Narotsako tao am-pony.

1. marozevo ( 09/07/2007 23:22)
Sady atolotra ho an'ikaretsaka any am-panaovana vakansy ity, no atolotra hodinihintsika koa, mianga amin'ireto teny tsipihina ireto :

Nanjavona ny olon-kendry tia fihavanana
Manda aron'ny tanàna.
Nankaiza ireo mpandimby toa samy tola.
Vitsy no sahy mijoro hiaro ny tena marina.
Tankina sy ritra va re ilay fitiavana narotsako tao am-pony ?

Niripaka ny olo-marina, voavidy vola,
vola hozatry ny fiainana.
Nankaiza ireo voaantso, toa samy babo,
Vitsy no sahy mijoro hanova ny fahazaran-dratsy.
Tankina sy Ritra va re ilay fahendrena narotsako tao am-pony ?

Mitsipaka fitiavan-dRay ny zaza mpandany,
dimby fanantenako.
Nankaiza ireo mpanoro, samy midongy
Vitsy no sahy maniry ny hipodiany, hiverenany.
Tankina sy ritra va re ilay indrafo narotsako tao am-pony ?

RAY AHO, na tsy andrin'ny hafa aza ny ora hiverenanao ry oloko ô.
izaho kosa miandry anao, matoky anao, mbola tia anao.
ray aho, satria ANDRIAMANITRA AHO.


2. cutie ( 09/07/2007 23:28)
fa manin no atolotra ho an'i IKa:roll:
ary mahitahita mitsy ry marozevo zany , am-panaovana vakansy hono:lol: tsy ho voavaly zany le fanontaniako iny :cry:

HS be iny ry marozevo a :oops::oops::oops::oops:

Vitsy no sahy mijoro hiaro ny tena marina

Vitsy no sahy mijoro hanova ny fahazaran-dratsy

Vitsy no sahy maniry ny hipodiany, hiverenany

reo no tiako tao :lol::lol::lol::lol:
3. ikaretsaka ( 09/07/2007 23:32)
misaotra marozevo a
4. marozevo ( 09/07/2007 23:33)
Efa nilaza izy ao amin'ny "Ankalazao ny Tompo", fa any am-panaovana vakansy, ka tsy nahatondra boky, nefa te-hanana ny tonon'io hira io. Izay no antony voalohany. Fa izy manketo amin'ny dinika ihany na any aza.

Ny antony faharoa dia ny mba hifampizarantsika eh.. Ianao izao efa naneho fa ireo no tianao. Azonao lazaina ve ny antony itiavanao an'ireo, na ny manaitra anao amin'ireo voalazanao ireo.

Ny ahy indray manko dia ilay faharetan'Andriamanitra no tena mba tsy afaka am-poko : miandry, matoky, tia. Na be siasia noho ny fahalemena sy ny fahotana aza aho, dia indro izy tazako sary an-tsaina fa miandry ahy hatrany satria tia ahy izy. Tia antsika manko eh....
5. cutie ( 09/07/2007 23:35)
Mpandefa : marozevo [ Valio ] 10-07-2007 01:33:42
Lohateny : Re : Narotsako tao am-pony.
Efa nilaza izy ao amin'ny "Ankalazao ny Tompo", fa any am-panaovana vakansy, ka tsy nahatondra boky, nefa te-hanana ny tonon'io hira io. Izay no antony voalohany. Fa izy manketo amin'ny dinika ihany na any aza

ah ok :lol:

Ny antony faharoa dia ny mba hifampizarantsika eh.. Ianao izao efa naneho fa ireo no tianao. Azonao lazaina ve ny antony itiavanao an'ireo, na ny manaitra anao amin'ireo voalazanao ireo.

nanaitra ahy satria zava-marina le izy :lol::lol::lol:
6. ikaretsaka ( 10/07/2007 00:10)
izay no antony nitadiavako ny tonony ka, ireo teny voalaza ao anatiny ireo
7. Papoose ( 10/07/2007 00:58)
fa manao vakans aiza ikaretsaka:?:
marozevo, za ko andeha hanao vakans fa mba tolotolory any!le zvt mahamafy finoana b reny!:D
8. ikaretsaka ( 10/07/2007 01:34)
manao vokansa fa fialan-tsasatra ny andro ry papoose a
9. ari.malala ( 10/07/2007 05:46)
RAY AHO, na tsy andrin'ny hafa aza ny ora hiverenanao ry oloko ô.
izaho kosa miandry anao, matoky anao, mbola tia anao
ray aho, satria ANDRIAMANITRA AHO.


Io kosa no nahafinaritra ahy tao anatin'ilay tononkira! Mamelona fanantenana foana fa mbola ao ilay Ray tsy mahafoy, ary miandry ny iverenantsika Aminy foana.

Bonne vacs ika e!
10. mavomanitra ( 10/07/2007 06:56)
fitiavana, fahendrena, indrafo
RAY AHO, na tsy andrin'ny hafa aza ny ora hiverenanao ry oloko ô.
izaho kosa miandry anao, matoky anao, mbola tia anao.
ray aho, satria ANDRIAMANITRA AHO.
Ireo no tena mambabo ny foko.
Misaotra betsaka an'i Marozevo.
Dia mirary soa ho an'ny mpanao vokansy rehetra ê!:P
11. mimich ( 10/07/2007 06:56)
tsika sy ari.malala mitovy: ny ahy koa io ref io (RAY aho ,na tsy andrin'ny hadfa aza ny ora iverenanao ry oloko.....)no tena tiako amin'io hira io.
Ahatsiarovako antsa-panahy nataonay krismasy 1997 izy io sy ny JNJ 1999 tany antsirabe .
12. marozevo ( 10/07/2007 07:10)
Vitsy no sahy....

Iaraha-mahita tokoa ny zava-misy eo amin'ny misy antsika : fianakaviana, tany ama-monina, fiangonana, firenena. Indrisy, vitsy no sahy.... Ilaina anefa ny fijoroana ho vavolombelon'ny fitiavana, fahendrena ary ny indrafo. Tsy amin'ny teny aman-kabary loatra fa amin'ny asa sy ny fahamarinana indrindra indrindra.

Raha somary tohizako ny fandalinana : Izaho ve anisan'ireo vitsy sa anisan'ireo miara-mirona amin'ny be sy ny maro ?
13. ari.malala ( 10/07/2007 12:11)
Vitsy no sahy mijoro hanova ny fahazaran-dratsy.


Io zao za no tsapako @ io, za mbola be lolom-po, mora tezitra, dia mbola mila ezaka be mintsy fa hatreto aloha tsy mbola tafavoaka e!
14. xxx ( 10/07/2007 13:16)
izaho sahy fa ny olona miteny no tsy tiako mazàna!
Be ny zavatra efa Narotsany tao am-poko fa tsy mila ny hafa milaza an'itsy na itoa satria tsy tiako ny akabeazan'ny olona mitory eto! Ianao aloha tsy voako loatra! Tsy mila intermediaire ny marina!!!
Tsy mila manao pub koa ry marozevo an!
Be ny zavatra noraiasiko t@ Andriamanitra ary raha tsy teo izy dia asa angamba izay ny niafarako fa tsy tiako ny olona toa anao, fa tsy mazava! Tsy mazava toa an'i niryna sy ny namany sy ry fiffi, prime, sns koa !
15. ikaretsaka ( 10/07/2007 13:18)
Fanamarihina kely ho an'ireo tsy mahazo ilay tononkira:

Andriamanitra io no manontany tena voalazan'ilay hira io
16. cutie ( 10/07/2007 13:26)
hira katolika nga io
17. xxx ( 10/07/2007 13:50)
dia iza no mbola tia? Iza no matoky? Ary iza no mbola tena tia????
18. cutie ( 10/07/2007 13:58)
http://www.youtube.com/watch?v=yYkJaenZWw4&mode=related&search=
ho antsika rehetra :lol:
19. ikaretsaka ( 10/07/2007 13:58)
xxx> Andriamanitra no mbola tia st matoky ary tena tia anao:
Izay no mahatonga io hira io hoe KIRIM-PITIAVANA no lohateniny

RAY AHO, na tsy andrin'ny hafa aza ny ora hiverenanao ry oloko ô.
izaho kosa miandry anao, matoky anao, mbola tia anao.
ray aho, satria ANDRIAMANITRA AHO.

Cutie> hira Ankalazao io (toa ny katolika no be mampiasa aloha e)


20. cutie ( 10/07/2007 14:00)
Ikaretsaka ok:lol:
de ty koa
http://www.youtube.com/watch?v=9AFpv_5hOcQ&mode=related&search=
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1106