Fanagasiana: Inona tsara hoe?

41. naughtyboy ( 12/09/2008 12:03)
ny zv tsy azo adinoina de zao ry zareo, ra ilaza isika fa "andrianiko ny teniko ary feheziko ny hafa " dia tsy mora tanterahina izany satria mila fifandanjana tsara rafitra sy fikarohana ary fitsinjovana ny ho aviny tenindrazana mba ifanaraka atrany @ vanimpotoana ho avy fa tsy ho lefiny teny vahiny, za manokana dia mihevitra fa ny teny ofisialy malagasy de tokony ahitana fifandanjany tenimparitra 18 ao anatiny ka mila ezaka lehibe ny fanatsarana azy fa tsy teny merina fotsiny..
42. fahamarinana ( 12/09/2008 12:21)
naughty:
ny teny ofisialy malagasy de tokony ahitana fifandanjany tenimparitra 18 ao anatiny ka mila ezaka lehibe ny fanatsarana azy fa tsy teny merina fotsiny..

:arrow: iombonako hevitra ihany koa,izay koa angamba no mahatonga olana mazana. (l)
43. Mandefitra ( 12/09/2008 12:59)
Miombon-kevitra @ io mitsy koa za.
Ka io aloha no tokony imasoana : fanabeazam-boho ny teny malagasy. Trandrahana avokoa zay voam-bolana azo ampiasaina rehetra, ampahalalaina ny taranaka, asiana dictionnaire ny teny malagasy, misy ny synonyme @ fitenim-paritra maro.
Raha ny marina zany ny teny gasy koa dia mbola tokony hianarana sy hatsaraina aloha, ka zay no tsy mampitombola loatra ilay hoe ny teny gasy no enti-mampianatra.
44. tywa68 ( 14/09/2008 10:34)
Hatsaraina ??? Tsy ho vita satria tsy ampy voam-bolana azon'ny rehetra !
45. naughtyboy ( 18/09/2008 20:57)
ozy tywa
"Hatsaraina ??? Tsy ho vita satria tsy ampy voam-bolana azon'ny rehetra !"
Hatsaraina ---->objective paradigm
satria tsy ampy voam-bolana azon'ny rehetra ---> epistemology constructivism
Tsy ho vita ----->pessimism
zany oe tsisy hafa @ voalazany ikaretsaka etsy aloha ,amiko raha anova zv ho tsara de vahaolana no atolotra fa tsy olana.. ;-)
mbola hitohy,azavaiko reo @ manaraka fa ny fahafatesana ihany no mbola tsy ahitana vahaolana atr@ zao sy ny tsy fiezahana na fampiasana fomba mahomby(methodology..)
46. tywa68 ( 19/09/2008 11:05)
naughtyboy : ka arosoy aza ny vahaolana hitanao fa liana aho hamaky ny "methodogy" ho zarainao eto (mazotoa mitsindroka etsy sy eroa fa pratika ny internet @io) :lol:
47. naughtyboy ( 21/09/2008 10:47)
:D ny hevitro manokana no ho lazaiko araky ny fijeriko azy zay samihafa @ ny anao "tsy ho vita ..":wink: ,ra nianatra ny abd eanao oh. de nitsindroka t@ reo teo aloha fa tsy oe nisy noforoninao ,ny zvdrehetra de tsisy hafa @ zay ra tsy ooe avy any planeta hafa nga ka tsy mampiasa ny fombany olona eto ;-)
48. naughtyboy ( 21/09/2008 12:51)
ny fauna( 8% ), flora( 18% ) aza de betsaka no mbola velona ra oharina @ teny izay 40% de atahorana anjavona erak\'izao tontolo izao,7 taona lasa izay dia 6912 sisa no isany reo karazana fiteny tavela.Ra i dago no resahina 96% no mampiasa ny teny ofisialy sy tenimparitra mitambatra ifaneraserana zay mazava fa voafaritra vondrona maro2 ,
- tanjona mila hatsaraina(objective paradigm)--->@ ambangovangony no jerena de ireo no mila ilay metody siantifika na fandaharana fanabeazana antsoiny tandrefana oe neuro -linguistic ,sampana fikarohana akademika sy aratsosialy ary psikolojika mitantana anatratrarina ny fifehezana tanjona @ reo taranja ampianarina na ampivelarina ny tenimpirenena na teny ofisialy
-Fanabeazana arateoria sy fomba fampianarana ao anaty rafitra fanabeazana(epistemology) mifototra @ singa 3 izay azo ampiharina raha anatsara fampianarana :
1.fomba fihetsika ivelany @ alalany vatana(@ fakana tahaka ny hafa zay itovizana @ biby/behaviorism)ary ny fomba ampiasaina eto de fanoroana mivantana(direct instruction)
2.ny manaraka dia mihoatra koko noho ny vatana..ny fiasany saina( fahafahany manavaka,sivana ,mitadidy/cognitive psychology) ary ireo anisany antony lehibe mahatafita na tsia ny fampitana fahalalanasy fampianarana(instruction design)
3.fianarana arateoria (constructivism)de mampiasa reo traikefa tany aloha sy ny andrana ananany @ zao fotoana @ alalany volavolankevitra(concept),fepetra (rules) sy principle..ra ity resaka fanagasiana ity zao no jerena ,ny tena marina dia tsotra ny fampianarana dia manatsotra sy mamporisika ny mpianatra ahita principle miasa ho any ts1/1 ary manorina fahalalana azy ireny mba ahafahany mamaha olana itany andavan\'andro..
Araky ny fijeriko manokana dia ho vita ireo nefa mila finoana sy faharetana be ary ,mila vola bdb izany satria ezaka lavitrezaka ary tsy azo ajanona eny andalana..
ny oe TSY HO VITA aloha de olona efa tsy vonona ny itady vahaolana no miteny zany fa mijanona @ misy azy na ko mihemotra :D
49. tywa68 ( 22/09/2008 08:51)
Ka ndeha ary ampiaro any Mcar ireo blabla-nao (zay nianaranao t@ teny gasy moa ?? :lol:)
Ny tsy ho vitako, ahy zany, fa tsy manakana ny mazoto sy manambola afaka manatsara aho !
ra ity resaka fanagasiana ity zao no jerena ,ny tena marina dia tsotra ny fampianarana dia manatsotra sy mamporisika ny mpianatra ahita principle miasa ho any ts1/1 ary manorina fahalalana azy ireny mba ahafahany mamaha olana itany andavan'andro..
Araky ny fijeriko manokana dia ho vita ireo nefa mila finoana sy faharetana be ary ,mila vola bdb izany satria ezaka lavitrezaka ary tsy azo ajanona eny andalana..

Ka d ataovy ary ny TSOTRA d ho hitantsika eo foana ny fiatraikany @ vahoaka... raha ho hita :D
50. naughtyboy ( 22/09/2008 10:00)
ozy tywa
Ka ndeha ary ampiaro any Mcar ireo blabla-nao (zay nianaranao t@ teny gasy moa ?? )
na vahaolana na hevitra no nanotanianao de efa ireo izay fa tsy feno fanatsatsoana otrany hevitrao ,anjarany hafa indray ny mampihatra @ zay itiavany azy na @ alalany haino amanjery na fomba maro samihafa ra mahasoa azy
ny fianarako teny gasy de harena ho ahy manokana zay.. :-D :-D :D
51. tywa68 ( 22/09/2008 14:04)
naughtyboy:

ozy tywa
Ka ndeha ary ampiaro any Mcar ireo blabla-nao (zay nianaranao t@ teny gasy moa ?? )
na vahaolana na hevitra no nanotanianao de efa ireo izay fa tsy feno fanatsatsoana otrany hevitrao ,anjarany hafa indray ny mampihatra @ zay itiavany azy na @ alalany haino amanjery na fomba maro samihafa ra mahasoa azy
ny fianarako teny gasy de harena ho ahy manokana zay.. :-D :-D :D


Azafady fa ny fitenenako hoe tsy mahavita tsy milaza hoe aza manao n'inona² ! zah hoy ianao no pessimiste sns... mba jereo kely ahoana ny famalinao ahy, d ho hita eto hoe iza no tena manatsatso !
Ny teny gasy tsy ampy voambolana no lazaiko hoe tsy ho mora, fa zany akory tsy midika hoe aza manomboka raha convaincu hoe hiety zany hevitra hanagasy sns ... mazàna ireny b hevitr'ireny indrindra no manana ny zanany mianatra any ivelany na eny @ katolika : asa inona no antony ? :D
52. naughtyboy ( 22/09/2008 20:00)
le izy nge tsy oe marina azo itompona na iziriziriana ry tywa e,za tsy niteny oe enao fa ny hevitrao teto no nilaza izany ,ny andravonako azy de tsotra tsy misy mafy tsy laitry ny zoto ary manaiky aho fa tsy mora fa kosa oe tsy ho vita de tsia..ary mino aho fa anisany fanarenana mila taona maromaro io fa tsy ho vita amambolana akory.Za de notezaina t@ fampianarana katolika vao nifindra fianarana vahiny noho ny antony zay tsy safidiko nefa ny teny malagasy de tsy nataoko ambaninjavatra na dia tsy feno sy mbola mivelatra ,
ny alfabeta malagasy aza taorinany arabo nitondra ny sorabe de mbola vahiny no nitondra azy nefa raha ijery oh. akaiky enao nosy eo anilatsika dia ny la Reunion manana sampana pedagojika ny oniversite mandalina ny teny creole sy ny fiaviny ary ny fampiharana azy na de teny mifangaro aza satria tsy tiany ho faty izany harentsaina izany noho izany de azo trandrahina izy ireny fa tsy
iraviravy tanana fotsiny satria tsy mora.. :lol: amporisihina ny drafitr'asa miaro ny tenindrazana fa tsy atosiboho tanana,efa voalazako daoly ngambany ny tiko lazaina fa tsy manana ambara aho fanehoankevitra fotsiny no nataoko teto fa tsy sanatria ifanditra na iziriziry,zay aloha fa @ manaraka njay e ;-)
53. tywa68 ( 23/09/2008 09:02)
Zah koa anie nampiseho ny hevitro fa enao no tonga d mitsara hoe rehefa milaza fa tsy mahavita d ohatrany hoe tsy tia an'ilay teny gasy !
Matoa manketo @ sera2 d ny hifampizara @ teny gasy ka asa re ! :lol:
54. Angolaina ( 23/09/2008 10:19)
Ho an'izay mila fanazavana bebe kokoa mikasika an'io fanovana rafi-pampianarana io dia tsidiho ny takelaka http://www.education.gov.mg (reforme) na ny http://www.sekoly-vaovao.net, ankoatra an'izay, ho an'ireo eto an-tanindrazana dia afaka mandeha mivantana ao @ ministera foibe maka ireo boky fanazavana mikasika azy io sy misy ireo programa hampiarina eo @ fanabeazana fototra ka ao @ porte 120B no aleha, ny boky indray dia ao @ SP MINISTRE porte 118, efa misy ihany koa ireo famelabelaran-kevitra atao isan'andro @ 9 ora sy sasany sy @ 2 ora sy sasany ao @ efitrano malalaka fivoriana ambany rihana ao @ ministera, ahitanao ireo films mikasika azy io.
mbola averina eto fa teny enti-mampianatra ny malagasy fa tsy fanagasiana araka ny heverin'ny maro akory ary @ ity taom-pianarana ity dia CISCO 20 aloha no handray izany fanovana izany eto Madagasikara, hitombo miandalana ireo toerana ireo ary @ taona 2015 dia ny CISCO 110 no mampihatra azy io, misy boky hozaraina na ho an'ny mpampianatra na ho an'ny mpianatra mifandraika @ ireo rehetra ireo ary ny tanjona @ izao fanovana ny rafi-papianarana izao dia ny hahaizan'ny zaza malagasy mifehy nyfamakian-teny sy ny fanoratana, ny matemakika sy ny siansa sosialy ka na tsy hanohy mianatra intsony aza izy aorian'ny kilasy fahafito dia efa manana fahaizana afaka hoentiny mianatra asa indray. Ankoatra ny eo @ lafiny fampianarana koa dia hihatsara ny toeram-pianarana, hitombo ny efitrano ianarana, hihatsara ny fitaovana hampiasaina ary tsy ho sahirana loatra intsony ny mpianatra hamonjy ny toerana hianarana sy tsy hifanalavitra intsony ny toerana ianarana sy ny trano fonenana ka tsy ho sahirana intsony ny tokantrano.
marihiko eto ihany koa fa tafiditra ao anatin'ny programan'ny fampianarana tanteraka ny fianarana ireo teny vahiny, na ny frantsay izany na ny teny anglisy ka noho izany tsy mitombina izany oe satria atao @ teny gasy ny fampianarana dia tsy hahay teny vahiny ny zaza malagasy izany.
Ankoatra an'izay, tsy hoe ny programa tao @ T1 h@ T5 akory no nitarina hatrany @ T6 sy T7 fa programa hafa ny an'ireo kilasy roa farany ireo ary efa misy mpampianatra voaofana manokana hampianatra ireo kilasy ireo
55. tywa68 ( 23/09/2008 10:47)
Angolaina : misaotra anao nizara an'ireo fanamarihana maro² ireo. :lol:
56. fahamarinana ( 23/09/2008 10:49)
:arrow: ié ,misaotra any angolaina ihany koa,misy ho dinidinihina ny rohy... :) (l)
57. naughtyboy ( 23/09/2008 10:51)
tywa za tsy tia mitsara zany fa le hevitra no nampiadiana tsy ny olona aleo azava
o.k :lol: :-*
58. tywa68 ( 27/09/2008 08:07)
naughtyboy : be resaka k :°)
59. Nav ( 04/10/2008 16:03)
Ny hevitry ny hoe Fanagasiana dia tsara holazaina kokoa amin'ny fehezanteny hoe
Fampiasana ny teny malagasy
: natao ho an'ny Malagasy : samy Malagasy no mifanerasera (na am-bava na an-tsoratra), ny Fanjakana mifandray amin'ny mponina ary ny mponina mifandray amin'ny Fanjakana.
Ny teny vahiny dia ifandraisana amin'ny any ivelany ary tsy ny Malagasy rehetra no hifandray amin'ny vahiny fa olom-bitsy ihany: ireo manampahaizana eo amin'ny siansa sy teknolojia, eo amin'ny varotra sy toekarena, anjaran'ireto farany ireto kosa (latsaky ny 10%) no mamolaka izay fahalalàna azony ho an'ny mponina malagasy sisa rehetra (mihoatra ny 90%). Ireo statistika ireo dia marina ankehitriny ary tsy hiova haingana akory ato anatin'ny 10 na 20 taona.
Ny fampiasana ny teny malagasy ato anatin'ilay
Rafi-pampianarana vaovao
izany dia ny fampiasana ny teny malagasy ho teny enti-mampianatra ao amin'ny fampianarana rehetra : Ambaratonga Fototra, Ambaratonga Faharoa sy hatrany amin'ny Universite: izany daholo no nataon'ireo firenena mandroso rehetra, samy mampiasa ny tenindreny eo amin'ny fampianarana Ambaratonga rehetra: USA, UK, France, Japon, Vietnam, Shina.
Tsy misakana velively ny fianarana teny vahiny (aza hadinoina fa ny teny vahiny tsy ampiasaina ho an'ny samy Malagasy: efa nandre ve ianareo tany ambanivohitra hoe:
Koto, faites sortir les vaches de l'étable?
°.
Ny tolokevitro momba ny teny vahiny dia : (i) tokony hijery bebe kokoa ny teny anglisy isika (ny Fanjakana izany) fa io no tena manokatra varavarana lehibe ho amin'ny fanatontoloana, io no tenin'ny siansa sy teknolojia, tenin'ny varotra; (ii) ny teny frantsay dia tsy avela nohon'ny tantara; (iii) ary ahoana ny teny sinoa?
60. sipagasy ( 04/10/2008 19:40)
teny sinoa veh satria hoe maro an'isa ry zareo?? ary ny teny arabo satria ahitana andreo izay rehetra aleha raha izany hihihih
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0392