andevo/andriana

21. ikaretsaka ( 20/09/2007 02:25)
amiko ny fihetsiny sy ny fisainany no ahalalana azy
22. sasa ( 20/09/2007 04:48)
ary za androany vao nahita an'ity!
za aloha tsy d manana ambara firy fa amiko na mainty na fotsy samy olombelona daholo ka tokony hifanaja, raha tam fahampanjaka mantsy d hafa mintsy ny dikan'zany andevo izany, ary marina be io voalazan'ny hery io, efa tsy tokony hiseho intsony izany zavatra izany amzao efa andron'ny fivoarana izao, mila ovaina kely ny toetsaina
23. Jeankely ( 20/09/2007 07:12)
Tsy ny volonkoditra no atao hoe andevo matetika rehefa miteny. Na sahala ny inona ny lokon'ny hoditra dia fiteny ny hoe AZA MANAO FOMBAN'ANDEVO. Tsisy milaza mihintsy hoe fomban'ny mainty izany. azo hampiarina foana ireo satria tsy i Madagasikara ihany no nanana andevo ary tsy mainty ny andevo Sinoa, na vazaha tamin'ny androny. Tena misy ny taranaka mandova ny Rova ary isaky ny misy filazana manjo mipetraka ny hoe ANDRIMBAVY sy ANDRIANDAHY fa tsy misy hoe ANDEVOLAHY na ANDEVOVAVY misoratra. Tsy miala io ary raha mivady aza ny samihafa dia mipoitra io rehefa tonga ny tsy fifanarahana.
24. mbaliana ( 20/09/2007 08:45)
Maninona kay ny olona mbola milaza hoe rehefa mainty dia andevo?


complexé ny olon miteny an'io.. tehanambony tena nefa tsy afaka manoatra dia io no analana vokona....

25. Jeankely ( 20/09/2007 09:03)
Tsy olona tsy mahita avokona izany no miresaka an'io. Izaho manokana aloha dia tsy menatra ny miteny hoe tsy andriana. Fa mpampianatra eny amin'ny Université Malagasy ary anisany manana diplome ambony amin'ny Economie, efa ex-Ministre, tsy teneniko ny anarany fa miresaka io andriana sy andevo io foana. Rehefa manoratra koa izy dia mipetraka tsara ny sorotra mahandriana azy. Tsy azonao sakanana amin'izany mihintsy izy. Ny olona tsotra miresaka izany moa dia azy ny azy. Fa ny tiako lazaina hoe olona ambony maro no mivoy an'io.
26. dadie ( 20/09/2007 16:27)
za dray alo ry reto d tena tsy voako io fanavakavahana volonkoditra io zany no mahatonga ahy tam fiaonana nisafidy ity hira ity (jereo ny tonokira ze voasoratra eo am klipa
klikeo ny lien eo ambany:-*

http://www.dailymotion.com/video/x2m0x1_ry-namana_parties
27. ftma ( 20/09/2007 17:41)
misaotra copine :-*
28. aloalo ( 20/09/2007 18:59)
Tsy ny lokon'hoditra no maha andevo ny oul fa ny toe-tsaina e !!!
29. Herimiafina ( 21/09/2007 03:47)
Ary inona kay ny atao hoe minorité visible e? :roll:
30. Jeankely ( 21/09/2007 04:52)
Vao voafidy Maire ny Filoha ankehitriny dia hoy ny Maire niala hoe soa ary tsara satria Andriana sahala ahy no nahazo indray ny toerana. Izay moa no fandikako ny teniny. Ministre efa niala milaza ho andriana ary tena manambany olona. Ny securite miazakazaka amin'ny tohatra ary izy mandeha "Lift" satria tsy tokony hiray ao ny andriana sy andevo. Maro be ary tena mivoy anio Antananarivo. Izany no anisany manahirana ny fijerin'ny olona @ faritany azy. Misy Mpanjaka sy ny taranany any amin'ny faritany fa tsy fotsy nefa izay mainty voakilasy andevo ao Antananarivo. Mody hoe tsy resahina io fa tsy miala izany.
31. boubounezy ( 21/09/2007 08:39)
za alou tena tsy voako lé mifanandriana sy mifanandevo fa ny anah arahiko @ zé fiarahako @ namako iany no ataoko ohatra zareo manao loanandévo zay tsy aiko lotrana ny dikany!! dé manao kou za miaraka @zareo, oatra ndray zareo manao loanandriana d manao zany miaraka @ zareo kou za. ataoko zé tsy aniliany anah ho andevo na anilihana anah ho andriana. zany wé 4x4 fona n'aiza aléanao passe partout, mis'adapte @ zavamiséo sy ny zavamisy, zay ny fiarahako @ namako na havako fona hatramizay fa refa tena trop tsy azo ékéna d tsy ékeko.satry ny oull retra mahay zany tortra zany dôly na toetra andevo na toetra andriana zay tsy d itako lotra ny tena ifandraisany @ volonkoditra ra mandinika lalina aho:-*
32. mbaliana ( 21/09/2007 08:48)
Jeankely> dia mba ahona no réaction anao amin'izany????

Tsy olona tsy mahita avokona izany no miresaka an'io
. eny fa na dia manam-pahefana aza le olona miteny an'io dia zany hoe mbola tsy ampy azy ny fahefana eo am-pelantanany fa te ho hanjakazaka mihitsy izy...ho toy ny mpanjaka na andriana le fihevitra taloha io e, hoe na iza na iza ianao dia za no mibaiko anao...
Tsy mila soritana na definisser-na foana io raha mari-pototra ny fijoroany saingy efa hita fa mihozongozona dia amafisina foana...
33. Jeankely ( 21/09/2007 09:21)
Ny réaction-ko tsisy. Rehefa tia ho andriana izy dia tsy mahavery ariary ahy raha misolelaka aminy aho na mandohalika aminy dia arak'izany fa mahazo milaza izay lazainy izy. Raha mitady ahy kosa izy dia mba anjarako indray no manontany azy. Rehefa manana ny maha izy azy ny olona tsy afaka tenitenenina. Mila miezaka izany rehefa tsy tia andevozin'ny olona.
34. Herimiafina ( 21/09/2007 16:23)
Miankina amin'ny fahalalanao ny tenanao ihany io.
Rehefa ianao no mahatsiaro ny tenanao ho tsisy dikany sy ambany sns dia norma be raha manao toa izany anao koa ny olona. :^):@
35. naughtyboy ( 21/09/2007 20:29)
fanotaniana ,ny oul te handevo aratsaina ny hafa no mivoy zany n'aiza na aiza fa mifanetana @ zany toko v ny maha oul azy?
36. lanto ( 23/09/2007 07:05)
Tandremo fa any am faritra hafa dia mahamenatra indray ilay fotsifotsy fa toa hoe taranaky ny andevo nitsoaka avy any tary no noraisin'ny mponina tary ....Sady amin'izao andro izao ve ry zareo azonareo itokiana fa tsy mifangaro ao aminao ny andriana sy andevo, fa ireo olona novadian'ny iray tampo sy ny havanao, ireo havamalalanao ireo dia tsy misy taranaka andevo...Dia sahinao hantsoina ho andevo ve izy ireo ?
37. xxx ( 23/09/2007 07:12)
Zay mbola manana toe-tsaina manavakavaka ohatr'izay dia resin'i dadabeanay sy dadan'i dadabeanay mihitsy aza :
- i dadan'i dadabe nanao fasana mitokona ary nanambara fa io fasana io dia azon'ny andevon'ny tena idirana fa tsy an'ny olona.
- i dadabe nanao fasana manokana fa tsy mbola ampy azy ilay teo aloha : azon'ny rehetra idirana rehefa taranany, satria hoy izy handehandeha ianareo zanako ary tsy fantatro izay olona ho tianareo sy halainareo vady any, tsy tiako ho very ny taranako. Ary dia tsisy fanavahana tokoa hatramin'izao izay fihaviana rehefa misy te hanambady ao am fianakaviana.
38. Herimiafina ( 23/09/2007 17:54)
Misy antony ny fanavakavahana fa jereo tsara.
Amiko dia zavatra efa nisy fahiny ihany saingy ny fanjanahantany no tena nampirongatra azy amin'izay mizarazara tsara azo hanjakana! :^)

Dia eo koa moa ny atao hoe culte du blanc, izany hoe ny fotsy foana no tsara. Jereo ry Mikael Jackson, jereo ny salon de coiffure afrikana fa fanatsorambolo sy fanafotsifotsina hoditra avokoa no betsaka....

Izany hoe nasisika tao andoha mihintsy ny hoe ratsy ny mainty ary ny fotsy no tsara. Iza no responsable? Anontanio i Chirac sy Sarkozy! :-D
39. Fiffi ( 23/09/2007 18:00)
xxx:

Dia arakaraky ny fandraisana azy koa ka .Nahoana no misy misendaotra na tsy faly raha misy miteny hoe rehefa mainty dia andevo ? Satria misy zavatra eritreretiny momba ny hoe andevo, izany hoe aminy tsy marina ny hoe na andevo na andriana dia samy olombelona

somary philosophique kely ilay fanazavàna ka asa raha tafita
tena marina io lazain'xxx io....heu....na izany aza , asa rahoviana no ho afaka io ? :roll::roll: na ny esclave moderne aza mbola misy foana hatram-zao.....


40. Herimiafina ( 23/09/2007 18:03)
Ny fahitako azy dia tsy ho afaka mihintsy io satria toetra anaty manaraka ny olombelona! :roll:

Jereo tsara, foronina daholo ny antony hifanavahana rehetra: volonkoditra, harena, finoana, sns.:^)

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3106