Ny Zafindraony

1. soanja ( 16/01/2008 13:07)
Aiza ao Mada no mba misy tarika mpihira Zafindraony malaza sy azo ifandraisana? sao mba misy mahalala azafady. Na hiram-pivavahana na amin'ny hira amin'ny fiandrasam-paty sy ny hiran-drazana sns ireny dia mety avokoa.

Sao misy mahalala ny niantombohan'ny Zafindraony tao Madagasikara sy ny tantarany. Misaotra mialoha.
2. vale ( 16/01/2008 14:11)
salut,
ny Katôlika no mihira zafindraony
3. xxx ( 16/01/2008 14:19)
Misy propestà koa ka : http://www.dailymotion.com/videos/relevance/search/zafindraony/1
4. bilakarenjy ( 16/01/2008 15:00)
za mahay mihira zafindraony ,fa ampianao kely fotsiny .
Ireo mpivavaka fifohazana ireo koa toa mahay sy manana hira zafindraony bdb .
De ny ankoatr'izay tsy haiko .:-*:-*
5. vale ( 16/01/2008 15:02)
xxx:

Misy propestà koa ka : http://www.dailymotion.com/videos/relevance/search/zafindraony/1
Tsy haiko,hayyy!:lol:


6. vale ( 16/01/2008 15:05)
bilakarenjy:

za mahay mihira zafindraony ,fa ampianao kely fotsiny .
Ireo mpivavaka fifohazana ireo koa toa mahay sy manana hira zafindraony bdb .
De ny ankoatr'izay tsy haiko .:-*:-*
zà ampianaro:-P:lol::-D:-D:-D:-D:-P


7. diamondra27 ( 16/01/2008 16:07)
bilakarenjy: atokisako e, mila ampiana amin'ny feo ve?
8. bilakarenjy ( 16/01/2008 17:13)
tonga de mahay nareo raha vao miaraka mihira eo isika
(vale + diams + soanja + xxx ).

Efa mety ireo ,fa ny feo sisa no atambatra ,de lasa zao .
9. lazounet ( 16/01/2008 18:21)
Ny ahy zafindraony avy any Fandriana (308) no tena fantatro.
10. ikaretsaka ( 16/01/2008 18:41)
Ny hoe Zafindraony aloha dia avy amin'ny hoe Zafin-dRaony...

izany tompokolahy Raony izany hono , araka ny lovan-tsofina henoko... (Cf araka ny filazan' Baigny Dezy) dia sefo koral katesista nalaza tany @ iny faritra vakinankaratra sy avaratr'Ambositra iny tany @ taona 1920-1940 tany ho any.
Voaforona tsy nahy io fomba fihirana io izy fa tsy misy hidiran'ny heo antokom-pivavahana iza sy iza loatra,vokatry ny tsy fisian'ny zava maneno loatra koa moa rehefa manao hiram-pivavahana any(tsisy orga ts'isy harmonia) ka izy no nandrafitra azy voalohany..

nony nandeha ny Fotoana dia lasa hoe zanak'i Raony ilay izy de lasa zafin-draony rehefa nihitatra lasa sefo koral koa ireto zanany (tsy voatery ho zanany fa ny ankizy nampianariny nihira)

fa dia le fihira tsotra izao fotsiny! fa ny anampiako azy kely dia lasa nifangaro @ le fomba fihirana "vokatry ny tany any" e.g: hiragasy, rija betsileo, sy ny fanononana (accent) ilay izy.

Dia lasa standard @ Zafindraony ilay heo "Mifankatiava e 'siake Raolombelona fa iha ro namboatse Anjemanitse ro namboatse"

Dia nihitatra dia azon'ny katolika nony nanomboka nanitatra ny fihiranany ry zareo vokatry ny kaonsily vatikana 2! (fanomezana bebe kokoa ny zavatra vernacular) dia lasa modernized ilay fomba dia lasa niha nalaza dia izao!
lasa ohatran'ny hoe Gregorian, Gospel, negro spiritual sns... dia ny antsika zafindraony!

Jereo ao @ memoiren'ny6 ankizy ao @ Universtite catholique ao Ambatoroka ao fa bedebe no efa nanadihady momban'io!

Raha mitady originalite i Soanja dia iny Fandriana sns ... lazain'i lazounet iny no tena mbola feno ireo "taranaka..zafy.. Draony"
11. tafita ( 16/01/2008 21:46)
Marina tokoa io araka ny tantara , maro no mahay hira zafindraony indrindra ny Betsileo , fa ny an' ny Besileo avaratra mahafinaritra kokoa .
Natao mba hilazana sy hitantarana an-kira ny baiboly matetika ireny , ary ny tena ampiasain' ny olona azy io de @ fiandrasam-paty mandritry ny alina izay mbola tena malaza @ iny faritra Betsileo avaratra iny . Ny Apostoly Soatanana koa dia maro mahay sy mihira zafindraony .....
Isa , isaisain ' A/tra ny andro iainantsika
Roa , roa ny testamenta natao hahasoa
Telo , Intelo lavo Ra Jezo niakatra an-kalivery
Efatra , hafatrafaro ny mpanota hidera an' A/tra
Dimy , Ditran'i Kaina no namonoany ny rahalahiny
Enina , aoka hanenina isika @ ratsy natao
Fito , fito ny sakramenta naorin-dRazezo
Valo , valo ny hasambarana azoko t@ izany
Sivy , sivifolo taona ry olombelona ny andro iainantsika
Folo folo ny didin-Janahary tsy maintsy harahintsika ... Ohatra io an
12. ikaretsaka ( 16/01/2008 22:56)
ka ny soatanana anie betsileo e:-D
sady be dia be @ mpianatr'i Raony no lasa any!

fa ny tsy azoko.. le fampiasaina ilay Razezo sy Ramaria sy razozefa sy Rapiera sy ny sisa ..
betsaka ny tsy tia sy mankasitraka loatra an'io (indrindra rehefa tsy tena zanatany avy any ) nefa de seriny ery rehefa mihira sy mihaino zafindraony nefa izany no fiantsoan'izy ireo azy rehefa @ io!

Tadidiko manko tato t@ tableau vivant zafindraony natao indray mandeha izay !dia tezitra aby ny olona nony tonga ilay mpiventy ilay hira ka nanao hoe
le hoe :

-Ia ro tadiavina?
-Aia Razezo?
-A ro I


13. lazounet ( 17/01/2008 00:59)
ikaretsaka:

-Ia ro tadiavina?
-Aia Razezo?
-A ro I




Marina ny voalazan'iIkaretsaka io hoe misy tsy faly ny ona shefa miventy hoe Razezo, Ramaria,etc..satria misy mandray an'izany ho fanivatsivana fivavahana (indrindra @ firetan-tory @ fahoriana).

Kanefa ny tsara ho fantatra dia matoa ny olona somary familiers @ ireo personnages biblika ireo dia satria mahatsiaro tena hoe akaiky azy ireo izy. Amin-dry zareo dia toy ny olona miar-miaina aminy andavan'andro Razezo sy Razozy etc...

ohatra:

"Tantara marina tao Jodia,
Tao ny mpivady nifankatia,
Tsa iya fa Razozy sy Ramaria,
T@ andron'i aogosto Kaisara,
Razozy mpandrafitsa farafara,
Ramaria virijiny ary be vohoka,
zanak'Andriamanitsa ro tagna-troka"

Notez bien le "Razozy mpandrafitsa farafara,
c'est un détails de la vie quotidienne.

Rehefa milamina aho mbola hametraka zafindraony ihany
sur http://fianarantsoa.c.la
14. soanja ( 17/01/2008 03:08)
Aooooo!!!!! Misaotra indrindra tena ilaiko daholo ireo info rehetra rehetra ireo. Bisous bisous daholo an! Mila mankany Fandriana- Soatanana ary ny faritra Betsileo avaratra zany aho.

Enga anie mba hanana cd amidy ry zareo.

Tohizo hatrany fa mahafinaritra raha mbola misy ho zaraina. Misaotra mialoha Lazounet a!

Nohoa nga ia tsa mba nahalala an'zhao she tagny!!!!
15. soanja ( 17/01/2008 03:09)
Bila> Ndrazo fa refa tonga any aho dia hiaraka hihira aminao na Zafindraony io na tsia! zah vonona be fa ataovy malalaka ny sehatra. :-*:-*:-*:-*
16. niryna ( 17/01/2008 05:43)
ikaretsaka:

Ny hoe Zafindraony aloha dia avy amin'ny hoe Zafin-dRaony...

izany tompokolahy Raony izany hono , araka ny lovan-tsofina henoko... (Cf araka ny filazan' Baigny Dezy) dia sefo koral katesista nalaza tany @ iny faritra vakinankaratra sy avaratr'Ambositra iny tany @ taona 1920-1940 tany ho any.
Voaforona tsy nahy io fomba fihirana io izy fa tsy misy hidiran'ny heo antokom-pivavahana iza sy iza loatra,vokatry ny tsy fisian'ny zava maneno loatra koa moa rehefa manao hiram-pivavahana any(tsisy orga ts'isy harmonia) ka izy no nandrafitra azy voalohany..

nony nandeha ny Fotoana dia lasa hoe zanak'i Raony ilay izy de lasa zafin-draony rehefa nihitatra lasa sefo koral koa ireto zanany (tsy voatery ho zanany fa ny ankizy nampianariny nihira)

fa dia le fihira tsotra izao fotsiny! fa ny anampiako azy kely dia lasa nifangaro @ le fomba fihirana "vokatry ny tany any" e.g: hiragasy, rija betsileo, sy ny fanononana (accent) ilay izy.

Dia lasa standard @ Zafindraony ilay heo "Mifankatiava e 'siake Raolombelona fa iha ro namboatse Anjemanitse ro namboatse"

Dia nihitatra dia azon'ny katolika nony nanomboka nanitatra ny fihiranany ry zareo vokatry ny kaonsily vatikana 2! (fanomezana bebe kokoa ny zavatra vernacular) dia lasa modernized ilay fomba dia lasa niha nalaza dia izao!
lasa ohatran'ny hoe Gregorian, Gospel, negro spiritual sns... dia ny antsika zafindraony!

Jereo ao @ memoiren'ny6 ankizy ao @ Universtite catholique ao Ambatoroka ao fa bedebe no efa nanadihady momban'io!

Raha mitady originalite i Soanja dia iny Fandriana sns ... lazain'i lazounet iny no tena mbola feno ireo "taranaka..zafy.. Draony"



misaotra ika sy tafita.Ilay hira mitarozaka be ireny ve izany zafindraony izany?
17. bilakarenjy ( 17/01/2008 10:13)
Nisy fampisehoana nataonay izay tany @ iny ilany atsimo manakaiky an'ny Fandriana iny ,somary ambanivohitra ilay toerana sady tsy misy rian'aratra tao .
De efa nentina daholo ny fitaovana rehetra @ fampisehoana .
Nomanina ny sehatra dia niandry ny fotoana hanomboka ,kanjo nanomboka 38mn teo ny fety dia tsy nandeha intsony ilay groupe .Nanamboatra teo ny teknisiana ,fa tsy tafa ilay groupe . Soa fa nitondra gitara tsotra (2) sy angorodao miampy ny aponga maroanaka ,fa ny sisa dia nampirimina .
Teo no nanomboka ary revy .Tany za vao nahita izany hoe :mandihy tsy @ aponga ,fa revy ZAFINDRAONY no nandaniana ny fotoana ,fa masaka be .
Niova daholo ny filatron'ireo hira ,nanaovan-dry zareo mpihira zafindraony azy .
Sady mitehaka no mandihy ry zareo miaraka @ ilay be lamba .Fa napetraka ny zava-maneno nony farany e!
Ny tantarany aloha tsy haiko ,fa tiako le hira zafindraony e!.

soanja > ataontsika masaka be ,sady mino za ,fa manana feo manokana ianao matoa mankasitraka hira .

Asa ity hiran-dry zalahy ity na tafiditra ao anatin'ny zafindraony aloha fa http://bilakarenjy.multiply.com/music/item/271/SOUTH_AFRICA_ZOULOU_BANDS_-_Shosholoza_
,fa misy nohavaozin-dry zareo ny hira sasany ao .

18. lazounet ( 17/01/2008 10:54)
niryna a!

Ny hira zafindRaony dia tsy voatery mitarazoka. Je comparerais son etat d'esprit au Spirituals des afro-americain du 17 18 19 siècle ou meme avant.
19. bilakarenjy ( 17/01/2008 11:20)
Notsoahiko ny sasany @ ilay hira ao anatin'io jereo eto eo ambony io ,fa nafindrako ato daholo ,de http://bilakarenjy.multiply.com/music/item/316/LADYSMITH_BLACK_MAMBAZO_ indray .
20. ikaretsaka ( 17/01/2008 18:15)
soanja> ilay hira hoe "Ry Tompo A/tra Andriananahary" (inoako fa familier aminao raha mahay hira masina katolika ianao)
sy i "miantso anao"
dia i Raony hono no nandrafitra azy!
fa @ izao mao efa modernized ilay izy fa raha tsy tadidy ny feony dia jereo ao @ katolika.org ao (Hira azo henoina..ankalazao)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2648