fa manin ary ny pretra sasany no...

21. patrick2002 ( 29/08/2007 12:07)
Ny pretra re olombelona fa tsy anjely ah! tsy hitako izay fijangajangana amin'izany ,fitiavana no atolony fa tsy sanatria akory fametavetana ,samy manana ny andraisany azy aloha eto .
Amiko ny pretra manao sipa dia manolotra ny fitiavany izy ,amin'i olona sasany mametaveta ,manao asan-demony ,ka dia ambava homana am-po mieritreritra.:-@:-@
22. ikaretsaka ( 29/08/2007 14:13)
bozyboleta:

Ny ana ndray eo @ lafiny fifehezana @ fiangonana no manitikitika kely.
Refa hita fa manao fitondrantena tsy araka ny lalàna misy eo @ fiangonana moa ny pretra de tsisy famaizana ve?
Tany Morondava nisy pretra karana nahabevohoka sipakely zay fa niala mompera izy ary avy eo tena nanambady ilay sipa. Tonga hatrany vatican zay resaka zay ary nalaza be tao Morondava.


misy famaizana ka.. ohatra izya lazainao izay hoe miala tsy ho mompera intsony izy, ary voan'ny excommunion, izany hoe tsy mahazo manao kominio intsony

ny mampalaza azy sy mahatonga azy hatrany vatican koa dia ilay rafitra mifehy ny fiangonana, mandeha voie hierarchique

23. Kwasi ( 29/08/2007 16:43)
Raha ny hitako eto dia hay autorise afaka manodina sipakely ny pretra. Ary azo tolererna tsara mihitsy satria tsy vao izao vao nisy an'izany fa efa ela, ny sasany koa aza manao an'io ka tsy misy mahadiso.

Ie dia tolerer-o daholo e:
-efa ela no nisy ny pedophile ka tsy maninona raha misy manao an'izany aza @ zao,
-efa ela no nisy ny inceste (sady efa miseho gazety foana) ka tsy maninona na misy aza, d'ailleurs azo tohanana tsara satria efa misy cas ao @ baiboly,
-efa ela no nisy ny mpijangajanga ka tsy tokony hikredy raha mba mihodina ny vady,
sns sns....
24. ikaretsaka ( 29/08/2007 16:49)
[quote-zahako teo ambony ]dia mivavaha ho azy sy mba tairotairo izy hahatsiaro tena . mba tsy ho tratran'izay izy, au lieu de mitatata sy manaratsy ny ataony eo fotsiny[/quote]
25. fijo ( 29/08/2007 21:24)
ka rehefa fantatra fa tsy hotanty ilay tsy hanao tokony tsy miditra ao e.
na ny vatican no tokony mba hiova filamatra ka mba hifanaraka amin'ny zava misy amin'izay fa taraiky be
26. patrick2002 ( 29/08/2007 21:54)
- Tsy misy zava-boary nohariana ka tsy manao ,
- Ny namoahany vatican io lalana io dia mba hifantohany relijiozy be be kokoa @ asam-panompoana an'Andriamanitra .
Tsy ilay manao sipa no olana ,fa raha manelingelina ny asam-panompoana ,dia izay ilay ratsy @ relijiozy.
Ohatra akaiky lazaiko anao ,eran-tany dia misy ny lalana mifehy momba ny fifohana rongony ,nefa eran'izao tontolo izao dia misy foana ny mpifoka rongony ,maninona ny fanjakana tsy mihetsika :?:
satria ny nanaovana ny lalana fifohana rongony dia miteraka heri-setra ny rongony ,80% ny olona any am-ponja mpifoka rongony daholo ,ny chanteur ,chanteuse ,millionnaire ,olona artiste rehetra io anefa mifoka daholo ,dia tolerer-na ilay izy :D:D
27. fijo ( 29/08/2007 21:59)
patrick,fantatro tsara fa izay no antony tsy amelana ireo hanambady.efa resaka nandeha teto io,ary efa izay no fanazavana nentiko.saingy maro ny kristianina no tsy mahalala na tsy te ahalala izay.
tamin'io resaka io nandeha teto moa dia nilaza aho fa nanontany olona mpitarika fivavahana katolika ambony tao mada i antony io.ary io tokoa no valinteniny.saingy tsoriko fa za indray no voalaza fa namorina teto.
28. majesty ( 30/08/2007 05:46)
Toroy hevitra i môpera asaivo misora-panambadiana mangingina any @ firaisana dia amin'zay tsy misy ny olana e."fa aza atao fantatr'ingahy Benoit kosa aloha fa dia raharaha e"
29. ikaretsaka ( 30/08/2007 05:49)
atao fantany ka... tsy misy clandestin izany kosa raha ara pinoana e!
30. majesty ( 30/08/2007 05:50)
Ka tsy hanaiky an'izany mintsy izy fa sure 100% za :D
31. bosista ( 30/08/2007 07:44)
voalaza tery ambony we sao de tsy mbola pretra izy fa mpiofana, efa pretra izy ary efa ampolony taona maro de service,fa nohon'ny antony fanajana azy satria mba ray aman-dreny ara-panahy izy de tsy ho lazaiko eto ny anarany sy ny sipany ary ny toerana misy azy,ok?
voalazan-dra patrika tery we: tsy mijanganjanga izy fa manolotra fitiavana, inn koa izany lazainao izany?
inn moa no atao hoe fijanganjanagana aminao?
aminao izany rehefa mifanolotra fitiavana ilay olona anakiroa oh, na dia tsy vita inn inn,na tsy vita fanamasinana eo anatrehan'A/TRA de fa ara-dalana izany aminao? mba mifankatia ihany anie ireny mifanambady ireny fa mila hamasinina aloha,
-mpanelingelina eo amin'ny fanatanterahana ny asan'A/TRA ve ny vehivavy? otran'ny tsy marina izany amiko, satria ahoana ireny pasitera ireny no mahavita ny asan'A/TRA, ny fitoriana ny tenin'A/TRA sns nefa manambady izy ireny?
- inn koa zao no asa ataon-dry masera sy frera no tsy anambadian-dry zareo?
-de manelingelina amin'ny asan'ATRA koa izany ny lehilahy amin'ny masera no tsy anambadiany?
maninn raha zavatra hafa no lazaina,
32. gasynamana ( 30/08/2007 12:30)
Tsy izay manaraka ny fanaon'ny olona akory no lazaina fa mandroso. Fiheverana diso be izany. Ny maharelijiozy sy maha pretra dia safidy toy ny safidy rehetra. Safidy vokatry ny fitiavana manokana, toy ny manambady ihany. Ireo olona miroso amin'io lalana io dia efa mahalala ny fepetra rehetra takian'io fiainana io.

Toy ny amin'ny sehatra rehetra, ary mihoatra noho izany aza, dia tena ilaina ny fifehezan-tena noho ny safidy. Zava-tsarotra io ho an'ny tsy mino sy ny tsy manam-pitiavana manokana ny Fiangonana sy Andriamanitra, fa inoako kosa fa azo tanterahina tsara matoa mbola betsaka ny pretra sy relijiozy velona tsy manao firaisana.

Marihana fa tsy ny vatikana no namoaka io lalana io fa efa ela io. Ary voamarika ao anaty Baiboly koa.

Marihana ihany koa fa tsy ho an'ny hafinaretana no nanirahan'Andriamanitra ny vavy sy ny lahy hiray fa ho an'ny taranaka.
33. tywa68 ( 30/08/2007 12:30)
bosista : tsy hoe manelingelina fa safidin"ireo olona (masera sy môpera) ny hiditra katolika, sy hanolotra tanteraka ny fiainany ho an'i Tompo.

Ka tsy hovaina hifanojo @ zay tian'olombelona ny fanaovana an'ireo raha² an'Atra ireo, satria hoe misy maningana ; misy d misy tokoa ny mahavita azy tsara na tsy manambady mandra-paha-fatiny aza. Ary ny akamaroany dia izany soa ihany.

Zay tsy maharitra ny tsy manambady dia lasa manao pasitera na miala fotsiny e :wink:


34. pissoa ( 30/08/2007 22:08)
Tsy tadidiko tsony le namana niteny teto hoe ... "tsy hoe misy ny lozam-pifamoivoizana dia hijanona tsy hampiasa fiara intsony isika fa hiverina handeha sarety (na borety :-D:-D:-D ) " Dia toy izay koa io e !

Zay tsy maharitra ny tsy manambady dia lasa manao pasitera na miala fotsiny e

:-D:-D:-D
35. fijo ( 30/08/2007 22:21)
gasynamana,raha voamarika ao anaty baiboly io dia diso izany ny pasitera.
aray raha hoe hakana taranaka ny nanaovana an'io dia tsy mila manao raha tsy efa fantata fa hila taranaka.raha te hiteraka 4 izany dia in'4 ihany manao mandritra ny fiainana.
mino ve ise fa tena tsy manao ny ankamaroan'ny pretra????
36. Mandefitra ( 31/08/2007 05:43)
ny voalaza de hoe afaka tsy manambady raha mahazaka, fa tsara ny manambady toa zay ny maimay hoy Paoly.
Ary Andriamanitra aza moa niteny hoe :"tsy tsara raha irery ralehilahy".
Ny tokony ho izy zany de ovaina ny lalana katolika, hoe afaka manambady ny pretra, na ra tsy zay, refa tsy mahazaka tsy manao de miala tsotra zao.
Ny olana mantsy sao ny mpiandry ondry ndray no mandripaka ny ondry ... eritreritra ny ahy iny.
37. bozyboleta ( 31/08/2007 09:17)
Fa ity koa resaka efa reko matetika ka asa raha mba misy afaka manamarina na mitsipaka.
Anisan'ny antony lehibe hono tsy anekena ny hanambadian'ny relijiozy katolika de resa-bola satria raha miampy vady aman-janaka ireo de lasa vesatra be ho an'ny fiangonana ka manjary mihakely ny sôsy anaovana asa fanasoavana.
Ataoko mazava io hono io fa araka ny lazaiko tery hoe resaka ataon'ny olona ka ilaina hamarinina na disoana.
38. patrick2002 ( 31/08/2007 20:50)
-mpanelingelina eo amin'ny fanatanterahana ny asan'A/TRA ve ny vehivavy? otran'ny tsy marina izany amiko, satria ahoana ireny pasitera ireny no mahavita ny asan'A/TRA, ny fitoriana ny tenin'A/TRA sns nefa manambady izy ireny?

-F'angaha tsy mba betsaka koa ny pasitera mangala-badin'olona ,sy manao sipa kely ary miteraka eny @ sisiny :?:
Omeo ahy ary ny statistika firy ny mompera manao sipa ary firy ny pasitera (ankoatry ny vadiny io)
Iza no madio fitondra-tena kokoa mompera sa pasitera ,masera sa ireny mpiandry sy diakona ireny:roll:
Miara miaiky angamba isika fa tsy misy matanjaka ohatry ny katolika raha samy finoana (vola eto no resahina),midika izany fa mbola tsara io lalana io ho an'i finoana katolika .
Izaho aza milaza fa raha te handroso madagasikara ka ahita mpitondra tsy handray tsolotra izany dia tokony hatao tsy manam-bady ny minisitra sy ny filoha :-D:-D hataony inona moa tsolotra raha tsy hitsinjovany ny vady aman-janany .
inn moa no atao hoe fijanganjanagana aminao?

Aminao mba valio hoe inona no fijangajangana:?:
39. fijo ( 31/08/2007 22:39)
ouii rapa,tena marina ireo.tsy vitsy koa ny rapasy mitsaingoka ny ondrony.ka io wa tsy misy mahazaa izany fa aleo mijanona tsotra
40. xxx ( 03/09/2007 13:38)
aza mitsara mba tsy ho tsaraina e!ny mompera anie ka olombelona nofo sy rà e!mandia tany ka tsy maintsy solafaka. fa tsy hoe mompera akory ka tokony alain-tahaka foana.betsaka ny mompera na frera na masera ef amanao ny atôny @zao fa tsy mahatohitra fakam-panahy izy zany e!!!
lé sipa manaiky péany dray,asakasany io!!tsy hoe refa tsara taré akory dé tokony ho kely saina!ary tsy resaka vovodronono no tokony amitahana tena!
tokony samy ieritreritra na lé mompera na lé sipa!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3673