Ilay mpivaro-tena teny aminay.

1. majesty ( 13/06/2007 11:04)
Nahagaga ahy ny fihetsik'ity mpivaro-tena iray teny akaikinay.Notantarain'ilay rahavaviny miara-mipetraka aminy mantsy fa mialohan'ny handehanany hivaro-tena amin'ny hariva iny dia tsy maintsy mivavaka izy aloha,mangataka amin'Atra mba ahazo client sy tsy mba ho sendran'ny olona ratsy izay mety hamono azy.Dia rehefa ny Alahady maraina izy rehefa tonga avy mivarotra dia mandeha mamonjy fotoam-pivavahana maraina.

Mba manao ahoana ny hevitrareo manoloana izany?
Misaotra antsika.
novalian'i majesty ny 20/06/2007 06:27
2. sonwin ( 13/06/2007 11:28)
majesty> ary ahoana aloha ny hevitr'ise e?

Raha ampiana kely ny fanazavana dia manan-kevitra aho: manana asa hafa ve izy? revy sa tsy fidiny no mahatonga azy mivaro-tena?
3. LazaDaddy ( 13/06/2007 11:34)
ny manitikitika ny saiko dia hoe:

1) ianareo manodidina azy ve nanoro hevitra sy nanampy azy hiala @ fivarotan-tena sa mitazam-potsiny?

2) ny fiangonana ve mitazam-potsiny ihany koa?
4. moi ( 13/06/2007 12:01)
Dia ity tokoa no tonga amin'ilay hoe na dia tsy nianatra lesona aza ny tena, tahio Tompo o mba hahazo farafaharatsiny ny moyenne !
Sy ny toy ny hoe Arovy aho Tompo mba tsy ho mamo ato amin'ny Bar ato !
Dia rehefa hangalatra dia mivavaka mba tsy ho tratra !

Andriamanitra hanontaniana fa raha ny hevitro dia tsy takatry ny saina ny fitiavany ny olon-drehetra. Mitory fanantenana an'Andriamanitra anefa ny fihetsik'ilay mpivaro-tena eto ! Saingy resin'ny ratsy ilay fahatsiarovan-tena kely.

5. ari.malala ( 13/06/2007 12:13)
T@ za mbola serveuse tao @ Hilton koa d efa nahita toy izany... mamaky Testamenta vaovao tokoa ilay ramatoa, ary dia milaza fa mivavaka toy io tantarain'i majesty io, de gaga fotsiny moa aho tamin'izay fa tsy nahateny, fa ny tena naharikoriko ahy dia ilay filazany hoe ny karama raisinay 1volana hono 1alina no ahazoany azy :?:-D dia hoy aho hoe tena efa tsy vonona ny hanao asa hafa intsony izy izany fa io no ataony fivelomana...
6. ikaretsaka ( 13/06/2007 13:13)
tsy hita e :cry:
fa tsy hitanareo koa angaha ilay hoe hanao baolina dia manamasina godasy sy maillots , mivavaka mba tsy haninona sy mba haharesy

Laza ..io voatenin'i ari io ny antony na miteny aza ny mp[iara monina
ny karama raisinay 1volana hono 1alina no ahazoany azy dia hoy aho hoe tena efa tsy vonona ny hanao asa hafa intsony izy izany fa io no ataony fivelomana...
i

mety ef aniteny ny fiaraha monina fa tsy resy lahatra izy izany raha tsy omena ny karamana serveuse in 31 avo heny ...
be practical, aiza no ahitan'ny fiaraha monina sy ny fiangonana izany rehetrarehetra izany?
Raha taritinao hivavaka izy, izy anie mivavaka e!
7. rrgmt ( 13/06/2007 14:08)
Toy ilay nifanena t@ i Jesoa io ka nilazany ny olona hoe izay tsy manan-tsiny no aoka hitora-bato azy, saingy tsy mijanona amin'izay, fa manomboka izao aza mijangajanaga intsony satria didy ny AZA MIJANGANJANGA. Raha tena mpivavaka izany izy dia hiala amin'ny ratsy fanaony no tokony hataony.
8. bichette ( 13/06/2007 15:51)
omeo asa izy e dia atoroy azy fa tsy mety io asany io fa mety tsy fantany koa ange e
9. tess ( 13/06/2007 17:38)
majesty:

Nahagaga ahy ny fihetsik'ity mpivaro-tena iray teny akaikinay.Notantarain'ilay rahavaviny miara-mipetraka aminy mantsy fa mialohan'ny handehanany hivaro-tena amin'ny hariva iny dia tsy maintsy mivavaka izy aloha,mangataka amin'Atra mba ahazo client sy tsy mba ho sendran'ny olona ratsy izay mety hamono azy.Dia rehefa ny Alahady maraina izy rehefa tonga avy mivarotra dia mandeha mamonjy fotoam-pivavahana maraina.

Mba manao ahoana ny hevitrareo manoloana izany?
Misaotra antsika.

fa angah kosa rehefa mpivarotena dia tsy mino sy tsy mila mivavaka intsony...
matetika tsy fidiny ho ani'reny olona ireny no manao asa toa ireny.....isika no mivavaka ho azy ihany koa....
olona otrantsika rehetra ihany izy ireny....

10. lantokely ( 13/06/2007 19:51)
tsy mitovy anie ny mijangajanga sy ny mivaro-tena ry rrqmt raha ny fahazahoako azy.
ohatra ny asa rehetra io, araka ny voalaza tetsy aloha.
ka tsy azoko hoe inona ny maharatsy ny mivaro-tena, raha hajaina tsara ilay asa!
11. pissoa ( 13/06/2007 20:06)
Nahagaga ahy ny fihetsik'ity mpivaro-tena iray teny akaikinay.Notantarain'ilay rahavaviny miara-mipetraka aminy mantsy fa mialohan'ny handehanany hivaro-tena amin'ny hariva iny dia tsy maintsy mivavaka izy aloha,mangataka amin'Atra mba ahazo client sy tsy mba ho sendran'ny olona ratsy izay mety hamono azy.Dia rehefa ny Alahady maraina izy rehefa tonga avy mivarotra dia mandeha mamonjy fotoam-pivavahana maraina.

Mba manao ahoana ny hevitrareo manoloana izany?
Misaotra antsika.


Inona no mahagaga amin'izany ?!

Heveriko fa ny karazana tsy fahalavorariana rehetra misy eo anatrehen'Andriamanitra dia ananan'ny tsirairay daholo. Ny fisehony fotsiny no tsy hitovizana. Jereo any amin'ny asam-panjakana isan-karazany any ny risoriso ohatra. Tadiavo any amin'ny sehatra isan-karazany any koa ny fanodikodinana vola kely ... Nefa mino aho fa isaky ny maraina ny Kristianina dia manolotra ny androny sy ny asany amin'Andriamanitra ary mandeha mivavaka rehetra Alahady/Sabotsy ! Eto dia ny fiaraha-monina no nametraka ny fivarotan-tena ho zavatra ratsy noho ny fahotana hafa, eo anatrehan'Andriamanitra kosa heveriko fa mitovy ihany ny halatra, risoriso, fivarotan-tena ... rehefa samy iniana atao.
Tsy gaga no tokony atao, fa manampy azy raha misy azo atao. Ary misy foana ny azo atao, rehefa tsy materialy dia moraly.

Lantokely : Rehefa tsy vadinao no hi#$&^% nao dia fijangajangana izay, na asa io na tsy asa.
12. majesty ( 14/06/2007 05:15)
sonwin:
majesty> ary ahoana aloha ny hevitr'ise e?

Raha ampiana kely ny fanazavana dia manan-kevitra aho: manana asa hafa ve izy? revy sa tsy fidiny no mahatonga azy mivaro-tena?


Ny hevitro:mitovy amin'ilay hoe sady manitsaka no manao azafady io.Toy ny hoe hangalatra kely aho Atra fa mba tahio an,dia lasa toy ny mihantsy an'Atra izany,sa ahoana!


LazaDaddy:
ny manitikitika ny saiko dia hoe:

1) ianareo manodidina azy ve nanoro hevitra sy nanampy azy hiala @ fivarotan-tena sa mitazam-potsiny?

2) ny fiangonana ve mitazam-potsiny ihany koa?



Ny fiangonana aloha tsy haiko izay ataony fa raha izaho manokana an,tsy hitako izay hevitra atoro azy satria ny havany aza miteny aminy henoiny @ sofiny havia dia havoakany @ sofiny havanana,maika fa izaho izay sady tsy client no tsinontsinony.


Tess:
fa angah kosa rehefa mpivarotena dia tsy mino sy tsy mila mivavaka intsony...
matetika tsy fidiny ho ani'reny olona ireny no manao asa toa ireny.....isika no mivavaka ho azy ihany koa....
olona otrantsika rehetra ihany izy ireny....


za angah niteny hoe tsy tokony hivavaka sy tsy tokony hino izy fa ilay manao hoe "tsy miady tsy miady nefa ny kibay ankelika ihany no tiako ho marihina"

Pissoa: Ny mahagaga anah ilay izy hoe andeha hivarotra dia mila mivavaka aloha mba ho tahian'Andriamanitra
13. ari.malala ( 14/06/2007 05:58)
Ny mahagaga ahy eto dia ny reaction an'ny namana sasany izay toy ny mankasitraka ilay "asa tranainy indrindra teto an-tany"... asa toy ny asa rehetra hoy ny sasany, nefa hoy aho hoe tsy asa ny fivarotan-tena satria io vatantsika io dia Tempolin'ny Fanahy Masina". Tadidinareo ny nanaovan'i Jesoa ireo olona nivarotra sy nanakalo vola tao @ tempoly? tezitra sy nalahelo Izy ary noroahiny ireo, ka mainka ve fa ny vatantsika izay efa voalaza iany koa fa rantsam-batan'i Kristy!!! Io efa voalazako io ambony io ny avalindry zareo anao raha hiteniteny azy ianao, izany hoe efa voabaikon'ny vola ny sainy ka tsy afaka hieritreritra solution hafa intsony izy, satria raha atao aza hoe hiala izy tsy hivarotena itnsony ka hanao asa hafa, mbola mila miandry faran'ny volana vao hahazo vola, nefa ny filazany hoa de iny vola raisina @ faran'ny volana iny raisiny 1 alina monja :-(
14. LazaDaddy ( 14/06/2007 06:20)
lantokely:
tsy mitovy anie ny mijangajanga sy ny mivaro-tena ry rrqmt raha ny fahazahoako azy.


- ny itoviany dia samy mijangajanga ary samy melohin'Andriamanitra
- ny tsy itoviany dia mandray vola ny mpivaro-tena
15. tess ( 14/06/2007 07:14)
majesty: ny mpanota mila mivavaka isan'andro ko! sao mba tonga tampoka ny farany efa voavela eloka izy:wink:
fa marina tokoa fa asa io tsy manatsafidy izy fa tsy midika hoe tsy afaka mivavaka kosa izy:roll:
16. tess ( 14/06/2007 07:17)
ari.malala: hafa ny fiainana taloha fahagola sy ny ankehitriny, vokatry ny fivoarana daholo izany rehetra izany:wink: tsy hoe mankasitraka ny asa fivarotantena fa amin'izao fotoana izao betsaka ny manao io asa io indrindra ny any ivelany agrée mihintsy aza:-P
17. ari.malala ( 14/06/2007 07:22)
tess, dia tokony hankasitraka ve ny kristianina? tsia hoy aho satria ny vatantsika dia rantsam-batan'i Kristy ary tempolin'ny Fanahy Masina!
18. tess ( 14/06/2007 09:10)
riaisiko amin'ny fiainana ankapobeny ilay izy fa tsy amin'ny fiainana maha krisitiana aloha!:wink:
19. majesty ( 14/06/2007 09:24)
Ny rany,ny ainy manontolo no nividianan'Jesosy antsika teo @ hazo-fijaliana,izay tsy voavidim-bola amin-karena,nefa dia amidin'ndry zavavy amin'ny vola 10.000 Ar eo ho eo angamba e,ny vatany,dia loza mihintsy
20. majesty ( 14/06/2007 09:26)
dia raha itarina kely dia tafiditra ao anatin'izay koa anie ilay mpividy zany e,tsy misy afa miala,
Satria rehefa mividy halatra d naman'ny mangalatra dia ôtran'izany koa io,mailo ihany ry zalah an:D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.281