Firaisam-pinoana

1. LazaDaddy ( 06/08/2007 05:59)
Efa adihevitra nisokatra teto taloha izy ito fa averiko ho fampahatsiahivana. Tsy nisy valiny nahafa-po koa moa tamin'izany.

Ahoana ny fahazahoanao izany hoe firaisam-pinoana? Ny finoan'iza sy iza no ampiraisina? Ny fahamarinana toy inona avy amin'ny finoana inona no ampiraisina amin'ny tsy fahamarinana avy aiza? Mbola mitombina ve ny fiantsoana azy hoe finoana raha izany?
novalian'i fijo ny 10/08/2007 22:38
2. ikaretsaka ( 06/08/2007 06:11)
Raha ny hevitro
ilay finoana voalohany talohan'ny nisarahana.. amboarina kely .
Miverina any am-pototra e...
Miriorio foana ny angidina hono.... fa any ankady no hiafarana
misandrahaka foana ny voatavo.. fa vao ny fotony noongotana dia maty ho azy.

ny orizinal ihany Ramose an!
3. Fiffi ( 06/08/2007 06:13)
ity nga tsy hitan'Laza ?

La Ffkm en union de prière

La FFKM a organisé un culte œcuménique, hier, au Palais des sports et de la culture. Cette messe a été organisée en l’honneur des Jeux des îles qui se dérouleront du 9 au 19 août 2007 dans la Grande île. De nombreuses autorités, responsables et athlètes étaient présents à cette cérémonie.

L'Express de Madagascar
4. Fiffi ( 06/08/2007 06:15)
LazaDaddy:

Mbola mitombina ve ny fiantsoana azy hoe finoana raha izany?
nahoana moh no tsy hitombona raha hasia "volonté" am tena atao hoe kristiana ?


5. LazaDaddy ( 06/08/2007 06:15)
amboarina kely.
io amboarina kely io na nahatonga ahy nanontany hoe: Mbola mitombina ve ny fiantsoana azy hoe finoana raha izany?
ny orizinal ihany Ramose an!
io mihitsy tokoa! inona ary ilay orizinal? Ny sadoseo sy fariseo samy nilaza azy ho orozinal, torak'izany koa ny "zealots" sy "essenes", ny protestant, ny katolika, ny silamo, ny hindoa, ny boudisma
6. Fiffi ( 06/08/2007 06:18)
raha hasiana "volonté" inn nefa no hanakana an'zany ?
7. LazaDaddy ( 06/08/2007 06:20)
Fiffi:
La Ffkm en union de prière
Hay FFKM ilay firaisam-pinoana? Tsy tafiditra aloha izany ny Batista sy ny Pentekotista sy ny Evangelical, sy ny silamo sns...

Fa amiko na io FFKM notsongain'i Fiffi io aza dia en union d'hypocrisie. Efa fantatra izao fa samy manandra-tena ho samy manana ny marina (izay mifanohitra tokoa) kanefa dia miseho mihatsaravelatsihy imasom-bahoaka ho mitovy.
8. Fiffi ( 06/08/2007 06:22)
heu.....nefa de nataon'zareo le izy....de fiatsarambelatsia ve zany hoe niara-nivavaka zany ?
9. ikaretsaka ( 06/08/2007 06:23)
raha te hiditra izy tafiditra ka..
tsy voatery ho ffkm anie io fa fomba iray hitazonana ny maha iray, finoana iray , firenena iray, fiteny iray fotsiny e
10. LazaDaddy ( 06/08/2007 06:27)
de fiatsarambelatsia ve zany hoe niara-nivavaka zany ?
"Niara-nivavaka" tokoa ve sa niara-nivory sy niara-namory olona? Samihafa ny fivoriana (famoriana olona) sy ny fivavahana.

Izaho izao afaka miara-mivavaka amin'olona tsy hitako any alavitra any raha tena miray fo sy finoana amiko ilay olona, saingy tsy afaka miara-mivory izahay satria mifanalavitra.
11. ikaretsaka ( 06/08/2007 06:33)
LazaDaddy:

amboarina kely.
io amboarina kely io na nahatonga ahy nanontany hoe: Mbola mitombina ve ny fiantsoana azy hoe finoana raha izany?
ny orizinal ihany Ramose an!
io mihitsy tokoa! inona ary ilay orizinal? Ny sadoseo sy fariseo samy nilaza azy ho orozinal, torak'izany koa ny "zealots" sy "essenes", ny protestant, ny katolika, ny silamo, ny hindoa, ny boudisma


ny Tiako lazaina amin'ny amboarina kely.. rehefa tsy mety ramose dia ahitsy fa tsy ny misaraka no fanafody a.. i Jesoa aza nivavaka ny mba hampiray antsika rehetra.. ary raha niady ny mpianatra dia nalaminy foana ary tsy nisy niala izany raha tena mpianany

ny Orizinal: 1 ihany anie no naorin'i jesoa e.. raha mamaky sy mino baiboly Ramose! voalaza ao io

Ny sadoseo sy ny Fariseo, sy ny essenes sy ny zeloty ary ny silamo sy ny hindou lazain-Dramose ireo tsy kristianina ! fa isika izy! izay no maha samihafa sy maha irrelevant ireo ohatra nalain-dramose ireo!
ireo anefa rehefa hoe allh dia allh ohatra, rehefa hoe Elohim de elohim, rehefa karma dia karma,
isika vo kristianina malagasy, dia any sahady dia efa tsssss....

Mbola ho ela.. misaraha koa Ramose dia manaova hafa dia ataovy Jesaosy sy Jehaova koa fa zany izy gasigasy tsara a!
Dic mihi solum facta,
12. LazaDaddy ( 06/08/2007 06:38)
ikaretsaka:
rehefa tsy mety ramose dia ahitsy fa tsy ny misaraka no fanafody a
misy tsy nety nahitsy (ary tsy mety ahitsy) tao matoa nisy ny fisarahana.
Ny sadoseo sy ny Fariseo, sy ny essenes sy ny zeloty ary ny silamo sy ny hindou lazain-Dramose ireo tsy kristianina ! fa isika izy!
Somary lasa saina aho eto satria betsaka amintsika no tsy mitonona ho Kristianina fa "anaram-piangonana" no lasa solon'ilay anaran'i Kristy.
13. ikaretsaka ( 06/08/2007 06:45)
samy be loha... fa avy eo ilay 1 tonga saina dia nifona dia nitady fika rehetra mba hiombonana dia nanamboatra ny rafitra anatiny..
fa ilay 1 tany dia tany...

Dia averiko any @ ilay nolazaiko taloha izay...
ianao no tsy sahy miteny hoe Sekta kristianina..
dia tenenina ny olona kristianina Katolika sy Kristianina Protestanta hoe mitonontono-poana
Inona izao no mahamenatra mijoro hoe ianao Sekta kristianina? mba azonao azavaina ve ilay antony mahamenatra?

maninona ny sisa miteny heo Kristianina katolika, Kristianina protestanta, Kristianina Orthodoksa, kristianina, Anglikanina

fa i Ramose tsy sahy mihitsy hoe Kristianina sekta?
14. LazaDaddy ( 06/08/2007 06:49)
mitsiky aho ry ikaretsaka mamaky ny resakao :). Dia iza amin'ireo ilay orizinal lazainao? I Petera izao nilaza fa "sekta", i Jesosy Kristy Jiosy, ... fa izaho Kristy-anina (tsy ampiako io fa io ny Anarany: Kristy)
15. ikaretsaka ( 06/08/2007 06:55)
Dia inona hoa no mahamenatra miteny hoe kristianina sekta?
dia maninona ianoa no tsy manaiky mihitsy hoe eny ary fa sekra ny tenanao, fa mody aolakolana eo?

t@ andron'i Paoly aza efa nisy ny fitsinjarazarana azy heo itony ny korintianina intony ny filipianina...

maninona ianao raha atao hoe itony ny sekta... tsy manaiky?hmm?

inona no tsy anekenao hoe Kristianina sekta ny tenanao?

mba omeo antony !
16. LazaDaddy ( 06/08/2007 07:01)
dia mbola mitsiky hatrany aho mamaky ny resakao ry ikaretsaka. Ny Korintianina kay anaram-pinoana, ny Filipianina koa finoana? Noheveriko fa sokajin'olona mipetraka @ toerana iray mantsy. Dia tsy nisy firaisam-pinoana izany tamin'izany satria nisy ny Korintianina sy ny Filipianina sy ny EKAR...Oops! Romana mantsy fa tsy EKAR e. Kay moa ny Ekar taty aoriana be vao niforona.
17. ikaretsaka ( 06/08/2007 07:09)
Ka sokajy ange no lazaiko e:
katolika=sokajin'olona kristianina mino sy miankina amin'ny fampianaran'i kristy araka ny natoron'i Kristy an'i Piera sy ny apostoly
Loterianina/protestanta=sokajin olona mino ny fampianaran'i kristy araka ny namoronan'i lotera sy kalvino azy
ny Philipianina=sokajin'olona mino ny fampianaran'i kristy , nitoetra tao filipia

anaram-piangonana=denominations!
ohatran'izany koa ny Ekar=denominations..
theology 101 izany ramose a

ary omeo aloha ny antony e sy ny valin'ny fanontaniako io ambony io eee8)
18. LazaDaddy ( 06/08/2007 07:12)
resaka miodikodina ny anao ry ikaretsaka fa tsy mamaly ilay hoe:

Ny fahamarinana toy inona avy amin'ny finoana inona no ampiraisina amin'ny tsy fahamarinana avy aiza?
19. ikaretsaka ( 06/08/2007 07:16)
ka ny fanontaniako valiana e... maninona no tsy sahin-dramose ny mamaly ny fanontaniako?
20. LazaDaddy ( 06/08/2007 07:19)
ikaretsaka> tsy hiaro tena @ zavatra heveriko ho tsy misy lanjany no nanokafako adihevitra fa nametraka mazava aho hoe.

Firaisam-pinoana: Ny fahamarinana toy inona avy amin'ny finoana inona no ampiraisina amin'ny tsy fahamarinana avy aiza?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2318