Firaisam-pinoana

21. ikaretsaka ( 06/08/2007 07:23)
Ny fahamarinana toy inona avy amin'ny finoana inona no ampiraisina amin'ny tsy fahamarinana avy aiza?


mamaly ka :
ilay fahamarinana azo avy any amin'ilay finoana 1 naoriny, ary nivavahany tsy ho azon'ny varavaran'ny afobe sy nivavahany mba ho iray, ary nampanakininy ilay olona 1 izay sy ny namany ary ny dimbiny mitady hiverenan'ireo nanorin-tena mihambo ho manana ny fahamarinana
22. LazaDaddy ( 06/08/2007 07:27)
ikaretsaka> Arak'io voalazanao io dia tsy firaisam-pinoana no tena katsahina fa fanjakan'ny finoana iray. Noho izany dia mitombina tanteraka ilay nolazaiko hoe "fihatsarambelatsihy" na tetik'ady angaha ny marimarina kokoa ny "firaisam-pinoana"
23. ikaretsaka ( 06/08/2007 07:29)
dia efa nataon'io voalohany io aby izao fika rehetra izao mba hiverenan'ilay 1 fa le 1 be doika hatrany @ pitsony kely. dia be doika dia be doika de be doika...
dia nisaraka dia nisaraka dia niasaraka dia nisaraka...

Miverena @ zay fa hariva ny andro e
24. LazaDaddy ( 06/08/2007 07:31)
Ka ny ambaranao ihany ry ikaretsaka dia ahitana araka ny voalazako fa tsy firaisam-pinoana ilay izy fa tetik'ady politika. Fa mampalahelo ilay fihatsarambelatsihy hafenina amin'ny anaran'ny finoana.
25. ikaretsaka ( 06/08/2007 07:33)
velabelaro ny maha tetik'ady politika azy aza...
dia eto any @ politika hodinihintsika any indray!
26. LazaDaddy ( 06/08/2007 07:34)
Ny maha tetik'ady politika azy?
ikaretsaka> Arak'io voalazanao io dia tsy firaisam-pinoana no tena katsahina fa fanjakan'ny finoana iray.
27. ikaretsaka ( 06/08/2007 07:38)
satria maninona?
inona ny idiran'ny politika amin'izany.. taoko tsy finoana 1 ny kristianisma? tsy izay ny tanjona? dia tsy haiko hoe aiza no idiran'ny politika amin'izany!
raha asaina miverina any @ vantakazo sy ny fakany ireo hazo miparitaka... aiza no maha politika izany.
any @ fivavahanareo no mahita resa-politika amin'izany satria mety tsy velona i pasitera ko
28. Mandefitra ( 06/08/2007 07:38)
dia efa nataon'io voalohany io aby izao fika rehetra izao mba hiverenan'ilay 1

Siora @ zany ve ikaretsaka?
Betsaka ny tsy iraisana.Jereo fotsiny ny adihevitra rehetra miseho eto @ serasera : Maria, olo-masina, Sorona masina, afo fandiovana, ny assomption etc ....
Ary ireo nefa no nahatonga ilay iray nisintaka, ary mbola tananan'ilay iray kosa h@ zao.
29. ikaretsaka ( 06/08/2007 07:39)
fa raha resaka finoana en general.. tsy izany ve no Nivavahany...ny mba hampiray?
30. LazaDaddy ( 06/08/2007 07:40)
nona ny idiran'ny politika amin'izany.
fihatsaram-belatsihy
dia tsy haiko hoe aiza no idiran'ny politika amin'izany!
eo amin'ilay fihatsarambelatsihy ny politika no mibaribary
31. ikaretsaka ( 06/08/2007 07:45)
aiza ao @ politika indray no misy hoe ny atao hoe politika dia mihatsaravelatsihy? jereo tsara aloha ny definition an'ny politika araka ny maha science po azy alohan'ny hamariparitana be fahatany!
ha lasa Science po indray ity Ramose marina!
32. Fiffi ( 06/08/2007 08:22)
toa nivadika resaka fihatsaram-belatsihy ity ?:roll:
33. tywa68 ( 06/08/2007 09:51)
Firaisam'pinoana : vô nanomboka nanokatra ny sujet i Laza dia mazava fa tsy an'isan'ilay mafàna fò @izany ! tsy hifanerena akory izany fa avelao ny te-handroso @izany hanohy :?

Ny fomba fijerinao tsy ho voatery marina, ary samy ohatr'izany daholo isika eto !

Tsy maintsy misy ny be doika, misy ny mieritreritra fa ny fitokanany no mety kokoa sns...zao indray d pôlitika : ny fantatro aloha dia ilay fiarahana io tsy ny rehetra no tia an'io, ary mazàna ilay nisitaka rehetra no tsy manaiky hiverina, satria matikambo, dia mody tsy te-halala, ka mamerina ny arguments tsy mitombina raiki-tapisaka an-doha depuis toujours momban'ny katolika !

Tsy olana izany fa zay tena manana finiavana hiray dia mahay miaraka foana ary mitoetra ao Aminy.

Hombantsika mianakavy anie ny Tompo = ho tanteraka tokoa anie izany !

34. Mandefitra ( 06/08/2007 10:35)
ary mazàna ilay nisitaka rehetra no tsy manaiky hiverina, satria matikambo, dia mody tsy te-halala, ka mamerina ny arguments tsy mitombina raiki-tapisaka an-doha depuis toujours momban'ny katolika !

F'inona mo le tanjona:
1/hiverina ho katolika ve?
2/Sa ny hino ilay Zanak'Andriamanitra mba hanana ny fiainana mandrakizay?
Raha ilay faharoa mantsy, ny zava dehibe de ny hananana sy hiainana @ zay finoana zay.

Tsetsatsetsa tsy aritra ty: Raha misy olona an aliny mangataka vavaka @ Masin'iMaria (le hoe mivavaha ho anay mpanota), na mangataka hiara hivavaka aminy, @ fotoana tsy voafetra, ary ny an'ny sasany aza averina impolo kely, ahoana kay no hahefan'i Masin'iMaria zany rehetra zany? nefa raha tsy diso za Andriamanitra irery ihany no : "omniprésent,
omniscient, omnipotent"
35. xxx ( 06/08/2007 10:46)
sceptiques nno betsaka @ mamaly eto

matoa nizara dia misy hevitra samihafa

raha ny fahalalako azy, izay efa nizara dia tsy hiverina hitambatra intsony

ny firaisam-pinoana amiko dia "tentative" hisian'ny zavatra iombonana na dia kely dia kely fotsiny aza, finiavana araka ny voalaza teo aloha

maninona no tsy ao ny Batista sy ny hafa ? Sao dia mbola tsy ni manifester fitiavana te ho ao izy, na koa nantsoina fa tsy nety ?

Laza >>> maninona ise no tsy mahita afa-tsy hypocrisie ? Maninona raha mba miezaka mijery ny côté positif n'ny zavatra
36. menalamba ( 06/08/2007 10:51)
Eto dia miombon-kevitra tanteraka @ Ikaretsaka aho
37. Mandefitra ( 06/08/2007 11:09)
ny firaisam-pinoana amiko dia "tentative" hisian'ny zavatra iombonana na dia kely dia kely fotsiny aza, finiavana araka ny voalaza teo aloha

Dia mitondra mankaiza? zay marina ve ilay Tadiavin'i Jesosy raha nivavaka Izy hoe "mba ho Iray ihany izy rehetra"?
38. tywa68 ( 06/08/2007 11:11)
Mandefitra = tsy nisy nanoratra na niteny teo hoe andao hiverina katolika zay niala tao ; mazàna anefa ireo milaza ny tenany hafa noho ny katolika no faly miala sy misitaka, manamafy hatrany toa anao (manamarina ny teniko :lol:) @ famerenana ny momban'i Masina Maria sns.. na dia efa nambara fa izany fangatahana azy hivavaka ho anay zany tsy midika hoe tompoina ohatran'i JESOA TOMPO (zay tena ambonin'ny rehetra) ! d modiana tsy hita ny maha-samy hafa an'ireo ! sa matahotra tenenina hoe niverina katolika ? :lol:

Tsy misy manery an'ny hafa hanaja azy noho ny maha-renin'Atra azy @io fiarahana io satria an'isan'ilay tsy hitoviankevitra zany (na dia averina im-piry aza !)
Mangataka azy hitondra am-bavaka, mangataka ny olomasina sy ny efa maty rehetra (zay antenaina fa eo akaikik'Atra), mba hivavaka ho anay, inona no olana @izany ? Fa an'i katolika zany d avelao satria tsy ho azon'izay mody tsy te-halala !

Mila hiainana ny fandeferana fa tsy atao ps fotsiny = ekeo hoe misy azo hiarahana, dia mba mihainoa ny fanazavàna homenay koa. Toy ny fandraisanay ny fanenjehina ny katolika @ fomba fanao, ny harena, sy ny môpera sy masera manome ny fiainany ho an'ilay fitoriana, maninona no ts manambady e, hiomehezana sns satria misy manao ny ataony ... Raha tsy diso aho olombelona koa aloha ireo, ary miezaka ny ho mendrika @ asa nanendren'i Tompo azy isan'andro koa @ fotoana misy azy (satria olombelona aloha vô ho olomasina):wink: :-*


39. tywa68 ( 06/08/2007 11:13)
Mandefitra = mba ho iray ao Aminy isika (unité) !
40. Mandefitra ( 06/08/2007 11:21)
Hoy tywa68
@ famerenana ny momban'i Masina Maria sns.. na dia efa nambara fa izany fangatahana azy hivavaka ho anay zany tsy midika hoe tompoina ohatran'i JESOA TOMPO

mamaly ty fanontaniana ty ve io?
Tsetsatsetsa tsy aritra ty: Raha misy olona an aliny mangataka vavaka @ Masin'iMaria (le hoe mivavaha ho anay mpanota), na mangataka hiara hivavaka aminy, @ fotoana tsy voafetra, ary ny an'ny sasany aza averina impolo kely, ahoana kay no hahefan'i Masin'iMaria zany rehetra zany?

Tsy misy milaza kosa ngamba io hoe mivavaka aminy nareo ka ... sa tsy mety ilay teny gasy nampiasaiko?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1073