Iza ho hoentina ary iza no mitondra Atra sa....?

1. niryna ( 30/08/2007 07:28)
Hoy ity rangahy nanontany an'Atra hoe:Maninona aho rehefa miadana sy mifaly dia hitako manaraka ahy eo ny dian-tongotrao?
Kanefa aho rehefa mijaly,nitady anao aho fa tsy nahita,ny dian-tongotro iray fotsiny no hitako fa tsy ny anao?
Dia hoy Atra hoe: Rehefa miadana,mifaly,mandeha tsara ny fiainanao,mizotra ny tokan-trano,hendry tsara ny ankizy dia manaraka sy mijery anao eny Aho.
Rehefa mijaly ianao,mikorontana ny tokan-tranonao,miady ianareo mivady,mafy ny fahoriana hoentinao,very ny fanantenanao,tapa-dalan-kaleha ianao dia tsy mahita ny dian-togontro satria aho mitrotro anao eo an-tratrako.

Andriamanitra izany no mitrotro antsika eo an-tratrany fa tsy isika no hitrotro azy na hitondra Azy. Mitondra ny fahorian-tsika izy ary ny hafany dia hoe :Mankanesa aty amiko ianareo rehetra, izay miasa fatratra sy mavesatra entana fa izaho no hanome anareo fitsaharana.
Koa moa misy tsara mihoatra noho izany,dia ny manankina ny fiainantsika aminy Irery.

(l)niryna
2. bosista ( 30/08/2007 07:57)
tsy angano ve ty sa ahoana?
taiza koo /TRA no miresaka aminoll tsotra tsy amin'ny alalan'ny mpaminany?
hebreo toko1and1-2
3. fahamarinana ( 30/08/2007 09:48)
niryna:

Hoy ity rangahy nanontany an'Atra hoe:Maninona aho rehefa miadana sy mifaly dia hitako manaraka ahy eo ny dian-tongotrao?
Kanefa aho rehefa mijaly,nitady anao aho fa tsy nahita,ny dian-tongotro iray fotsiny no hitako fa tsy ny anao?
Dia hoy Atra hoe: Rehefa miadana,mifaly,mandeha tsara ny fiainanao,mizotra ny tokan-trano,hendry tsara ny ankizy dia manaraka sy mijery anao eny Aho.
Rehefa mijaly ianao,mikorontana ny tokan-tranonao,miady ianareo mivady,mafy ny fahoriana hoentinao,very ny fanantenanao,tapa-dalan-kaleha ianao dia tsy mahita ny dian-togontro satria aho mitrotro anao eo an-tratrako.

Andriamanitra izany no mitrotro antsika eo an-tratrany fa tsy isika no hitrotro azy na hitondra Azy. Mitondra ny fahorian-tsika izy ary ny hafany dia hoe :Mankanesa aty amiko ianareo rehetra, izay miasa fatratra sy mavesatra entana fa izaho no hanome anareo fitsaharana.
Koa moa misy tsara mihoatra noho izany,dia ny manankina ny fiainantsika aminy Irery.

(l)niryna

:arrow:Mankasitraka e,mahafinaritra ahy mihintsy ny fomba fanazavanao azy.
:arrow:Amin'ny anaran'ny Jesosy,dia misy verset iray hitako koa ity :" Vous me chercherez et vous me trouverez,dit Dieu,si vous me chercherez de tout votre coeur " Jeremie 29:13
Il est possible de faire un certain itinéraire vers Dieu avec son intélligence,c'est la 1ere route.Mais à un certain moment,beaucoup s'échappent,s'entetant à vouloir continuer avec leur cerveau quand il n'y a plus de route. Le second moyen pour nous mener à Dieu est le coeur :si tu crois dans ton coeur,dit la bible.Romains 10:9.Aller à Dieu avec son coeur,c'est s'ouvrir entièrement à lui,c'est l'expérimenter.Aller à Dieu avec son coeur,c'est aussi etre vrai dans sa recherche."Vous me trouverez",dit Dieu,"si vous me cherchez de tout votre coeur".Ainsi,en direct avec Dieu dans cette relation vivante qu'est la foi,nous découvrons" des choses que l'oeil n'a pas vues,que l'oreille n'a pas entendues,des choses qui ne sont pas montées naturellement à nos coeurs". 1 Corinthiens 2:9.Bref un monde tout neuf sera devant nous!Ho an'A driamanitra irery ny dera sy laza azo avy amin'izany.Amen(l)

4. dadie ( 30/08/2007 12:00)
niryna> ié mahafinaritra marina aki ny fitantarandry azy ,fa za alo tena maita anizany koa e ,noeveriko ho izahako irery ,rehefa ao anatin'ny blem za ka mivavaka d mitady Azy sy mitalaho mihintsy ,d ra azoko na voavaha ny olana d adinoko ny misaotra dray ,fa ela b aty aoriana vo tsaroko
5. ari.malala ( 30/08/2007 14:25)
Misy hira katolika izay hoe "efitra ny fiainana" dia tena io tantarain'i niryna io mintsy le izy, ndraso fa rapitso entiko eto ny dikany raha tsy efa misy namana mahay azy tsianjery alohako.

Hoan'i bosista, tsy angano izany io fa zavatra iainana andavanandro.
6. ikaretsaka ( 30/08/2007 14:54)
ari> izaho koa tonga dia io hira io no tao an-dohako voalohany..

Indro ny tonin'ilay hira
Efitra ny fiainananodiavin'ireo tongotro
Efitra hitsapana ny tokin'ny fitiavako
Dian-tongotra efatra no indromiara-dalana
manhojy avy aoriana mamaky tora pasika (indroa)
Izaho dy ny Tompo no mamakivaky ny efitra
Tamin'ireo andro nibaliaka sy nilamina
dian-tongotray no nanambara
fa izahay mifampitantana.... (manga ny lanitra)

fiverenana:
manga ny lanitra!
'zaho sy ny Tompo no mamakivaky ny efitra
manga ny lanitra
Izaho tia anao na tsiky na tomany
manga ny lanitra
satria ny fitiavako mandrakizay
manga ny lanitra!
Manga ny lanitra


Kanjo nony inona romotra ny rivotra
fasika mandoro no mifafy t@ tavako
jemby sady fanina aho nitady hisarangotra
Roa sisa ny diatongotra namakivaky efitra (indroa)
Tonga ve ry tompo ny adim-piainako mafaitra
Lasa ianao nandao , tsy azoko iantherana?
navelanao aho hijaly samirery
Misalasala hoe: sao sakaiza manody ianao?
fiverenana:
manga ny lanitra!
'zaho sy ny Tompo no mamakivaky ny efitra
manga ny lanitra
Izaho tia anao na tsiky na tomany
manga ny lanitra
satria ny fitiavako mandrakizay
manga ny lanitra!
Manga ny lanitra


Tsia ry sakaiza, Ahirato ny maso
fony ianao nijaly sy nandalo lalan-tsarotra
ireo dian-tongotro namindra samirery
fa ianao nobabeko sy nataoko antsangory (indroa)
Tantely amam-bahona ny fiainana eto an-tany
Izaho Tomponao no nisotro ny mangidy
Miaraka aminao , tia anao
na tsiky na tomany satria ny fitiavako mandrakizay!

fiverenana:
manga ny lanitra!
'zaho sy ny Tompo no mamakivaky ny efitra
manga ny lanitra
Izaho tia anao na tsiky na tomany
manga ny lanitra
satria ny fitiavako mandrakizay
manga ny lanitra!
Manga ny lanitra



Izay manana ny feony dia mba alefaso any @ hery apetrany ary @ katolika sy RVG ary o! Ari tsy manana?
7. pissoa ( 30/08/2007 21:10)
Manga ny lanitra !

Misaotra Ika, tsara io hira io !
8. fijo ( 30/08/2007 21:28)
andriamanitra anie izany toa ny banky e,rehefa tsy misy ny olana dia eo izy,tonga ny olana dia tsy hita izy.de inona no hilana azy raha izany????
9. pissoa ( 30/08/2007 21:30)
ndraindraiy mila mamaky vao manoratra :roll::-D:-D:-D
10. fijo ( 30/08/2007 21:32)
ka izay io ko.milamina enao eo izy,mitady azy tsy ita izy.tsy azo hitokisana izany
11. pissoa ( 30/08/2007 21:39)
:-D:-D:-D

Mety tsy mitovy ny solomasontsika sy Fijo, fa ny fahitako an'le tantara aloha na le hira dia hoe rehefa tamin'ny tsara ny andro ozizy dia samy nandeha tongotra fa rehefa ratsy ny andro dia notrotroin'Andriamanitra ilay olona ... Ka tsy eo ve afaka hitrotro ? ... na dia mino telepatia takaha ny inona aza :-D
12. fijo ( 30/08/2007 21:50)
nendry kosa izany solomaso lopy be ko;izy aza tsy hita de lazaindry fa hitrotro indray ve.
izany trotroina izany anie miadana e.eto efa le olon amitaraina fa rehefa sendra olana izy no tsy mahita an'i lery.izany hoe sendra izy le mianjera ao anaty lavaka
13. lapino ( 30/08/2007 21:56)
pissoa:
Mety tsy mitovy ny solomasontsika sy Fijo, fa ny fahitako an'le tantara aloha ...

Aiza misy mivarotra an'izany solomason-dry manitsy izay diso tsipelina izany ? :-P
niryna:
Rehefa mijaly ianao,...,tapa-dalan-kaleha ianao dia tsy mahita ny dian-togontro satria aho mitrotro anao eo an-tratrako.

fa mampatsiaro an'ity hira ity koa ilay tantara : http://tononkira.serasera.org/index.php?rub=tononkira/hira&id=2721
14. pissoa ( 30/08/2007 22:02)
Otran'ito ve 8O:-D:-D:-D

Ka zay hoa le tantara sy hira voasoratra eo ambony ! Hi hi hi, mety marina hoe somary dessin animé ihany ilay tantara sy le hira (raha tsy hoe efa nomen'Andriamanitra ny fampatoriana koa lery refa notrotroina kelikely :-D:-D:-D ) fa zany akory tsy manafoana ny asan'Andriamanitra eny amin'ny fiainana (ho an'ny mpino) ! Ho an'ny tsy mino moa ... tsisy antony hifampiresahana mikasika ny asan'Andriamanitra raha ny fisian'Andriamanitra aza mbola problem be ho azy !
15. fijo ( 30/08/2007 22:12)
tsy problema hoanay io ka,hafaka miresaka izany tsara isika.
16. lapino ( 30/08/2007 22:13)
ho an'izay efa mahafantatra an'ilay tantara dia izay ilay izy. Fa ho an'izay vao namaky an'io eo ambony eo io, dia mahafanina be ilay diso tsipelina. Tokony ho "-trao" lasa "-tro" fotsiny, tsy hay intsony hoe iza no iza ?

Za zao raha ny fahazoako azy, tokony tsy hisy dian-tongotra intsony raha tsy hita ny dian-tongotr'Ilay mitrotro kanefa ilay trotroina aza efa trotroina :^):^) Kanefa ilay trotroina milaza fa dian-tongony iray sisa no hitany ... rehefa trotroina ve izy izany dia mandeha tongotr'ila ? :^):^)

ary nankaiza ny tahon'ilay solomaso ?
17. fijo ( 30/08/2007 22:15)
lapino an,ka mety sady trotroina lery no mijery aloka ko
18. niryna ( 31/08/2007 04:25)
bosista:

tsy angano ve ty sa ahoana?
taiza koo /TRA no miresaka aminoll tsotra tsy amin'ny alalan'ny mpaminany?
hebreo toko1and1-2

Nampitenenany tamin-tsika ny Zanany ary iza io zanany io fa tsy Izy ihany?

Bosista>na izaho na ianao dia afaka ho resahiny(baiboly) sy miresaka aminy (mivavaka)(.Ny teny izay avoakan'ny vavan'ny olona dia misy teny avy amin'Atra.Izany no mahatonga ilay vavaka hoe"let the world with my mounth,the meditation with my heart will be acceptable in your sight.Your are my redeemer,ny protector,my ....."
Izany hoe mangataka aminy ny tena vao miteny na mitory fa tsy manao be mokondoha fotsiny.Mangataka ny Fanahy Masina ihany koa hanampy antsika.
Izany no hitenenako antsika foana hoe alohany hidirana ato amin'ny serasera dia mila mivavaka foana.Inona no antony? Raha tsy mbola nahita experience inao amin'ny hoe ahoana ny fomba hangalaran'ny satana ny fifalianao dia ho lazaiko amin'ny manaraka.Mahery ny satana ary ity tontolo ihainana ity dia feno ny miaramilany misodisody mirimorimo.Mila mivavaka mangataka amin'Atra ny mba hiarovany antsika,tsy ho tezitra ny teny tsy misy dikany taritin'ny hafa any amin'izay tsy izy,fanasoketana,fanompana,fanoherana ny tenin'Atra,fitarihany ny ondry very hanaraka azy fa izy koa mitady namana toa ny kristiana mitady sy miezaka ny mitory ny tenin'Atra.Ohatra iray io,ny teny mahatezitra satria olombelona ny tena,rehefa avy mivavaka isika dia hafa mihitsy ny fidirana ato amiko manokana io,ary hitako foana izany sady mitsiky fotsiny aho ary mivavaka izay manana fankahalana satria indraindray izay ao anatin'ny fony no havoakay dia tsy omeko tsiny izy fa mivavaka azy aho mba ho voavonjy ny fanahiny.
Eny Atra velona Izy ary mbola miresaka antsika amin'ny fomba maro.Esory hoy Izy niresaka an'i Mosesy iny kapanao iny fa tany masina ity itsahinao ity.Tsy nahajery ny tavany Mosesy.Mino koa aho fa raha hifanatrika ny tavan'Atra isika dia mety ho jamban'ny hazavana fa tsy mahazaka ny hifanatrika aminy.

19. niryna ( 31/08/2007 04:53)
[quote=fahamarinana]
Misaotra anao nampahery ahy,trotroy am-bavaka aho mba ho tonga ny hafatra izay nampanaovina ahy.Mivavaka ho antsika tsirairay ihany koa aho mba omen'ny Tompo fahaizana sy fahalalana ato amin'ny serasera isika rehetra ka hampiantra izany mivantana amin'ny fiainana.Manoro ny rehetra aho satria ny ahy ny tenin'Atra dia ezahako am-piariko amin'ny fiainako fony mbola kely aho ary miresaka mivantana mihitsy ny Fanahy Masina,manoro,mitari-dalana,mankahery rehefa ho lavo sy trotraky ny fiainana,ao anaty nofy ny ankabiazany ary mitranga sy nitranga daholo izay fantatro hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany.
Eny miresaka izy avy amin'ny alalan'ny fahitana,ny nofy,ny feo mibitsika mangina amintsika.Ny vavaka ataon'ny namana sy ny hafa sns.Miresaka toy izany koa ny satana fa isika no mila mahafantatra ilay feo na avy aiza na avy aiza.Atra tsy manoro voana izany no ahafantaranao azy.:roll:

Dieu avec son intélligence,c'est la 1ere route.Mais à un certain moment,beaucoup s'échappent,s'entetant à vouloir continuer avec leur cerveau quand il n'y a plus de route. Le second moyen pour nous mener à Dieu est le coeur :si tu crois dans ton coeur,dit la bible.Romains 10:9.Aller à Dieu avec son coeur,c'est s'ouvrir entièrement à lui,c'est l'expérimenter.Aller à Dieu avec son coeur,c'est aussi etre vrai dans sa recherche.


Raha manaiky an' i kristy ho Tompo amin'ny vavanao hianao ary mino amin'ny fonao fa Atra ,efa nanangana Azy tamin'ny maty ,dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao. Rom 10:9
Tsy nitady zavatra hafa Izy fa ny hoe manaiky Azy ho Tompo:arrow:mino azy tanteraka:arrow:nino azy fa nitsangana tamin'ny maty Izy:arrow::arrow: dia izay dia voavonjy. Mora vakiana fa sarotra tanterahana kanefa tsy misy vola lany :roll::D

"Vous me trouverez",dit Dieu,"si vous me cherchez de tout votre coeur".Ainsi,en direct avec Dieu dans cette relation vivante qu'est la foi,nous découvrons" des choses que l'oeil n'a pas vues,que l'oreille n'a pas entendues,des choses qui ne sont pas montées naturellement à nos coeurs". 1 Corinthiens 2:9.Bref un monde tout neuf sera devant nous!Ho an'A driamanitra irery ny dera sy laza azo avy amin'izany.Amen(l)

Izaho koa indraindray mandinika izany indrindra rehefa manome teny fampaherezana ny namana ao anatin'ny fangirifirina. Ity no tena mahafinaritra ahy dia ny teniny hoe"mangataha dia omena hianareo,mitadiava dia ahita hianareo,:dondony dia hovohana hianareo" Mt 7:7:D

Izany hoe raha ampiharina amin'ny fiainana rehefa mahita hoe misy jiro mirehitra isika dia mandona mandra-pamoahan'ilay olona ny trano ary tsy maintsy mamoha trano ilay olona amin'ny farany.Toy izany koa i Kristy,efa niteny antsika Izy fa tsy mbola nangataka tamin'ny anarany isika kanefa raha mangataka aminy isika dia omeny ary ho faly tokoa.
1-2-3 tonga dia lasa. Ataovy ny fanandramana.:roll:Andramo antsoiny mivantana Izy tsy misy mpanelanelana dia ho hitanao izany hoe miova ho kristianina:arrow:ny lasa efa maty fa fiainana vaovao no hiainana.:D



20. niryna ( 31/08/2007 05:01)
dadie:

niryna> ié mahafinaritra marina aki ny fitantarandry azy ,fa za alo tena maita anizany koa e ,noeveriko ho izahako irery ,rehefa ao anatin'ny blem za ka mivavaka d mitady Azy sy mitalaho mihintsy ,d ra azoko na voavaha ny olana d adinoko ny misaotra dray ,fa ela b aty aoriana vo tsaroko

Hitovizana io ka.Matetika isika rehefa misy zavatra tadiavintsika dia miantso azy kanefa tokony hidera azy foana.
Ho an'ireo izay manana ankizy hiditra hianatra.Ho entintsika ambavaka izy ireo mba omen'Atra hery sy tanjaka ary saina matsilo hiatrika ny fotoam-pianarana vaovao indray.
Ampianaro ny zanakao ny hivavaka raha mbola tsy nanana experience an'izany ianao indrindra amin'ny andro fanaovana fanadinana.
Ho antsika rehetra:na inona na inona zavatra atao eny fa na dia hiteny zavatra amin'ny olona fotsiny ihany aza(ohatra hoe mangataka andro tsy hiasana na ho an'ny amin'ny dokotera,na nisy nahatezitra anao tamin'ny olona iray ka te-hiresaka azy ianao sns,mitady asa,manana namana miarakamivavaha foana alohan'ny hanaovana zavatra (ny tanora lahy sy vavy izany),raha mahasoa ka mahatsara anay ny fiarahanay...fa ny vavaka amin'ny fo tena mampiova zavatra betsaka.

Izay fa mazotoa daholo.:*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0868