Ilay mpivaro-tena teny aminay.

21. naritsimba ( 14/06/2007 10:06)
Hevitra 1:
Anjarantsika no mieritreritra hoe hividy ve sa tsia, rehefa tsy misy mpividy, mikatona ny tsena.

Hevitra 2:
Ho antsika izay mahatsapa tena fa Kristiana, diniho aloha ny tenantsika hoe tena Kristiana marina ve sa kristiana ivelany fotsiny, raha tsy izany dia tsy hino antsika mihitsy ilay mpivaro-tena.

22. tess ( 14/06/2007 10:34)
majesty:

Ny rany,ny ainy manontolo no nividianan'Jesosy antsika teo @ hazo-fijaliana,izay tsy voavidim-bola amin-karena,nefa dia amidin'ndry zavavy amin'ny vola 10.000 Ar eo ho eo angamba e,ny vatany,dia loza mihintsy


raha minia hoe tsy mitady vola na tsy mampiasa vola kosa ny mpivavaka kristianina amin'izao fotoana izao tsy ho tafavoaka amin'ny fiainana e!
raha io no source mety ahazoany vola, mety anaty ny ankaterena izy manao an'io mety tsy maharitra ny asa ratsy hataony io.....
lazaiko aminao fa misy olona izay nanana tsara ny asany fidirambola izay tena tsy ratsy tokoa fa lasa mpivavaka be ilay olona, nadabony tanteraka ny asany fa hanompo an'andriamanitra hono izy, tsy mila mitady vola fa andrimanitra manome, inona fa amn'izao fotoana izao lasa mitady asa hatao indray satria sarotra ny fiainana, mila hampfandanjàna ny ralité sy ny fivavahana:-P


23. booboo ( 14/06/2007 10:56)
Heveriko fa ny karazana tsy fahalavorariana rehetra misy eo anatrehen'Andriamanitra dia ananan'ny tsirairay daholo. Ny fisehony fotsiny no tsy hitovizana. Jereo any amin'ny asam-panjakana isan-karazany any ny risoriso ohatra. Tadiavo any amin'ny sehatra isan-karazany any koa ny fanodikodinana vola kely ... Nefa mino aho fa isaky ny maraina ny Kristianina dia manolotra ny androny sy ny asany amin'Andriamanitra ary mandeha mivavaka rehetra Alahady/Sabotsy ! Eto dia ny fiaraha-monina no nametraka ny fivarotan-tena ho zavatra ratsy noho ny fahotana hafa, eo anatrehan'Andriamanitra kosa heveriko fa mitovy ihany ny halatra, risoriso, fivarotan-tena ... rehefa samy iniana atao.


eka ouz !

Tess > hampifandanjana ahoana ny réalité sy ny fivavahana ? refa diso @ raha iraika dia diso @ izy aby aby ouz
24. ari.malala ( 14/06/2007 12:36)
fa @ tess v afaka misaraka ny fianana ankapobeny sy ny fiainana mahakristianina?
25. Bita ( 14/06/2007 17:33)
Tsy fantatrareo angaha ilay tantaran'ilay vehivavy Janga tao @ SM, Rahaba Janga no niantsoana azy. Inona no zavatra mba nahaliana anareo @ io vehivavy io. Ny nandraisany ireo vahiny, ny marimarina kokoa dia ny nanafenany an'ireo vahiny ary rehefa handeha ireo vahiny dia hoy izy ireo taminy hoe: asio ra eo @ tolam-baravaranao dia ho anisan'ny voavonjy ianao. Mba hamarino kely hoe azafady io zavatra lazaiko i o fa ny fantatro dia hoe anisan'ny manan-tantara ao @ SM izy. Tsy hoe: manaiky ny fijanganjangana na fifavorata tena aho fa misy ilay Maria izay nanasa ny tongotr'i Jesosy t@ menaka lafo vidy ary + ny volony ary araka ny fahalalako azy dia vehivavy toa tsy mendrika ny fitondran-tenany t@ ireo mpiaramonina taminy. Koa tsy afaka milaza zavatra maro aho fa ny fantatro dia efa nisy hatrizay ireny olona ireny, tsy fantatro na anjarany fa ny haiko hoe aleo mihaino hoe vehivavy janga toy izy PD (lehilahy miaramandry @ lehilahy)
26. nikopol ( 14/06/2007 18:21)
Resaka varotra ohatran'ny varotra rehetra io. Dia resaka asa tahaka ny asa rehetra. Raha ny tokony ho izy aza dia tokony mahazo meday ireny olona ireny fa manao asa fanasoavana eo amin'ny mpiara-belona aminy.

Raha mivavaka moa izy dia manajo hivavaka ohatran'ny olona rehetra. Fa azy sy an'ilay hivavahany izay resaka izay.

hoy i pissoa :

Heveriko fa ny karazana tsy fahalavorariana rehetra misy eo anatrehen'Andriamanitra dia ananan'ny tsirairay daholo. Ny fisehony fotsiny no tsy hitovizana. Jereo any amin'ny asam-panjakana isan-karazany any ny risoriso ohatra. Tadiavo any amin'ny sehatra isan-karazany any koa ny fanodikodinana vola kely ... Nefa mino aho fa isaky ny maraina ny Kristianina dia manolotra ny androny sy ny asany amin'Andriamanitra ary mandeha mivavaka rehetra Alahady/Sabotsy ! Eto dia ny fiaraha-monina no nametraka ny fivarotan-tena ho zavatra ratsy noho ny fahotana hafa, eo anatrehan'Andriamanitra kosa heveriko fa mitovy ihany ny halatra, risoriso, fivarotan-tena ... rehefa samy iniana atao.


io fijerin'i pissoa io no hitako fijery tsy miangatra indrindra. Mitovy amin'io ny analysiko saingy ilay " frazy " farany hoe " rehefa samy iniana atao " no tsy partager-ko, satria na iniana atao aza ny fivarotan-tena dia resaka tsy misy fanambakana fa tolotra sy tady. Ty smitovy amin'ny halatra sy risoriso zay hitako fa imoral kokoa ...

saingy sura za fa ny mpanararaotra madinika na vaventy eken'ny olona kokoa raha mivavaka nohon'ny mpivarotena ...





27. naughtyboy ( 14/06/2007 19:01)
anisany asa naharitra efa ela zay lazainy ny fiarahamonina oe vay mahamenatra no maharary io varotra 1 io nefa tsy anjarany ny itsara ny safidy ts1-1 @ ze asa ataony ..
nikopol>>nisy tantara zay ko tsaroko @ baiboly io nilaza le vhv janga (nande ra nadritry 12 taona izy) asa kalo ra mbola teo amperin'asa na nisotro ronono fa nikasika an'Jesosy izy de sitrana ,famonjena zany Io le meday t@ zany.
Ny mpitazana no nanana reflexion oe miresaka @oul janga satria mihevitra ny tenany ho tsara koko no le vhv janga nanampinona:-D
28. pissoa ( 14/06/2007 21:18)
niko : io resaka manambaka io njay dia toa ny "fo" (ilay fo be fiantra mora malahelo iny :oops:) no namaritra hoe rehefa misy "victime" dia imoral kokoa noho ny hafa ! saingy tsy haiko ny hevitr'Andriamanitra :-P:-D:-D:-D
29. marozevo ( 14/06/2007 22:26)
le vhv janga (nande ra nadritry 12 taona izy) asa kalo ra mbola teo amperin'asa na nisotro ronono fa nikasika an'Jesosy izy de sitrana ,famonjena zany Io le meday t@ zany.

Diso be io... Tsy misy an'izany ao amin'ny Baiboly. Amarino tsara.
Fa ny misy ao dia hoe : "Lazaiko marina aminareo fa ny vehivavy janga sy ny Poblikana no hialoha anareo any amin'ny Fanjakan'ny lanitra".

Izay manan-tsofina aoka hihaino...
30. naritsimba ( 15/06/2007 05:00)
Aza mba raisina @ lafiny ratsy ny resaka tahaka itony, raha tena kristiana isika dia ny manantona azy ka mireska aminy mivantana no atao, misy amintsika ange ka na ny hiresaka @ mpivaro-tena aza mahamenatra antsika e! Koa jereo aloha ny tenanao vao mijery ny hafa.

hoy ny Soratra Masina:
Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin'ny masonao, ary amin'izay vao ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin'ny mason'ny rahalahinao. Matio 7:5

Am-bava homana am-po mieritra, teny atsopy ho an'ny manam-panahy, raisin'ny mahalala.
31. majesty ( 15/06/2007 05:11)
Tess ve zany pro ny asa fivarotan-tena?
32. ikaretsaka ( 15/06/2007 05:38)
mampatsiaro ahy ilay tantaran'ilay olona notafihin'ny jiolahy ity , ka ilay samaritanina indray no nanavotra azy!
33. ari.malala ( 15/06/2007 06:40)
nisy tantara zay ko tsaroko @ baiboly io nilaza le vhv janga (nande ra nadritry 12 taona izy
za koa vao naika hanao fanamarihana hoe aiza hoaiza no misy milaza an'io???

naritsimba, misy tokoa ny menatra, fa za tena niresaka t@ le vhv mpivarotena namaky testamenta vaovao, ary za aza nangoraka azy tamzay!!! tsy mananjo hitsara na hanameloka azy aho, anazy sy Andriamanitra izay, fa ny hitako immoral kosa dia ilay fanaovana tsinontsinona ny vatana, nga izy ity entambarotra no hamidy? mahagaga ahy ilay valintenin'ny namana sasany oe varotra toy ny varotra rehetra iany io... nga ianao mitovy @ akoho na gana na omby na kisoa sanatria ko hoe amidy?
34. marozevo ( 15/06/2007 08:12)
Tsaroako koa ny tantaran'i Raivo mpanota, ao amin'ny boky Fiteny mamiko, nampiasaina tamin'izahay classe de 5ème. Efa ela anie izany e.... Asa na mbola ampiasaina io boky io ankehitriny.

Misy resaka pastera ao (Mpitondra Fiangonana = na azo alain-tsary hoe Mopera koa angamba).

Ao Antananarivo ao manko.... aoka ihany sao halanao aho.
35. naritsimba ( 15/06/2007 08:54)
Ahoana hoy izay tononkira izay:

Maty ilay mpivaro-tena
..............
..............
Ny mpivavaka nandalo
Dia nisaotra an'Andriamaniny
Fa afa-doza nampimalo
Hono izao ny tany maminy.

Hoy ny Soratra Masina:
Fa ahoana kosa no hevitrareo? Nisy lehilahy nanana zanaka roa lahy; dia nankeo amin'ny lahimatoa izy ka nanao hoe: Anaka, andeha miasa any amin'ny tanim-boaloboko anio. Fa namaly izy ka nanao hoe: Tsy handeha aho; nefa nony afaka izany, dia nanenina izy ka nandeha ihany. Dia nankeo amin'ny faralahy izy ka niteny toy izany koa. Ary izy namaly ka nanao hoe: Handeha aho, tompoko; kanjo tsy nandeha izy. Ka iza moa amin'izy mirahalahy no nanao ny sitrapon'ny rainy? Hoy izy: Ny lahimatoa. Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga efa mialoha anareo ho amin'ny fanjakan'Andriamanitra.Fa Jaona nankany aminareo tamin'ny lalan'ny fahamarinana, nefa tsy nino azy ianareo; fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga no nino azy; fa ianareo kosa, na dia efa nahita izany aza, dia mbola tsy nanenina mba hinoanareo azy. Matio 21:28-32

tsy milaza akory io hoe mandehana mijangajanga, fa manazava kosa fa: rehefa nanota isika ka nibebaka niala t@ fahotana dia aza miverina manota intsony.

Hoy jesoa t@ ity fanoharana ity:
Ary nisy vehivavy anankiray azo nijangajanga nentin'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo; ary rehefa napetrany teo afovoany izy,dia hoy ireo taminy: Mpampianatra ô, ity vehivavy ity azo olan-tanana nijangajanga,Ary ao amin'ny lalàna Mosesy dia nandidy antsika fa hotoraham-bato izay vehivavy manao toy izany;fa ahoana kosa hoy Hianao?Izany no nolazainy hakany fanahy Azy, mba hahazoany izay hiampangany Azy. Fa Jesosy niondrika ka nanoratra teo amin'ny tany tamin'ny rantsan-tànany.Ary raha naharitra nanontany Azy ireo, dia nitraka Izy ka nanao taminy hoe: Izay tsy nanota eo aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany.Dia niondrika indray Izy ka nanoratra teo amin'ny tany tamin'ny rantsan-tànany.Ary raha nandre izany izy, dia nivoaka tsirairay hatramin'ny zokinjokiny ka hatramin'ny zandrinjandriny; ary Jesosy irery ihany no sisa teo sy ilay vehivavy teo. Ary rehefa nitraka Jesosy, dia hoy Izy taminy; Ravehivavy, aiza ireny? Tsy nisy nanameloka anao va? Ary hoy izy: Tsy misy, Tompoko. Dia hoy Jesosy: Izaho koa dia tsy manameloka anao; mandehana, ary amin'izao sisa izao dia aza manota intsony. Ary Jesosy niteny tamin'ny olona indray ka nanao hoe: Izaho no fahazavan'izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin'ny maizina, fa hanana ny fahazavan'aina.
Jaona 8:3-12

Ny mahavoa antsika izay milaza fa Kristiana dia Kristiana anarany fotsiny, fa rehefa jerena eo @ asa, na fihetsika dia mampalahelo.
36. marozevo ( 15/06/2007 09:01)
"Izaho teto aminao mandrakariva... tsy mbola nandika ny didinao... nefa mbola tsy nomenao na dia zanak'osy iray aza hifaliako amin'ny sakaizako.
Fa nony tonga io zanakao io (izany hoe rahalahiko), izay avy nandany ny fanananao tamin'ny vehivavy janga, dia anaovanao fety...."

(...)

Fa ity zanako ity dia very ka hita indray ary maty ka velona indray.
37. naughtyboy ( 15/06/2007 10:42)
nisy io ry marozevo fa tsy angano akory ao @ TV na tsy precis aza ny fitadidiko aza oe aiza: teo ampitoriana teny feno oul marobe Jesosy no taitra fa nisy hery niala tao aminy de nanontany izy oe iza no nikitika ahy teo? de de namaly le vhv oe za iny fa ny ravindambanao fotsiny nokasihiko de sitrana aho..
ary novaliny Jesosy oe mandehana fa ny finoanao no nahavonjy anao..fa mazotoa mijery tsara :)
38. ari.malala ( 15/06/2007 13:25)
naughtyboy, marina fa nisy ilay tantara teneninao, fa aiza hoaiza no misy hoe janga ilay vehivavy? ny ao dia hoe nitsia-drà efa ho 12 taona, ka nitsia-drà ve midika fa janga ny olona iray? tsy dokotera aho, fa ny fahalalako izany dia manao hemorragie, na tonga fotoana foana tsy ankijanona angamba? ka midika ve izany fa janga ilay vehivavy?
39. naughtyboy ( 15/06/2007 13:36)
averiko fa tsy precis ny fitadidiko fa siora aho fa misy mahafantatra io tantara io ka malalaka aho @ fanitsiana..
tiako marihina fa tena misy karazan'oul miseho mahalala zv rehetra ary mitompo teny fatratra @ ze lazainy fa tsy misy zao na zao efa nahazo ahy io talo t@ reo mpampianatra sekoly alahady sns.
vokany:arrow:leo ireny oul reny za nefa za mino fa misy le fanahy mitarika manazava ny sainy rehetra ts1-1 fa tsy oe natokana ho an'izy reny ihany .
na eto aza de efa hita zany,asa na tsy fahaizana mampisokatra adihevitra na inn ,mahavarina.
ny tsy fantatry izy reny de misy oul tsy azo anaovana resaka taingina na petatoko fotsiny ka lany eo ny androny samia mamisavisa ze voakasiky io ,fifanoroana izany fa tsy fisehovana milay de misaotra betsaka
40. naughtyboy ( 15/06/2007 13:50)
iee marina ny anao fa tsy nisy nilaza janga nefa tsy nisy niteny ko oe tsy janga iny ihany no teny diso tsy mba kabary sitomiko ao @ maha oul tsy tanteraka ahy fa ny voalazako hafa tsy miova:)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0975