andevo/andriana

61. Jeankely ( 04/10/2007 01:00)
Ny fahafahana avy aminao ao anaty hoy Soanja. Marina io raha resaka fanamboarana ny maha izy anao (personalité) saingy miaina ao anaty fiarahamonina ianao ka tsy azonao hialana ny zava-misy ao anatin'izany. Ohatra: Rehefa miditra Birao ianao dia voahaja raha mitafy mihaja tsy mbola mijery hoe iza na iza ilay olona. Ka na avobe mihoatra ilay iray io aza ianao dia tsy ahazo haja eo. Noho izany miankina aminao na hanoy ny fombana miaina tsotra ary miaraka @ fahaizanao ianao na hanaraka fa ilaina ny mahay sady mahay mitafy mihaja. Ohatra tsotra kely io fa ny resaka andriana sy andevo dia ny fiaraha-monina Malagasy ao Antananarivo no misy hoe Mainty andevo ary Fotsy Andriana. Na tsy andriana aza dia mihevitra ny tenany ho izay rehefa mazava fihodirana. Ny Mpanjakan'i Malaysia izao tsy fotsibe nefa ny Malaysian mifangarobe ny volonkodiny ary misy tena fotsibe, misy sahala ny Chinese ary ny sasany moa dia tena Indian sy Chinese valovotaka. Ny fiarahamonina no mivoy anio fa anjaranao ny miezaka mampiseo ny maha ianao anao.
62. soanja ( 04/10/2007 04:22)
Jeankely:

Ny fahafahana avy aminao ao anaty hoy Soanja. Marina io raha resaka fanamboarana ny maha izy anao (personalité) saingy miaina ao anaty fiarahamonina ianao ka tsy azonao hialana ny zava-misy ao anatin'izany. Ohatra: Rehefa miditra Birao ianao dia voahaja raha mitafy mihaja tsy mbola mijery hoe iza na iza ilay olona. Ka na avobe mihoatra ilay iray io aza ianao dia tsy ahazo haja eo. Noho izany miankina aminao na hanoy ny fombana miaina tsotra ary miaraka @ fahaizanao ianao na hanaraka fa ilaina ny mahay sady mahay mitafy mihaja. Ohatra tsotra kely io fa ny resaka andriana sy andevo dia ny fiaraha-monina Malagasy ao Antananarivo no misy hoe Mainty andevo ary Fotsy Andriana. Na tsy andriana aza dia mihevitra ny tenany ho izay rehefa mazava fihodirana. Ny Mpanjakan'i Malaysia izao tsy fotsibe nefa ny Malaysian mifangarobe ny volonkodiny ary misy tena fotsibe, misy sahala ny Chinese ary ny sasany moa dia tena Indian sy Chinese valovotaka. Ny fiarahamonina no mivoy anio fa anjaranao ny miezaka mampiseo ny maha ianao anao.


Mahafaly ahy ny zavatra resahin'i Jeankely farany. :-*:-*
Marina ny zavatra teneninao ry Jeankely fa izay no zavatra efa nodinihin'ny filozofy be dia be efa elabe hoe isika dia biby manoloana ny fiarahamonina. Tsy manana ny mahaizy antsika fa efa napetraky na nofaritan'ny fiarahamonina ny fiainantsika.
Ilaina anefa izany satria raha samy olombelona no manao izay tiany atao koa dia angamba hifandevim-belona isika mianakavy samy olombelona.
Fa ny tiako tenenina ary ambony ry JK dia ny tontolo iainana no manandevo antsika, zany hoe tsy manana ny hazondamosintsika intsony isika fa dia io manoloana anao ohatra dezera dia tsy afamanoatra ianao fa miaina ao anatiny. Ao anaty toerana feno olona mivezivezy ianao sy manimba tontolo iainana dia tsy manana safidy ianao fa miaina io toerana lotoviny sy hitsakitsahiny tsy asiany haja io satria arakaraky ny hanimbany azy dia miakatra ny volany any amin'ny bankiny.
Ny tiako resahina dia mizotra amin'ny fanapotehana ny mahaolombelona azy nipetraka tamin'ity tany mahafinaritra nitaiza sy niaro antsika ity isika noho ny vola.
Anjarantsika no mahalala hoe iza avy no andevo amin'izany!


63. andryrabe ( 04/10/2007 13:40)
sarobidy....io koa ianao fa hitakooooooo.
solon'i dada hono manome gouter hoy ikalakely ry.
hi hi hi
64. bilakarenjy ( 04/10/2007 15:32)
Ny Fikambanana TARANAKA ANDRIANA MIRAY ETO MADAGASIKARA (TAMIMA) dia manasa ny Fikambanana rehetra mpikambanana ao aminy,

amin'ny FAMELABELARAN-KEVITRA mitondra ny lohateny hoe:

NY HASIN'ANDRIANA,
Mpandahateny: Mpitandrina Tolotra RATEFY,
ao amin' ny LA RESIDENCE, ANKERANA, Antananarivo,
Ny ASABOTSY 08 SEPTAMBRA 2007
amin'ny 03 Tolakandro.


Efa tara za vao nahita ity filazana ity ,fa ilay razoky be io zao no tena mahita ny ahavaly ity resaka sy dinika ity .
65. Fiffi ( 04/10/2007 16:08)
iza zany ? zambà ve ? :-D:-D:-D
66. bilakarenjy ( 04/10/2007 16:52)
tsy azoko, ry Fiffi
67. Fiffi ( 05/10/2007 11:52)
iza le razoky be ?:roll:
68. bilakarenjy ( 07/10/2007 03:54)
ilay Mpitandrina Tolotra Ratefy voasoratra eo io ka !
69. Herimiafina ( 07/10/2007 19:26)
Tsy voavaliny io kah, ny azy ny maha-andriana no tena hainy fa ny manavaka mety tsy ho hainy.

Ary rariny ny azy satria dia enjehina lava matetika koa ny azy. Efa tamin'ny fanjanahantany no nalaza ohatra ny programme goavana brassage de race, sns.

Ka rehefa attaker-na ohatr'izany ianao nefa ianao mbola tsy nanambany akory dia rariny raha mamorona akorandrika amin'izay izy. :^):@
70. Jeankely ( 08/10/2007 07:33)
Ny Andriana aleo hijanona ho Andriana fa tsisy olana ary tsy misy tokony hidarofana azy. Ny taranak'izay tsy Andriana dia anjarany ny miezaka ho lasa alavitra. Samy atidoha no miasa ary afaka maneho tsara izy fa manandoha mioatra lavitra noho ny Andriana ara-tantara. Ny fiainanao izao no jerena fa tsy ny revin'i Dadabe sy Nenibe. Rehefa mbola donto ianao izao dia tsy maintsy mahazo mahamay.
71. niainalynx ( 10/10/2007 10:53)
matoa mbola hindraindraina mandraka androany ny hoe andriana e taranak'andriana e sy ny toy izany dia tsotra ny dikany : tsy zakan'dry zareo mihevitra ny tenany ho taranakolona ambony ireo ny mahita sy mahare fa misy taranak'olona izay heverindry zareo ho ambany mitovy fahaizana na mihoatra noho ny fahaizany aza ka mety hitondra firenena sy ny toy izany. Jereo ny tantaran'ny amerikana fa noheverina ho ambany foana ny black kanefa misy lasa ambony . Jereo koa ny tantaran'i Hitler : mihevitra ny tenany ho race pure dia nankahala ny Jiosy satria ny Jiosy no maranitsaina indrindra eto ambonin'ny tany satria taranaka voafidin'Andriamanitra ! Ny andriana dia mihevitra hoe tokony ho andry zareo foana ny fitondrana sy ny fifehezana ny tany amamonina ; kanefa tsy izany tsony zao fa zay tian'ny vahoaka ihany io sy izay mahakarakara ny vahoaka sy mahatanteraka ny filany no tadiavin'ny olona ! Dia izay no mahatonga ny tany amerika raha vao misy black mirotsaka ho kandidà am fifidianana dia "éliminéna" ! Jereo koa tam Sarkozy nirotsaka fa nisy namongatra hatramin'ny fihaviany hoe tsy tena frantsay pur io fa metisy sns kay lany ihany lery ! Zay ny anareo ry andriana ara-tsaina isany ! Ianareo mitsy no andevon'ny sainareo e ! Sa ahoana?
72. Jeankely ( 10/10/2007 13:54)
Mitombina izany ary rariny raha tia hijanona ho Andriana ny Andriana. Aza adino fa mbola taranaky ny mpanjaka no manjaka any @ tany misy Andriamanjaka fa tsy ny rehetra no lasa Mpanjaka. Ho an'ny tany Demokratika dia fifidiana. Saingy mbola mahazo vahana ihany ny avy @ taranak'Andriana satria na ny fisainan'Andevo aza dia ny mifamosavy ny mifamingana ary tsy mahay mampisondrotra ny namany. Rehefa mahay miara-miasa, mahay mitady, mahay maneho ny maha-izy azy ny taranaka rehetra dia mivoatra foana ary tsy misy mahasakana ny fivoarany. Hitanao tsara izany fa na ratsy tarehy na fotsy be na ngita volo na petakorona na be taolamaso na gema na sampona rhefa mianatra dia afaka ny ho loha-laharana ao andakilasy. Hafa ny tanora miady ary vonona.
73. soanja ( 10/10/2007 15:07)
Miankina amin'ny fandraisan'ny tsirairay azy ny fikatsahana ny identite ary io dia matetika miafara amin'ny tsy fifandanjana raha tsy mahay mametra sy mampiasa ny fahendrena.

Izay ny olana nisy tamin'i Hitler sy ny hafa maro satria tsy hainy ny mandanjalanja ny fahefana sy ny identite ananany.

Raha taranak'Andriana ny tenako dia tsy hodradraiko izany sao mahatonga fikorontanana saingy raha toa kosa misy ny fitadiavana ireo taranaka ireo hivondrona hanao soa ny tanindrazany sy ny soatoavina manodidina izany rehetra izany ka hanatsarana ny taranaka , ny Malagasy sy ny ho avy dia ny tenako no voalohany hamonjy izany.

Izay olan'ny hafa momba izany kosa dia azy izany satria tsy zah no manana ny olana fa ny hafa. Tsy afaka hitovy foana mantsy ny fisainana e. Ny fahafantarana izany no zava-dehibe!
74. Jeankely ( 11/10/2007 08:17)
Misaotra tompoko ooo
75. miraymel ( 26/11/2007 06:39)
hitantara zavatra kely mampiomehy vao nitranga vao haingana
mampanofa trano izahay, ka io trano io eo akaikin'ny tranonay ihany, zany hoe izay tokotany
hozy le raim-pianakaviana teo an-tokotany mantsy ny mpanasa lambany
fanerena io a
rehefa miarahaba ana enao de manao hoe kôsy!: lol
:lol: tapaka ny tsinainay tato an-trano, tsy tahotra tsy henatra, sady miteny mafy ery izy
de rehefa manao veloma hozy de manao hoe tsarava tompoko
nomen'ity mpanasa lamba ny azafady razoky "tsy mahavita an'izany za hozy ty farany fa tsy hifanaraka isika raha izany
de izy ihany nandeha nanasa ny lambany teny amin'ny bassin, hihi
76. miraymel ( 26/11/2007 06:46)
ny hevitro manokana aloha dia tsy misy hidirako lalina ny resaka andevo sy ny andriana
zany hoe ny olon-dehibe no tena sahirana amin'ity resaka ity
fa kosa, na de indifférente aza aho de manaraka ny tenin'ny ray aman-dreniko ihany mba tsy ahita olana e
de omenareo tsiny koa ve za amin'izany

ny ankamaroan'ny fianakaviana rehetra miseho ho tsy taranaka voalaza ho andevo aza efa metisy daholo, hihi :lol:

ny ankizy koa moa ny ankamaroany, bedy vao maika mifankatia e, tsy hita izy ity "c'est la vie"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.189