Fahafahana(freedom):Afaka ny gadrako(....and free at last!)

41. rush ( 05/07/2007 19:16)
ny ahy ny mahagaga ahy dia ny lohateny dia hoe saingy @ fomba ahoana moa no ahafahan'io gadra io raha tsy miaiky ny fahadisoana?
ny manahirana ahy koa dia ny fijoroana vavolombelona etsy sy eroa nefa manao fahadisoana tsy azo ahitsy e!lasa manoro-voana no ahiana e!

42. pissoa ( 05/07/2007 19:21)
Ozy neninay refa miteny hoe raha sobika io vavako io efa tataka manoro anareo !

:-D:-D:-D:-D:-D
43. marozevo ( 05/07/2007 19:28)
Fa nareo kosa nandray tsikelikely ilay toro-hevitry ny Neninareo ! Ka isaky ny manaiky azy nareo dia ohatran'ny manjaitra ilay tataka amin'ny sobika, ka tsy rovitra mihitsy ilay sobika.
44. ikaretsaka ( 05/07/2007 22:48)
tsy omby anasitrina zavatra zavatra intsony izany sobika mikombona loatra izany!:-D

oooooops fona aho!
45. pissoa ( 06/07/2007 05:15)
:-D:-D:-D
koa nga mikombona be fa miverina orizinal fotsiny refa avy tataka :-D
46. niryna ( 06/07/2007 05:52)
rush:

ny ahy ny mahagaga ahy dia ny lohateny dia hoe saingy @ fomba ahoana moa no ahafahan'io gadra io raha tsy miaiky ny fahadisoana?
ny manahirana ahy koa dia ny fijoroana vavolombelona etsy sy eroa nefa manao fahadisoana tsy azo ahitsy e!lasa manoro-voana no ahiana e!



Misaotra anao rush.Afaka ny gadrako hoy ilay olona nigadra.Gadran'ny fanandevozan'ny ota no afaka fa tsy izy nigadra namono olona.Nanantona an'i Tompo izy,nomeny ho tantanany ny fiainany rehetra
Niova izy izany ,eny fa na dia mbola migadra aza,saingy nahafantatra ny toetra ratsy nataony ho tsy nety intsony izy ka ny fahalalan'ny ny soratra masina,ny namana miara-mandalina amin'ny ny tenin'Atra ao am-pigadrana,ny toriteny,ny fandaharana fivavahana ,ny mpitondra fivavahana mitsidika ny fonja sy manome fampaherezana ireo mpigadra miaraka aminy,izany rehetra izany dia ezaka lehibe nandalo teo amin'ny fiainany ka niresahany ny fahadalana nataony nahatonga azy any am-ponja.
Zavatra na teny na fihetsika kely tsy voatandrina fotsiny dia mety hampiova ny fiainantsika ho mandrakizay(manao zavatra tsy ampiheverena ka mahatonga ilay fahatezerana)
47. niryna ( 06/07/2007 05:59)
Koa raha misy olona ao amin'i Kristy,dia olom-baovao izy,efa lasa ny zavatra taloha indreo,efa tonga vaovao ireo 2 Kor 5:17

Ary aoka ataovy tahaka izany koa hianareo,ka ny tenenareo dia ataovy efa maty amin'ny ota,fa velona amin'Atra ao amin'i kristy Jesosy.Rom 6:11
48. ikaretsaka ( 06/07/2007 14:42)
ka enga anie ka ho faty tokoa izany ilay fisainana tsy manaiky atoro sy tsy manaiky diso na olona maro aza ny manoro fa efa izay fisainana vaovao izay no hanjaka aminao!
Hotanteraka aminao anie izany!
49. pissoa ( 06/07/2007 15:37)
:-D:-D:-D
50. marozevo ( 06/07/2007 18:50)
Tena tsy azon'i Nyrina mihitsy ve ny tian'i rush sy ikaretsaka ho lazaina e ?
51. ikaretsaka ( 06/07/2007 19:36)
oay koa ireto ianareo... tsy nisy nanao amen akory!
52. marozevo ( 06/07/2007 21:03)
Atao inona sahady "amen"? Aleo aloha ho tapitra tsara.
53. niryna ( 13/07/2007 06:14)
marozevo:

Tena tsy azon'i Nyrina mihitsy ve ny tian'i rush sy ikaretsaka ho lazaina e ?

Ny amin'ny inona?


54. ikaretsaka ( 13/07/2007 11:50)
tsara amin'i niryna angamba ny mamerina mamaky ny voalaza rehetra teo ambony?
55. marozevo ( 13/07/2007 18:12)
Hoy i Nyrina :
Hoy i marozevo:

Tena tsy azon'i Nyrina mihitsy ve ny tian'i rush sy ikaretsaka ho lazaina e ?


Ny amin'ny inona?


Ny fanontaniana apetrak'i Nyrina dia ity :Ny amin'ny inona ?

Dia ho aho amin'i Nyrina : Ankoatra izay voalaza rehetra, asain'ikaretsaka jerenao, dia ireto misy santionany :

Hoy i rush :
ny ahy ny mahagaga ahy dia ny lohateny dia hoe saingy @ fomba ahoana moa no ahafahan'io gadra io raha tsy miaiky ny fahadisoana?
ny manahirana ahy koa dia ny fijoroana vavolombelona etsy sy eroa nefa manao fahadisoana tsy azo ahitsy e!lasa manoro-voana no ahiana e!


Dia hoy koa ikaretsaka :
ka enga anie ka ho faty tokoa izany ilay fisainana tsy manaiky atoro sy tsy manaiky diso na olona maro aza ny manoro fa efa izay fisainana vaovao izay no hanjaka aminao!
Hotanteraka aminao anie izany!


Dia tsy azon'i Nyrina ve fa ianao anie io lazainy io e ?

56. ikaretsaka ( 13/07/2007 20:56)
inoako kosa koa anefa fa mbola miteny gasy i niryna fa tsy miteny @ teny tsy fantatra ...
57. marozevo ( 13/07/2007 22:23)
Ny fiteny tsy fantatra (raha misy izany) dia tsy mitondra fahafahana velively. Araka ny hevitro.
58. niryna ( 19/07/2007 04:35)
ikaretsaka:

inoako kosa koa anefa fa mbola miteny gasy i niryna fa tsy miteny @ teny tsy fantatra ...

Raha azo amin'ny fivavahana ve ny miteny amin'ny fiteny tsy fantatra izay tsy hinoanao tsy vao maika aho faly.
Tsy izaho no mandidy fa Atra ka raha omeny aho dia raisiko an-tanandroa,raha tsy omeny aho efa nomeny maro azy izany no hijoroako vavolombelona,ny fitiavan'i Jesosy miboika ato anatiko ka mahatonga ahy manana fahafahana tsy voageja sy tsy matahotra ny ho voagejan'ny herin'ny maizina intsony.Miaro ahy Izy,manome fifaliana amin'ny fiainako Izy.Afaka tanteraka ny gadrako ary ny fahavalo rehetra dia efa resy.Miaraka amin'ny isan'andro aho saingy tsy manaitra ahy intsony izany,ny mivavaka azy ireo indray aza no tena fahasambarako.Andramo anie dia ho hitanao tokoa izany miaraka amin'i Jesosy izany e.

59. ikaretsaka ( 19/07/2007 06:50)
betsaka koa anie ry niryna no miteny hoe afaka aho fa tsy afaka akory e..
ohatran'ilay lazainao ary hoe lambolamboin'ny devoly dia lasa revo be hoe afaka:^) kay tsy afaka akory!
satria tsy ampy fandinihan-tena
60. ikaretsaka ( 19/07/2007 06:52)
Lasa miala an'Ankatso dia Ambohidempona .. na voa roa ohatran'ny voalavo.. avy voa dia lavo!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0516