andevo/andriana

1. ftma ( 19/09/2007 10:18)
Maninona kay ny olona mbola milaza hoe rehefa mainty dia andevo? ? mba ovay ihany ny toe-tsaina fa efa nilaozan'ny toetr'andro izany
novalian'i miraymel ny 26/11/2007 06:46
2. booboo ( 19/09/2007 10:33)
Satria tsy mahay sy tsy maharaka n'inona² ny oul mpiteny tahaka izany.

Omena lay tsiky somary maneso izy dia valiana hoe " hanky va re ? " :°)....
3. boubounezy ( 19/09/2007 10:46)
ftma lé mpiteny andevo sy andrina reny mintsy @ko no tena andévoziny sainy. ka ra za atao anizany d ozy za wé miverena tany @ androny esclavage d ho ainy wé iza marina lé ndévo.:evil:
4. ftma ( 19/09/2007 10:51)
booboo ny mahagaga olona milaza mahay azy no miteny izany ko, mampalahelo
boubounezy: tena marina izany, ireny no tena raciste manavakavam-bolo-koditra
5. cutie ( 19/09/2007 11:02)
ftma
tsy ampy fahalalana sy ambany toe-tsaina ny oul manao an'zany , sady oul complexe koa ( misy accent )
no tsy ampy fitia :-D:-D:-D:-D
6. booboo ( 19/09/2007 11:05)
Cutie > manky visy zany raha fehezina ? hihihhihi
7. xxx ( 19/09/2007 11:10)
ftma slt olona avy ao nice enao eh! ohatran' ny olona haiko
8. mandrindra ( 19/09/2007 11:11)
misy karazany roa ny olona mteny an'ireny.

ny voalohany dio voalaza io ambony io, complexé, izany hoe izay sisa no mba hany heriny dia io no dradrainy.

ny faharoa kosa dia filazana fiavina. matetika ity andiany faharoa dia discret kokoa amin'io dinika io.


9. ftma ( 19/09/2007 11:43)
xxx: aza manao xxx raha manontany e
Mitovy ny nanaovan'Andriamanitra antsika rehetra ka na mainty na fotsy na mahatra na manakarena, na tsara tarehy na ratsy tarehy na sola na kilemaina dia izay no nanaovan'Andriamanitra azy.
ilay olona niteny an'io izany tafiditra @ ilay voalohany nolazain'i mandrindra io fa toa vazavazany etsy sy eroa io manandevo olona io :wink:
10. diamondra27 ( 19/09/2007 12:04)
tena efa handeha hiasa vao hitako ty

refa aveo za miverina fa arosoy alou ze azonareo aroso:lol:

ho avy eo ny andriana:-P:-P refa avy miasa:oops::oops:
11. xxx ( 19/09/2007 12:10)
ftma:

Maninona kay ny olona mbola milaza hoe rehefa mainty dia andevo? ? mba ovay ihany ny toe-tsaina fa efa nilaozan'ny toetr'andro izany


Dia arakaraky ny fandraisana azy koa ka .Nahoana no misy misendaotra na tsy faly raha misy miteny hoe rehefa mainty dia andevo ? Satria misy zavatra eritreretiny momba ny hoe andevo, izany hoe aminy tsy marina ny hoe na andevo na andriana dia samy olombelona

somary philosophique kely ilay fanazavàna ka asa raha tafita
12. hery ( 19/09/2007 12:19)
marina io lazain'i xxx io

Rehefa tsy ivakiana loha zany resaka zany dia tsisy dikany akory.

Raha itarina mantsy dia nisy koa ny andevo fotsy, nisy ireo andriana navarina ho andevo, nisy ny andriana mainty sns...
Ka raha sanatria mbola misy andriana sy andevo dia tsy ny volon-koditra intsony no hamantarana azy.

13. Jeankely ( 19/09/2007 12:34)
Ny Resaka andriana sy andevo tsy mety ho tapitra fa mody tsy resahina na tsy vakiana loha fotsiny. Na hararirary eo aza tsy mahafoana ny fisainan'ny olona izany. Ny atao hoe sain'andevo dia ny olona manaonao foana, mandanilany foana tsy mitsinjo ny ho avy ary tsy mbola afaka ny fitenenana hoe ANDEVOLAHY MAHITA FOTSIM-BARY. Aokoa ny manao fomban'ANDEVO hoy ny fitenenana. Revin'alika dikany fa tsy hoe ilay olona no andevo. Na ny samy mainty aza indraindray mifampiteny hoe ball n'ny andevo ity eeee=))=)). Rehefa misaina tsara ary mahavita tsara dia mahazo ny ANDRIAMATOA na iza na iza. Tsy afaka io na ahoana na ahoana satria ny marina dia misy ny taranak'andriana ary misy ny taranak'andevo. Tsy misy azo hitsoahana izany.
14. Kwasi ( 19/09/2007 12:52)
ftma:

Maninona kay ny olona mbola milaza hoe rehefa mainty dia andevo? ? mba ovay ihany ny toe-tsaina fa efa nilaozan'ny toetr'andro izany


Izay no nampianarina azy.


15. ftma ( 19/09/2007 12:53)
.Nahoana no misy misendaotra na tsy faly raha misy miteny hoe rehefa mainty dia andevo ?
xxx tsy misendaotra na tsy faly, fa mba milaza fontsiny ny olona mbola manao izany hoe hovaina ny toe-tsaina fa efa nilaozan'ny toetr'andro izany
Izaho nahazo izay teny izay aloha tsy mivaky loha, fa ilay niteny izany no tokony mba hieritreritra
16. diamondra27 ( 19/09/2007 14:15)
ka fantan'ny ze miteny aza ve ny dikan'ny le andevo sa de fanavakavahana fotsiny satria mainty le olona.

raha olona efa lehibe ka nahalala ny tantara gasy sy nandia fianarana de tokony hahalala we: inona no atao we andevo na andriana na hova na mpanjaka, tangalamena sns...De tena marina mihintsy le voalazan'i kwasi we: zay no nampianarina azy sy nanabeazana azy zany.

de toute façon alohan'ny hitenenana zavatra iray de tokony handinika we: inona ny tokony fiatraikan'ity zavatra lazaina ity fa tsy miteniteny foana.









17. xxx ( 19/09/2007 15:44)
aiza aza i f.... amizao fa izy no spécialiste amin'io resaka io :°):-D
18. soanja ( 20/09/2007 00:12)
Ilaina ny fijerena ny fiainana amin'ny lafiny rehetra.

Misy tokoa ny olona manonona ny resaka toy izany miaraka amin'ny fanambaniana ny hafa. Indrindra ka sahy milaza ny hafa ho andevo nefa tsy fantany izay fiavian'ilay olona. toetran'olona sasany tokoa izany ary fahalemana saingy atao akory fa izay ny momba azy.

Tsy hitako anefa ny olana mipetraka ho an'ireo olona izay mikatsaka sy te hahalala kokoa ny fiaviany sy ny momba azy. Anisan'ny soa tiavina eo anivon'ny fianakaviany izany ohatra.

Miankina amin'ny fivelaran'ny sain'ny tsirairay mandray azy sy mihaino izany no mety antony hampisy olana na tsia.
Raha miteny ny ao Frantsa hoe izahay taranak'ianina avy any anannn ary nanjaka tao anann ka raha tsy mandainga izy de tsy tokony hisy ny olana.

Misaotra antsika namaky.

19. cutie ( 20/09/2007 00:21)
Misy tokoa ny olona manonona ny resaka toy izany miaraka amin'ny fanambaniana ny hafa. Indrindra ka sahy milaza ny hafa ho andevo nefa tsy fantany izay fiavian'ilay olona. toetran'olona sasany tokoa izany ary fahalemana saingy atao akory fa izay ny momba azy.

ka ny fahitana azy eto raha io de fanaratsiana oul tsotra izao fotsiny .
In nefa ny antony???
complexe ngamba
20. soanja ( 20/09/2007 02:00)
Tena misy tokoa ny olona manambany olona sy manavakavaka ny hafa ary mihevitra ny tenany ho faratampony. Na ara-tsosialy, na fivavahana/finoana sns...
Fahalemena mihitsy izany saingy raha ianao no tohina ka mi-react (negative) amin'izany dia fahalemena koa izany satria mila fantarina ny samy olombelona.
Araka ny voalazan'i booboo hoe imehezo fotsiny ilay olona satria zavatra toy izany na resaka toy izany dia tsy tokony handaniana energy.
Ny mahaianao ianao dia tsy ho voatohitohin'izay fahalemen'ny hafa.
Matanjaha lalandava eo amin'ny fiainana fa mbola lavitra ny lalantsika!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.54