andevo/andriana

41. Fiffi ( 23/09/2007 18:58)
Herimiafina:

Izany hoe nasisika tao andoha mihintsy ny hoe ratsy ny mainty ary ny fotsy no tsara. Iza no responsable? Anontanio i Chirac sy Sarkozy! :-D
:roll: nga kosa akia de avy am-zareo io ?


42. Herimiafina ( 24/09/2007 03:08)
Tsy nilaza mihintsy aho hoe izy ireo no resaponsable fa niteny fotsiny hoe hanontanio izy ireo satria izy no manohana ny lazainy hoe les effets positifs de la colonisation! :-D
43. Fiffi ( 24/09/2007 20:22)
de ny colonisation ve no nahatonga an'io ?
44. ambibao ( 25/09/2007 04:28)
mahagaga @ isika malagasy, efa miresaka (mifosa) @ namana iray ka mainty noho ny tena ny lokon'oditra dia lazaina fa andevo e ! kanefa ny tena mba manana kilema koa (mety matavy b, b taona sns...), d manandevodevo ol, ny fialonana no mahatonga an'io satria mahatsapa fa resin'ilay ol aratsiana @ faliny aran-tsaina d manao devoly saina
45. Jeankely ( 25/09/2007 04:46)
Amiko tsy misy olana mihintsy ny filazana na firesahana hoe andevo ambadika. Ny filazana mivantana kosa dia ahitana angano ary aza gaga raha voatsatoka antsy satria tsy andevonao ilay olona. Na olona Jamba, Gilamaso, sy ny kilema rehetra aza samy hiarahana mahita saingy tsy ilaina tenenina hoe ilay kapila ity na ilay gilamaso ity. Ny firesahana kosa fa fotsy Andriana ary Mainty andevo DISO TANTERAKA. Misy ny fotsy vendrana, tsy mahay ary na ny mpivarotena aza tsy mainty avokoa. Misy ny Mainty donto. Noho izany rehefa miezaka ianao ka manana ny maha-izy anao nefa mbola tsikafonina amin'ny maha-andriana na maha andevo dia mitady fifamonoana izany. Efa nahita mpisipa niafamaly aho tany Dago ary hoy ilay iray hoe efa lanin'ny andevo izany ny mofonao rehfa nanandevo ny iray.
46. Herimiafina ( 26/09/2007 20:33)
Aza mba manambany oona izany mihintsy ry zareo fa tena simba anie ny Karma-nareo e! :-D:^)
47. Jeankely ( 28/09/2007 12:53)
Tena tsy mety ny manambany olona fa rehefa diso misolelaka ataon'ny olona mahamay ary teneniny izay tandrify ny vavany.
48. fasaly ( 01/10/2007 15:28)
amiko tsy resaka copmleksé izany ilay olona niteny ani'o fa olona tia hanambany tsotra izao sy haratsiandoha fotsiny......hipitsio fa lolo
49. radjery ( 01/10/2007 18:41)
:-D:-D
50. sasa ( 02/10/2007 04:27)
hipitsio marina fa lolo
51. andryrabe ( 02/10/2007 06:14)
:-D:-D:-D
Hipitsio fa lolo eeee. hi hi hi hi hi
iza no lolo? ndri sa nde, sa le miteny?
52. sarobidy ( 02/10/2007 06:34)
andryrabe: :-D :-D, io io io fa itako
53. tess ( 02/10/2007 08:17)
:-D
54. diamondra27 ( 02/10/2007 09:16)
lolo vokatra ve?
55. sasa ( 02/10/2007 10:50)
lolo-paty :-D:-D:-D
56. Fiffi ( 02/10/2007 19:36)
:-D:-D
57. sasa ( 03/10/2007 05:08)
lolom-boasary e!=))
58. bilakarenjy ( 03/10/2007 07:54)
ny andriana sy ny andevo dia natao tsy hifampisaraka.Tsy manakasina ny andriana raha tsy misy andevo , ary toy izany koa ny andevo raha tsy misy andriana t@ andro nisiany voalohany .
Ny andriana no tena manao ny raharaha rehetra sy manantanteraka ny tokony hatao ,fa ny andevo kosa de manampy sy manohana ary tsy manary ny andriana mihitsy ,raha sendra misy tsy fahavitan'ny andriana ny zavatra ataony dia ny andevo no tena manampy be azy .Tsy hoe : mpiasa akory ny andevo t@ izany fa tena namana sy sakaizan'ny andriana mihitsy .Tsy mivadika @ andriana mihitsy ny andevony ary samy mifanaja izy roa ireo .
Ny andevo no tena mahalala ny zava-miafin'ny andriana ary itokisan'ny andriana tanteraka noho ny vadiny aza .
Fa nony tonga ny fanjanahan-tany ka hitan'ireo mpanjanaka io fifampitondrana misy eo @ andriana sy andevo io de nohararaotiny sy namoronan'ireo mpanjanaka hevitra hafa ka dia io izy nivadika be io mihitsy sady lasa ratsy be ny fiantraikany ..
De lasa narahin'ny malagasy io hevitra nampidirin'ny mpanjanaka io nony taty aoriana .
Mampalahelo be ,fa rava ilay fifankatiavana sy fifampitondrana mahafinaritra taloha nisy teo @ andriana sy andevo vokatry ny fisainan'ireo mpanjanaka (.......)sy ireo voavidy vola .

59. Jeankely ( 03/10/2007 09:07)
Misy rirany kely marina fa tsy ampy tanteraka. Ny Mpanjaka, Andriana ary Andevo dia tsy i Madagasikara irery no nanana izany rafitra izany. Raha ara-tatara aza dia tena anisany gisitra ny fivoarana nisy sy niainan'i Madagasikara ary hita taratra hatramin'izao laharana misy azy izao izany. Ny olona rehetra taranaky ny Mpanjaka aty Asia izay mba nolalovako dia tezitra ary tsy nankasitraka ny fanjanahantany satria rava ny lazainy hoe culture izay resahan'io namana ambany io. Ny fanjanahantany nilaza fa samy olombelona ary afaka mianatra sy mihitatra ny Andevo. Nolazaina moa fa samy zanak'Andriamatra ka tsy tokony hifanandevo. Raha ny tian'ny Andriana dia izy hijanona Andriana ary ny Andevo mijanona ho izay. Lalina io satria tena misy ny Andriana Vendrana. Tsy ny Malagasy no teneniko Andriana Vendrana io fa ny fifametsifetsena sy fitaka nifanaovan'ny Mpanjaka taty Asia. Ohatra amin'izany ny tantaran'i Malaysia sy Indonesia ary Thailand. Rehefa resaka Andriana tsy Madagasikara ihany ary ny olan'ny fanjanahantany saika mitovy. Ny zavatra hita aty Asia kosa raha mandehandeha dia tsy rava ny fomba amampanaondreo. Ny an'ny Malagsy moa dia izay tsy mahay tenin'ny mpanjanantany tsy olona ary tsy tokony hajaina hoy ny sasany. Mbola tena voazanaka ny Malagsy fa tsy fantany.
60. soanja ( 03/10/2007 23:48)
Amin'izao angamba amiko de tsy ny olana amin'ny eritreritry ny hafa hoe iza no Andriana sy Andevo , ny zanahina sy ny tsy zanahina no olana fa hoe ahoana ny fanafahana ny olombelona amin'ny olana mianjady aminy ao anaty tontolo iainany satria rehefa dinihina dia io no manandevo antsika rehetra na arabatana, na ara-tsaina na ara-panahy.
Ohatra iray ny vola , ny vola.....
Ny gasy aza mbola azoko lazaina fa tsy voageja loatra raha io fa ny vazaha dia tena ao anaty fanompoana tanteraka.

Koa dia asakasik'izay mihevitra ny tenany ho ambany/ambony fa amiko dia ny fanafahana dia tsy avy amin'ny hafa intsony fa avy aminao ao anaty.:-*:-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1403