTY mba tsy hanaovana asa soa ho hitan'ny olona.
Ao amin'ny [Mat. 5 :16] anefa izy dia milaza fa tokony ho hitan'ny olona mihitsy ny asa soa ataon'ny mpianatra.
--> Tokony hiafina manao asa soa sa tokony hiseho ny tena marina?
Betsaka e! Mbola vao ny baiboly no nametrahana fanontaniana izay, fa misy fanontaniana mety hapetraka ihany koa momba ny kristiana, raha tsy hilaza afa-tsy ny fisian'ny antokom-pinoana maro be izay samy milaza mino an'i KRSITY kanefa samy manana ny foto-pinoany koa!
Ary dia samy manana interprétation-ny amin'izay ambaran'ny baiboly mba hananganana litorjia sy/na fombafombam-pivavahana.
Raha mihaino tsara amin'ny fo misokatra ny tsirairay avy amin'ireny ianao dia hahita fa izay henoinao dia toa marina tokoa ary araka ny Soratra Masina, kanefa mifanohitra izy rehetra! Dia finalement ianao manana choix entre :
1- miala ho lasa tsy mpino, na
2- mifikitra an-jambany amin'izay antoko misy anao
Raha milaza an'izany aho tsy manenjika na iza na iza, fa milaza ny zavatra hitako sy niainako rahateo. Ary mbola izay niainako sy iainako hatrizao ity holazaiko manaraka ity :
Tsy ho nino ny baiboly mihitsy aho raha nijanona tamin'ny fandalinana baiboly na fihainoana fotsiny ireo pitory sy mpanazava Soratra Masina!
Zavatra tokana no nahatonga ahy hino ny baiboly : KRISTY no ren'ny foko namaly ny fanontaniako nangetaheta fahamarinana. TSy fiasan'ny saiko izany fa fahasoavan' Andriamanitra izay ty haiko hazavaina fa miezaka fotsiny aho hanambara araka ny tratrako.
Ary KRISTY no nanontaniako ireo fanontaniana isan-karazany ireo. Ary marina ilay teniNy rehefa nampianatra ny mpianatra nivavaka hoe "ny rainareo izay ao amin'ny mangingina no hamaly anareo". Fa tena valian' Andriamanitra tokoa ny fanontaniana.
Ka hoy aho hoe, afaka handre valin-teny maro ianao eto, na any am-piangonana, na araka ny fiasan'ny sainao koa, ary aorian'ity dia hanoratra koa aho ho valin'izay fanontanianao.
Fa raha mitady an'Andriamanitra amin'ny fonao ianao, dia KRISTY no hamaly anao izay valiny marina, dia hino tanteraka ianao ka tsy hisalasala intsony, ary hitombo ny fahalalanao, ary ho fantatrao koa hoe iza no mpisandoka sy mpamitaka ary iza no avy amin'i KRISTY marina.
Averiko indray fa zavatra iainako izany tantaraiko aminao izany, ary inoako fa afaka iainan'ny olona rehetra, satria "izy rehetra dia samy hampianarin' Andriamanitra"

8. Fody
(
09/01/2009 12:51)
tsy hamaly aho na hanazava fa te hiteny fotsiny hoe: misy zavatra napetraka io dia afantohy amin'io ny resaka azafady.
9. fahamarinana
(
09/01/2009 12:55)
:arrow: iraisako hvtr koa i Fody ,i coopsal tsy mba miezaka mamaly ny fanontaniana fa ny azy ndray no apetrany.Dia hihitatra raha ity zalahy ka ny hiafarany tsy ny getsemania intsony ilay resaka.(l)
10. prime
(
09/01/2009 13:01)
Fa Jesosy ihany koa rehefa avy nitsangana tamin'ny maty ka niakatra tany an-danitra dia mbola niverina niaraka sy niseho tamin'ny Apostoly sy ny mpianatra rehetra nialoha ny niakarany nandritra ny andro maromaro... na dia tsy voambara aza dia azo inoana fa anisan'ny fampianarana nataon'ny Tompo tamin'izy ireo ny famaliana ny fanontaniana rehetra ny tamin'ny nanjo ny Tompo sy ny zavatra rehetra niseho rehefa tafasaraka vetivety izy ireo... :)
(anisan'izany ny vavaka niarahany tamin'ny Ray, ny niseho rehetra, eny hatramin'ny nahafatesany, ny zava-nisy taorian'ny nahafatesany sns...)

11. coopsal
(
09/01/2009 13:48)
Ie, niteny aho teo hoe hitondra valiny eo aminao aho, ary dia ity no valiny ananako :
1- ka iza ary no nahita ny zava-niseho rehetra sy naheno ny vavaka nataon'i Jesoa?
==> Andriamanitra ILAY namorona ka mahita ny zavatra rehetra no nahita ny zava-niseho sy naheno ny vavaka rehetra nataon'i Jesoa (izay fifampiresahana tamiNy rahateo).
- Izy no namorona izao tontolo izao ka nampanoratra ny bokin'ny famoronana
- Izy no nahafantatra ny fiainan'ny Zanak'Israely ka naniraka an'i Moïzy
- Izy no nahita ny fon'ny tsirairay teo amin'ny Israely ka nampaniraka mpaminany hanambara ny hafatra.
- I Jesoa velona ary afaka nibitsika tao am-pon'ireo nanoratra mba hanome ny tantara, ary inoako koa aza fa IZY mihitsy no nifidiy hatramin'ny détailsn'ny tantara hosoratana. Hoy Md. Joany teo am-pamaranana ny evanjely nosoratany hoe : "Fa izao no nosoratana dia mba hitohizan'ny finoanareo".
2 - I Md Lioka dia nilaza fa nisy Anjely tonga teo amin'i Jesoa ny alin'iny nankahery azy... Ireo Evanjelista namany kosa dia tsy nisy nilaza ny momba an'izany... Nisy ve io sa tsy nisy ?
Raha nisy ahoana no tsy nolazain'i Matio sy Marka, nefa isany zava-dehibe izany?
Raha tsy nisy kosa, nandainga ve i Lioka?
==> a- Nisy ve io sa tsy nisy? : inoako fa matoa izay no nosoratany dia izay tokoa no nisy.
b- Nahoana no tsy nolazain'ny hafa? : Ny mpandinika dia milaza fa tsy mitovy tanteraka ny zavatra hitan'ny maso havia sy ny maso havanana : misy faritra iarahan'ireo hita, fa misy kosa hitan'ny maso havia irery fa tsy hitan'ny havanana, ary misy kosa hitan'ny maso havanana irery fa tsy hitan'ny maso havia.
Eto dia hita koa fa ireo mpanoratra ny evanjely dia tena iray ao amin'i Kristy ary mi-jouer rôle ny maso havia sy havanana! Nisy ny zavatra confirmé tany amin'ny boky sasany fa tsy hita tao amin'ny anakiray.
Raha nitovy tanteraka ny zavatra nosoratan'ireo dia izany no antsoina hoe : redondance d'informations, ary tsy nila evanjely betsaka fa ny iray ihany dia ampy! Tsy dia natao samy hafa tanteraka anefa ireo, fa nisy confirmation tamin'ny sasany ihany mba tsy hahatonga ny mpino handà ... Tahaka ny pièce na puzzle ireo, misy côté iraisana ary misy côté mampiavaka, fa ireo dia mifameno
Mampiseho izany fa izay nanamboatra ny maso ihany no nampanoratra an'ireo.
d- nandainga ve i Lioka? : Noho izany, tsy nandainga velively i Lioka.
3- Ireo vavaka ireo dia samihafa nefa lazaina fa olona iray no nanao azy, amin'ny fotoana iray, sy amin'ny toerana iray....
==> Samihafa angamba ny fipetraky ny teny ao anatin'ny fehezan-teny fa iray ihany ny tiany hambara.
Ireto misy expériences kely azonao atao :
1- Nisy zavatra nitranga iray (ohatra accidents), dia manontania olona anakitelo niara-nanatri-maso ilay zavatra, dia enregistreo ny teny avoakan'ny tsirairay.
2- Mamakia gazety anakiroa mitovy firehana politika mitantara trangan-javatra iray! Dia ampitahao ny teny ampiasain'ny tsirairay.
3- Rehefa mitantara zavatra ianao, ataoko hoe androany maraina ianao nitantara an'ilay izy tamin' Ikoto, ny harivan'iny ianao mitantara amin'Ikala. Zavatra iray no tantarainao ary tena hevitrao ireo, fa enregistreo anie ireo fitantarana anakiroa.
------> Ho hitanao fa hahita zavatra toy ireo nampametra-panontaniana anao teo ireo ianao.
FANAMARIHANA : KRISTY nampianatra ny mpianany hoe "rehefa mivavaka ianareo, vao tsy mangataka akory dia efa fantatry ny Rainareo izay tokony ho anareo ... fa raha mivavaka ianareo dia midia ao amin'ny mangingina ary arindrino ny varavarana, ary ny Rainareo izay ao amin'ny mangingina hamaly anareo". Inoako fa mpampianatra tena modely izy fa tsy niteny fotsiny nefa izy tsy nanatanteraka.
Ka raha izay fampianarany izay dia ekeko ny fanamarihan'i fody hoe : tsy nisy naheno ilay vavaka, satria tao amin'ny mangingina mirindrina dia Izy sy ny Ray irery no tao, ary ny Ray namaly Azy.
Inoako, fa matoa navoakan' Andriamanitra io, dia mba ho fampianarana ny mpino ny amin'izay tokony hataony eo am-piatrehana adim-panahy mafy.

12. Noue
(
09/01/2009 15:56)
[quote="Fody"]Nolazaina fa nandeha niala lavidavitra ny mpianatra izy rehefa nivavaka. Ary nambara koa fa natory ny mpianatra niaraka taminy: ka iza ary no nahita ny zava-niseho rehetra sy naheno ny vavaka nataon'i Jesoa?
valiny>>>>>>>Jesoa ihany[quote="coopsal"]- ka iza ary no nahita ny zava-niseho rehetra sy naheno ny vavaka nataon'i Jesoa?tsy lavina io fa ny fanontaniana dia oe
==> Andriamanitra ILAY namorona ka mahita ny zavatra rehetra no nahita ny zava-niseho sy naheno ny vavaka rehetra nataon'i Jesoa (izay fifampiresahana tamiNy rahateo).
Nolazaina fa nandeha niala lavidavitra ny mpianatra izy rehefa nivavaka. Ary nambara koa fa natory ny mpianatra niaraka taminy: ka iza ary no nahita ny zava-niseho rehetra sy naheno ny vavaka nataon'i Jesoa?[iza anefa no tsy hilaza fa Andriamanitra nahita sy nahare ny vavaka sy zay nataon'i Jesoa eee ???? saingy ny fipetrakin'ny fanontaniana eto izay azo lazaina oe nampisalasala ny mpanontany satria oe natory daholo ireo mpiara-diha an'i Jesoa ! dia ankoatra an'Andriamanitra izay efa nanomana ny fandehan-jazavatra rehetra , mba nisian'ny zavatra niseho ho voasoratra ao anaty baiboly angamba no tiana anontaniana eeee ! dia tsy iza moa izany fa Jesoa lui même en personne satria Andriamanitra nga nanao compte rendu oatran'ireo mpiara-diha t@ Jesoa ka nahatonga ny zava-niseho voasoratra anaty baiboly
13. arimana
(
09/01/2009 18:10)
Zao aloha no tsara ho marihina :
Efa taty aoriana 70-110 vao nanorata ny filazantsara ireo olona ireo
Araka ny voalazan’ny mpandinika ny Soratra Masina hatrany ampiandohana: dia Ny filazantsaran’ny Marka no voasoratra voalohany, Avy @ Apostoly Petera ny Filazantsarany, te hampiseho maika ny fanjakanAtra avy@ JK, ary ny asa
Lioka kosa no nanaraka, ary raha nanoratra izy dia teo ambany masony ny filazantsaran’ny Marka, Tsy Apostoly Izy fa voalaza aza fa andevo ary Jentilisa, nefa manampahaizana , Dokotera izy ary tafaraka t@ Paoly, mpira-dalana @ Apostoly Paoly izy, namana tsy mifankafohy.
Matio kosa no taty aoriana kely, Apostoly izy ary izy no Levy mpamory hetra, natsoin’Jesosy teo ampamorianketra, Matio 10 : 3,na lioka 5 : 29, Jiosy Izy, ary te hampahafantatra @ Jiosy fa Izy no Mesia ary tsy tokony hiroaroa saina intsony, ity tokoa ilay nandrasana.
Jaona no farany, Tsy tia mitantara izay natrehan’ny tenany Izy, toy ny Fiovan’ tarehy tany antendrombohitra, …. Apostoly Izy, ny filazana lalina momba ny foto-javatra, niseho tao anatin’ny tantaran ny famonjena :toy ny hoe zanak’Atra Izy, zanak’olona, mofon’aina, ranon’aina, fahazavan izttliz, mpiandry tsara,… no tena tiany hampitaina.
Teny sy soratra avy amin’Atra tokoa ny Baiboly, nefa tonga tamintsika tamin’ny alalan’ny teny sy soratry ny olombelona. Ny Fanahy Masina ihany no tena manazava Azy ; Kanefa mba tsy hahadiso hevitra dia ilaina hianarana izay rehetra momba ireo mpanoratra : toerana nisy azy, vanimpotoana nahavelomany…. Voamarik’izany mantsy ny Tenin’Atra nosoratany.
Noho ireo antony rehetra eo ambony ireo no mampisy ireo heverina ho tsy fitoviana eo amin’ny filazana ny tantara.
Ny Apostoly Jaona sy Matio ihany no nifanatrika tamin'ny Tompo ary marihina ihany fa Jaona no ilay voalaza fa tian’ny Tompo kokoa. Ny sisa dia efa niampita.

14. Mirananirina
(
10/01/2009 12:38)
Tao Getsemania
Tsy mahita holazaina aho,efa ela no tsy namakiako baiboly izany,fa tokony hamaky mihitsy
15. ikaretsaka
(
10/01/2009 16:57)
Amiko manokana raha izy 4 mitsam sy ny nosoratany no hiezahana.
Hahalalana ny momban ny passion sy ampifandraisana dia.misambodika satria na mitovy aza ny concept dia samihafa ny filazany ny details... io no ilazako hoe tsy ampy io mainka moa raha mbola tsimpona ny ampiasaina

16. rijadolly
(
11/01/2009 05:51)
Voalohany aloha dia fanamafisana ireo voalazan'namana ao ambany ao ny ahy.
faharoa tsy nisy diso fa marina daholo ny an'izy telolahy nanoratra.
stria:
- tsy voalaza fa vao tonga na vao nivavaka mihitsy Jesoa dia efa natory ny mpianatra,fa niverina nijery azireo Jesoa zay vao voalaza fa natory izireo.Nisy ny fotoana nahitan'izireo an'Jesoa nivavaka.
- tsy voatery hiara-mandry izy telolahy fa tsy maintsy resitory tsirairay amin'fotoana tsy mitovy.
- tsy mbola tapaka corde vocal sanatria ny Tompotsika ka tsy afaka intsony hivavaka amin'feo mahery fanaony ka izay torambato iray ny tsy ahenoina ny feony.
Misaotra betsaka

17. rijadolly
(
11/01/2009 06:00)
Eo amin'ilay vavaka nataon'jesoa ndray dia tsy azo atao heo mifanohitra ny voasoratra satria ny hevi-dehiben'ilay vavaka dia tsy nisy nivoana na tsy ampy. (l) :-* :-* .
18. ikaretsaka
(
11/01/2009 21:51)
Eo no ty mazava kely amiko @ ny mpitsimpona vs. Le contextual... maninona no eto rehefa kofona le tsimpona dia dedaka ery miteny le hoe tsy ny tsimpona no zava dehibe....
Fa raha ni se coincide nefa izao le teny sy le vavaka an...minoa marimarina ianareo....

19. coopsal
(
12/01/2009 15:31)
Hitantarako zavatar roa ianareo, mety mba hampahazava ny resaka :
1- Ny amin-dry dadanay sy neninay dia feno zava-maniry isan-karazany mahafinaritra sy mahasoa. Ny mahagaga ahy fotsiny dia izao, olona anakitelo samihafa samy nahita ireo zava-boary kanto ireo dia izao no nolazain\'ny tsirairay :
a- \"KAy, tena feno fanafody ato izany\" (tiany tenenina hoe feno zava-maniry mety atao fanafody)
b- \"Tena feno laoka ato izany\" (zava-maniry izay mamoa na manana ravina mety atao laoka
d- \"Tena feno voninkazo mahafinaritra sy maro karazana ato izany\"
Tsy nisy diso ny tenin\'ireo rehetra ireo, nefa samy hafa ary milaza toerana tokana izy ireo.
2- Raha iny nandeha namangy an\'i dadatoanay hoe tratry ny taona iny dia nandeha tamin\'ilay elankelantrano dia nahita trano anakiray somary miavaka ary manaitra avy hatrany na amin\'ny paozy na amin\'ny loko. Olona roa no niteny ny heviny rehefa nahita an\'io trano io :
a- \"Tsss, tena mandany toerana, mbola feno espace azo anaovana trano iny !\"
b- \"tsara kely kosa ilay izy\"
Trano anakiray ihany io ary samy marina ilay notenenina araka ny maso mijery ao anatin\'ny tsirairay.
Koa ho ahy dia ny fananan\'ny olona vision 2d no mahatonga ny zavatra abaran\' Andriamanitra toa mifanohitra, fa raha miray amin\'ilay Mpamorona ka mahita ny zava-drehetra ny olona dia afaka hahafantatra izy.
Izany no nahatongavan\'i KRISTY teto ambonin\'ny tany : ny hananan\'ny olona ny vision n\' Andriamanitra amin\'izay noforoniNy sy IZY tenany sy ny FITIAVANY.
Ny point tokana ahafahana manaiky ireo, ho ahy kanefa ho an\'ny rehetra dia ny finoana fa velona marina KRISTY. Izaho tsy ho nino mihitsy raha tsy nanana izay porofo izay.
Ary izaho dia mirary ny tsirairay handre ny feoNy ka hino, mba tsy ho menatra sy hanenina rehefa mifanatrika.

20. ikaretsaka
(
12/01/2009 15:51)
Ahoana aza ny vision 3 d eto izao? Mba afaka faritanao misimisy sy tsy mivoana ve?