Chacun pour soi sa ........?

1. lemenakely ( 07/08/2008 08:45)
Misy karazan 'olona raha mindrana zavatra any aminao na iny very tsy hita intsony na potika !

Ohatra manana kiraro tsara tarehy ianao dia misy miteny ny fianakaviana a ny namana hoe :"mbà ampindràmo ahy iny fa andeha mariage aho !".Refa avy eo ampindramin ilay olona ny zaodahiny dia ilay zaodahiny indray mampindrana azy ny zandriny...... farany potika ilay kiraro :twisted:

Ka eo izany no mahatonga ny olona sasany @ izao fotoana izao lasa manana toetsaina toy ny vazaha hoe CHACUN POUR SOI!
novalian'i niryna ny 01/09/2008 03:59
2. ni81 ( 07/08/2008 09:13)
Zà tena tsy mba tia ilay mindramindrana mihitsy taloha na dia samy mpiray tampo aza fa tena marary mihitsy ny foko raha simba ilay kiraro ary indrindra moa fa very. Samy manana ny fomba famindrany koa mantsy. Ohatra hoe ilay namana mindrana ny kiraro manao fandeha @ 10 sy 10 :lol: :lol: , dia mora lany ila be mihitsy ilay izy @ iny.
3. haritianah ( 07/08/2008 09:34)
zà aky tena victimen' io mits, ny ahy indray zà isany miova tanana na toerana ipetrahana dia ny mahasarotiny ahy dia ny fitaovana madinidinika entina manao bricollage.Ireo no ts maints vidiko ary andaniako andro(pince, tourne vice,martaux,scie sns ...) atram zay mits io fahazarako io.
Dé ny olana matetika dia lé olona mindrana, mindrana izy dé any dé any de ts mahalala mamerina mits farany rehefa ts mahatanty ny tena dia manontany ary ny valiny azo dia owé tena ts itako lé izy.Dé tsotsotra ts mieritreritra mits lé nindrana fa dé very é! de ts mahatanty an'iny ao dé lasa mividy indray.Ny tena ko ts zatra manao ratsy saina ts apindrana fa sorena foana.
4. diamondra27 ( 07/08/2008 11:15)
inona re no mba azon'i lemenakely ampindramina ahy de tsy simbaiko e :wink:

misy koa rylemenakely le mpinamana be ireny mifampindrana effet perso a. Nisy namako lahy izay nitantara tamiko fa ny vadiny hono nampindrana le body ireny an'i meilleure amie-ny , de aty amiko izy no mitaraina an'izany> Afrikana izy 3 ireo. Za koa tena gaga be we zany koa ve de mba findramana> Tamin'izany moa la mode le body e. Ny gasy koa ve de mifampindrana ohatran'izany. sa we zipo sy lobaka sy kiraro sns ihany.

lemenakely: misy zavatra azo ampindramina ary misy zavatra tsy azo ampindramina amiko , ka ilay we chacun pour soi aloha de misy mahatsara azy ihany indraindray. Nefa koa ange tsy vitanao irery ity fiainana ity e.
5. simplex ( 07/08/2008 12:16)

kiraro kosa ve d indramina eee :-w
eritrereto hoe ol maimbo from be ny tompony :{:{:{
6. fahamarinana ( 07/08/2008 12:24)
:arrow: lemenakely :za manokana dia sady tsy mpindrana no tsy mampindrana ihany koa,eny na rahavaviko aza dia aleoko atolotra rehefa tena be dongy loatra...Tsy hoe toe-tsaina vazaha kosa amiko satria matoa novidiko dia zvtr tiako ary tiako haharitra faran'izay tratra ary halako raha ety amiko dia hitako any amin'olona koa...Fa samy manana ny mahazatra azy moa ka tsy misy maharatsy na mahatsara ny mifanakalo na mampindrana fa mila mahataty rehefa simba avy eo fa tsy mimenomenona ndray.....
Fa ilay lazain'ny diam's hoe body kosa aloha toa tena mamoafady e... 8O (l)
7. Herimiafina ( 07/08/2008 13:25)
Izay ilay hoe "androany ianao mampindrana ny fiaranao azy, rahampitso, ny lambanao ary rahafak'ampitso ny vadinao".
Ny fahatsorana tsy ratsy fa ny mpanararaotra no mbola tsy lany tamingana.
Efa niainan'ny tsirairay tamintsika daholo io tranga-njavatra io eny fa na dia mety fotoana fohy tamin'ny fiainantsika aza, talohan'ny nahatongavantsika saina hoe "tena tsotra loatra aho izany marina".

Fa averiko indray fa tsy ny fahatsorana velively no ratsy fa ny mpanararaotra tsy mbola lany tamingana. Ka raha samy ho tsotra ihany dia aleo fidiana ny olona maha-tsotra.

Rehefa tena nandinika aho taty aoriana hoe inona no tena antony mahatonga ny zavatra toy izao hisy, dia somary naka fitaratra kely dia nahita ny tavako tao, ka teo vao fantatro fa izaho ihany no antony mahatonga ilay olana. Tsy hafa fa avy aty amiko ihany no mahatonga ilay fanararaotana. Hoy aho nahita ny tavako tamin'ny fitaratar hoe "hay ve ohatr'izao no fahitan'ilay mpanararaotra ahy, hitako aho no tsy hanana'i takaka hena-maso". :-D

Tsetratsetra tsy aritra:Underlined text ary tadidio fa rehefa zatra nanome azy ianao in-99 ianao no mandà tampoka ny faha-100, dia hananany alahelo mandrampahafaty. Ny soa 99 nataonao taman'olona tsy misy tsaroany na iray aza fa ny soa anakiray nolavinao taminy no tena tadidiny ary mety hanapotehiny anao mandrak'izay.
8. lemenakely ( 07/08/2008 14:32)
diamondra27:

inona re no mba azon'i lemenakely ampindramina ahy de tsy simbaiko e :wink:

misy koa rylemenakely le mpinamana be ireny mifampindrana effet perso a. Nisy namako lahy izay nitantara tamiko fa ny vadiny hono nampindrana le body ireny an'i meilleure amie-ny , de aty amiko izy no mitaraina an'izany> Afrikana izy 3 ireo. Za koa tena gaga be we zany koa ve de mba findramana> Tamin'izany moa la mode le body e. Ny gasy koa ve de mifampindrana ohatran'izany. sa we zipo sy lobaka sy kiraro sns ihany.

lemenakely: misy zavatra azo ampindramina ary misy zavatra tsy azo ampindramina amiko , ka ilay we chacun pour soi aloha de misy mahatsara azy ihany indraindray. Nefa koa ange tsy vitanao irery ity fiainana ity e.


misy kah !efa fantatrao ny valiny
9. lemenakely ( 07/08/2008 14:37)
simplex:


kiraro kosa ve d indramina eee :-w
eritrereto hoe ol maimbo from be ny tompony :{:{:{



voalaza ery ambony fa body aza misy mindrana ary izaho nahita fa slip aza misy mindrana ,tsy hoe mifandiso fa tena misy mpirahavavy fantatro mifampindrana slip sy string
10. ni81 ( 07/08/2008 14:44)
Nisy rangahy izay mandeha bisikileta rehefa mandeha miasa. Sendra tsy niasa izy dia tonga tao aminy ity namana anankiray, dia nanao taminy hoe: o ry ise a! mba ampindramo ahy io bisikiletan'ise io fa misy zavatra saika ho vidiako ary an-tsena androany. Tena tsy lasa ry ise fa io toy ny vadiko ka raha toa ise ampindramiko ny vadiko koa dia omeko. Nangaihay ilay namana dia niteny hoe: eny ary ry ise fa tsy hindrana aho a! :lol:
11. ainaheri ( 07/08/2008 20:42)
Misy karazan'oul efa za-dratsy an'io fihindramana io an,ary tsy mahamenatra andry zareo ilay mindrana :D :-P
12. ikaretsaka ( 08/08/2008 02:13)
ni81:
Ohatra hoe ilay namana mindrana ny kiraro manao fandeha @ 10 sy 10 :lol: :lol: , dia mora lany ila be mihitsy ilay izy @ iny.

ny ahy aza io tadiaviko mihitsy taloha..
za somary mandeha @ 10 sy 10 de misy cousin anay izay @ 8 sy fahatelony! dia mifampindrana godasy anay mitsam..elabe vao lany ny crampons


13. tywa68 ( 08/08/2008 05:03)
lemenakely : aleo kosa chacun pour soi indrindra fa effets perso e.
Zah aloha tsy mpindrana, ka tsy sahin'olona hindramana e :-D
14. ni81 ( 08/08/2008 07:33)
ny ahy aza io tadiaviko mihitsy taloha..
za somary mandeha @ 10 sy 10 de misy cousin anay izay @ 8 sy fahatelony! dia mifampindrana godasy anay mitsam..elabe vao lany ny crampons
:-D
15. kalazagasy ( 08/08/2008 09:05)
Ny fahitako azy dia betsaka ny olona tsy mahay manaja zavatr'olona, rehefa tsy azy ny fiara dia mitrifatrifana, na lavaka aza hitsahiny, fa refa azy dia hainy tsara ny mitsitsy ny fiarany. Rehefa tsy azy ny kiraro dia eny @ korontan'entana eny iny no mipirina, refa ny azy dia hainy ny mampirina an'iny ao anaty sachet + taratsasy ao anatiny fa sao dia simba. D otran'zay hatrany fa enao tompony no marary fo mahatsikaritra an'zany ary dia mingoso mihitsy tsy hampindrana iny olona iny intsony.

Ny ahy zao fahamarinana mitsy no tiko indramina. hokolokoloiko tsara sy tandremako mafy mitsy. :lol:
16. fahamarinana ( 08/08/2008 10:52)
kalaza:
Ny ahy zao fahamarinana mitsy no tiko indramina. hokolokoloiko tsara sy tandremako mafy mitsy
:arrow: oay kosa zany izy. ry kalaza.....hanky va re !!! ,ka i faha manko efa nisy nindrana efa elabe dia tsy haveriny intsony fa toa ho tanany mandrakizay hono... :) (l)
17. kalazagasy ( 08/08/2008 10:56)
Fa> saika indramiko hamono akoho fotsiny nge d averiko tsy misy fahasimbàna e. Za mahakojakoja zavatr'olona. :lol:
18. ni81 ( 08/08/2008 10:59)
oay kosa zany izy. ry kalaza.....hanky va re !!! ,ka i faha manko efa nisy nindrana efa elabe dia tsy haveriny intsony fa toa ho tanany mandrakizay hono...
=D> =)) =))
19. fahamarinana ( 08/08/2008 11:05)
:arrow: mba tianareo mihintsy ny manadroadro ahy an...he zany izy hoe akoho...torana aho.. :) (l)
20. kalazagasy ( 08/08/2008 11:51)
i faha manko efa nisy nindrana efa elabe dia tsy haveriny intsony fa toa ho tanany mandrakizay hono...


Ireny olona mpindrana tsy mahalala mamerina ireny mitsy ilay tokony hatao farany sady voalohany. :lol:

fahamarinana:
za manokana dia sady tsy mpindrana no tsy mampindrana ihany koa...


Ka enao sarotiny @fanananao d zay mitsy no ilazako oe aleo d enao mitsy zany no indramina. Za efa nisy olona nampianatra mamelona vetivety ireny olona torana ireny : Kosehina @ ranomanitra, d hatao toho-bava mo? =))
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0893