Fanagasiana: Inona tsara hoe?

1. hery ( 26/08/2008 07:19)
Nalefan'ny mpikambana iray ao amin'ny Akademia Malagasy sady mpikambana eto @ serasera rahateo tao amin'ny Lisitra Serasera http://fr.groups.yahoo.com/group/serasera/message/30205 ny tena tanjona sy dikan'ilay fanagasiana (tiana) hatao momba ny fampianarana. Araka ny efa re moa dia notsipahin'ny Eveka Katolika ilay izy.

Nolazain'i Solonavalona amin'io http://fr.groups.yahoo.com/group/serasera/message/30205 io ny olana sy ny vahaolana narosony.

Tsy ratsy ilay drafitra fa ny olana goavana hitako dia tsy misy resaka momba ny olana amin'ny fifandraisana amin'ny teny vahiny ilay izy.

Nolazain'i Solonavalona hoe 90% mahery no tsy mahay teny frantsay... ka tsara raha atao teny gasy daholo ny fampianarana. Izany hoe avela tsy hila sy tsy hahay teny frantsay intsony mandrakizay ireo 90% mahery ireo. Dia rehefa misy zavatra amin'ny teny frantsay dia ilay 10% latsaka ihany no tokony hahazo azy.

Dia ahoana ny momba ny fifandraisana amin'ny ivelany amin'izany? Ireo 10% ireo ihany izany no afaka hahazo ara-potoana ny resaka haitao sns izay mbola amin'ny teny vahiny aloha voalohany indrindra... izay vao ho teny gasy raha hisy hahavita handika teny? Izany ve tsy miverina amin'ny ilay fanagasiana t@ 1972? Hoe ny zanaky ny mahantra ihany no nohagasiana fa ry zalahy lehibe afaka nanitatra fahaizana be be kokoa?

Dia asa aloha...
novalian'i arialy ny 15/10/2008 11:34
2. sff ( 26/08/2008 08:31)
Ilay izy ange ry hery araka ny nolazain'ny minisitra hoe: enti-mampianatra fa tsy hoe tsy ianarana ny teny vahiny eh.

Nandritra ny fotoana nipetrahako tany ambanivohitra tamin'ny 2004 dia nahita ireo ankizy mpianatra amin'ny fanabeazana fototra aho.
Satria mantsy tamin'ny teny frantsay ny fampianarana dia nasaina nianatra ny ankizy hoe: "brosser les dents apres chaque repas". Rehefa nadinina ny ankizy dia hainy ilay izy. Fa taiza akory izy no niborosy nify teo. Tena lasa tsianjery hanalana fanadinana fotsiny sisa ilay fampianarana.

Fanampin'izay, 90% no tsy mahay ny teny Frantsay hoy ianao ka tokony ampianarina amin'ny teny Frantsay izy mba ahafehezany izany teny Frantsay izany.

Valiny: ary firy isan-jatony no tsy mahay teny Anglisy sy teny Japone sns... Raha tohizana ilay hevitrao dia tsy mitombona ihany.

Farany, ny teny dia teny ihany, mahazo ianarana io aty aoriana. Iza no nahalala fa lasa hahay teny Anglisy be noho i piso aho aty aoriana.
Ilay zavatra ianarana no fototra. Hiova ve ohatra ny tendrombohitra avo indrindra eto an-tany raha atao teny gasy ny fampianarana???

Aza atao toa ny valalan'amboa ka ny tompony aza tsy tia.
3. hery ( 26/08/2008 08:42)
hoy aho:

Azo ary tokony homen-danja tokoa ny teny malagasy saingy tokony ho
voafehy miaraka amin'izay ihany koa ny teny vahiny. Ny hita dia ny
Malagasy efa mahafehy teny vahiny dia afaka mianatra teny malagasy...
fa izay mionona amin'ny teny malagasy dia sarotra ny hianatra teny vahiny.

4. xxx ( 26/08/2008 09:08)
sff:

Ilay izy ange ry hery araka ny nolazain'ny minisitra hoe: enti-mampianatra fa tsy hoe tsy ianarana ny teny vahiny eh.

Nandritra ny fotoana nipetrahako tany ambanivohitra tamin'ny 2004 dia nahita ireo ankizy mpianatra amin'ny fanabeazana fototra aho.
Satria mantsy tamin'ny teny frantsay ny fampianarana dia nasaina nianatra ny ankizy hoe: "brosser les dents apres chaque repas". Rehefa nadinina ny ankizy dia hainy ilay izy. Fa taiza akory izy no niborosy nify teo. Tena lasa tsianjery hanalana fanadinana fotsiny sisa ilay fampianarana.



Sady ampenarina teny frantsay no omena borosy nify sy dentifrisy
raha tsy mahay koa vao maika tsy hisy ny borosy nify sy dentifrice. Fivelaran'ny saina daholo ireo. Ka raha sady tsy mahita na mahay izany hoe borosy nify sy dentifrisy no sady tsy ahay teny vahiny vao maika loza be!!!! mikorosofahana
ny teny vahiny tohizana fa any @ fananana borosy nify etc.....no asina ezaka


:lol:
5. ravatorano ( 26/08/2008 09:19)
ny ahy indray dia eo amin 'ilay fitaovana entina hampianarana ny fampiasana ny teny malagasy mihitsy no hitako fa mbola tsy tomombana tsara.
Izao mantsy aza adino fa tsy maintsy mila boky izany, mila mpampianatra mahafehy tsara ny teny indrindra fany ara tekinika fa tsy hoe sady mampianatra ny mpampianatra no mianatra :wink:
ho sarotra ny miandry ny mpampianatra izay hampihatra avy hatrany ny fanagasiana satria betska ano mbola tsy nihomana akoriny ny amin'izany ary eo indrindra no hilana ny boky ho entina hanampiana ireo mpampianatra ireo.Nefa amin'izao raha araky ny fahitako azy aloha dia toa tsy mbola mahita boky aho mikasika izany.
Ny voambolana ara tekinika mantsy izao no mety hanahirana indrindra fa ny asa marika saria hiverina amin'ny "ampahany" ny "miiba sy miabo" indray isika.
Za aza mbola mahatadidy an izany satria nampianatra ny marika sy fizika tamin'ny ceg fahiny tamin ny andron'ny fanompoam-pirenena ivelan'ny tafika ka nitondrana ny galona sergent mpamnampy :-D :-D :-D :-D
Dia asa re fa ho hita eo izany ny tena fandehany an !
Za aloha raha azoko atao dia aleo ilay boaikeliko hijanona ao amin'ny sekolindry Masera sy Frera ihany kah sao d ho very anjavoana eo ny efa hainy taloha ! :wink:
6. Mandefitra ( 26/08/2008 09:38)
Sady @ zao fandrosoan'ny teknolojia zao koa ange, ny zaza efa manomboka mampiasa internet ohatra.
Tsisy teny gasy ao, na misy aza peta-toko, raha hanovozam-pahalalana.
Ka mandroso mihemotra isika raha hoe hatao teny gasy aby ny ampianarana ny taranja rehetra.
Mora kokoa ny mampianatra teny gasy manokana, ampiakarina ambony ny coefficient raha ilaina, mba hampazoto ny zaza gasy hianatra azy.
Ka na ho vaodika @ teny gasy aza ny teny siantifika rehetra :
serie entiere = rohitra tontolo
principe de zeros isolés = enti-miaingan ny zero manirery
ampoules = takamoa
tsy lasa lavitra @ ilay taranja isika

Farany. ny zanaka tantsaha anie tsy mahavita primaire akory dia mijanona. Tsy hanana fahefa mividy hianatra teny vahiny akory izy, nefa rehefa hikarakara taratasy isan-karazany any @ fanjakana toa mbola teny vahiny ihany no ampiasaina. Ka dia vao maika hihabado hatrany ny tantsaha, nefa zay no sakana voalohany indrindra @ fampandrosoana ny firenena.
7. hery ( 26/08/2008 09:39)
ravatorano> Raha tsy resaka ambony latabatra fotsiny ilay nolazain'i Solonavalona http://fr.groups.yahoo.com/group/serasera/message/30205 dia voavaha iny olana iny kah.

sff> "brosser les dents apres chaque repas"
- Natoro azy ve hoe inona ny dikan'io amin'ny teny gasy?
- Nomena borosy nify ve izy?
- Nomena repas ve izy? :-)

Satria na atao amin'ny teny gasy aza hoe "Miborosy nify aorian'ny sakafo" dia mbola tsy hiborosy nify ihany izy raha tsy milamina ireo.
8. Tokinao ( 26/08/2008 10:17)
hery:

Tsy ratsy ilay drafitra fa ny olana goavana hitako dia tsy misy resaka momba ny olana amin'ny fifandraisana amin'ny teny vahiny ilay izy.

'Zah mieritreritra fa mety misy koa (ary raha tsisy dia tokony hisy) ny pôlitika momba ny teny vahiny. Fa noho ny maha-mpiandraikitra momba ny teny mMalagaszy dia io no noresahiny. Tsy anjarany ny momba an'io raha ny fieritreretako azy.
hery:

Nolazain'i Solonavalona hoe 90% mahery no tsy mahay teny frantsay... ka tsara raha atao teny gasy daholo ny fampianarana.

Zah dia manaiky an'io tanteraka. Izao anefa : tokony amafisina koa ny fampianarana teny vahiny : atao misy fampiharana bebe kokoa, tokony ampiroboroboina ny fampianarana teny anglisy, ampitomboina ny oran'ny taranja "teny vahiny", sns.

sa ahoana hoy nareo ? :)


9. sff ( 28/08/2008 03:38)
Mora kokoa amin'ny ankizy ny mahazo zavatra iray nazavaina azy tamin'ny teny hainy.

hery:
Ny hita dia ny
Malagasy efa mahafehy teny vahiny dia afaka mianatra teny malagasy...
fa izay mionona amin'ny teny malagasy dia sarotra ny hianatra teny vahiny.


Tsy ny mifanohitra amin'izay aza ve no hita. Ny malagasy nobeazina tamin'ny teny vahiny dia miavakavaka miteny vahiny eny rehetra eny. Ireny ihany no manely avy eo hoe tsy ilaina izay teny gasy izany mba ahafahany manjaka.

Ny ahy ny hevitro dia ilaina asongadina tsara fa manana ny maha-izy azy.
10. endrika01 ( 28/08/2008 08:23)
hery:
Nalefan\'ny mpikambana iray ao amin\'ny Akademia Malagasy sady mpikambana eto @ serasera rahateo tao amin\'ny Lisitra Serasera http://fr.groups.yahoo.com/group/serasera/message/30205 ny tena tanjona sy dikan\'ilay fanagasiana (tiana) hatao momba ny fampianarana. Araka ny efa re moa dia notsipahin\'ny Eveka Katolika ilay izy. Nolazain\'i Solonavalona amin\'io http://fr.groups.yahoo.com/group/serasera/message/30205 io ny olana sy ny vahaolana narosony. Tsy ratsy ilay drafitra fa ny olana goavana hitako dia tsy misy resaka momba ny olana amin\'ny fifandraisana amin\'ny teny vahiny ilay izy. Nolazain\'i Solonavalona hoe 90% mahery no tsy mahay teny frantsay... ka tsara raha atao teny gasy daholo ny fampianarana. Izany hoe avela tsy hila sy tsy hahay teny frantsay intsony mandrakizay ireo 90% mahery ireo. Dia rehefa misy zavatra amin\'ny teny frantsay dia ilay 10% latsaka ihany no tokony hahazo azy. Dia ahoana ny momba ny fifandraisana amin\'ny ivelany amin\'izany? Ireo 10% ireo ihany izany no afaka hahazo ara-potoana ny resaka haitao sns izay mbola amin\'ny teny vahiny aloha voalohany indrindra... izay vao ho teny gasy raha hisy hahavita handika teny? Izany ve tsy miverina amin\'ny ilay fanagasiana t@ 1972? Hoe ny zanaky ny mahantra ihany no nohagasiana fa ry zalahy lehibe afaka nanitatra fahaizana be be kokoa? Dia asa aloha...
Miombon-kevitra @Hery.Mahagaga fa ny malagasy ihany no mandeha surplace,eo de eo,fa tsy lasa lavitra.Ny aty aminay zao Arabo ny tenin-drazany ,nefa dia ifandrombahany ny mitady sekoly mampianatra teny frantsay,Anglais,Italiana,Espagnole sns... Fa kosa tsy anariany ny azy velively,ifandrombahana ny ahazoana Bac frantsay,sy ny idirana @ Université Americaine,ny Arabo dia mipetraka ho tenim-pireneny ary tafiditra @taranja toy ny Malagasy.Ny fahalalana anie mandroso fa tsy mihemotra e!Ka maninona koa raha atao fiteny iraisam-pirenena nyTENY GASY.Ny Sinoa zao mahay teny gasy,ny Karana mahay,ny Indienne,reo vahiny tonga any amintsika reo,nefa ny gasy angaha mahalala akory na voaopa aza!:-P
11. tywa68 ( 28/08/2008 11:58)
ho be ny sahirana raha hagasiana daholo zany an ! :lol:
Jereo fotsiny hoe maninona ny firenena mandroso mampiasa ny teny vahiny vazaha sy anglisy, zany akory tsy midika hoe mandà tsy mampiasa ny langue maternelle, fa manitatra kosa ny fomba fisaina sns... Maninona no olona manana diploma vahiny no raisina noho ny mpianatra mahay be ao dago, toa izay nanovo fianarana taty ivelany no mora mahita asa... :-P :-P
12. fahamarinana ( 28/08/2008 12:15)
mandefitra:
Ka na ho vaodika @ teny gasy aza ny teny siantifika rehetra :
serie entiere = rohitra tontolo
principe de zeros isolés = enti-miaingan ny zero manirery
ampoules = takamoa

:arrow: isan'ny nandalovanay izany,tany tana natao teny vazaha ny math sy phy,nony nifindra tany toamasina lasa teny gasy be :vainga sns...fa voatery nanao cours fa sady ny tena efa oatra amin'ilay taranja no mbola nivadika koa ilay teny... :( (l)
13. fahamarinana ( 28/08/2008 12:18)
hery:

hoy aho:

Azo ary tokony homen-danja tokoa ny teny malagasy saingy tokony ho
voafehy miaraka amin'izay ihany koa ny teny vahiny. Ny hita dia ny
Malagasy efa mahafehy teny vahiny dia afaka mianatra teny malagasy...
fa izay mionona amin'ny teny malagasy dia sarotra ny hianatra teny vahiny.

:arrow: iombonako hevitra ihany koa (l)
14. nathie86 ( 29/08/2008 13:15)
Ny tena mahazendana ary d hoe ny sasany tsy hanao ony eh, d ko oe ny any ambanivohitra hono no tena tsinjovina eh, tsy mazavazava. inona no tanjona.
Sao d hanimba ary
15. bazylou ( 29/08/2008 22:51)
ka ianareo aza tsy tia ny anareo ka inona no hampandroso an'izany??????? :roll:
16. endrika01 ( 30/08/2008 05:35)
Nenah alou zao ny neuve-ko,tsy nanaiky raha tsy ampidirina ecole libre.De tonga de miteny vahiny,tsy midika izay fa ho very ny tenindrazany.Mba tsy hanao hoatrany zokiolona voazanaka taloha kah tsy mahay afa-tsy we Oui messieurs,Oui madames nefa tsy fantatra zay lazainy,hi hi hi.Nisy Koreane zay tato aminay,hay lay teny lazainy vao2 mahafaly,ka tsy fantatro lay lazainy de zah nimonjomonjo be:-P de refa lasa izy,de ozizy lay namany we,...Teo vô zendana sy nitanaka:wink::roll::-P
17. fahamarinana ( 30/08/2008 08:39)
endrika:
.Mba tsy hanao hoatrany zokiolona voazanaka taloha kah tsy mahay afa-tsy we Oui messieurs,Oui madames nefa tsy fantatra zay lazainy,hi hi hi.

:arrow: mba mijereva reportage fa ireny zokiolona lazainao ireny no tena mahay mi s'exprimer amin'ny teny frantsay indrindra ary mahatafita ny tiany lazaina ihany koa...tsy ohatran'ny taty aoriana hoe--euh....tu vois..t'as compris...dia ireo no averina imbetsaka :-P
endrika:
Nisy Koreane zay tato aminay,hay lay teny lazainy vao2 mahafaly,ka tsy fantatro lay lazainy de zah nimonjomonjo be
:arrow: ka raha koreana tsy mahay teny koreana ka tokony ampitanaka fa ianao ange gasy sa koreana koa ve ,:roll: (l)
18. naughtyboy ( 30/08/2008 10:19)
ozy bazylou
" ka ianareo aza tsy tia ny anareo ka inona no hampandroso an'izany??????? "

bazylou a,saode tsy resaka tia sy tsy tia no resaka eto ary io teninla farany io no izy " hampandroso "...
isika rehetra eto de mampiasa io teny io ifandraisana etona de mifangaro aza :arrow: tenintsika fa tsy oe anareo fotsiny :°) ..
ireto no teny fanalahidy efa voalazany hery satria erahamahalala fa eo no olana:

" Azo ary tokony homen-danja tokoa ny teny malagasy saingy tokony ho
voafehy miaraka amin'izay ihany koa ny teny vahiny. Ny hita dia ny
Malagasy efa mahafehy teny vahiny dia afaka mianatra teny malagasy...
fa izay mionona amin'ny teny malagasy dia sarotra ny hianatra teny vahiny. "
19. naughtyboy ( 30/08/2008 11:01)
zany oe ,anampiko io hevitry hery io @ lafiny fampivoarana ny teny malagasy zay efa misy ny nampiharina nefa mbola mila ezaka @ ho avy
-mila fanabeazamboho ny tenindrazantsika arakaraky ny ambaratonga ny fampianarana mba hifanentana @ reo takiany zvmisy sy ny fiainana andavan\'andro
-fanomezana vahana sy fanalalahana ny teny vahiny ilaina @ sehatra andavan\'andro na asa na fampandehanandraharaha ankapobeny ...

Inona reo fomba efa nentina nifehy izany teo aloha(prescription):
fitsipipifehezana(grammar),fomba fanoratana reo teny(spelling,lexicography),syntax(tsy haiko ny dikanteny..zay antsoina @ teny baiko na arampiarahamonina na politika ho marimpototra kokoa(correct)
ary ny tena raharaha dia ny fampitambarana reo teny isamparitra ho lasitra modely(standard model)miisa 18..ho teny ofisialy fototra
na aiza na aiza misy anao de malalaka ny fivoarany tenimpirenena erantany zay
manana olana samihafa toa ny antsika,toy ny fiovaovany kolontsaina avy any ivelany(nosy isika ka tsy afamiala @ zany),na ara kolotsaina na literatiora(neologism no fiantso azy)ary ireo teny vaovao hafa miditra @ alalany
fampielezambaovao sy ny resaka miampita(word of mouth)..ny fanajariana izany rehetra izany no itondra antsika @ lalany(teny malagasy manaraka ny toetr\'andro @ zao taonjato izao

-ny fanalalahana ny fidirany teny vahiny mifanentana @ fifandraisana @ tontolo ivelany rehetra mba ampiakarana ny ivo ny faripahalalany mpianatra malagasy rehetra ifanaraka @ fihazakazaky ny fandrosoana..




20. fahamarinana ( 30/08/2008 11:41)
:arrow: mba naika hanontany aho oah ,raha misy afaka manazava ahy,inona no antony manokana mahatonga ilay primaire nalavaina ? dia ahoana ny fandehany zany zao ?misaotra izay afaka mamaly... :) (l)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.4855