fisavana entana eny Ivato rehefa tonga

1. xxx ( 28/05/2008 17:08)
Manahoana,
Ho an'ireo tany Mcar vao tsy ela. Manahoana ny fisavana entana eny Ivato ho an'ireo olona avy aty ivelany?
novalian'i jhr ny 03/06/2008 16:13
2. yonikafopl ( 28/05/2008 18:08)
Omany ny 10 euro de tsy voasava ny entanao :-P
3. mbaliana ( 28/05/2008 18:33)
officiel ve zany sa tsolotra?
4. yonikafopl ( 28/05/2008 18:54)
mbaliana hihihihih fa nga misy zavatra officiel zany any eeee, sady mody apetraka eo ambony eo ny entana de somary miondrika kely,de tsy eo no atolotra le vola an, fa sady miteny am le polisy eo we avelao hande amzao ny entako fa araho za rehefa mivoaka de kopy izy hihihihihihihihihih, de mody vohainy fotsiny iny de jereny kely de alefany. Fa raha tsy zany de savasavainy atrany am farany any io entanao io , akorontany ambony ambany mintsiny. De raha misy zavatra kely hitany de ilany vaniny eo iny.
Any Dago nge dradradradraina ty BIANCO BIANCO ty fa vo maika aza mitombo ny fanaovana tsolitra eeeee.
5. xxx ( 28/05/2008 19:39)
ary raha officiel?
mandoha tax ve?

aiza no mety ahitana ny ambangovangony?

Sao dia latsaky ny 10Eu ny tax?
6. xxx ( 28/05/2008 19:57)
"yonikafopl":
Omany ny 10 euro de tsy voasava ny entanao
TSIA ! tsy marina velively io ! vao tany aho t@ volana lasa teo fa tsy misy io !
"yonikafopl":
sady mody apetraka eo ambony eo ny entana de somary miondrika kely,de tsy eo no atolotra le vola an, fa sady miteny am le polisy eo we avelao hande amzao ny entako fa araho za rehefa mivoaka de kopy izy
tsy misy polisy sahy manao an'zany !
handramo kely anié manao an'zany de ho hitanao eo ny zavatra mahazo anao eh ! efa niova be any zao !
vao t@ volana lasa teo aho no tany ary tena nizotra tsara daholo ny fandehan'fisavana entana !
"yonikafopl":
. Fa raha tsy zany de savasavainy atrany am farany any io entanao io , akorontany ambony ambany mintsiny. De raha misy zavatra kely hitany de ilany vaniny eo iny.
tsy marina velively io ! misava ry zareo ary tsy manakorontana sy manao io lazainao io !
in-2 zah zay no tany , vilana desambra sy avril teo fa tsy nisy an'zany mihintsy na de kely aza !
7. xxx ( 28/05/2008 20:07)
xxx:

ary raha officiel?
mandoha tax ve?

aiza no mety ahitana ny ambangovangony?

Sao dia latsaky ny 10Eu ny tax?
miankina @ zavatra entinao ihany io ! raha misy zavatra deklaréna !

raha mitondra appareil ohatra de aza hadino ny faktiora de lazao hoe anao io !
ny fisavana de ohatran'ny fisavana rehetra ! eo anoloanao no ataony io ! ary misava izy , hainy ihany raha hoe mahamahana enao @ zavatra sao de tsy mety hentinao ! nefa de anontaniany ihany enao !

Tandremo fotsiny ! aza mi-riska milaza an'zany hoe
sady mody apetraka eo ambony eo ny entana de somary miondrika kely,de tsy eo no atolotra le vola an, fa sady miteny am le polisy eo we avelao hande amzao ny entako fa araho za rehefa mivoaka de kopy izy
fa tsy ohatran'taloha intsony ny fiasan'polisy ao !


8. yonikafopl ( 28/05/2008 20:45)
xxx tsy foroniko io fa za mihintsy no nanao an'io an. in 2 za no tany Dago tam herintaona, tam volou za tsy nahalala nininn, nitondra J&B 3 za tamzay de nilany vaniny, nalainy ny 2 tam le izy nampidininy tao ambany tao.Nahongakongany ny entanay ny ambany lasa ambony tsy hay tsony, nisy hafa nefa teo alohanay nandalovany fotsiny, za amzany manopanopa am teny arabo no nataoko raharaha fa krizy be . Fa nony tafavoaka de io no natoron'ilay oll teo alohanay nony tafavoaka. De nony nandeha tam faharoa amzay de nataoko an'io fa nisy entana ray aza tsy hitako ze nalehan'ny lakile fa nalefany tamzao, fa avy eo de nanaraka tany ivelany mihintsy le polisy naka an le vola.
Izay fiovany amzao no tsy haiko , fa ny fantako de mbola misy ny risoriso be eny Ivato eny. Tsy afaka manda an'io i xxx
9. xxx ( 29/05/2008 05:09)
"yonikafopl":
fa ny fantako de mbola misy ny risoriso be eny Ivato eny. Tsy afaka manda an'io i xxx
@ fomba ahoana moh no tsy hisian'risoriso raha tahak'zao ny zavatra ataonareo ?
"yonikafopl":
fa sady miteny am le polisy eo we avelao hande amzao ny entako fa araho za rehefa mivoaka
de avy eo mimenomenona we zao ny zavatra ataon'polisy ao ivato ?

ndana aza miverina any de andramo njay io de lazao eto we nanao ahoana ny valiny ?

tianareo hivoatra ny fiasan'polisy ao nefa nareo njay no manao ny tsy tokony atao ! :-w :-w :-w :-w :-w :-w
10. tess ( 29/05/2008 05:28)
yonikafopl:

Omany ny 10 euro de tsy voasava ny entanao :-P


zay mitsy lay risoriso tedavinjareo natao ahy fa zà tsy nanana madinika de nilandreo vaniny be tsssss


11. tess ( 29/05/2008 05:30)
Hoy i xxx:

Manahoana,
Ho an'ireo tany Mcar vao tsy ela. Manahoana ny fisavana entana eny Ivato ho an'ireo olona avy aty ivelany?



mila kisa matsiravina be ny mpisava entana ao dago! zà alou tratra e!



nanana droit de bagage 50 kgs zà....donko fenoiko ny valizzzzz
fone iray nafaran'oul no appareil netiko de fone iray nampitondrain'oul ahy...izay ihany, vao nahita ny boite na fone roa izy anefa nolazaiko azy mitsy hoe misy fone roa dia nila vaniny be hoe alefaso aty ny entanao ho savaina fa hay enao mitondra appareil bdb,
voalohany aloha nagataka vondalana izy, de hoy aho hoe tsy nitondra mitsy ho zà, ka tena tsy nisy omeko ho azy hoe vondalana zany de iny no nahalikiliky azy de no fuiller -na tsirairay ny etana ngôdabe nakorotontanindreo tahaka ny inon ny valiz ambony ambany wa! rangitra kosa aho de noteneniko.....de ny akanjo sy ny kiraro ndray no nilàny vaniny hoe izaho hono toa mitondra akanjo bdb sy kiraro bdb fa tokony natoako liste hono ireo kanjo sy kiraro bdb ireo fa sao amidiko
hoy aho hoe akanjo efa nanaovako dool ireo tsy misy vaovao na ny iray aza kou hamidy amin'ny ahoana??? iza no hividy an'ireo???
de hoe ny entana avy any ivelany amdama misy mpividy foana ah
nohaniko amzay kosa, matoa ny bagage-ko hoà tafavoaka tany nankaty am poids 50kgs tsy nisy olana dia tsy hitako ny omenareo olana ahy amin'ny affaires persos-ko, zà efa vonono mitsy ny hitory fa hitako hoe te hanotra fotsiny..... nataoko maivana mitsy sipa fohy kely zay de gendarme lahy zay no complice nampitahoriko hoe antsoy ny lehibe ary hoà raha tsy ara-dalàna ny entako....de nipararetra de nalefandreo zà tena tsssss
hay efa zàtra risoriso ndray...raha tsy niseo nilay izy nanakalo vola zà de nanomezako fa try mendrika ny omena na ny e centimes aza





















12. yonikafopl ( 29/05/2008 05:45)
xxx ka za efa reraky ny voyage iny , efa tsy te hila gidragidra tsony de aleoko mandoa izay 10$ na 10 euro kely iny de misosa kou.

Za mbola tsoriko am xxx fa mbola risoriso be eny eeeeeeeeee, hatramzao ora hitenenako aminao izao, na ho an'ny mivoaka na ho an'ny miditra . Za manana porofo fa mbola tsy lazaiko kalou.

Fa nena zao an, ny hataoko am manaraka dia raisiko ny numeron'ny vola omeko azy, de omeko soa amantsara ,fa avy eo iantsoako ny lehibeny na ireo BIANCO reo hijerevako we inona no mba hataonjareo. Fa reo polisy reo tsinn misy badge iny hahafantarana ny anarany. Fa ny aza tratrako, raha mila vaniny amiko de ataoko an le fatao omeko azy soamantsara ny vola fa ataoko mandraingiraingy amzay avy eo , amzay ngamba mety fay.

tess ie fombanjareo mintsy le mitaky voandalana hihihihihih de ra miteny we tsisy de ilany vaniny amzay, fa hatram lokomena aza angatahiny wa. ny ana ny fanaovako azy ny kiraro tsy atambatro am valizy ray mihintsy fa zaraiko, ny ilany am valiziko , ny ilany am valizimbadiko , am iny tsy hitany ze azony atao hihihihihihihihihih
13. mignone ( 29/05/2008 06:59)
5€ aza omenanjareo mbola lasa zaho kou :-D :-D
14. xxx ( 29/05/2008 07:03)
tamin'ny za tany ko aloha tsy nisy an'zany , hita @ fihetsiny ihany oe mila kely avy aminao izy fa ianao rehefa zatra nandeha tamin'ny marina dia tsy mirara an'izany .

ny efa zatra mpanao tsolotra anie fantany endrika foana e mdr .
xxx8:
@ fomba ahoana moh no tsy hisian'risoriso raha tahak'zao ny zavatra ataonareo ?

marina mihitsy io voalazanao io , efa hita oe tsy mety dia atao ihany fa tsy mba manohitra . Tsy ny any ivato ihany io fa ny fiainana any mihitsy

Misy moa ary any efa hita oe tsy mety ilay ataony dia efa zatra manao tsolotra fa oe gasy kely reo e , vao omena vola dia manaky zay tiako sy ampanaoviko e , na hita ary fa diso sy tsy ara-drariny ilay ataony , entin'ny fireharehana fotsiny , mampalahelo koa anie ilay toe-tsaintsika avy aty an-dafy e , isika no tena mamotika ilay any dago any.

misy indray tsy vitsy fa maro a, rehefa tonga any dia anarotsaronana lay zavatra tsy mety atao dia mody mi-inviter an'lay olona , mitondra whisky sns e amin'izay arovan'iny olona iny ono e mdr . Fa andao anie tsy mahavita zay eritreretiny ilay gasy kely fa dia opa sy fitanisana zao rehetra izao no setriny e. Mampalahelo oa , mba ampahafantarina ihany nareo any dago any fa zahay aty an-dafy anie ka coco e , sady mahay miresaka , tena ohatran'ny zahay no tena favy . MDR
15. xxx ( 29/05/2008 07:06)
novembre-decembre , vao t@ 15 avril teo koh zah no tany , tsy nisy olana na de pitiny aza !

nanontany fotsiny izy we: misy zavatra deklarena ve ? tsy misy ozy aho ! de nataony ny fisavana , tena azoko lazaina we : tena zara raha nisava satria somary ningahingainy fotsiny ny entana anaty valise ! surtout ny sisiny de vita !
ny mahagaga ahy @ nareo fotsiny de ity :
"yonikafopl":
fa sady miteny am le polisy eo we avelao hande amzao ny entako fa araho za rehefa mivoaka
ka @ fomba ahoana moh no tsy hanao an'zany le olona raha zao no ataonareo ?
de zao fotsiny no mbola averiko we :

tianareo hivoatra ny fiasan'polisy ao nefa nareo njay no manao ny tsy tokony atao ! :-w :-w :-w :-w :-w :-w

de aza be menomenona raha ataon'olona an'zany nareo ! sady manompa olona @ teny tsy fantatra no manao ny tsy tokony atao ! :-w :-w :-w :-w :-w
"yonikafopl":
za amzany manopanopa am teny arabo no nataoko raharaha
16. xxx ( 29/05/2008 07:22)
"xxx13":
tamin'ny za tany ko aloha tsy nisy an'zany
vao t@ 15 avril zah no tany ary tsy nisy an'zany koh !
"xxx13":
fa ianao rehefa zatra nandeha tamin'ny marina dia tsy mirara an'izany
tena marina io !
"zah xxx"8":
@ fomba ahoana moh no tsy hisian'risoriso raha tahak'zao ny zavatra ataonareo ?
"xxx13":
efa hita oe tsy mety dia atao ihany fa tsy mba manohitra .
mahagaga marina an ! :-w :-w :-w :-w

ny zavatra tena mba tsy rariny kosa aloha de ity eh !
"yonikafopl":
za amzany manopanopa am teny arabo no nataoko raharaha
gasy samy gasy zao ve de hopaina @ teny arabo tahak'zao ?
17. yonikafopl ( 29/05/2008 07:30)
za 1998 niala tany Dago, de 2007 vo niverina tany, za ary mba tena krizy mintsy satria de tsisy zavatra fantako fa nidawawa za teny, ary dia tsy nieritreritra ny hanao risoriso zany za ,sady tsy fanaoko io. Fa noho ny zavatra nataonjareo no nahagaga ana, ary olona no nanoro ana we zao atao de nataoko tokoa ilay izy rehefa niverina fanindroany za de nandaitra kou

Ny zavatra hitako ao Dago ao, raha mba miseho manao ny marina tsy tia tolotolotra ianao dia eo no raisina , ilaozan'ny omby mihahaka fa ny sasany mandroso mandroso ihany, ianao misy sakantsakana foana.
Ny ana tsy hoe manao ratsy za de manao tsolotra hanaronako an'iny, iny kosa dia tsy hataoko mandrakizay, fa raha toa ka misy taratasy tiako ho vitaina haingana ohatra, raha tsy manome kely za de mety ho 1 volana iny any foana, dia tsikerainy hatramin'ny a lasa o na daty sendra nifamadika sns..., fa ra manolotra na de vaints aza enao hitanao fa raha maraina no atao , ny hariva ianao asainy miverina maka azy.
Za tena tsy mba nanao tsolotra zany, fa tena hitako fa tsy mande mihintsy izay atao any Dago any raha tsy manome. Ka dia aleoko manome mba hahavita ny atao haingana kou.
Za mijery ao am sitendry zareo, mahita we 3jours ny taratasy dia mivoaka rehefa complet ny dossier. nojerena anefa 1 semaine mbola tsy hita ihany izay nalehan'ilay ttsy, ilay izy nefa efa feno tsara sy amin'ny aradalana doly.De manontany enao de lazainy fa tsy eo antoerana ny minisitra hanao sonia. De za mihintsy no niresaka taminy tam phone we vitao haingana fa ilaiko maika wa fa omena kely enao, de aleo karakaraiko aza ozy. Afaka 1h navoakany avy any ilay ttsy waa, nefa lazainy we tsy eo ny minisitra hanao sonia. Zany no zavatra mitranga any Dago any, raha tsy ilaina maika le ttsy de afaka miandry izay sitrapony eo za, fa raha maika no ilako azy, aleo omena kely any izy de vita . :-P
18. xxx ( 29/05/2008 07:39)
Ary raha mitondra ordinateur portable 1 de inona no atao rireto mba tsy handoavana taxe? sa ve tsy maintsy mandoha
19. xxx ( 29/05/2008 07:40)
yonikafopl:

za 1998 niala tany Dago, de 2007 vo niverina tany,
zah Novembre-Decembre 2007 no tany ary 15 avril 2008 tsy nisy an'zany ! vao 1 volana fotsiny zay !


20. xxx ( 29/05/2008 07:43)
xxx:

Ary raha mitondra ordinateur portable 1 de inona no atao rireto mba tsy handoavana taxe? sa ve tsy maintsy mandoha
ny ahy ny ordi portable-ko nataoko anaty poketrako somary lehibebe ihany ! io koh de anisan'fihovana goavana misy ao Ivato ! ny poketra tsy savaina intsony !


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6287