ny anjely sy ny firaisana ara-nofo???

1. bosista ( 23/08/2007 09:20)
manao ahoana daoly,
de mba manontany zah ho an'izay mahalala, indrindra ireo izay mino ny fisian'ny anjely:
misy filahiany sy fivaviany ve ny anjely? ary mba manao firaisana ve izy ireny sa ahoana? de any an-danitra ve izy ireo izany no manao ? zany hoe ahoan no fomba fitomboan'izy ireny ho marobe?, ny olombelona sy ny biby manko demazava ho azy fa mitombo isa ho maro be amin'ny alalan'ny firaisana, fa ny anjely kosa de ahoana?
misaotra mialoha amin'izay hamaly!
novalian'i niryna ny 26/08/2007 19:39
2. fahamarinana ( 23/08/2007 09:45)
bosista:

manao ahoana daoly,
de mba manontany zah ho an'izay mahalala, indrindra ireo izay mino ny fisian'ny anjely:
misy filahiany sy fivaviany ve ny anjely? ary mba manao firaisana ve izy ireny sa ahoana? de any an-danitra ve izy ireo izany no manao ? zany hoe ahoan no fomba fitomboan'izy ireny ho marobe?, ny olombelona sy ny biby manko demazava ho azy fa mitombo isa ho maro be amin'ny alalan'ny firaisana, fa ny anjely kosa de ahoana?
misaotra mialoha amin'izay hamaly!

:arrow:Iny ndray no tsy hitako ry bosista,hanky va re!!!Iza no afaka hamaly fa liana koa aho hiheno azy.(l)

3. Nickovy ( 23/08/2007 10:20)
:-D:-D:-D:-D=))=))=))=))
4. Achia ( 23/08/2007 10:46)
io ry lazadaddy an ; mba omeo sopapa kely any e
5. ikaretsaka ( 23/08/2007 11:19)
raha ny faalalako azy dia tsy manaranaka ny anjely, fa Andriamanitra no manao hoe misia anjely 1 na misia anjely 2 dia misy ko!
6. cutie ( 23/08/2007 11:24)
Nickovy
in zao no mahatapa-tsinay eo e :-D:-D:-D
7. sylvain ( 23/08/2007 12:01)
ny maty ka nanao ny tsara d lasa anjely!:?:wink::-D:-D,misy foana ny maty isaky ny 1segondra kou!
8. ikaretsaka ( 23/08/2007 12:11)
Dia raisiko @ teorian-drasily20 aza!

raha manao firaisana ara nofo (sa ara taolana taolana) ny maty izany.. dia manao koa ny anjely?8O
9. vavahady ( 23/08/2007 12:16)
tsy manelingelina andry zareo ve le elatra sa?efa misy position special??
tsy bedin'A/TRA eo ve raha manao any an-danitra???
10. Kwasi ( 23/08/2007 12:37)
:-D:-D:-D:-D Lasa lavitra mihitsy zany sain-drabosista izany le.
=))
11. xxx ( 23/08/2007 13:36)
iny anjely anie ry zareo tsy manana nofo tsony e! sady tsisy lahy sy vavy zany tsony
12. namanao ( 23/08/2007 13:39)
bosista:

manao ahoana daoly,
de mba manontany zah ho an'izay mahalala, indrindra ireo izay mino ny fisian'ny anjely:
misy filahiany sy fivaviany ve ny anjely? ary mba manao firaisana ve izy ireny sa ahoana? de any an-danitra ve izy ireo izany no manao ? zany hoe ahoan no fomba fitomboan'izy ireny ho marobe?, ny olombelona sy ny biby manko demazava ho azy fa mitombo isa ho maro be amin'ny alalan'ny firaisana, fa ny anjely kosa de ahoana?
misaotra mialoha amin'izay hamaly!

Ity ny soratra masina mety hahitanao ny valiny:

« Mpampianatra ô, Mosesy nilaza hoe: Raha misy maty momba, aoka ny rahalahiny hampakatra ny vadiny ka hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny (Deo. 25. 5). » (Matio 22:24)
« Koa nisy fito mirahalahy tety aminay; ary ny zokiny nampaka-bady, dia maty, ary satria tsy nanan-janaka izy, dia navelany ho an'ny rahalahiny ny vadiny; » (Matio 22:25)
« ary toy izany koa ny faharoa sy ny fahatelo, hatramin'ny fahafito. » (Matio 22:26)
« Koa faran'izy rehetra dia maty koa ravehivavy. » (Matio 22:27)
« Ary amin'ny fitsanganan'ny maty, ho vadin'iza amin'izy fito mirahalahy moa ravehivavy? satria efa samy nanambady azy avokoa izy rehetra. » (Matio 22:28)
« Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mahadiso hevitra anareo ny tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masina na ny herin'Andriamanitra. » (Matio 22:29)
« Fa amin'ny fitsanganan'ny maty dia tsy mba hisy hampaka-bady, na havoaka hampakarina, fa ho tahaka ny anjely* any an-danitra izy.[*Na: (anjelin'Andriamanitra)] » (Matio 22:30)

13. mimich ( 23/08/2007 14:27)
bosista> :-D:-D:-D tena nipoitra eto ny naha-bosista anao , fa niketriketrika mafy mihitsy ny adi-doha ka tonga hatrany amin'izay ny fisainana an!!!

hanombohako azy angamba dia izao: na isika malagasy aza matetika rehefa miala tsiny na te hanadio tena dia miteny hoe" olombelona aho fa tsy anjely akory" , midika izany fa isika ihany dia mahafantatra (na ara-tantara na tsia) fa misy mahasamihafa azy ary tsy mitovy ny firafitra sy ny nahariana ny olombelona sy ny anjely (eo amin'ny lafiny rehetra). Noho izany ataoko angamba fa voavalin'io fomba fitenenana io sahady ilay fanontaniana satria ny zava-misy amin'olombelona rehetra tsy voatery ho hita soritra sy voafaritra amin'ny anjely.


Ary h@ izao aloha dia mbola i ny anjely rafaely sy gabriely,misely ihany no re fa tsy mbola nandre hoe zana-drafaely , na zafikelin- dragabriely, na zafiafin-dramisely arak'anjely eee:roll::roll::roll:
14. simplex ( 23/08/2007 18:32)
:D:D:D
milay kosa ity kle ^:^^:^=))=))

mety maty nga ny anjely?
ra eternel izy kanefa miteraka d tsy omby tsony ny lanitra fa ny taranany mety betsaka lavitra noho ny an'ny olombelona. Satria izy tsy ho faty mintsy d aleo manamboatra taranaka na ho zato sy arivo aza :roll::P
Fa mety gidragidra any andanitra any zao an, surtt ra misy anjely mangalabadin'anjely any hummm :°) farany tsy fantatra tsony ny dadan'le zaza anjely ka tsy nomena anarana tsony fa tonga d hoe anjely e. Ny anjely marina tsy fantatra hoe lelah ity sa vevavy e, mety bisexe ngamba ry zareo. Na kou otran'le karazana le tsy mila lela sy vevavy zany fa tonga d miteraka hoazy, loza zany kozy ra mba ho omby io lanitra io :roll:

Zany hoe ny lanitra mety gonflable an, otran'ny elastika tsy mety tapaka, ra mitombo ny isan'ny mponina d mitombo angoza kou izy. A/tra kou alou fetsy e. Ngamba nohony tsy fitomboan'ny taranaky ny anjely haingana kokoa no antony namboaran'A/tra ny olombelona mba hamenoana ny lanitra.
Asa anefa, fa indraindray misy latsaka ety antany zany le anjely sasany :@:@
15. menalamba ( 23/08/2007 19:58)
Fa ohatry ny tadidididiko hoaho nisy tantara izay tao @ baiboly ,milaza fa hoe nisy anjely nidina avy any an-danitra ka tara t@ ireo vehivavy olombelona,dia niterahany ireo vehivavy ireo ka lasa olom-bé"géant" ny zanaky ry zareo no sady lian'ady sy mahery setra be.Tsy dia tadidiko tsara hoe aiza ny toko sy andininy misy @ izany ao fa tsy vita tsianjery koa moa ilay zavatra.Koa raha diso aho dia mba ahitsio re ray olona:°);-)...
16. cutie ( 23/08/2007 20:14)
:-D:-D:-D:-D
17. fijo ( 23/08/2007 20:39)
aza mibosy intsony letsy fa sao lasa lavitra loatra an.nofy letsy zany anjely izany fa tsy misy an.k ny nofy tsy manana filahiana sy fivaviana.
18. ikaretsaka ( 23/08/2007 22:48)
ny hitako koa dia toa ataon-dry lerony boay kely manan'elatra aby ny anjely ko!
19. Kwasi ( 24/08/2007 11:13)
Tandremo ny surmenage ry bosista.

Raha ny fahazoako azy dia efa defini ny isan'ny anjely, sady tsy mihena no tsy mitombo ary adulte daholo koa fa tsy misy zazakely.

Ny anjely dia tsy manana elatra. Hafa mihitsy ilay hoe creature manana elatra izay voalaza ao @ baiboly. Ireo indray ilay antsoina hoe Cherub (kerobima).

Ny devoly koa dia manana anjeliny. Izay mitovy @ anjelin'Andriamanitra ihany, fa saingy sous le commandement de Satan.
Raha ny soratra no jerena dia ny devoly sy ny anjeliny no atao hoe anjely latsaka an-tany, izay mifanohitra ihany @ filazantsika ny sipa manjakely (na manjabe)

Farany: ireo anjely ireo dia mahita anao manao firaisana ara-nofo ka matoa izy tsy mi intervenir dia tsy mi-interesse azy ilay izy na efa namboarina tsy ho @ izany koa zareo.:-$
20. vavahady ( 24/08/2007 17:23)
voalaza tery le oh we olombelona aho fa tsy anjely,io fanoharana io ve midika we manana taovam-panananahana aho fa tsy mitovy amin'ny anjely izay tsy manana?? sa kosa hoe mety solafaka aho ,mety manota fa tsy tahaka ny anjely izay madio, aiza no marina?
angambany ity le verset tadiavin'ny menalamba
genesisy toko faha6 and faha-2
dia hitan'ny zanak'A/TRA fa tsara tarehy ny zanakavavin'ny olona,ka dia nifidy vady ho azy tamin'izy rehetra araka izay tiany izy"
question?.....: ka raha ohatra tsy misy ny anjely kely ahoana ary ireny sarina zanak'anjely amboarin'ny katolika miaraka amin'ny sarina masina maria ireny ??? angambany fa ataoko efa nahita ireny sary ireny daoly isika ,ilay anjely kely tsy miakanjo fa manao salaka ireny?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2881