Firaisam-pinoana

61. LazaDaddy ( 06/08/2007 23:51)
Mandefitra:
sa tsy katolika le orozinal?
62. ikaretsaka ( 07/08/2007 01:20)
tsy te haniratra lalina be ahako fa ataoko fa samy mahalala daholo ary tsy azo lavina fa raha niforona taty aorianan'ny efa niforona dia tsy orizinaly...
na zavatra inona io na zavatra inona.
Atao hoe hira ohatra: Raha efa nisy ny kaiamba ka na novainao sy namboarina be aza dia ilay kaiamba no nangalana azy! fa tsy hisy hihambo mihitsy eo hoe nahaforona vaovao.
raha tsy hoe zavatra hafa (tsy kaiamba) mihitsy no noforoniny
63. LazaDaddy ( 07/08/2007 02:55)
ikaretsaka> tsy mamaly ilay fanontaniana tsotra be (eny na tsia) ianao fa vao maika miditra lalina be :)
Mandefitra:
sa tsy katolika le orozinal?
64. ikaretsaka ( 07/08/2007 03:12)
ka ianao no mba tiako handinika ny tenanao sy hamoaka valiny ka
65. LazaDaddy ( 07/08/2007 03:33)
ikaretsaka> miverina aminao ihany ilay teny hoe "ny anay ihany no izy".... ooops! Ny anao ihany no orizinal mantsy e! =))
66. Herimiafina ( 07/08/2007 03:51)
Tsy aleo ve ry Laza tonga dia ny Pasitera RABEMANAHAKA J-W B, izay isan'ny rain'io Firaisampinoana io no tonga dia hanontaniana raha izany. :roll::-w
67. LazaDaddy ( 07/08/2007 04:03)
Herimiafina> mba omeo ahy ny Fax-ny raha anananao azafady. :)
68. ikaretsaka ( 07/08/2007 04:25)
LazaDaddy:

ikaretsaka> miverina aminao ihany ilay teny hoe "ny anay ihany no izy".... ooops! Ny anao ihany no orizinal mantsy e! =))


tsy mampaninona ahy mihitsy ny miteny hoe ny anay na ny anao na ny anazy no isy.. raha manana antony argument convaicants bedebe ianao manamporofo fa ny anao na ny anazy na ny anay no izy

saingy le tsy fisian'izay no....mahatonga ilay fana-ahan-kevitra!

zahay nozarina t@ ilay hoe satria nahoana , fa maninona, inona ny antony? manko!
raha vao tsy mahay manazava an'io na tsy mahay akory nefa mi contrer=.. "tsy orizinal"
69. LazaDaddy ( 07/08/2007 04:54)
ikaretsaka:
tsy mampaninona ahy mihitsy ny miteny hoe ny anay na ny anao na ny anazy no izy.. raha manana antony argument convaicants bedebe ianao manamporofo fa ny anao na ny anazy na ny anay no izy
nivadika ny glaoby =))
70. LazaDaddy ( 07/08/2007 04:56)
ikaretsaka> ka efa tsy mampaninona anao intsony indray izany dia aleo mba hosoratako e:

[size=16]Ny an'ikaretsaka ihany no izy[/size] :)
71. niryna ( 07/08/2007 05:25)
Ny firaisam-pinoana amiko dia fiangonanana rehetra izay miaraka mino an'i Kristy no hifanaraka fa hanaraka sy hino izay voalaza ao anaty baiboly.
Miara-manaiky sy manana finoana iarahana(samy mino avy fa maty Izy noho ny ota ary mino sy manantanteraka izay hafany fa tsy hoe izay tiantsika akory sy izay mahafinaritra antsika.Famonjena ny rehetra mantsy no tena anton'ny hazafijaliany.
Samy manaiky fa misy ny fanomjena ka avy amin'i Kristy irery ihany.Samy manaiky fa maty Izy noho ny ota ary mbola hiverina indray.Izay fomba ataon'ny fiangonana any dia samy manana ny azy fa rehefa tonga amin'ilay tanjona ho tratrarina fotsiny dia izay.Tadidio fa isika rehetra dia tsy mitovy(we are unique),noho izany tsy hitovy mihitsy ny fitariana fivavahana isam-piangonana.Raha hiara-miombona fotsiny ny hevitra eo ambony dia tsy tokony hisy olana.Rehefa tsy mivoana ny ao anaty vala dia tsy mivoaka ny ondriny fa vao maika aza mitady ireo very.
Satria hoy Kristy: Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra.Tiava ny namanao tahaka ny tenananao.Izany didy roa izany no ihantonan'ny lalana rehetra sy ny mpaminaniny. Mat 22:37-38
Didy vaovao no omeko anareo dia ny mba hifankatiavanareo,eny aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa.Izany no hahafantara'ny olona rehetra fa mpianatro hianareo,raha mifankatia. Jaona 13:34
* Fifankatiavana izany no zava-dehibe nomeny ho antsika kritiana rehetra.
* Ny ho tia an'ny Ray tanteraka(vatana,saina ary fanahy).
Ampiaro amin'ny fiangonana rehetra izany ireo hafany ireo dia hisy tokoa ny firaisam-pinoana ho an'ny kristiana rehetra.
Enga anie ka hiombo-kevitra ny voalazan'ny soratra masina ny fiangonana rehetra .Raha manaraka ny hafany tokoa isika rehetra ka manana finoana tanteraka ao Aminy dia ho voavonjy ny fanahy ary izay no tadiavina.:D
72. Mandefitra ( 07/08/2007 07:27)
Hoy Nirina
* Fifankatiavana izany no zava-dehibe nomeny ho antsika kritiana rehetra.
* Ny ho tia an'ny Ray tanteraka(vatana,saina ary fanahy).
Ampiaro amin'ny fiangonana rehetra izany ireo hafany ireo dia hisy tokoa ny firaisam-pinoana ho an'ny kristiana rehetra.

Zay no tena izy, fa tsy hoe ny anay ny original fa miverena, na refa tsy mitovy aminay de mandiniha tena etc ...
"Ny fitiavana no lehibe indrindra" :-*
73. tywa68 ( 07/08/2007 09:21)
Mandefitra : tena marina tokoa ary aoka mba ampiarina fa tsy tenenina fotsiny :-*
74. deric ( 07/08/2007 12:51)
maninona ny sisa miteny heo Kristianina katolika, Kristianina protestanta, Kristianina Orthodoksa, kristianina, Anglikanina

fa i Ramose tsy sahy mihitsy hoe Kristianina sekta?
[/quote]
Tsy misy izay tsy sekta kosa raha amin'izao fotoana izao e! Ny dikan'ny sekta ve moa tsy hoe "nisitaka". ka iza no tsy nisitaka raha raisika amin'ny fiangonana voalohany indrindra teto ambony tany?
Tsy nisy fiangonana teto ambony talohan'ny fiangonana nentin'i Mosesy niala tao Egipta ho any Kanana.
Iza amin'ireo fiangonana amin'izao fotoana izao no sahy hilaza fa izy no fiangonana voalohany izay lazain'ny baiboly. Na dia Jesosy aza nanangana fiangonana hafa indray tamin'ny alalan'ireo apostoly ireo; azo lazaina koa fa sekta na dia ny fiangonana najoron'i jesosy satria nisitaka izy fa tsy niombona tamin'ireo fiangonana taloha izay efa nisy.
Ny amin'ny hoe firaisam-pinoana indray dia efa hevi-diso hatramin'ny fandikiana ny hoe finoana; ny anaram-piangonana mantsy no heveriny ho finoana.
Tokony hataony hoe "firaisam-piangonana" fara-faharatsiny. hevitra ny ahy fa tsy voatery ho marina io.

75. ikaretsaka ( 07/08/2007 18:10)
LazaDaddy:

ikaretsaka> ka efa tsy mampaninona anao intsony indray izany dia aleo mba hosoratako e:

[size=16]Ny an'ikaretsaka ihany no izy[/size] :)



dia omeo ny arguments... satria... tohizo:wink:
76. ikaretsaka ( 07/08/2007 18:14)
ikaretsaka:

tsy mampaninona ahy mihitsy ny miteny hoe ny anay na ny anao na ny anazy no izy.. raha manana antony argument convaicants bedebe ianao manamporofo fa ny anao na ny anazy na ny anay no izy

saingy le tsy fisian'izay no....mahatonga ilay fana-ahan-kevitra!

zahay nozarina t@ ilay hoe satria nahoana , fa maninona, inona ny antony? manko!
raha vao tsy mahay manazava an'io na tsy mahay akory nefa mi contrer=.. "tsy orizinal"


LD: vakio tsara fa efa 4 ny maso8O

77. fijo ( 10/08/2007 22:38)
tsara ity resaka ity.nefa sarotra ny valiny,satria izay mamaly dia efa maneho moramora eo ny fahambonian'ny azy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2114