Tao Getsemania.
41. ikaretsaka
(
14/01/2009 15:45)
Dia raha tena azokoo tsara izany ny tiana hahatongavana de hoe ireo voasoratra dia hanampy anao hanana idee hoe ohatran izao izany Atra izany .... fa tsy hoe ampy hamaritana Azy sy ny momba Azy
43. prime
(
15/01/2009 11:52)
Fody:... Raha tsy izay hoy aho no nolazainy sy nitranga dia ahoana sy inona? tsy azon'i Fody ve izany rohy izany?
Satria nahoana no tsy raisina ara-bakiteny ?
Midika izany fa tsy tena izay no nolazainy, sy tena zava-nitranga.
Fody:... Ka eo indrindra no tiana ambara aminao fa teoria tsotra be no resahantsika... rehefa misy voasoratra, tsy voatery baiboly ny resaka eto ka hitanao mampiahiahy ny fahamarinany dia manao fikarohana aloha hianao ny mahadiso ilay voasoratra... ary rehefa voaporofo izany fahadisoana izany dia ambara ampahibemaso dia ovaina ilay soratra fototra...
Ny voasoratra dia tsy midika fa io tena voalazan'i Kristy sy zava-nisy marina, na dia tsy misy voasoratra hafa azo raisina aza. Izay tena nolazainy dia izy ihany no mahalala azy, ary tsy nanao tatitra na tamin'iza na tamin'iza izy. Donc, tsy afaka miteny aho hoe: izao no nolazainy, ary tsy afaka manambara koa ianao fa io no tena noteneniny.
Hatreto nefa na hianao ihany aza dia milaza fa tsy afaka miteny hoe izao no nolazainy marina...
Famintinana ny voalazako : dia izay voasoratra farany aloha ary nisy porofo (ireo vavolombelona nahita sy ireo vavolombelona nanoratra) no marina... rehefa voaporofon'i Fody ny mahadiso ny nolazain'ireo dia ahitsy hoe diso hoy i Fody fa izao no tena izy miaraka amin'ny porofo marina...
Fody:... Itoviako hevitra ilay hoe tandindon'ny ho avy no voasoratra... saingy izay rehetra tsy voasoratra dia ny voasoratra ihany no ahafahana mamaritra azy... ary nefa ny tsy voasoratra no betsaka, dia tokana no andraisana ny tsy voasoratra, dia izay avy amin'ny Fanahy Masina, amin'ny anaran'i Jesosy... ary tsy fahadisoana velively ny mifantoka amin'izay kely voasoratra aloha noho izay tsy voasoratra efa idiran'ilay ratsy matetika ka manova ny tena Vaovao Mahafaly nentin'i Jesosy...
Izay voasoratra dia toy ny tandindona ihany, fa tsy ilay tena izy akory. Marina fa ny tandindona dia tsy afa-misaraka amin'ilay tena izy (dia i Kristy), saingy raha mihonona fotsiny amin'ny tandindona ianao dia ho diso fihevitra sy ho diso fijery.
Ny 2/3 'ny Epistily nosoratan'ny Apostoly Petera sy Paoly dia fampitandremana avokoa ny amin'ny karazana fampianaran-diso nampidirina tamin'ny fiangonana... ary misy antony ireny no sady fototra iorenan'ny voasoratra rahateo satria ny voasoratra na dia tandindona aza dia mirakitra izay niaingana... fa ny tsy voasoratra kosa, vetivety dia mora azon'ny fampianarana isankarazany ka mahatonga fitaka maro izay mbola mety iainan'ny fiangonana ankehitriny mihitsy aza...
44. ikaretsaka
(
15/01/2009 16:14)
De ze approuven I paoly sy piera sy ny dimbiny ihany izany raisina raha azoko tsara ilay filahat'ilay hevitra e :}
46. coopsal
(
16/01/2009 09:29)
Ikaretsaka:
Efa nohazavaiko tato ny hoe raha mitanisa ny galatianina ohatra dia tsara raha mba fatatra ihany ny zava nisy tany galatia t@ faha Md Paoly fa tsy betement be fotsiny ...
==> Mety hilaina aloha ireny e!
Ny Md Paoly dia favo sy nafàna fo tamin\'ny baiboly, tsy izany anefa no nahatonga azy hino fa au contraire aza izy nanenjika.
Ny nahatonga azy nino dia nifanena tamin\'i KRISTY izy, izay tsy hitany akory fa ny hazavana be no hitany ary dia nanontaniany hoe iza io! Namaly ny fanontaniany KRISTY ka dia nino izy ary tonga apostoly.
I Paoly nahay baiboly be, nila natao jamba aloha vao nila famonjena ary tonga nahay an\'i KRISTY sy ny famonjena. Izany no nitenenany hoe \"izay noheveriko ho tombony dia fatiantoka mba hahafantarako an\'i KRISTY, un précieux trésor\"
Moa ve raha teo amin\'ny toeran\'ny Galatiana ianareo ho nahazo ny tenin\'i Paoly?
Misy miteny Malagasy amin\'ny contexte malagasy ny taonjato faha 20 ~ 21 eto kanefa misy tsy mahazo ny teny.
Fody:
Ireo dia ampy entina ilazana aminao fa tsy ireo voalaza ireo no tena nolazain\'i Kristy sy tena zavatra nitranga.
Am-pitiavana be.
==> Tsy fantatro hoe fitiavana inona no lazainao fa be eto. Fa raha tsy nandre an\'i KRISTY niteny aho fa mbola nionona tamin\'ny baiboly, dia ho nitombo ny tsy finoana tato anatiko. Izany hoe tsy voavonjy aho.
Ny fahasoavan\' Andriamanitra no nanaovaNY izay hitadiavako an\'i KRISTY, ary dia hitako IZY. Ary IZY no henoiko, fa raha misy tsy mihaino Azy dia handatsa azy any aoriana izany.
47. Fody
(
16/01/2009 11:39)
prime:
Ny 2/3 'ny Epistily nosoratan'ny Apostoly Petera sy Paoly dia fampitandremana avokoa ny amin'ny karazana fampianaran-diso nampidirina tamin'ny fiangonana... ary misy antony ireny no sady fototra iorenan'ny voasoratra rahateo satria ny voasoratra na dia tandindona aza dia mirakitra izay niaingana... fa ny tsy voasoratra kosa, vetivety dia mora azon'ny fampianarana isankarazany ka mahatonga fitaka maro izay mbola mety iainan'ny fiangonana ankehitriny mihitsy aza...
Aza adino fa tsy ny Baiboly ihany no voasoratra fa maro: Ny Evanjelin'i Md Thomas, sns....
Aza adino fa mbola maro amin'izay voasoratra koa no feno fampianaran-diso (tsy milaza ny Baiboly aho eto sao misy mandray vilana).
Aza adino koa fa maro ny fampianaran-diso noho ny fandraisana an-jambany izay voasoratra ny ao anaty ny Baiboly. Raha tsy hilaza afatsy ireo olona manimba sy manao tsinotsinona ny vatany aho, satria heveriny fa io no fototry ny fahotana rehetra noho ny filazan'i Paoly fa mifanohitra ny fanahy sy ny Nofo.
Ny tiako hatongavana dia izao:
- NY BAIBOLY DIA TSY MISY DIKANY SY TSY MAHASOA NY FANAHY RAHA OHATRA KA RAISINA AMIN'NY MAHA BOKY AZY FOTSINY (hanohanan-kevitra tiana lazaina, entina handresena lahatra,...)
- NY BAIBOLY DIA TSY MISY DIKANY SY TSY MAHASOA RAHA OHATRA KA SARAHINA AMIN'ANDRIAMANITRA.
Ho valin'ny fanntaniana napetrakareo dia izao: Izaho tsy nahita, ianao tsy nahita, ary ilay nanoratra koa tsy nahita, no sady tsy naheno... Noho izany, izay nosoratany dia tsy izay tena nisy sy tsy izay tena voalazan'i Jesoa.
Tsy mandainga anefa izy satria mirakitra ny fahamarinana ny teny voasorany. Izay mandray an'io teny io miaraka amin'ilay Tompony ihany anefa no tena afaka hahalala ny tena marina. Izay no nilazako hoe: Tandindona izy, ka tsy afaka misaraka amin'ilay tena Izy (Kristy), na amin'ny fandraisana azy izany, na amin'ny fampitana azy.
Am-pitiavana be.
48. ikaretsaka
(
17/01/2009 03:07)
Izany no ilazako foana hoe manome idee anao ny momban'atra ny soratra fa tsy mamaritra an atra
49. fahamarinana
(
17/01/2009 07:46)
:arrow: misy iraisako hvtr ihany koa ny voalazan'ny fody,indrindra ity :
fody:,tsy hoe tsy misy dikany angamba no tsara lazaina fa ndao atao hoe tahaka ny boky fampianarana sy fampieritreretana rehetra ihany koa satria misy na tsy tena Mino aza dia maka hvtr ao ihany koa (mahafantatra aho fa tsy mamorona akory eto..) fa ity ,mbola lazain'ny fody ity no mahafehy ny rehetra ihany koa :
- NY BAIBOLY DIA TSY MISY DIKANY SY TSY MAHASOA NY FANAHY RAHA OHATRA KA RAISINA AMIN'NY MAHA BOKY AZY FOTSINY (hanohanan-kevitra tiana lazaina, entina handresena lahatra,...)
- NY BAIBOLY DIA TSY MISY DIKANY SY TSY MAHASOA RAHA OHATRA KA SARAHINA AMIN'ANDRIAMANITRA.
fody:,amiko ihany koa aloha an!! :) (l)
tsy afaka misaraka amin'ilay tena Izy (Kristy), na amin'ny fandraisana azy izany, na amin'ny fampitana azy
50. ikaretsaka
(
17/01/2009 16:04)
Ka ny an'ny sasany anefa manao hoe io ny absolue,,,tsy io no absolu fa Atra
51. rijadolly
(
18/01/2009 13:28)
Manaiky sy mitovy hevitraan\'Fody koa za eo amin\'ilay namafisin\'Fahamarinana io ambony kely io. itovizako hevitra :-*
Averiko any amin\'ilay hevitro izay valin\'ireo fanontanian\'se ireo ny resako, aizany hanamporofoin\'se fa diso ny iray amin\'ireo? fa izaho kosa dia milaza hoe marina ireo satria voasoratra no sady tsy ol iray no nanoratra azy.
Fody:
-1)ka iza ary no nahita ny zava-niseho rehetra sy naheno ny vavaka nataon\'i Jesoa?
Nisy ve io sa tsy nisy ?
-2) (ilay anjely)Raha nisy ahoana no tsy nolazain\'i Matio sy Marka, nefa isany zava-dehibe izany?
Raha tsy nisy kosa, nandainga ve i Lioka?
-3)Ireo vavaka ireo dia samihafa nefa lazaina fa olona iray no nanao azy, amin\'ny fotoana iray, sy amin\'ny toerana iray....Ahoana ny fanazavana azonao omena
za hoe:Ary mbola ampiko heo tsy heverina ve fa nitantara ny apostoly namany izy telolahy nanatrika izany,indrindra ny fanontaniana nahazo azireo vao niverina tany:-Inona ny nataonareo tany?
Voalohany aloha dia fanamafisana ireo voalazan\'namana ao ambany ao ny ahy.
faharoa tsy nisy diso fa marina daholo ny an\'izy telolahy nanoratra.
stria:
- tsy voalaza fa vao tonga na vao nivavaka mihitsy Jesoa dia efa natory ny mpianatra,fa niverina nijery azireo Jesoa zay vao voalaza fa natory izireo.Nisy ny fotoana nahitan\'izireo an\'Jesoa nivavaka.
- tsy voatery hiara-mandry izy telolahy fa tsy maintsy resitory tsirairay amin\'fotoana tsy mitovy.
- tsy mbola tapaka corde vocal sanatria ny Tompotsika ka tsy afaka intsony hivavaka amin\'feo mahery fanaony ka izay torambato iray ny tsy ahenoina ny feony.
Eo amin\'ilay vavaka nataon\'jesoa ndray dia tsy azo atao heo mifanohitra ny voasoratra satria ny hevi-dehiben\'ilay vavaka dia tsy nisy nivoana na tsy ampy.
Misaotra betsaka
Fody:Tsy mahavaly ny fanontaniana izay napetrak\'se ireo valiny ireo a mbola fanontaniana ihany satria na Prime koa aza dia nahatsikaritra fa tsy nisy valiny nahavaly azy
Aza adino fa tsy ny Baiboly ihany no voasoratra fa maro: Ny Evanjelin\'i Md Thomas, sns....
Aza adino fa mbola maro amin\'izay voasoratra koa no feno fampianaran-diso (tsy milaza ny Baiboly aho eto sao misy mandray vilana).
Aza adino koa fa maro ny fampianaran-diso noho ny fandraisana an-jambany izay voasoratra ny ao anaty ny Baiboly. Raha tsy hilaza afatsy ireo olona manimba sy manao tsinotsinona ny vatany aho, satria heveriny fa io no fototry ny fahotana rehetra noho ny filazan\'i Paoly fa mifanohitra ny fanahy sy ny Nofo.
Prime:
.... Raha tsy izay hoy aho no nolazainy sy nitranga dia ahoana sy inona? tsy azon\'i Fody ve izany rohy izany?
... Ka eo indrindra no tiana ambara aminao fa teoria tsotra be no resahantsika... rehefa misy voasoratra, tsy voatery baiboly ny resaka eto ka hitanao mampiahiahy ny fahamarinany dia manao fikarohana aloha hianao ny mahadiso ilay voasoratra... ary rehefa voaporofo izany fahadisoana izany dia ambara ampahibemaso dia ovaina ilay soratra fototra...
Hatreto nefa na hianao ihany aza dia milaza fa tsy afaka miteny hoe izao no nolazainy marina...
Famintinana ny voalazako : dia izay voasoratra farany aloha ary nisy porofo (ireo vavolombelona nahita sy ireo vavolombelona nanoratra) no marina... rehefa voaporofon\'i Fody ny mahadiso ny nolazain\'ireo dia ahitsy hoe diso hoy i Fody fa izao no tena izy miaraka amin\'ny porofo marina...
Averiko any amin\'ilay hevitro izay valin\'ireo fanontanian\'se ireo ny resako, aizany hanamporofoin\'se fa diso ny iray amin\'ireo? fa izaho kosa dia milaza hoe marina ireo satria voasoratra no sady tsy ol iray no nanoratra azy.
52. ikaretsaka
(
18/01/2009 15:37)
Raha olona 4 ve no nanoratra tatitra henony avy any @ olona 3 somary rendremana t@ le Fotoana nitrangan ilay zavatra dia azo antoka ve ny famarinan'ilay zavatra?
Andramo sy zahao @ fiainana andavanandro fotsiny ohatra.... ny vaovao tanterina mpanao gazety mpomba ny israelianina ao gaza (any frantsa fa taterin olona any antortana ny. Loharanom vaovaony)
Si palestinianina. Mpanao gazety any alzeria henony t@ telephone t@ fianakaviany tany dia samy hafa ny hilazany azy.... na zava vo nitranga halina aza
Andramo sy zahao @ fiainana andavanandro fotsiny ohatra.... ny vaovao tanterina mpanao gazety mpomba ny israelianina ao gaza (any frantsa fa taterin olona any antortana ny. Loharanom vaovaony)
Si palestinianina. Mpanao gazety any alzeria henony t@ telephone t@ fianakaviany tany dia samy hafa ny hilazany azy.... na zava vo nitranga halina aza
53. Fody
(
18/01/2009 22:35)
rijadolly:
Tsy mahavaly ny fanontaniana izay napetrak'se ireo valiny ireo a mbola fanontaniana ihany satria na Prime koa aza dia nahatsikaritra fa tsy nisy valiny nahavaly azy
Satria tsy izay valin'ny fanontaniana nomeko no noraisinao fa ny fanamarihana nataoko.
prime:
.... Raha tsy izay hoy aho no nolazainy sy nitranga dia ahoana sy inona? tsy azon'i Fody ve izany rohy izany?
Raha milaza aho fa tsy TENA IZAY NY ZAVATRA NITRANGA, TSY TENA IZAY NOLAZAINY. Dia tsy midika fa lainga daholo ireo voasoratra ireo.
Averiko indray fa tsy ireo no tena zava-nitranga sy tena nolazain'i Jesoa, SATRIA tsy nisy nahita ary tsy nisy naheno ny tena zava-nisy.
Nolazaiko kosa fa na dia tsy ireo aza ny TENA ZAVA-NISY SY TENA NOLAZAINY dia mirakitra fahamarinana ireo.
Mirakitra FAHAMARINANA ireo satria avy amin'ny FAHALALAN'NY mpianatra an'i Jesoa, sy ny fahalalany ny Soratra Masina, nampian'ny Fanilovan'ny Fanahy Masina no nanoratany azy.
Izany hoe: Tsy namerina izay TENA voalazan'i Jesoa ireo mpanoratra fa nandrafitra fehezan-teny hafa, hahalalantsika ny marina.
Tsy mitantara izay tena zava-nitranga marina koa izy, fa izay nosoratany kosa dia manampy antsika hahatsapa anaty ny zava-nisy (ary mbola mitohy).
Am-pitiavana be
54. Fody
(
19/01/2009 11:19)
rijadolly:
Averiko any amin'ilay hevitro izay valin'ireo fanontanian'se ireo ny resako, aizany hanamporofoin'se fa diso ny iray amin'ireo? fa izaho kosa dia milaza hoe marina ireo satria voasoratra no sady tsy ol iray no nanoratra azy.
Tsy ampy entina hanamarinana zavatra iray ny mahavoasoratra azy.
Ohatra fotsiny ny filazana fa nisy nangalatra ny fatin'i Jesoa dia tena voasoratra tokoa, ary tahirin-tsoratra maro no misy an'izany. Ohatra iray amin'izany ny an'ilay mpahay tantara atao hoe: Joseph Flavio (niaina tamin'ny andron'ny apostoly). Betsaka ny porofo azo raisina sy mitombona amin'izay nolazainy. Kanefa marina ve izany sa diso ?
Nataoko io fanamarihana io entiko ilazana aminao fa tsy ny voasoratra no TENA MARINA fa izay bitsihan'Andriamanitra aminao. Ny voasoratra dia manampy anao amin'ny fitadiavana ny tena marina satria misy fahamarinana ao anatiny.
55. prime
(
19/01/2009 14:12)
Fody:... Aiza ary i Fody izany??? ka rehefa tsy lainga ny voasoratra dia aza asiana adihevitra akory ary na tena zava-nitranga na tena zava-nisy na tsia... :lol: tsy hitako ny olana...
Raha milaza aho fa tsy TENA IZAY NY ZAVATRA NITRANGA, TSY TENA IZAY NOLAZAINY. Dia tsy midika fa lainga daholo ireo voasoratra ireo.
Fody:... ireo aloha no nambaran\'ny vavolombelona... ary izay voambaran\'ny vavolombelona, na tsy mitovy \"texto\" aza dia tsy mitondra porofo velively ny mifanohitra aminy...
Averiko indray fa tsy ireo no tena zava-nitranga sy tena nolazain\'i Jesoa, SATRIA tsy nisy nahita ary tsy nisy naheno ny tena zava-nisy.
Fody:... :)
Nolazaiko kosa fa na dia tsy ireo aza ny TENA ZAVA-NISY SY TENA NOLAZAINY dia mirakitra fahamarinana ireo.
Mirakitra FAHAMARINANA ireo satria avy amin\'ny FAHALALAN\'NY mpianatra an\'i Jesoa, sy ny fahalalany ny Soratra Masina, nampian\'ny Fanilovan\'ny Fanahy Masina no nanoratany azy.
Fody:... Tsy hoe nandrafitra fehezanteny hafa hahalalana ny marina fa nitatitra izay hitany, sy tsapany ary nambara taminy ihany koa... dia eo no azo apetraka angaha ny mety fanamarihana hoe \"tsy tena izany marina ny zava-nisy, na tsy tena izany marina ny zava-nitranga\"... fa tsy mamerina velively na mandiso izay voasoratra izany fa azo raisina hoe erireritra mandalo...
Izany hoe: Tsy namerina izay TENA voalazan\'i Jesoa ireo mpanoratra fa nandrafitra fehezan-teny hafa, hahalalantsika ny marina.
Fody:... :lol: :)
Tsy mitantara izay tena zava-nitranga marina koa izy, fa izay nosoratany kosa dia manampy antsika hahatsapa anaty ny zava-nisy (ary mbola mitohy).
56. ikaretsaka
(
19/01/2009 14:47)
Ary tapatapahin draprime le izy de kritikeny nefa rehefa avy eo le tian'i fody haharongavana ihany no tiany hahatongavana an
57. prime
(
19/01/2009 15:10)
ikaretsaka> Tapatapahina satria misy itoviako hevitra bdb... fa misy zavatra apetraka ihany satria tsy boky ordinera ny baiboly ka azo tsikeraina ho misy tsy tena izy... :)
58. ikaretsaka
(
19/01/2009 16:10)
Tsy ny baiboly no tsikeraina fa ny fomba fi interpreten' ilay nanaovana remark azy
59. rijadolly
(
19/01/2009 16:39)
Fody a! ra oh ka hoe ny fanazavan'Fanahy Masina sy ny bitsik'Andriamanitra sy Jesoa Kristy ny zava-dehibe,izany hoe manandanja kokoa noho ilay voasoratra dia manaiky aho ra izay ny tena tian'se hamafisina sy hazavaina; fa tsy ilay mamaly ny fanontanian'se tery ambony ireo.
Na izany aza Nefa ilaina ny voasoratr mba ahafantaran'se marina fa tsy fanahy mamitaka no mibitsika an'se.
Na izany aza Nefa ilaina ny voasoratr mba ahafantaran'se marina fa tsy fanahy mamitaka no mibitsika an'se.
