Ahoana indray ity

1. ikaretsaka ( 21/07/2007 02:43)
nitsipalotra teto ny masoko dia mba te hizara sy hanontany ny hevitrareo:
Misy tonom-bavaka nataon'olomasina iray izay ao anaty diariny manao hoe:

"Ny tena otako lehibe indrindra ry Tompo, Dia ny tsy fitiavako hoe Mpanota aho"

"My greatest Sin, O Lord, is that I don't want to be a sinner"
novalian'i piste ny 03/08/2007 22:36
2. ikaretsaka ( 21/07/2007 02:49)
dia ahoana? ekena sa tsia? raha ianao ilay olona?
3. pissoa ( 21/07/2007 02:50)
:-D:-D:-D

Mety marina ... satria otran'ny hoe te hilahatra fahamasinana + voninahitra + hatsarana + sns amin'Andriamanitra !
4. ikaretsaka ( 21/07/2007 02:52)
dia ota izany sa tsy ota? dia ahoana raha mikonfesy ohatra dia izany no lazaina!
5. pissoa ( 21/07/2007 03:00)
Tsy haiko ka ...

Otran'ny mifanakaiky amin'ny act of contrition zany koa nge le izy ... Ilay hoe "and I firmly, resolve, by the help of your grace, never to offend you again, and carefully to avoid the occasion of sin"

Fikasana tsara angamba ny hoe tsy hanota intsony, ilay ezaka zany e ! fa rehefa hoe tsy te ho "Mpanota" intsony aho ... fa te ho inona ndray ankoatra izay ... donc raha hikonfesena dia mety fikasana "ratsy" hitovy amin'Andriamanitra no hoteneniko amin'ny pretra !
6. ikaretsaka ( 21/07/2007 03:58)
interessant ilay fijerinao, misy hodinihina :wink:
Misaotra!
7. tywa68 ( 21/07/2007 07:21)
ô ry Ika : ka io ilay fiantsoana azy Mpanota io anie no tsy tiany, fa tsy milaza akory zany hoe tsy hanaradia ny Tompo izy. Tsy itako izay ota lehibe @ izany, ary eo indrindra no mety hidiran'ilay pretra hanampy azy @ilay fibebahana, manomboka manaiky hoe mpanota, ary miezaka ny hiala @izany.

Pissoa : fa maninona no fikasàna "ratsy" ilay ezaka hitovy @ Atra ? :lol:
8. pissoa ( 21/07/2007 07:57)
Oops, tsy hoe hitovy fotsiny ny tiako nambara fa te ho mihitsy ka :oops:

fa rehefa hoe tsy te ho "Mpanota" intsony aho ... fa te ho inona ndray ankoatra izay

sao hoe te ho Andriamanitra ny valiny mantsy :lol:

ô ry Ika : ka io ilay fiantsoana azy Mpanota io anie no tsy tiany, fa tsy milaza akory zany hoe tsy hanaradia ny Tompo izy.

otran'ny tsy zao no fazahoako an'ilay nolazainy !
9. ikaretsaka ( 21/07/2007 14:48)
tywa-pissoa : misy hevitra mampisalasala ahy @ ity le fivoizana ilay fihevitra hoe "nibebaka, nateraka ho vaovao, taloha aho zao ka lasa izao" . . . ka fa hitovizako fijery aminareo ireo nolazainareo ireo..

le fikasana hitovy tsy ratsy, fa ilay fanirina filazana hoe mitovy no...
i Eva anie te hitovy e.. "naniry" izy fa tsy "nikasa" dia treo izy no noraisina

rehefa miikasa dia mikatsaka manko, fa rehefa maniry dia mandrevy sy mihainohaino eo fotsiny dia izay fahanan'ny olona eo dia hanina!
10. cutie ( 21/07/2007 19:30)
Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 21-07-2007 04:49:50
Lohateny : Re : Ahoana indray ity
dia ahoana? ekena sa tsia? raha ianao ilay olona?

ekena :lol:
My greatest Sin, O Lord, is that I don't want to be a sinner"

mamely mafy ny fankam-panahy tsinona:-D
11. cutie ( 21/07/2007 19:47)
fa rehefa hoe tsy te ho "Mpanota" intsony aho ... fa te ho inona ndray ankoatra izay ... donc raha hikonfesena dia mety fikasana "ratsy" hitovy amin'Andriamanitra no hoteneniko amin'ny pretra !

tsy zay njay ny fandraisako azy
Tsy te ho mpanota izy satria te ho tonga lafatra. Kanefa tsy mbola misy ny tonga lavaitra raha eto an-tany , dikan'zany de faniriana fotsiny le te ho tonga lafatra mandra-pa :lol:
12. ravakamalala ( 21/07/2007 20:07)
Ilay fandikan ikaretsaka an ilay fehezan teny amin ny teny gasy, somary mandiso ny fieritreritra; raha ohatra ka ilay fehezan teny amin ny teny gasy fotsiny no vakiana, dia miova tanteraka ny dikan ilay zavatra teneniny.

Fa miombon kevitra amin i pissoa sy cutie ihany aho, hoe olombelona mpanota isika, nandova ny otan ireo razam-be (adama sy eva)ka tsy afaka ny hitovy amin Andriamanitra mihitsy, raha mbola ny fiainana eto antany no resahina; nefa ihany koa amin ny lafiny iray, ny maha mpanota antsika olombelona dia tsy sitrak Andriamanitra ihany koa, isika dia nohariany ho olombelona tsara, fa noho ny tsy fankatoavana dia tafalatsaka anatin ny ota, ny hadalan ny olombelona ihany no naha mpanota azy.
Ka azo lazaina ihany izany hoe tsy fahotana ny te hiala amin ny vokatry ny ratsy natao!
13. xxx ( 21/07/2007 20:08)
ka mati-kambo ny olombelona kah! Tsy mety mihaiky nefa tsy fantany fa io no olana tsy mahavonjy azy, ny tsy mihaiky ny fahotana! Safidy io e!
Tsotra fotsiny rehefa mihaiky dia ho voavela rehefa tsy mihaiky dia eo no raisina!
Tsy sarotra nefa ny mihaiky saingy raolombelona dia be siasia hono ka ny azy ihany no marina! ôsy aho e!
14. piste ( 22/07/2007 16:46)
Mitovitovy @ izay voalaza eo ambony ihany dia:
mbola ao @ olombelona ilay tsy fanekeny ny fetra misy azy. Ary ny loza dia sady tsy te hi-reconnaitre ny halemeny no tsy te ho etre reconnu par ses faiblesses( tsy te ho fantatr`olona @ kilemany na ny halemeny).Misy orgueil tokoa ao ambadik`io voalaza io.
Ka fakam-panahy ihany io satria mety hitarika anao hihatsara-ivelatsihy na koa @ famoizam-po izay tsy fanekena ny limite misy ao aminao izay. Ka lasa miteny hoe: ` izaho ve dia nahavita an`izao`.
Tantara kely :
Misy olomasina anankiray izay fanta-daza @ fanetren-tena niangavy ny namany izy mba hoharatsiany eo anatrehany :
Hoy izy t@ ilay namany : teneno mafy amiko fa mpanota aho ary tena olona tsy mendrika no tsy misy ilana azy. Ary borahy amiko daholo ny toetra ratsiko.
Ny olana anefa, isaky ny miteny ilay namana dia zavatra hafa mifanohitra @ nasaina nolazainy no voalazany : fiderana no mivoaka ny vavany. Tezitra ilay olomasina ka nasainy naverina indray no noteneniny mafy ilay namany. Kanefa dia mitovy t@ teo ihany. Nasainy naverina in-3 fa ohatr`izay ihany. Farany dia hoy izy : @ alalan`ny fanekena masina( satria relijiozy izy ireo) dia mandidy anao aho hilaza izany( hoe olona mpanota aho no sady tsy mendrika). Kanefa dia mbola tso-drano narahin`ny fiderana no nivoaka tao am-bavany. Ary nilaza ity namany farany : izao anie, isaky ny te hamerina ilay teninao aho dia misy bitsiky ny Fanahy Masina manery ahy hilaza zavatra mifanohitra @ izay lazainao.
15. ikaretsaka ( 22/07/2007 17:32)
io olomasina lazain'ipiste io mihitsy ilay izy!
16. niryna ( 24/07/2007 04:59)
ikaretsaka:

nitsipalotra teto ny masoko dia mba te hizara sy hanontany ny hevitrareo:
Misy tonom-bavaka nataon'olomasina iray izay ao anaty diariny manao hoe:

"Ny tena otako lehibe indrindra ry Tompo, Dia ny tsy fitiavako hoe Mpanota aho"

"My greatest Sin, O Lord, is that I don't want to be a sinner"

Mila manao move izy izany fa tsy miandry eo fontsiny.Rehefa mahatsapa fa mpanota ka miaiky iny ota iny,tsy mamerina an'iny intsoy.Dia efa tena zava-dehibe izay eo amin'ny maha-kristiana.Mifona,mibebaka,miaiky ary mangataka ny Fanahy Masina mba hiaro .Voavela ny elony.Izay,sarotra fa tsy misy mangidy tsy andramana.
Dia raha mitohy indray hoe te hanana ny fiainana ho mandrakizay izy ,dia manaiky fa Jesosy irery ihany no lalana mankany amin'ny ray ary manaiky Azy ho tompon'ny fiainany,manaiky Azy ho mpanavotra azy.Dia hiara-dia amin'i Jesosy sy hanana fiainana mandrakizay izy.

17. ikaretsaka ( 24/07/2007 14:13)
ka manao move ange izy e.. io lazain'i piste io ambony io, ary lasa Olomasina, fa ilay fahatsapany sy fiaikeny ny maha olombelona azy no tena ni impressionne be anahy
ilay hoe "Not wanting to be a sinner is a GREATEST sin" (fijeriny io an, nanaitra ahy fotsiny)
18. piste ( 25/07/2007 02:57)
Ary ny zavatra mahagaga: plus olona miroso @ fahamasinana plus izy mahita ny tsy fahamendrehany.
19. boraingy ( 25/07/2007 08:42)
piste:

Ary ny zavatra mahagaga: plus olona miroso @ fahamasinana plus izy mahita ny tsy fahamendrehany.




Mba azonao hazavaina ve ny ilay hoe "Fahamasinana?", Olona toy inona izany?
20. ikaretsaka ( 25/07/2007 12:41)
tsy andeha handahatra theology be eto momba ny fahamasinana aho fa raha fehezina dia samy manana ny lalana sy ny fiheverany ny atao hoe "fahamasinana" ny tsirairay!
ohatra tsotra: jereo ny tantaran'ny olomasina...
samy nanana ny fombany sy ny zavatra nataony teo @ fiainana izy ireny ka nahatonga azy ho voatokana any @ izany rang izany!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0448