Tao Getsemania.

21. Fody ( 12/01/2009 20:54)



Fanamarihana kely: Fitanterana ny zava-nisy no nataon'izy telo mirahalahy nanoratra ny evanjely eto. Ary samy milaza fa zao no nolazain'i Jesoa (style directe daholo ny phrase, fa tsy indirecte).

Ka iza no tena nolazainy tamin'ireo ??? Sa tsy nisy nolazainy ireo na iray aza ???

- tsy mbola tapaka corde vocal sanatria ny Tompotsika

Aza adino fa vavaka samirery no nataony ary izay no antony nitokanany. Ka raha vavaka samy irery ve mila miantso mamoaka feo ho ren'ny manodidina ??? Nefa izy ilay nilaza hoe raha mivavaka ianao dia aza manao ohatra ny fariseo (be resaka sy miteny mafy ary manao izay ahitan'ny hafa azy, sns...)
Raha mivavaka ianao, hoy izy, dia mivavaha amin'ny Rainao ao amin'ny mangingina....

Fanamarihana ihany ireo.

Am-pitiavana be.
22. ikaretsaka ( 12/01/2009 23:19)
Le. Resaka hoe misy tapaka corde vocal hono...
Nga moa io vavaka io ka notabatabaina fatratra ?

Tokony mba mandinika ihany ny mampotombina na tsia ilay resaka re vao miteniteny foana na hiteny zavatra humouristique ary
23. rijadolly ( 13/01/2009 03:02)
Bold textAmpitiavana be no amaliko anareo,Ra oh ka entinao hidedadedahana sy fizaozahona ny vavaka ataonao fa tsy hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra dia ampangino ny fivavakao fa fahamenarana no azonao amin'andro farany.Fa raha oh ka fahamenarana sy tsy fahampin'finoanao ny miantso an'Andriamanitra sy Jesoa Kristy(fatahorana ny latsa sy ny esoeso teny ny ny hafa) kosa ny hanidinao trano ao amin'mangigina dia tsy ahazo valim-bavakao ianao. http://baiboly.org/toko.asp?boky=MATIO&toko=27&andininy=46-46&dika= fa tsy io ihany no azo tsiponina hanamarina izany Feo Mahery izany.
Ny Tompotsika sy ireo Iraka samihafa kosa dia tsy oh zany fa sahy sy nino ny inoany fa velona ny Andriamaniny.

Fanamarihana: Tampitra ny anjarako amin'ty dinika ty raha tsy milaza ny heviny i Fody.:-*

24. ari.malala ( 13/01/2009 06:07)
Fody:

1 - Nolazaina fa nandeha niala lavidavitra ny mpianatra izy rehefa nivavaka. Ary nambara koa fa natory ny mpianatra niaraka taminy: ka iza ary no nahita ny zava-niseho rehetra sy naheno ny vavaka nataon'i Jesoa?


Matoa voalaza fa "natory ny mpianatra" dia tena natory izany zareo, fa mino kosa nefa aho fa misy sombiny hitan-jareo ahafahany milaza sy mitantara ireo voarakitra an-tsoratra ireo. Na olona miara mandry izao aza tsy mitovy ny fotoana ahitana torimaso.

fody:
2 - I Md Lioka dia nilaza fa nisy Anjely tonga teo amin'i Jesoa ny alin'iny nankahery azy... Ireo Evanjelista namany kosa dia tsy nisy nilaza ny momba an'izany... Nisy ve io sa tsy nisy ?
Raha nisy ahoana no tsy nolazain'i Matio sy Marka, nefa isany zava-dehibe izany?
Raha tsy nisy kosa, nandainga ve i Lioka?

Manohy ilay voalazako tetsy ambony, nahita i Lioka matoa nitantara, ary i Lioka irery izany no nahita ilay anjely nankahery an'i Jesoa. Mety hoe tamin'ny fotoana tsy mbola nampatory an'i Lioka no tonga teo ilay anjely nakahery an'i Jesoa dia izay no nahatonga an'i Lioka nitantara ny fahitany. Iretsy hafa tsy nilaza satria tsy nahita, tao anatin'ny torimaso izany zareo.

fody:
3 - I Md Marka milaza fa toy izao no vavaka nataon'i Jesoa: " Aba, Raiko ô, ny zavatra rehetra hainao; esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao" (Mc 14, 36 ) .

I Lioka milaza fa izao: "Raiko ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao" (Lc 22, 42 ).

Matio kosa milaza hoe. "Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.... Raiko ô, raha tsy azo esorina ity, fa tsy maintsy hosotroiko,dia aoka ny sitraponao no hatao." (Mt 26, 39 . 42 )

Ireo vavaka ireo dia samihafa nefa lazaina fa olona iray no nanao azy, amin'ny fotoana iray, sy amin'ny toerana iray....

Ahoana ny fanazavana azonao omena???


Raha tsy diso aho dia olona samy hafa fihaviana ireo nantsoin'i Jesoa hanaraka Azy ireo, samy manana ny fiteniny na ny dialècte angaha no ahaizak milaza azy kokoa. Dia ireo dialèctes ireo no nadikan'ny mpandika teny. Raha mandinika mantsy isika dia hievitra iray ihany no ambaran'ilay vavaka.

fody:
FANAMARIHANA:

"Tsy nisy naheno ny vavaka nataon'i Jesoa ny mpianatra na iray aza satria natory, ary tsy nisy nahita ny zavatra niseho nandritra iny alina iny koa".

Ireo olona nanoratra ny Evanjely mitatitra ny zavatra nitranga eto dia tsy nisy nanatri-maso na iray aza. I Joany irery no niaraka tamin'i Jesoa tamin'iny alina iny amin'ireo evanjelista, nefa izy tsy niteny sy tsy nitantara ny zava-niseho stria sady tsy nahita izy no tsy naheno fa natory.

Dia hazavao àry





Isika ihany koa tsy nisy nanatrika izay nitranga t@ io fotoana io, fa samy manombatombana daholo. Ny fanazavana azo atolotra angamba ary efa maromaro ihany no nilaza azy dia hoe tsy hoe vao tonga akory ry zareo dia tonga dia resin-tory ny mpianatra, fa i Jesoa niangavy azy ireo hiaraka Aminy hiari-tory, saingy ny andro alona, ny mpianatra ihany koa mety hoe vizan'ny dia an-tongotra dia resin-tory ihany rehefa ela ny ela. Noho izany, mety nisy sombim-bavaka henon-dry zareo. Ilay hoe "lavidavitra" ihany koa tsy voafaritra hoe firy metatra na hatraiza ilay halavirana. Inoako tsy nivazavaza i Jesoa tamin'izy nivavaka, fa nony reny nitambesatra ny alahelony sy ny adin-tsainy dia mety, mety hoy aho, nahateny mafy ireo vavaka ireo Izy, ka izay no ren'ny mpianatra. Mety ihany koa tafateny mafy i Jesoa nanonona ilay vavaka fitalahoana, ka izay no nanaitra ireo mpianatra ary nahafahan'izy ireo nandrakitra an-tsoratra izany vavaka izany. Fa io moa araka ila nolazaiko hoe olona samy hafa fhaviana izy ireo, ka samy manana ny fomba nilazany azy.
25. ari.malala ( 13/01/2009 06:18)
Miala tsiny fa diso aho, hay moa i Lioka tsy nanatrika tany! azafady indrindra! Ny azoko anazavàna an'io dia ny iray amin'ireo mpianatra nanatrika teo no niresaka sy nitantara t@ Lioka hoe nisy anjely tonga teo nakahery Azy, satria t@ io fotoana nahatongavan'ny anjely io tsy natory ilay mpianatra.
26. niryna ( 13/01/2009 06:45)
coopsal:

1- miala ho lasa tsy mpino, na
2- mifikitra an-jambany amin'izay antoko misy anao
ireo ihany ve no choix ? hi,hi


Raha milaza an'izany aho tsy manenjika na iza na iza, fa milaza ny zavatra hitako sy niainako rahateo. Ary mbola izay niainako sy iainako hatrizao ity holazaiko manaraka ity :
Tsy ho nino ny baiboly mihitsy aho raha nijanona tamin'ny fandalinana baiboly na fihainoana fotsiny ireo pitory sy mpanazava Soratra Masina!
Zavatra tokana no nahatonga ahy hino ny baiboly : KRISTY no ren'ny foko namaly ny fanontaniako nangetaheta fahamarinana. TSy fiasan'ny saiko izany fa fahasoavan' Andriamanitra izay ty haiko hazavaina fa miezaka fotsiny aho hanambara araka ny tratrako. hmm [quote]
Ary KRISTY no nanontaniako ireo fanontaniana isan-karazany ireo. Ary marina ilay teniNy rehefa nampianatra ny mpianatra nivavaka hoe "ny rainareo izay ao amin'ny mangingina no hamaly anareo". Fa tena valian' Andriamanitra tokoa ny fanontaniana.
Ka hoy aho hoe, afaka handre valin-teny maro ianao eto, na any am-piangonana, na araka ny fiasan'ny sainao koa, ary aorian'ity dia hanoratra koa aho ho valin'izay fanontanianao.
Fa raha mitady an'Andriamanitra amin'ny fonao ianao, dia KRISTY no hamaly anao izay valiny marina, dia hino tanteraka ianao ka tsy hisalasala intsony, ary hitombo ny fahalalanao, ary ho fantatrao koa hoe iza no mpisandoka sy mpamitaka ary iza no avy amin'i KRISTY marina.
Averiko indray fa zavatra iainako izany tantaraiko aminao izany, ary inoako fa afaka iainan'ny olona rehetra, satria "izy rehetra dia samy hampianarin' Andriamanitra"
misy fahamarinana tokoa izany ,ny voa afafintsika no itsaran'Atra antsika, ny olona mety hitsara kanefa tsy mampiova ilay kristy inona izany na tsy manana an'i kristy koa izy .

ireo fanontaniana rehetra nomenareo ireo dia santionany tokoa amin'ny fanontaniana mipetraka isan'andsro.
Ahoana tokoa ary no ahafahantsika manatona an'Atra bebe kokoa ?
MIno azy fa nanao ny zavatra rehetra izy ,mino azy fa telo izay iray izy.
MIno azy fa noho ny fitiavany amonjena antsika dia nasehony antsika izany fitiavany izany tamin'ny alalan'ny zanany lahitokana .

Fody a> ataovy hoe nisy olona nanendaka teo amin'ny arabe ka maty ilay izy ... dia manontania hianao ny zavatra nitranga raha tsy mahita fanazavana maro ny olona fa ny votoantony dia hoe maty ilay olona nisy nanendaka. Toy izany koa ny tantara samy milaza ny itany sy fantany ary nitranga na nitranga tamin'ny hafa ireo mpanoratra ireo fa ny votoantin'ny resaka dia iray ihany: nicvavaka i kristy, tsy naharitra niaraka niari-tory taminy ireo mpianany... sns
izay no fahalalako azy .
na zavatra ita maso izao aza ka asiana samy milaza an'iny ny olona dia ho hafa no fomba ilazany azy ...HS kely fa azafady


27. Fody ( 13/01/2009 09:08)



Tsy nisy nahita, ary tsy nisy naheno ny zavatra rehetra nitranga nandritr'iny alina iny.

Ny zavatra fantatry ny rehetra dia izao ihany: nivoaka niaraka tamin'ny mpianany Jesoa, namonjy an'io toerana io. Ny telo mirahalahy tamin'izy ireo no nentiny niaraka taminy. Avy eo anefa ireo navelany tamin'ny toerana iray, fa lasa nitokana izy.

Tsy nisy naheno ny zavatra nolazainy satria tsy voateny ao amin'ny Evanjely fa niantsoantso mafy izy(toy ny nivetesany ny salamo teo amin'ny hazofijaliana), na niteny tamin'ny feo ren'ny manodidina.... Toy ny mahazatra azy dia vavaka samirery no nataony (ao anatin'ny fahanginana).

Manaraka an'izay dia vakio ity fanamarihana ity.

Zao aloha no tsara ho marihina :
Efa taty aoriana 70-110 vao nanorata ny filazantsara ireo olona ireo
Araka ny voalazan’ny mpandinika ny Soratra Masina hatrany ampiandohana: dia Ny filazantsaran’ny Marka no voasoratra voalohany, Avy @ Apostoly Petera ny Filazantsarany, te hampiseho maika ny fanjakanAtra avy@ JK, ary ny asa

Lioka kosa no nanaraka, ary raha nanoratra izy dia teo ambany masony ny filazantsaran’ny Marka, Tsy Apostoly Izy fa voalaza aza fa andevo ary Jentilisa, nefa manampahaizana , Dokotera izy ary tafaraka t@ Paoly, mpira-dalana @ Apostoly Paoly izy, namana tsy mifankafohy.

Matio kosa no taty aoriana kely, Apostoly izy ary izy no Levy mpamory hetra, natsoin’Jesosy teo ampamorianketra, Matio 10 : 3,na lioka 5 : 29, Jiosy Izy, ary te hampahafantatra @ Jiosy fa Izy no Mesia ary tsy tokony hiroaroa saina intsony, ity tokoa ilay nandrasana.

Jaona no farany, Tsy tia mitantara izay natrehan’ny tenany Izy, toy ny Fiovan’ tarehy tany antendrombohitra, …. Apostoly Izy, ny filazana lalina momba ny foto-javatra, niseho tao anatin’ny tantaran ny famonjena :toy ny hoe zanak’Atra Izy, zanak’olona, mofon’aina, ranon’aina, fahazavan izttliz, mpiandry tsara,… no tena tiany hampitaina.

Teny sy soratra avy amin’Atra tokoa ny Baiboly, nefa tonga tamintsika tamin’ny alalan’ny teny sy soratry ny olombelona. Ny Fanahy Masina ihany no tena manazava Azy ; Kanefa mba tsy hahadiso hevitra dia ilaina hianarana izay rehetra momba ireo mpanoratra : toerana nisy azy, vanimpotoana nahavelomany…. Voamarik’izany mantsy ny Tenin’Atra nosoratany.

Ampiko hoe: Tsy ireo voasoratra ireo no tena zavatra nitranga. Tsy ireo voasoratra ireo no tena nolazain'i Jesoa. Fa ny voasoratra kosa dia milaza amintsika ny marina fa nisy iny tranga iny, ary sahalahala amin'izao no fisehony.

Noho izany, mba ahafahana manakatra ny tena marina dia ilaina ny mahalala ilay mpanoratra, ny tontolo nisy azy, ny fomba fanoratany, ny olona hanoratany, sns... toy izay efa voamarika tery ambony.
Eto dia tiako ny manamarika fa diso 100°/° ny nolazain'i coopsal hoe: "mba hahazoana ny tenin'Andriamanitra dia il faut etre doma". Ny hoe "tso-po sy zaza" dia tsy midika velively hoe vendrana (na doma, na zero) http://baiboly.katolika.org/boky/Matio/11:25 http://baiboly.katolika.org/boky/Lioka/10:21 . Ny SAINA, FO, FANAHY dia samy hery natao ampiasaina hahalalana ny marina.

Am-pitiavana be.
28. coopsal ( 13/01/2009 11:04)
Ikaretsaka:
Ahoana aza ny vision 3 d eto izao? Mba afaka faritanao misimisy sy tsy mivoana ve?

==> Tena tsy azoko ny fanontanianao
29. ikaretsaka ( 13/01/2009 11:19)
Misaotra an'i fody @ fanampim-panazavana.. efa ela ihany aho ange no nilaza fa raha raisina par tsimpona be fahatany le resaka de mivoana fa aleo ara context ihany aloha raha ara tsoratra masina e.
Efa nohazavaiko tato ny hoe raha mitanisa ny galatianina ohatra dia tsara raha mba fatatra ihany ny zava nisy tany galatia t@ faha Md Paoly fa tsy betement be fotsiny ...
30. prime ( 13/01/2009 11:48)
Fody:
Noho izany, mba ahafahana manakatra ny tena marina dia ilaina ny mahalala ilay mpanoratra, ny tontolo nisy azy, ny fomba fanoratany, ny olona hanoratany, sns... toy izay efa voamarika tery ambony.
... Itoviako hevitra tanteraka...
Fody:
Ampiko hoe: Tsy ireo voasoratra ireo no tena zavatra nitranga. Tsy ireo voasoratra ireo no tena nolazain'i Jesoa. Fa ny voasoratra kosa dia milaza amintsika ny marina fa nisy iny tranga iny, ary sahalahala amin'izao no fisehony.
... Eto dia mbola mifandrohy amin'ny voalazanao izay itoviako hevitra tanteraka ny fomba famakiana sy fandinihana soratra masina...

Ny hoe "sahalahala an'izao" na hoe tsy ireo no tena zavatra nitranga na tsy ireo no tena notenenin'ny Tompo sns... handeha atao hoe ahiahy mety azonao apetraka izay fa tsy mbola fahamarinana aloha hatreto... izay aloha no voasoratra ka mila raisina ifotony ny tenin'Andriamanitra ka tena fantarina mihitsy ny hoe iza no "Logos", iza no "Rhema" mba tsy andraisana am-bolony araka ny hetaheta mafin'ikaretsaka... satria na hianao koa aza dia tsy manana porofo mazava hoe tsy izay mihitsy no tena nisy sy nolazain'i Jesosy marina... raha voaporofo mantsy izay lazainao izay dia diso ny voasoratra ary tokony ahitsy araka izay porofo manamarina azy izay...
31. ikaretsaka ( 13/01/2009 12:09)
Lasa rhema le
32. prime ( 13/01/2009 13:14)
ikaretsaka> :-D :-D
33. ikaretsaka ( 13/01/2009 13:23)
Hihihi
34. fahamarinana ( 13/01/2009 13:39)
:arrow: ary ilaozan'izy mirahalahy mitokiky ndray an.. :) (l)
35. bor2lais ( 13/01/2009 13:42)
fahamarinana:

:arrow: ary ilaozan\'izy mirahalahy mitokiky ndray an.. :) (l)


-> Ka faly kosa ange fa mba niombon-kevitra e ! :lol: :lol:
36. prime ( 13/01/2009 13:54)
37. Fody ( 14/01/2009 09:31)
prime:
satria na hianao koa aza dia tsy manana porofo mazava hoe tsy izay mihitsy no tena nisy sy nolazain'i Jesosy marina...

Ny porofo mazava fa tsy izay no tena nolazain'i Jesoa marina dia ireto:

1 - Ny olona nanoratra an'io tranga io dia tsy misy nanatri-maso ny zava-nitranga.

2 - Ny fotoana nanoratana azy dia efa taona maro taty aorinan'ilay tranga niseho.

3 - Ny teny nolazain'izy ireo fa nolazain'i Jesoa dia tsy mitovy.

4 - Ny tanjon'ny mpanoratra ny Evanjely dia tsy ny hitatitra ny tena zava-nisy, sy ny tena nolazain'i Kristy, fa ny hampita ny hafatra sy ny fampianaran'i Kristy amin'ny hafa kosa. Izany hoe tsy mba azo raisina ho toy ny tahirin-tsoratra ara-tantara ny Evanjely.

Ireo dia ampy entina ilazana aminao fa tsy ireo voalaza ireo no tena nolazain'i Kristy sy tena zavatra nitranga.

Am-pitiavana be.

38. prime ( 14/01/2009 10:44)
Tsy porofo ireo ry Fody fa fomba fijery... ny porofo dia tena mitondra mihitsy ilay "diso" dia manambara "ny marina" dia manao fanitsiana amin'izay avy eo... ny ambaranao ireo nefa tsy mampiseho hoe diso ny voasoratra fa mampivelatra fomba fijery ary tsy ahafahana manova izay voasoratra araka izay tena nisy marina...
1 - Ny olona nanoratra an'io tranga io dia tsy misy nanatri-maso ny zava-nitranga.
... ekena izany saingy tsy manaporofo izany fa diso ny nambarany...
2 - Ny fotoana nanoratana azy dia efa taona maro taty aorinan'ilay tranga niseho.
... tena marina izany ary izany aza no manaporofo ny herin'ny fijoroana vavolombelona nentin'ny mpanoratra ka tsy ilay "mot par mot" nambarany (raha ny eo) no mahazava ny tenin'Andriamanitra fa ilay zava-nisy mihitsy na dia efa taty aoriana be aza vao voasoratra...
3 - Ny teny nolazain'izy ireo fa nolazain'i Jesoa dia tsy mitovy.
... tena mitombina tanteraka satria izany ihany koa no herin'ny fomba fiasan'Andriamanitra dia ny fanajana ny nahaizy azy feno ilay mpanoratra ka nahafahan'izy ireo nanambara ny zavatra hitany araka ny fahitany azy ka idiran'ny fahaizany, ny fahalalany, ny fitaizana azony, ny fari-piainany, ny asa aman-draharahany, ny tontolo nisy azy feno namolavola azy hatramin'ny fahazazany amin'ny fomba nilazany ny zava-nisy... fa raha izaho sy hianao koa aza no hitantara tranga iray hiaraha-manatrika dia tsy voatery tsy maintsy hitovy "texto" fa samy manana ny fomba fijery azy nefa milaza zavatra marina iray ihany...
4 - Ny tanjon'ny mpanoratra ny Evanjely dia tsy ny hitatitra ny tena zava-nisy, sy ny tena nolazain'i Kristy, fa ny hampita ny hafatra sy ny fampianaran'i Kristy amin'ny hafa kosa. Izany hoe tsy mba azo raisina ho toy ny tahirin-tsoratra ara-tantara ny Evanjely.
Ity farany ity dia misy itoviako hevitra, misy tsy tena itoviako hevitra...

Izaho resy lahatra tokoa fa tsy azo raisina ho tahirin-tsoratra ara-tantara ny filazantsara...

Ny tsy itoviako hevitra feno dia ilay hoe ny tanjon'ny nanoratra ny filazantsara... ekeko ny hoe anisan'ny tanjona iray ny hampita ny hafatra sy ny fampianaran'i Kristy...
Saingy tsy izay hany fa tena niezaka ny hampita hatramin'ny antsipiriany ny tena zava-nisy ny mpanoratra tsirairay avy ho tena fijoroana vavolombelona marina...
Ary ny tena tanjon'ny mpanoratra ihany koa ohatra dia ny tsy iovaovan'ny tena zava-nisy marina ka tsy maintsy nihazonana an-tsoratra ny filazantsara satria ny teny sy ny lovan-tsofina mora miova fa ny soratra mitoetra (fantatsika fa ny tena naharesy lahatra ny mpanoratra handray an-tsoratra ny filazantsara dia ny fahamaroan'ny fampianarana nilaza ho avy amin'i Jesosy avokoa rehefa nihaantitra ny Apostoly, ary efa maty mihitsy aza ny ankamaroan'ny Apostoly, fa teo ihany koa ny tsy fahafahan'ny Apostoly nihetsika firy intsony noho ny antony maro ka nahatsara ny nitanana an-tsoratra ny filazantsara ndrao ho faty ireo ka tsy hisy vavolombelona tena afaka hijoro tamin'ny zava-nisy marina)...
Ary ny anisan'ny tanjona goavana ihany koa dia ny itoeran'ny soratra ho velona mba hitondra famonjena sy aina vaovao ho an'izay mamaky azy...
Ireo dia ampy entina ilazana aminao fa tsy ireo voalaza ireo no tena nolazain'i Kristy sy tena zavatra nitranga.
... Tsy manaporofo ireo ry Fody fa mampiseho fomba fijery hafa kokoa hoe aza raisina ara-bakiteny loatra ny soratra masina...

Fa raha tsy ireo no tena nolazain'i Kristy dia azo ambara tsotra hoe diso ny voasoratra... ary raha diso ny voasoratra dia inona ilay tena marina tokony hasolo azy??? raha tsy voaporofo izany dia io aloha no voasoratra ary io no marina... na dia samy nanana ny fomba nilazany azy aza ny mpanoratra...
39. Fody ( 14/01/2009 13:41)
prime:
Tsy manaporofo ireo ry Fody fa mampiseho fomba fijery hafa kokoa hoe aza raisina ara-bakiteny loatra ny soratra masina...

Satria nahoana no tsy raisina ara-bakiteny ?
Midika izany fa tsy tena izay no nolazainy, sy tena zava-nitranga.

Ny voasoratra dia tsy midika fa io tena voalazan'i Kristy sy zava-nisy marina, na dia tsy misy voasoratra hafa azo raisina aza. Izay tena nolazainy dia izy ihany no mahalala azy, ary tsy nanao tatitra na tamin'iza na tamin'iza izy. Donc, tsy afaka miteny aho hoe: izao no nolazainy, ary tsy afaka manambara koa ianao fa io no tena noteneniny.

Izay voasoratra dia toy ny tandindona ihany, fa tsy ilay tena izy akory. Marina fa ny tandindona dia tsy afa-misaraka amin'ilay tena izy (dia i Kristy), saingy raha mihonona fotsiny amin'ny tandindona ianao dia ho diso fihevitra sy ho diso fijery.

Am-pitiavana be.
40. rijadolly ( 14/01/2009 15:41)

-1)ka iza ary no nahita ny zava-niseho rehetra sy naheno ny vavaka nataon'i Jesoa?
Nisy ve io sa tsy nisy ?
-2) (ilay anjely)Raha nisy ahoana no tsy nolazain'i Matio sy Marka, nefa isany zava-dehibe izany?
Raha tsy nisy kosa, nandainga ve i Lioka?
-3)Ireo vavaka ireo dia samihafa nefa lazaina fa olona iray no nanao azy, amin'ny fotoana iray, sy amin'ny toerana iray....Ahoana ny fanazavana azonao omena???

Fody a! miandry ny valitenin'se za.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1149