Fahafahana(freedom):Afaka ny gadrako(....and free at last!)

1. niryna ( 28/06/2007 06:08)
Maro no fanangejana nihantra ity olona iray izay tsy inona akory fa fahabibiana,fahatezeran-dava ka niteraka fanimbana zavatra vokatr'izany,fo feno fankahalana,ary lolom-po sy famaliana faty.
Vokatr'izany dia niditra tany am-ponja izy satria namono olona ary tsy afaka ny ahita ny aty ivelany intsony.
Tezitra amin'ny tenany izy,ny olona manodidina aminy toa halany daholo,ary indrindra ity olona iray izay namono nahafaty ny zanany vavy ihany koa. Efa voageja sy voagatra tao am-pony izy talohan'izany noho ireo toetra maro ratsy mangeja azy.
Ny tsy fananana fanampaha-kevitra ka nahatonga nanala ain'olona dia efa hatezerana mikiky ao anaty.Ka tsy afaka hivoaka any am-ponja intsony.
Mbola misy ve ny fanantenany?
Inona no tokony ataony mba ho afaka ny gadran'ny habibiany,fahatezerana,fanomezan-tsiny ny tenany?
Izay zioga mamatotra azy amin'ny fiainany ka mikiky sy mandratra ao anatiny?
Ny fahatezerany izay nanimba ny fiainany tao anatin' in-dray mipi-maso monja ka nampiova ny fiainany iray manontolo?
2. marozevo ( 28/06/2007 07:47)
Ny fahafahana tena izy dia ny fahafahan'ny FEON'NY FIERITRERETANA (conscience). Eto amin'ity ohatra raisinao ity, dia ny fiekena ny kilema sy ny heloka no mitondra mankany amin'ny fahafahana. Etre en paix avec soi-même d'abord. Mazava ho azy fa rehefa miaky ny kilema dia manaiky hiova koa.
Indrisy, maro ny olona no tsy mety miaky ny hadisoany, na tsy sahy miaky ny hadisoany. Ohatra : I Nyrina dia tsy mety miaky mihitsy fa diso ity :

Genesis
Author: Moses
Theme:Beginnings
Date of writing:1445-1405 BC


nefa efa olona firifiry sy porofo firifiry no lazaina aminy.
3. ikaretsaka ( 28/06/2007 11:31)
Izay mantsy:
i niryna moa tia ity teny angalisy ity ka andraso omena kely hieritreretana:

There is only one cause of unhappiness: the false beliefs you have in your head, beliefs so widespread, so commonly held, that it never occurs to you to question them.
4. pissoa ( 28/06/2007 18:05)
cf marozevo =D
5. marozevo ( 29/06/2007 20:54)
Oay.... mahagaga.... aiza ary i Nyrina ?

Mino aho fa efa nandalo teto izy.... ary efa namaky an'ireo voalaza ireo.
6. ikaretsaka ( 30/06/2007 13:32)
amaky izy namaky... fa enga anie ka hanaiky...amen!
7. marozevo ( 30/06/2007 18:29)
Izy indray dia tsy hanaiky diso eo fa resaka ka atao...
8. niryna ( 01/07/2007 04:58)
pissoa:

cf marozevo =D



:D
9. niryna ( 01/07/2007 05:00)
marozevo:

Ny fahafahana tena izy dia ny fahafahan'ny FEON'NY FIERITRERETANA (conscience). Eto amin'ity ohatra raisinao ity, dia ny fiekena ny kilema sy ny heloka no mitondra mankany amin'ny fahafahana. Etre en paix avec soi-même d'abord. Mazava ho azy fa rehefa miaky ny kilema dia manaiky hiova koa.
Indrisy, maro ny olona no tsy mety miaky ny hadisoany, na tsy sahy miaky ny hadisoany. Ohatra : I Nyrina dia tsy mety miaky mihitsy fa diso ity :

Genesis
Author: Moses
Theme:Beginnings
Date of writing:1445-1405 BC

Omeo porofo aho kanefa hatramin'izao mbola tsy nomenao porofo foana.Andriamanitra no niresaka an'i Mosesy.Izay tenin'Atra no noresahiny sy nosoratany.Tsy maninona fa diso aho fa ianareo no marina.Dia izay izy izany

nefa efa olona firifiry sy porofo firifiry no lazaina aminy.



10. niryna ( 01/07/2007 05:01)
ikaretsaka:

Izay mantsy:
i niryna moa tia ity teny angalisy ity ka andraso omena kely hieritreretana:

There is only one cause of unhappiness: the false beliefs you have in your head, beliefs so widespread, so commonly held, that it never occurs to you to question them.


Misaotra anao.:D:D

11. niryna ( 01/07/2007 05:03)
ikaretsaka:

amaky izy namaky... fa enga anie ka hanaiky...amen!


Afaka ny hamaky ny dinikao aho fa tsy voatery hanaiky ny fampianarana raha diso.Samy ho tsaraina daholo isika rehetra ka tazomy ny anao,ny ahy koa dia tazomiko toy izany.Tsy anjarako no mitsara,diso izy aminareo dia diso izy izany.:D
12. niryna ( 01/07/2007 05:27)
Maro ny zavatra mety mangeja amin'ny fiainana.Tsy ny tahotra amin'ireo mpamotika ny tanindrazana na ny firenena ihany fa eo ihany koa ny fitadiavana ny fahafahana @ aretina,ny fahoriana,ny tebiteby,ny ahiahay,ny vola aman-karena,eny fa na ny tsy fananana fanampahan-kevitra,ny fahatezerana,ny lolom-po,ny fialonana,ny havonavona,ny famaliana faty,ary ny fankahalana sns...
Indraindray anefa dia misy milaza sy manoro hevitra fa raha miaina amin'ity lalana ity na ity toro-hevitra ity dia ho afaka amin'izany ary ho maivana ny adi-tsaina na ny toetra ratsy izay mety hiteraka fahasimban-javatra na ny tenenao ihany aza.

Ny marina anefa dia iray ihany ny lalana ahazoana izany fahafahana izany:Tsy iza izany fa Jesosy kristy irery ihany.

...fa ho fantatrareo ny marina ary ny marina no hanafaka anareo Jaona8:32

Ho amin'ny fahafahana no nanafahan'i Kristy antsika:ka tomoera tsara fa aza mety ho hahazonin'ny zioga fanandevozanana intsony. Gal 5:1

Fa izay mamafy ho an'ny nofiny dia hijinja fahasimbana avy amin'ny nofo;ary izay mamafy ho an'ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin'ny Fanahy. Gal 6:8



13. marozevo ( 01/07/2007 07:35)
Nyrina ah... Mbola tsy miaky ihany ve ianao fa diso ny source atolotrao. Tsy afaka ho nosoratana 1445 talohan'i Kristy ny Genesisy, satria na i Moizy aza dia tamin'ny 1304....

Tsy ianao akory no diso fa ilay source.... ianao koa tsinona tsy miaky rahateo.

Porofo tsy misy afaka mandà io, na iza na iza, satria tsy afaka hanoratra zavatra zato taona mialohan'ny hahaterahany ny olona iray.

Tsotra fotsiny e : Mahaiza miaky hadisoana dia ho olona afaka ianao.
14. pissoa ( 01/07/2007 07:40)
:-D:-D:-D:-D:-D
15. marozevo ( 01/07/2007 08:13)
Miala tsiny amin'i Nyrina fa averiko eto ity... dia mieke aloha ianao fa diso, avy eo tohizina soa aman-tsara ny resaka :

Hoy i Nyrina.


Voalaza teo :
Ny fanontanian'i hery no novaliko ka.
Manaova recherche kely,mety diso hoy ianao kanefa rehefa nanao recherche aho ka mitady izay ilain'ny namana dia nomeko:
Genesis
Author: Moses
Theme:Beginnings
Date of writing:1445-1405 BC

Exodus
Author :Moses
Theme:Redemption
Date of writing:1445-1405 BC

Leviticus
Author:Moses
Theme:Holiness
Date of writing:1445-1405 BC

Numbers
Author:Moses
Themeesert wanderings

Date of writing:1405 BC

Deutoronomy
Author:Moses
Theme:Convenant Renewal
Date of writing:1405 BC
-----------------------
Ho tohizako kely mba ahalalanao azy fa olon-kafa indray no nanoratra.

Joshua
Author:Joshua
Theme:Conquery Canaan
Date of writing:14 th century
---------------------------------
oops: Jereo io novaiko in-telo io kanefa tsy nety niala ilay sary Desert wanderings no nosoratako ary dia tsy nety niditra ilay desert in-3
Ireo izany no porofo fa Mosesy no nanoratra ny Testament Taloha dimy voalohany.


Dia aoka ho tsorina aminao ry Nyrina, fa raha io no ianteheranao dia ho diso fanantenana ianao. Efa maro ny namana milaza fa tsy Mosesy no nanoratra ireo boky dimy ireo (Hery, gasynamana, izaho koa), ary efa samy nandroso porofo daholo ireo... ka mieke fa aza malain-kino. Teny tsy misorona (conseil d'ami) ny ahy fa tsy sanatria fanakianana.

Porofo faharoa mahadiso an'io lazainao io. Jereo ilay daty : 1445 - 1405 hoy ianao, na hoy ilay source omenao. I Ramsès II, izay voalaza ao amin'ny Exode anefa (contemporain'i Mosesy) dia nanjaka tamin'ny 1304 - 1238 BC. Raha raisina izany ilay izy dia izao. Voasoratr'i Moizy zato taona talohan'ny nahaterahany ireo...

FISAKA NY MARINA.... KA RAHA TSY SAFOINA TSY HITA.
16. xxx ( 01/07/2007 15:54)
Matetika dia hena-maso no mahatonga ny olona tsy hiaiky diso. Na koa ambom-po diso toerana.
17. rush ( 01/07/2007 16:08)
marozevo:

Nyrina ah... Mbola tsy miaky ihany ve ianao fa diso ny source atolotrao. Tsy afaka ho nosoratana 1445 talohan'i Kristy ny Genesisy, satria na i Moizy aza dia tamin'ny 1304....

Tsy ianao akory no diso fa ilay source.... ianao koa tsinona tsy miaky rahateo.

Porofo tsy misy afaka mandà io, na iza na iza, satria tsy afaka hanoratra zavatra zato taona mialohan'ny hahaterahany ny olona iray.

Tsotra fotsiny e : Mahaiza miaky hadisoana dia ho olona afaka ianao.
izay ny antony tsy mba hamaliako ny zavatra lazain'i niryna a!mampalahelo fa tsy mba miaiky izany izy na aninona ianao na aninona!ny azy ihany no marina hatramin'izay ka hatramin'izao!
"marozevo":
Mahaiza miaky hadisoana dia ho olona afaka ianao.
tsy misy ny tongalafatra ry niryna a!iza no tsy manao fahadisoana ato ambonin'ity tany ity?fa mahaiza miaiky e!sa ve mahamenatra io?


18. marozevo ( 01/07/2007 16:19)
Izany Nyrina ah.... Conseils d'amis daholo ireo fa tsy misy fanatsiniana mihitsy....

Nefa koa aoka ho tsorina fa ny faharetana misy fetrany.
19. rush ( 01/07/2007 19:51)
fantatro fa ahazao indray aho hoe aza mitsara mba tsy ho tsaraina e!na dia tsikera koa aza ireo voalaza ireo mino koa aho fa ho raisinao ho zava-dratsy ohatran'ny mahazatra e!
20. marozevo ( 01/07/2007 21:05)
Atahorako tokoa.....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2305