ny anjely sy ny firaisana ara-nofo???

21. Kwasi ( 24/08/2007 17:41)
vavahady:

voalaza tery le oh we olombelona aho fa tsy anjely,io fanoharana io ve midika we ... sa kosa hoe mety solafaka aho ,mety manota fa tsy tahaka ny anjely izay madio, aiza no marina?



io angamba kosa no izy e.

Fa ilay sary zazakely ireny inspiration'ny mpanao hosodoko ireny. Ny anjely ange ka karazana tafika e. Mpanao mission ny asany. Tsy misy zazakely alefa hanao iraka izany.

Ahitsiko kely ilay voalazko tery aloha: tsy voatery hanana elatra daholo ny anjely, no tiako hotenenina.
22. lapino ( 24/08/2007 18:39)
:-D:-D:-D
bosista:
indrindra ireo izay mino ny fisian'ny anjely
mino nefa tsy mahita ;-)
Tsy dia maika hahalala an'izany koa fa mbola ho ela ny mandrakizay hahafantarana an'izany :)
23. fijo ( 24/08/2007 21:00)
hi hi hi,valiteny mialabala indray an.
nofy wa izany anjely zany?ts misy izany na anjelin'ny devoly na an'iza.ny sipa manja kely kosa marina fa misy io.
ay araka io voalazn'i vavahady io,dia toa mba nifidy koa i lery hono ko.
24. gasynamana ( 24/08/2007 21:23)
Tsy izay hita sy tsapa ihany no misy, fa mbola misy "raha" hafa tsy hitan'ny maso.

Zavatra marina io, ary na ny malagasy, na ireo firenena hafa, na ireo mpandalina manam-pahaizana dia samy miaiky ny fahamarinan'izany.

Ny "raha" mitafy nofo no voafetran'ny filan'ny nofo sy ny nofo... fa ireo "raha" tsy manana izany kosa, toy ny anjely dia manana fiainana hafa fa tsy toy ny olona sy ny biby ka aza afangaro.
25. fijo ( 24/08/2007 21:42)
hoanareo mino ny fisian'ny anjely izay.ataovy mazava.aminay tsy mino dia tsy izay no fahitanay azy.
26. piste ( 24/08/2007 22:13)
Avy aiza moa ny rivotra ary mankaiza. Taiza no niandohany ?
27. gasynamana ( 24/08/2007 22:13)
Raha mitady fanazavana misimisy kokoa ianao ry fijo dia vakio ny baiboly, efa nisy andalana nomen'ny namana ireo ambony ireo. Raha ohatra moa ka efa hainao tsianjery io dia azonao atao koa ny mijery izay voalazan'i Aristote mikasika azy io. Mbola misy hafa koa saingy lalindalina kokoa izay voalazan'i Thomas d'Aquin ao amin'ny Somme Theologique.
28. fijo ( 24/08/2007 22:19)
be ny boky azo vakiana momba ny zavatra tsy itamaso.ekeko fa hery ireny fa tsy masina
29. gasynamana ( 24/08/2007 22:28)
Dia inona indray ary ilay hoe hery e?
30. fijo ( 24/08/2007 22:30)
aminao aloha ,inona io?????tsy maka ambavany ahy enao fa mifanazava isika ,ka alefaso aloha ny hevitr'ao.
31. gasynamana ( 24/08/2007 23:02)
Ka ny anao dia afangaronao ny zavatra rehetra, ka tiako mba hazava amiko izay tena hevitrao mitratrevatreva be io raha misy mitombina marina na ahoana?
32. fijo ( 24/08/2007 23:09)
tsy maka ambavany w a isika fa mifanakalo hevitra,ka raha misy hevitra arosoy aloh,fa tsy hoe manontany foana nefa tsy manho mihintsy izay fantatra
33. gasynamana ( 24/08/2007 23:27)
Matoa manda dia manana izay antony mazava andavany. Raha tsy mahalala kosa dia tsy manan-kevitra, ary tsy ho afaka hanao confirmation.

Ny hoe mifanakalo hevitra dia misy ny miteny ary misy ny mihaino. Fotoana mba tiako hihenoana anao zao. Tsy tiako mantsy ny hoe: manao torin-teny na hampianatra, na hanome morale, na hanamarin-tena. Ka ho henoina aloha izay hevitrao milaza fa diso izay voalazanay mpino. Dia ho hita eo ihany avy eo.
34. Mitah ( 25/08/2007 04:27)
ikaretsaka:

Dia raisiko @ teorian-drasily20 aza!

raha manao firaisana ara nofo (sa ara taolana taolana) ny maty izany.. dia manao koa ny anjely?8O


Inona ity lazainao? izany ve no fampianarana omenao ny olona?Kivy aho:cry:
35. lapino ( 25/08/2007 18:11)
fijo, miala bala inona ndray ary e ? Ilay fanontaniana ange ohatra ny hoe :
ohatra an'ilay fanontaniana:
ho anareo izay mino fa misy ny electron, malamalama sa marokoroko izany electron izany ?
36. naughtyboy ( 26/08/2007 10:23)
sarotra kosa kalo ny amaritra anjely arabatana na ara-materiely fa misy @ endriny maro samihafa izy reny ,na ny tsy mpino zao aza enoko matetika mampiasa teny anjely toetrany oul 1 na ko misy oul 1
tsara arabatana na fanahy
37. xxx ( 26/08/2007 17:56)
tsy miray ry zareo fa MIMASTA FOTSINY de tsy milatsaka any ny ranon'aina fa milatsaka de reny izy orana hita-tsika reny.
maty eo fa atovy
38. niryna ( 26/08/2007 18:34)
Kwasi:

Tandremo ny surmenage ry bosista.

Raha ny fahazoako azy dia efa defini ny isan'ny anjely, sady tsy mihena no tsy mitombo ary adulte daholo koa fa tsy misy zazakely.

Ny anjely dia tsy manana elatra. Hafa mihitsy ilay hoe creature manana elatra izay voalaza ao @ baiboly. Ireo indray ilay antsoina hoe Cherub (kerobima).

Ny devoly koa dia manana anjeliny. Izay mitovy @ anjelin'Andriamanitra ihany, fa saingy sous le commandement de Satan.
Raha ny soratra no jerena dia ny devoly sy ny anjeliny no atao hoe anjely latsaka an-tany, izay mifanohitra ihany @ filazantsika ny sipa manjakely (na manjabe)

Farany: ireo anjely ireo dia mahita anao manao firaisana ara-nofo ka matoa izy tsy mi intervenir dia tsy mi-interesse azy ilay izy na efa namboarina tsy ho @ izany koa zareo.:-$



misaotra anao tamin'ny fanazavana:D
39. niryna ( 26/08/2007 18:39)
bosista:

manao ahoana daoly,
de mba manontany zah ho an'izay mahalala, indrindra ireo izay mino ny fisian'ny anjely:

Eny mino ny fisian'ny anjely aho.

misy filahiany sy fivaviany ve ny anjely? ary mba manao firaisana ve izy ireny sa ahoana? de any an-danitra ve izy ireo izany no manao ? zany hoe ahoan no fomba fitomboan'izy ireny ho marobe?, ny olombelona sy ny biby manko demazava ho azy fa mitombo isa ho maro be amin'ny alalan'ny firaisana, fa ny anjely kosa de ahoana?
misaotra mialoha amin'izay hamaly!


Tsia, tsy miteraka ny anjely ary sady tsy misy lahy na misy vavy fa matetika dia anjely mitovy amin'ny olona lahy foana izy.
Misy olombelona fiteny hoe ianao toa irak'anjely izany hoe ,mety olona fantatrao na tsy fantatrao no manavotra anao na ny olon-kafa amin'ny andro tsy am-poizina.

40. niryna ( 26/08/2007 19:24)
Ilay Anjelin'i Tompo niakatra avy tany Gilgala ka nankany Bokima,dia nanao hoe:Nitondra anareo eto amin'ny tany izay nianianako tamin'ny razanareo homena azy,ka hoy Izaho :Tsy hanatsoaka ny fanekeko taminareo Aho mandrakizay Mpitsara 2:1
Eto dia Anjely izay io irery ihany no hiankohofana satria io dia endrik'i Tompo na Atra ihany.Ka afaka mivavaka aminy isika na mangataka aminy satria Tompo ihany io.
Anjelin'i Tompo:arrow:Izaho:arrow:Aho:arrow: Andriamanitra.

Ary amin'izany andro izany dia hitsangana Mikaela,andrian-dehibe,izay nitsangana hiaro ny zanaky ny firenenao;.. Dan 12:1
Eto indray dia Mikaela dia lehiben'ny anjely ka tsy afaka hivavaka na hiantso ny anaran'Atra aminy isika.
Tsy mitovy ireny hoe miantso ny anaran'i Kristy mivantana raha te hangatan-javatra amin'Atra fa Izy no mpisolo vava antsika ao amin'ny Rainy
.
...Fa hoy izy tamiko :Ireo dia teny marin'Atra.Dia niankohoka teo amin'ny tongony aho mba hivavaka aminy.Ary hoy izy tamiko:Tandremo ,aza manao izao;fa mpanompo namanao ihany aho sady naman'ireo rahalahinao izay mitany ny filazana an'i Jesoa. Apo 18:9-10
Ity izany no porofo iray hilazana fa tsy afaka manompo ny anjely isika na miankohoka ny anjely satria izy (izy fa tsy Izy eto)dia mpanompo ihany koa fa tsy Tompo.

" Every knee will bow before me,and every tongue will confess to God" Raha velona koa Aho hoy ny Tompo ,ny lohalika rehetra handohalika amiko ary ny lela rehetra hidera an'Atra Rom 14:11,Isaia 45:23
^:^
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4591