fa manin ary ny pretra sasany no...

1. bosista ( 28/08/2007 18:24)
tsy resaka fanaratsiana izy ity sao de avadikan'ny sasany zavatra hafa indray fa zavatra tena misy ary afaka mianiana zaho ny amin'ny fahamarinan'izany ,misy pretra misipa sipakely manja be,zah tsy hoe marary fo fa lasany le sipa sao heverinareo ho toy izany fa mba izao e:le mompera tsy manambady, ary tsy ho vadiany mihintsy le sipa nefa maninn no tazomina eo foana le zanak'oll nefa mba tokony hanana ny tokatranony izy oh,le reniny koa mety voatambina vola angambany ,sady matetika koa ry zareo mahazo menaka sy vovondronono, moa ve tsy manimba ny avenir-n'ilay zazavavy ve ny ataon'io mompera io?
olona mba mahalala ny finoana ihany anefany izy,fa maninn no tsy omena lalana any ny pretra mba hanambady? tahaka ny pastera ohatra, manimba ny fahamasinana ve ny fanambadiana?moa tsy sakramenta ve ny fanambadiana? dia leo ve miafiafina sahala amin'izao?
2. Fiffi ( 28/08/2007 18:28)
bosista:

ary tsy ho vadiany mihintsy le sipa nefa maninn no tazomina eo foana le zanak'oll nefa mba tokony hanana ny tokatranony izy oh,le reniny koa mety voatambina vola angambany ,sady matetika koa ry zareo mahazo menaka sy vovondronono, moa ve tsy manimba ny avenir-n'ilay zazavavy ve ny ataon'io mompera io?
inn moa ny fahadisoan'le mompera raha zay ny sitrak'le zazavavy ? sy ny reniny ? raha ohatra indray la hoe noteren'le mompera le sipa de d'accord zah .....fa matoa izy mijanona miaraka aminy heu.....tsy sitrakin'ny fony ve zany ?:roll:


3. ikaretsaka ( 28/08/2007 18:34)
arakarak'ilay zavatra sy ilay tanjona tian'ilay mompera na pasitera tiany hahatongavana io! raha resaka fankam-panahy sns.. dia tsy mety, fa raha antony hafa hoe mety hanampy ilay reniny na fitarihana ara panahy na tsy haiko aby dia tsy hitako ny olana!
ilaina fantarina izay alohan'ny hitsarana be fahatany.
fa momba ilay hoe mompera tsy manambady
Misy koa tenin'i Paoly manao hoe 1kor7:32-34
4. cutie ( 28/08/2007 19:11)
fa raha antony hafa hoe mety hanampy ilay reniny na fitarihana ara panahy na tsy haiko aby dia tsy hitako ny olana!

:-D:-D:-D:-D:-D
iny njay no tsy hitako marina
5. cutie ( 28/08/2007 19:14)
moa ve tsy manimba ny avenir-n'ilay zazavavy ve ny ataon'io mompera io?

tokony samy hahalala ny vokany daholo izy roa refa samy nifanaiky hiaraka.
Refa samy mahatanty ze ho vokany avy tsy hitako ze olana.
Profiter-o ny fiainana :lol:
6. tywa68 ( 28/08/2007 19:33)
Voa manomboka i bosista dia miala pas hoe tsy hanaratsy sns... :lol: mandeha ihany ny eritreritra hoe tena efa mompera ve no enjehinao sa olona miofana ka mbola manana ny safidy hiala @izany, ka afaka miaraka @olona (sady tsy terena ilay olona): safidy zany ary raha mbola tsy nivoady sy efa namasinina @io hoe hanolotra tanteraka ny fiainany ho an'i Tompo io, dia tsy olana ! :wink:
7. piste ( 28/08/2007 19:51)
Cas matetim-pitranga io fa tsy vaovao. Ohatry ny olona manambady mampirafy ihany koa. Ento am-bavaka izy ireny fa mahery ny fakam-panahy.

8. fijo ( 28/08/2007 21:59)
tywa ,za koa ea nahita efa tena mopera fa tsy mpianatra nefa dia manao an'io.

de idirako kely le silamo eo ambony.fahafinaretana nomen'andriamanitra ny firaisana hoy ny silamo,ka diso izay tsy mandray azy.

de tsy hay le andriamanitra,fa raha le andriamanitra lazain'i silamo dia toa ilay andriamanita kristianina ihany satria ny anjely gabriela ihany hono no irahiny miresaka amin'i mahome.
9. ikaretsaka ( 28/08/2007 22:05)
ka tsy silamo ange ny resaka eto ry fijo fa kristianisma e...
sao mifangaro ny trondro sy ny akondro!
10. fijo ( 28/08/2007 22:07)
ka mahagag ihany ,fa rehefa miresaka amin'ny kristianinina izany lery dia hafa ny lazainy,ary amin'ny silamo mihova indray koa
11. Kwasi ( 28/08/2007 23:32)
...misy pretra misipa sipakely...

Ny fanontanian'i bosista dia ny hoe fa maninona izy no manao sipa?
Valiny: satria izy olombelona ihany ka mila manao.

inn moa ny fahadisoan'le mompera raha zay ny sitrak'le zazavavy ? sy ny reniny ?

Hay izany tsy fahadisoan'ny pretra intsony zao ny manao sipa? Dia hafakely aloha raha olona natao hitaiza @ tsara indray no manao mpitaribato vilambava e.

12. ikaretsaka ( 28/08/2007 23:35)
zahako:
arakarak'ilay zavatra sy ilay tanjona tian'ilay mompera na pasitera hahatongavana io! raha resaka fankam-panahy sns.. dia tsy mety, fa raha antony hafa hoe mety hanampy ilay reniny na fitarihana ara panahy na tsy haiko aby dia tsy hitako ny olana!
ilaina fantarina izay alohan'ny hitsarana be fahatany.
13. patrick2002 ( 29/08/2007 01:14)
Hay izany tsy fahadisoan'ny pretra intsony zao ny manao sipa? Dia hafakely aloha raha olona natao hitaiza @ tsara indray no manao mpitaribato vilambava e.

TENA TSY HADISOANY MIHINTSY ,mba nihena iray indray ny vehivavy manano-tena kou .
Fa iza no miteny anao fa ratsy ny fanambadiana ,ny pretra aza manamasina mariazy kou.^:^^:^
14. patrick2002 ( 29/08/2007 01:20)
fa izaho re ah! tokony ho fantarina anie eh! hoe inona no hanakanana ny mompera tsy hanambady, lalana napetraky ny vatican io fa tsy lalana napetrak'andriamanitra mihintsy, satria mety hanelingelina @ asa fanompoana an' Andriamanitra hataony ,tsotra fotsiny ,ka aza hitarina lava be :!:
Efa ela no nisy pretra manana sipa any @ sisiny fa tsy vao izao ,jereo ny tantarany St valentin
15. Mitah ( 29/08/2007 03:54)
bosista:

tsy resaka fanaratsiana izy ity sao de avadikan'ny sasany zavatra hafa indray fa zavatra tena misy ary afaka mianiana zaho ny amin'ny fahamarinan'izany ,misy pretra misipa sipakely manja be,zah tsy hoe marary fo fa lasany le sipa sao heverinareo ho toy izany fa mba izao e:le mompera tsy manambady, ary tsy ho vadiany mihintsy le sipa nefa maninn no tazomina eo foana le zanak'oll nefa mba tokony hanana ny tokatranony izy oh,le reniny koa mety voatambina vola angambany ,sady matetika koa ry zareo mahazo menaka sy vovondronono, moa ve tsy manimba ny avenir-n'ilay zazavavy ve ny ataon'io mompera io?
olona mba mahalala ny finoana ihany anefany izy,fa maninn no tsy omena lalana any ny pretra mba hanambady? tahaka ny pastera ohatra, manimba ny fahamasinana ve ny fanambadiana?moa tsy sakramenta ve ny fanambadiana? dia leo ve miafiafina sahala amin'izao?



Ao anaty baiboly ny tokony hanambady fa tsy nandrara azy,sy ny hoe mahazo hohanina amin'izay hoy Kristy ny sakafo rehetra,izay mivoaka avy ao anaty fo no madio na maloto fa izay miditra ny vava dia lasa mandeha any amin'ny tsinay.
16. ikaretsaka ( 29/08/2007 04:43)
voalaza teo ry mitah ny 1Kor 7 32-34
ka tsy haiko heo aiza sy aiza ao anaty baiboly no tianao resahina!
17. LazaDaddy ( 29/08/2007 05:36)
piste:
Cas matetim-pitranga io fa tsy vaovao. Ohatry ny olona manambady mampirafy ihany koa. Ento am-bavaka izy ireny fa mahery ny fakam-panahy.
Marina tokoa, ary ny mpitondra mbola ho tsaraina mafy kokoa noho ny vahoaka entiny (Jakoba 1)

Patrick 2002> Lalana nataon'olombelona tokoa io (ankoatran'ny maha-fijangajangana azy). Lalana fantatr'ilay pretra sy nekeny tsy nisy fanerena mialohan'ny nidirany. Noho izany dia manameloka ny tenany izy.
18. ikaretsaka ( 29/08/2007 05:43)
dia mivavaha ho azy sy mba tairotairo izy hahatsiaro tena . mba tsy ho tratran'izay izy, au lieu de mitatata sy manaratsy ny ataony eo fotsiny
19. mimich ( 29/08/2007 06:04)
piste:

Cas matetim-pitranga io fa tsy vaovao. Ohatry ny olona manambady mampirafy ihany koa. Ento am-bavaka izy ireny fa mahery ny fakam-panahy.


miombon-kevitra amin'i pissoa tanteraka


20. bozyboleta ( 29/08/2007 09:33)
Ny ana ndray eo @ lafiny fifehezana @ fiangonana no manitikitika kely.
Refa hita fa manao fitondrantena tsy araka ny lalàna misy eo @ fiangonana moa ny pretra de tsisy famaizana ve?
Tany Morondava nisy pretra karana nahabevohoka sipakely zay fa niala mompera izy ary avy eo tena nanambady ilay sipa. Tonga hatrany vatican zay resaka zay ary nalaza be tao Morondava.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2146