Narotsako tao am-pony.

21. mimich ( 10/07/2007 14:57)
xxx:

dia iza no mbola tia? Iza no matoky? Ary iza no mbola tena tia????
Andriamanirtra no milaza fa tia sy matoky miandry ny hiverenan'ny olony.


Hira mitory sy manambara fa fitiavana sy famindra-pon'Andriamanitra tsy misy fetra (manam-paharetana). Na eo aza ny olombelona sy ny fahalemeny, ny fahotana sns ireo voatanisa eo amin'ny andininy eo ireo: najavona ny olo-kendry , vitsy no sahy sns...., dia ambarany eo am fiverenany fa andriamanitra tia sy manam-paharetana.
Ary izaho ve mba afaka manam-paharetana sy manam-pitiavana toy izany????? n'inona2 mitranga
22. xxx ( 10/07/2007 15:03)
xxx:

izaho sahy fa ny olona miteny no tsy tiako mazàna!
Be ny zavatra efa Narotsany tao am-poko fa tsy mila ny hafa milaza an'itsy na itoa satria tsy tiako ny akabeazan'ny olona mitory eto! Ianao aloha tsy voako loatra! Tsy mila intermediaire ny marina!!!
Tsy mila manao pub koa ry marozevo an!
Be ny zavatra noraiasiko t@ Andriamanitra ary raha tsy teo izy dia asa angamba izay ny niafarako fa tsy tiako ny olona toa anao, fa tsy mazava! Tsy mazava toa an'i niryna sy ny namany sy ry fiffi, prime, sns koa !
8O8O8O hafa kely!!


23. xxx ( 10/07/2007 15:07)
mimich: afaka manantena sy maharitra tsara i mimich raha toa ka "azon'i mimich" antoka ilay fampanantenan'Atra" raha toa ka "tsy " azo antoka dia izay mimich vao afaka tsy maharitra.
24. ikaretsaka ( 10/07/2007 15:08)
hafa tokoa
nandrotsaka tokao angamba Andriamanitra fa i xxx1 no tsy nandray?
mba fanontaniana ny ahy iny
25. pissoa ( 10/07/2007 18:22)
Ray aho, na tsy andrin'ny hafa aza ny ora hiverenanao ry oloko
Izaho kosa miandry anao, matoky anao, mbola tia anao !
Ray aho, satria Andriamanitra aho !

tiako io, indrindra rehefa mahatsiaro be fahotana iny ... de :oops::oops::oops: ! Fa mahita an'ilay hoe Izaho kosa miandry anao, matoky anao, mbola tia anao dia sahy manatona azy ihany :oops::lol:
26. pissoa ( 10/07/2007 18:27)
xxx:

izaho sahy fa ny olona miteny no tsy tiako mazàna!
Be ny zavatra efa Narotsany tao am-poko fa tsy mila ny hafa milaza an'itsy na itoa satria tsy tiako ny akabeazan'ny olona mitory eto! Ianao aloha tsy voako loatra! Tsy mila intermediaire ny marina!!!
Tsy mila manao pub koa ry marozevo an!
Be ny zavatra noraiasiko t@ Andriamanitra ary raha tsy teo izy dia asa angamba izay ny niafarako fa tsy tiako ny olona toa anao, fa tsy mazava! Tsy mazava toa an'i niryna sy ny namany sy ry fiffi, prime, sns koa !

:-D:-D:-D
mba avereno hazavaina fa tsy azoko mitsy io resaka io rey olona ! :-D
27. rush ( 10/07/2007 20:42)
xxx:

Be ny zavatra noraiasiko t@ Andriamanitra ary raha tsy teo izy dia asa angamba izay ny niafarako fa tsy tiako ny olona toa anao, fa tsy mazava! Tsy mazava toa an'i niryna sy ny namany sy ry fiffi, prime, sns koa !
anisan'ny zavatra be noraisinao t@ Andriamanitra koa ve izao tsy fitiavanao olona eto izao?aiza re izany eeee!!!!!


28. niryna ( 11/07/2007 04:43)
cutie:

http://www.youtube.com/watch?v=yYkJaenZWw4&mode=related&search=
ho antsika rehetra :lol:

Misaotra aky cutie fa tsara ilay hira a:D

29. ikaretsaka ( 11/07/2007 04:50)
pissoa:

Ray aho, na tsy andrin'ny hafa aza ny ora hiverenanao ry oloko
Izaho kosa miandry anao, matoky anao, mbola tia anao !
Ray aho, satria Andriamanitra aho !

tiako io, indrindra rehefa mahatsiaro be fahotana iny ... de :oops::oops::oops: ! Fa mahita an'ilay hoe Izaho kosa miandry anao, matoky anao, mbola tia anao dia sahy manatona azy ihany :oops::lol:


mitovy fijery @ pissoa:

. . . "koa ity aho tonga fa miantso ahy Ianao
Izany fahotako izany no ateriko aminao". . .



30. niryna ( 11/07/2007 05:59)
marozevo:


Nanjavona ny olon-kendry tia fihavanana

Hirahira ve io ry marovezo? Kanefa dia ho valiako araka izay fahazoako azy an.
Asa aloha izay nanjavonan'ny olon-kendry raha izany =))
Aody re olona o,aiza ianareo e,tsy misy olona ve ao an-trano e.
Fa lasa nankaiza daholo ny lehiben'ny tanana?Angaha tsy misy mpiambina intsony?
Sa ny mpiambina indray no hiambesana?

Vazivazy ny ahy io.Raha tia fihavanana ve mety tsy ho tia fivavahana sa tsy voatery hivavaka ilay olona vao manana sy mitandro ny fihavanana?
Ato amin'ny fivavahana mantsy no andefasanao azy dia izany no nahatonga ahy hanontany.
Raha resaka fihavanana izany dia manana fo ilay olona ka izay fananany fo mandefitra izay no ilaina amintsika mba ahafahana mitandro ny fihavanana" Izay mikambana vato fa izay misaraka fasika"na mpivavaka na tsia,kanefa sambatra ihany raha mahalala an'Atra dia mahay mandefitra sy mahay mirahina sy tsy mankahala ny hafa.Io no endrika iray maha kristiana ny kristiana,ampiarina amin'ny fiainana daholo izay azo rehetra ao anaty soratra masina ka hanasoavana ny mpiara-belona.Raha milaza ho kristiana mantsy isika kanefa manao mpitari-bato vilambava dia fantatry ny olona ihany ka dia hitsikera sy hiteny izy ireo hoe ireny hono no mba milaza hoe kristiana sy mpanara-dia an'i Tompo."Vavolombelon'ny mpiasa ny bainga voavadika.
Ka anjarantsika tsirairay ny miezaka manao izany mba ho modely ho tahafin'ny hafa.
Tsy anjarantsika ny mamonjy azy saingy mitaky ezaka ho an'ny tsirairay ny manampy azy na safidiny aza izany.Ny mampiseho ny namana ny soratra masina sy ny mampiatra izany amin'ny fiainana dia efa fifaliana iray lehibe mety hanavotra ny namana.


Niripaka ny olo-marina, voavidy vola,
vola hozatry ny fiainana.

Raha ripaka tsy misy intsony aza ny olona marina dia mbola ho tsaraina daholo ihany isika rehetra.
Ny tantara no aoka hitsara.
Ny vola no maha rangahy hoy ny fiteny kanefa ny vola tsy mahasambatra fa mitarika any amin'ny lalankafa raha diso tiavina sy hitompoana noho Atra.

Nankaiza ireo voaantso, toa samy babo,

Any ihany izy fa mbola mangatsiaka ny andro dia misitrika,na mafana dia tsy te-hiseho masoandro=))

Vitsy no sahy mijoro hanova ny fahazaran-dratsy.

Satria tsy anjantsika no manova ny olona, ny anjarantsika dia ny mamafy ny ketsa,ka voa tsara no hafafy mba haniry voa tsara,maniry izy tsara,tsy maniry izy,efa nafafy aloha.Saingy toy ny rano mitete eo amin'ny vato ireny,araka ny hamafazana voa tsara ho antsika no handraisantsika azy ihany koa.Raha variana mamafy voa ratsy isika dia lasa mandositra hatramin'ny voalavo,fantany ihany ny tokony ho raisina sy tsy tokony.Lany andro eo raha hi-kritika sy hifampitsikera lava.Raha resaka fivavahana mantsy dia tsy tokony hifanenjika na hifankahala,na hitongoloka sy hitady izay zavatra hanatsikerana ny hafa,sitrany ahay mba mahazo vatsi-panahy ka andany rora amin'ny tsy misy dikany eo ve,saingy ny hevitra moa no tsy mitovy dia aleo samy maka izay tandrifiny avy.

Tankina sy Ritra va re ilay fahendrena narotsako tao am-pony ?

Solomona nomen'Atra izay zavatra tiany sy tadiaviny saingy zavatra iray ihany no nangatahany dia ny fahendrena(wisdom).
Ilaina ny fahendrena ary io no anisany angatahina amin'Atra mba omeny antsika,ny fanana fahendrena mantsy dia mampirisika antsika ny hanao ny tsara,ny marina,ny teny mamy,ny mitia ny namana na ny fahavalo."Ny hendry mody voky hoy ny fiteny fa ny adala manesika ihany"Mahatonga antsika hisaina vao hanoratra ka manontany tena hoe sao mba mandratra ny olona ary ity teneniko ity.Inona no tombotsoako hilazako ity ?Hizara ve,handratra olona ve,hanampy ny hafa ve, hanome hery ireo namana izay lavo ka mitady mpanary ve sns..Izay ilay fandinihantena lazaina isan'andro,dia tokony ampiarina tanteraka tokoa izany.Raha mitovy ny fiainana tsy nahalala an'Atra fahiny ihany ny fiainana nahalala Azy dia tsy hisy tombotsoa mihitsy ny hanarahana Azy.

[quotep]mitsipaka fitiavan-dRay ny zaza mpandany,
dimby fanantenako.[/quote]
Anjarany ny misaina na anjaran'ny rar no mampianatra azy ny tenin'Atra dieny mbola kely izy mba ahalalany fa tokony hanaja ny rar sy ny olona mitovy aminy izy."Ny hana-dray amandreny raha mahavoa mahafatsy raha tsy mahavoa mahafanina"
Tsy vitan'izany ihany koa fa miteraka ho fikorosofahana sy tsy vanombanona eo amin'ny fiainana ny fankahalana sy ny tsy fanaovana tsinontsinona ny rar nahitana masoandro.Midika koa izany fa tsy mino an'Atra ilay olona,ahoana moa no hinoany Azy kanefa ny rar nahitany masoandro aza tsy tiany.Mila ezaka eo amin'ny fifonana sy fifamelankeloka ihany koa izany na inona na inona na iza diso dia tsy maitsy mifamela raha mbola samy kristiana fa izay no hafatra nomena antsika.

Nankaiza ireo mpanoro, samy midongy

Eny ihany izy fa ny hatoro no mety tsy mandray na ny mpanoro koa mety manoro vilana;-)

Vitsy no sahy maniry ny hipodiany, hiverenany.

Tsy azoko ny tian'i marozevo lazaina;-)

Tankina sy ritra va re ilay indrafo narotsako tao am-pony ?

koa eo indrindra izao no ezaka tokony ataon'ny tsirairay,mpirahalahy sy mpirahavavy ao amin'ny Tompo Kristy,tokony hifampizara ny vaovao mahafaly sy hifanoro fa tsy reraka eo am-pitsikerana izay teny avoakan'ny hafa,izaho aloha dia tsy manana fotoana amin'izany.Rehefa reraka ve farany tsy angina ihany.
Sady miezaka ny mampiantra ny fivavahana,mivavaha ho an'izay manana alahelo sy mankahala ary ny fahavalo.
Indraindray isika miteny fa tsy ny olona no miady fa ny hevitra,ka izay ilay nandefa ny hevitra tsy olona ihany ve? Nataoko hanatra ho ahy io,aleoko tsy miteny toy izay manao izay hanome alahelo ny hafa na hitsikera sy hankahala ny hafa.Fidiko izay vava avoakako ka tsy handratra ny hafa.Aleo lavitra hono kapohina toy izay hanaovan'ny olona tena maharary.Porofo,maro no lasa satria tsy mahazaka ilay teny mahery tenenin'ny namana sasany.Hisaoko an'Atra aloha fa misy ihany ny miova,saingy tsy anjarantsika hoy aho ny hanova na hanavotra ny hafa na hitsara ny hafa.
RAY AHO, na tsy andrin'ny hafa aza ny ora hiverenanao ry oloko ô.
izaho kosa miandry anao, matoky anao, mbola tia anao.
ray aho, satria ANDRIAMANITRA AHO.

Atra dia Atra saro-piaro,tsy azo vazivaziana,aleo tsy miteny toy izay manohitra ny teniny lava.Misaotra Azy isika fa mbola nomeny tombon'Atra afaka mibebaka sy misaina ny tokony hanao soa sy marina ary handanjalanja izay teny avoaka ato,misaotra Azy koa isika fa nisy ity fandaharana ity ka afaka nizara izay kely fantatsika sy nomeny hery hanaradia azy.
Hisaorako Atra manana sy mandany ny fotoanako tokony anaovako zavatra hafa aho , hizarako izay kely fantatro sy nandalovako ary nomena ny hafa ahy ka nozaraiko antsika namana rehetra eto.
Hafatra:tena misy Atra,tena misy ny satana izay mahita lalana handavana ny tenin'ATra koa aza manaiky na mety ho rebirebeny isika,mivavaha foana vao miditra ato amin'ny serasera fa raha tsy izany isika dia ho tezitra sy hivoto fo amin'ny teny maro izay mety tsy ho voahevitra tenenintsika.
Fa ny teny @ hazofijaliana dia fahadalana @ izay very ,fa herin'Atra kosa amintsika izay hovonjena.Fa voasoratra hoe;Hofoanako ny fahendren'ny hendry,ary holaviko ny fahalalan'ny mahalala.Aiza ny hendry?
Aiza ny mpanora-dalana?Aiza ny mpiady hevitra avy amin'izao tontolo izao?Tsy nampodin'Atra ho fahadalana va ny fahendren'izao tontolo izao?
Fa satria na dia naseho aza ny fahendren'Atra ,ny fahendrena dia tsy nahatonga izao tontolo izao hahalala an'ATra,ka dia ny fahadalan'ny fitorian-teny no sitrak'Atra hamonjena izay mino
. I kor 1 18-20

Ho an'Atra irery ihany anie ny dera sy laza ary ny voninahitra hatramin'ny taloha indrindra sy ankehitriny ary ho mandrakizay

Miala tsiny fa somary lava fa novaliako daholo ilay izy:D
(l)niryna

31. bobone ( 11/07/2007 07:42)
Marozevo: tena be sentiment ange enao izany e! hmmm tsara be le resaka !!!
hy enao hoe:
Nanjavona ny olon-kendry tia fihavanana
Manda aron'ny tanàna.
Nankaiza ireo mpandimby toa samy tola.
Vitsy no sahy mijoro hiaro ny tena marina.
Tankina sy ritra va re ilay fitiavana narotsako tao am-pony ?

Niripaka ny olo-marina, voavidy vola,
vola hozatry ny fiainana.
Nankaiza ireo voaantso, toa samy babo,
Vitsy no sahy mijoro hanova ny fahazaran-dratsy.
Tankina sy Ritra va re ilay fahendrena narotsako tao am-pony ?

Mitsipaka fitiavan-dRay ny zaza mpandany,
dimby fanantenako.
Nankaiza ireo mpanoro, samy midongy
Vitsy no sahy maniry ny hipodiany, hiverenany.
Tankina sy ritra va re ilay indrafo narotsako tao am-pony ?

RAY AHO, na tsy andrin'ny hafa aza ny ora hiverenanao ry oloko ô.
izaho kosa miandry anao, matoky anao, mbola tia anao.
ray aho, satria ANDRIAMANITRA AHO.

vitsy tokoa e! efa reraky ny fitadiavana ny olona ka tsy mivaky loha @ izany fa ilay tena tia de miezaka mikaroka hevitra hanasoa ny hafa ! izany no maha vitsy azy
Niryna: Misaotra fa tena mazava ilay hafatra nalefanao :: mandalina anie ianao izany e!
Mankasitraka be dia be
Biz
32. ikaretsaka ( 11/07/2007 11:41)
niryna HS tanteraka:
HIra ao amin'ny Ankalazao ny tompo io
ary efa nohazavaina fa izaho no nitady an'io fa sendra nisy nilaiko azy.

vavolombelon'ny mpiasa ny bainga hoy ianao ... ka enga anie ka izany tokoa ianao!

"Izaho kosa tiana anao, matoky anao , mbola tia anao: hoy ilay hira
33. pissoa ( 12/07/2007 00:04)
Gay gay gay ! mba omeo version fohy za Ika azafady raha efa nahavaky an ! :oops::oops::oops::-D
34. naritsimba ( 12/07/2007 10:25)
Hoy nyrina:
Vazivazy ny ahy io.Raha tia fihavanana ve mety tsy ho tia fivavahana sa tsy voatery hivavaka ilay olona vao manana sy mitandro ny fihavanana?

T@ andro taloha mbola tsy niditra ny fivavahana dia tanteraka teto @ tanintsika sy najain'ny fiaraha-monina ny hoe: tain'omby mivadika efa misy tompony.
Fa naninona rehefa niditra ny Fivavahana Kristiana dia tsy voahaja ilay lalanan'ny fiaraha-monina?

Ho ahy manokana dia sady tiako ny fihavanana no tiako ny fiaraha-monina,tsy ataoko sakana ho ahy na misy vola na tsy misy,hoy ny fiteny:Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana.
Efa impiry moa ianao io no nambakain'ny namanao? mbola raisinao ho namana ihany ve na dia nanambaka anao aza?
Ho ahy ny fihavanana no taloha, ary ny maha kristiana antsika dia tokony hampiseho toetra mendrika, fa tsy ho voasakan'ny fitiavan-tena na fitiavana zavatra hafa, ka hanary ny fihavanana.

Andriamanitra tsy andrin'ny hafa, andriko ihany.
35. ikaretsaka ( 12/07/2007 22:22)
mitovy fijery @ naritsimba.
raha tena dinihina anie dia io no tena tian-kolazaina @ ilay hoe "tsarao amin'ny voany"
i Jesoa raha tonga tety dia tsy heo ny lalan'i moizy rehetra no novaony lasa vaovao fa misy ny fomba tsara nataon'ny Jody notazominy. dia torak'izany no tokony ataontsika!
io ilay lazaina lava hoe "araka ny fomba izay tsy hita izay maharatsy azy"
36. niryna ( 13/07/2007 07:51)
ikaretsaka:

niryna HS tanteraka:
HIra ao amin'ny Ankalazao ny tompo io
ary efa nohazavaina fa izaho no nitady an'io fa sendra nisy nilaiko azy.

vavolombelon'ny mpiasa ny bainga hoy ianao ... ka enga anie ka izany tokoa ianao!

"Izaho kosa tiana anao, matoky anao , mbola tia anao: hoy ilay hira




=))Io indray ika fa tsy maitsy mahita tenenina an'i niryna foana^:^^:^
Faly aho manana anao manaraka ahy eto,tohizo fa vao maika miara-dalana eny ihany isika dahy.Tsy izay tadiavin'ny mpanao sujet no tenenina fa izay HS-ko.
Izay no fandraisako azy dia izay izy izany.Ianao moa manana ny marina foana fa diso aho ka dia alefaso ary ny fahamarinana ho jeren'izao tontolo izaoo^oo^o
37. ikaretsaka ( 13/07/2007 10:55)
tsy hoe tsy maintsy mahita tenenina an'i nirina aho, fa manoro an'i niryna rehefa mivaona ny fandraisan'i niryna sy ny famakianao ny ankamaroan'ny zavatra ato.
ohatra , lazainao ho hirahira fahatany io nefa hira ao amin'ny ankalazao.
ary tsy izay noheverinao ho izay mihitsy ny hevi dehibe tian'ilay hira ampitaina.
Raha manao izany aho aminao aho dia mino fa mbola azo atoro ianao ary manantena ny fiovanao!
tsy very ianao, fa lasa any an-tsisin-dalana fotsiny matetika, dia mila tenenina alohan'ny maha "sortie de route" !
38. ari.malala ( 13/07/2007 11:47)
mety ho HS fa ifonako, ny fahitako an'i niryna dia olona stubborn!
39. marozevo ( 13/07/2007 16:03)
1 - Ho an'i xxx voalohany ao ambony ao : Mazava... tsy tiany hono aho.... tsy tiany hono i Nyrina.... tsy misy olana izany ka.... Tsy mitady hotiavinao anie izahay e, ary tsy manao pub na iray aza fa teny atsipy iny ka izay manam-panahy mandray... Tsarovy anefa fa Andriamanitra miandry, matoky ary tia anao mandrakariva.

2 - Ho an'i Naritsimba : Mila hamarinina kosa ilay filazanao mikasika ny hoe "tain'omby mivadika aza misy tompony". Tsy ny fivavahana kristianina mihitsy no nampanjavona an'izany fahendrena lalina izany fa ny toe-tsaina nentin'ny 1972, indrindra ny 1975. Ny Kristianisma anie teo am-pisasahan'ny 19ème siècle no tonga teto Mcar eh. Ary talohan'izay aza (17ème siècle), dia efa nisy misionera telo tonga tany Fort Dauphin.

40. marozevo ( 14/07/2007 08:27)
Toa ohatran'ny maro tokoa no tsy mahazo ilay fisokafan'ny sujet rehefa nodinihiko ny intervention sasany ato.

Rey olona ah.... tsy sentimentn'i Marozevo io re fa hira efa misy ah. Ao amin'ny boky Ankalazao ny Tompo, p 448 no misy an'io... Fa raha ny marina tokoa dia tsaroako nandray anjara tamin'ny composition'io i Marozevo tamin'ny mbola tsy marozevo no anarany.

Fihavanana... fifanajana... : Izaho dia mahatsapa fa arakaraka ny hirosoana amin'ny finoana no mampitombo azy io. Izao manko, ny havako amin'ny maha-nofo ahy, dia ny fianakaviako ara-nofo ihany: Ray aman-dreny, zoky sy zandry, oncles tantes, cousins cousines, neveux nièces sns.... Fa ny havako amin'ny maha-Kristianina ahy dia be dia be mihitsy : ikaretsaka, Nyrina, xxx, bobone, cutie sy ny maro tsy voatanisa.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.187