Ny vehivavy sy ny fanaovana pataloha

1. ari.malala ( 13/06/2007 07:54)
Miala tsiny aho fa tsy aritro mintsy ity:


Mpandefa : diamondra27 [ Valio ] 11-06-2007 14:59:19
Lohateny : Re : azo sotroina ve ny toaka?
zao an!

misy teny ao à SM we: aza ho mamon-divay ianareo... mahazo mihinana izany amiko fa tsy tokony ho mamo fa hisy fanararaotan'i devoly avy eo

zavatra rehetra azoko atao fa tsy ny zavatra rehetra no mahasoa

ny mahasoa aloha vao ny mahafinaritra

ny miaraka @Atra dia tsy misy fandràrana izany ankoatran'ny didy folo fa refa mandray an'i Jesosy ianao de resy lahatra ho azy eny ihany we: tsy mahasoa ahy ity na hoe: tsy mendrika

ohatra: raha manao pataloha ianao taloha nefa vhv , de refa eny ampandehanana eny de tonga saina ho azy fa tokony hanome voninahitra an'Atra @ robe na jupe refa hivavaka satria hihaona @ Atra. Handeha hamonjy mariazy aza ianao mikenokenona be ery we inona ny akanjo hanaovako , sexy sns maika fa hihaona @ le Jesosy Tompon'ny fiainanao sy miaro anao @ ratsy.


Dia izao no fanontaniako, inona moa no olana raha toa manao pataloha ny vhv mandeha eny an-dalana na handeha hivavaka? moa ve tsy rehefa mitafy aby ny vatany, ka rehefa tsy manafintohina ny olona ilay fiakanjony tsy efa zava-dehibe ve izay? Tsy ny akanjo angamba no jerevan' Andriamanitra fa ny fonao mandeha midera sy mivavaka Aminy? Satria na hanao akanjo lava be hatreny an-kitrokely aza ianao nefa ny fonao tsy mitodika @ Atra akory tsisy dikany...
novalian'i cutie ny 07/07/2007 01:14
2. xxx ( 13/06/2007 08:03)
Fa maninona ny pataloha no tsy mahasoa sy tsy manaja an'Andriamanitra ?

ny pataloha izao amiko a , sady mafàna no mampiseho ny bika tsara nomen'Andriamanitra.

Dia manakory indray ny mini-jupe ? nefa jupe ihany araka ny voalazanao ? dia mety izany satria jupe ?





3. xxx ( 13/06/2007 08:05)
ho an'i Diamondra ilay post teo fa tsy ho an'i ari.malala azafady
4. hery ( 13/06/2007 08:09)
Efa somary voalazanao ihany ny valiny

ka rehefa tsy manafintohina ny olona ilay fiakanjony tsy efa zava-dehibe ve izay


Zava-dehibe io miezaka tsy hanafintohina olona io...

Ny fiangonana dia fiaraha-monina ihany koa. Izany hoe olona maromaro no indray mivavaka ka mila mijery marimaritra iraisana sy fifanajana. Mety misy olona mbola mihidy fisainana be ao ampiangonana (mety ny mpitarika fivavahana mihitsy) dia tafintohina mafy rehefa mahita vehivavy mipataloha dia tsy maintsy ifandinihana aloha. Amin'ny toerana sasany tsy mampaninona akory izany.

Fa ankoatr'izay dia arakaraky ny fivavahana na ny fiangonana sy ny lalàny ihany koa. Ny silamo ohatra dia tsy maintsy manala kiraro rehefa miditra ao amin'ny moské. Ny jiosy manao ilay satroka kely rehefa hivavaka. Ny amin'ny fiangonana sasany dia tsy mahazo manao pataloha izany mihitsy. Ao amin'ny fiangonana katolika dia tsy misy lalàna fototra mikasika ny fitafy fa miankina tanteraka amin'ny fombantany (io ilay fanajana ny mpiara-mivavaka).

Raha mandeha any ambanivohitr'i Toliara ohatra ianao dia misy olona tsy miakanjo ambony akory mandeha any ampiangonana. Tsy azonao terena izy satria efa tsy miakanjo ny fombany. Raha aty andafy koa dia betsaka ny vehivavy mivavaka no manao jean sy tennis. sns.
5. LazaDaddy ( 13/06/2007 08:15)
Handeha hamonjy mariazy aza ianao mikenokenona be ery we inona ny akanjo hanaovako
izaho tsy mivaky loha amin'resaka fitafiana fa aza dia miampanga lainga e :)
6. majesty ( 13/06/2007 08:50)
Miankina bdb amin'ny kolontsaina misy eo amin'ny fiaraha-monina iray io,raha ny ahy manokana aloha raha eto Madagasikara toa ôtran'ny tsy mety amin'ny saiko ilay manao pataloha mandeha makany am-piangonana :D
7. xxx ( 13/06/2007 09:01)
Ny ahy ilay mahita vhv manao mini jupe sy pataloha mifinjifinjy manara-batana mankany am-piangonana no tena mety amin'ny saiko
8. marozevo ( 13/06/2007 09:06)
Miankina amin'ny fomban-tany, ary miankina amin'ny fahaizanao mi-s'adapte amin'ilay fomban-tany koa. Io izao i majesty milaza ny heviny hoe : "ôtran'ny tsy mety amin'ny saiko ilay manao pataloha mandeha any am-piangonana". Asa moa na lehilahy na vehivavy i majesty. Raha vehivavy izy dia ny tenany izany no lazainy. Io no hitany fa mety dia hajainy sy ataony ary hitany fa mahasoa azy sy tsy manafintohina ny hafa. Raha toa kosa ka lehilahy i majesty, dia mba anontanianko kely : "Moa tafintohina kely ve ianao mahita vehivavy manao pataloha any am-piangonana ?".
Raha vehivavy izany i majesty dia tsy voatery hamaly an.
9. xxx ( 13/06/2007 09:28)
miverina ary @ ilay resaka "tafitohina" ka tsy mankany am-piangonana ity ry Marozevo a

Mahagaga tokoa fa isika gasy ohatry ny mora tafitohina e (susceptible ve ??)
10. Fiffi ( 13/06/2007 09:29)
mahavariana anaha ity dinika ity....noheveriko tsy mi-existe intsony zany hoe vhv tsy afaka manao pataloha zany rehefa mandé miangona....
11. majesty ( 13/06/2007 09:35)
hoy marozevo:
"Moa tafintohina kely ve ianao mahita vehivavy manao pataloha any am-piangonana ?".


Ilay hoe tafintohina,tsy dia izay loatra angamba,fa tsy mety amiko fotsiny,izany hoe raha ny hevitro manokana izany dia ny hoe tokony tsy hanao pataloha rehefa ho any ampiangonana fa tsy hoe tsy maintsy tsy manao pataloha,samihafa ireo.:D
12. marozevo ( 13/06/2007 09:39)
Izany indrindra no nametrahako ilay hoe "kely".

13. diamondra27 ( 13/06/2007 10:06)
misaotra an'i ari sy xxx nametraka ny fanontaniana

holazaiko anareo ny antony nahatonga ahy niteny iny ohatra iny.

Tsy ny fihetsika sy fombafomba ivelany no important eo anatrehan'Atra fa ny finoanao Azy

Toy izao manko ny zava-miseho sy ny fieritreretan'ny tsy mpino @ maha-Kristiana: mihevitra izy ireo fa voafehy be, tsy mahazo manao an'izao sy zao rehefa tomga mpino, diaizay nomahatonga ireo tsy mpino hino an'Atra satria mbola tsy mahafoy ilay toetra kely sy fombafomba madinika

Ny tiako lazaina dia izao hoe: mpanota isika ary mila delivre-na @izany ota izany , de tonga teto an-tany Jesoa mba hanafaka antsika @ le ota
de lasa mpino ianao, de lasa pratiquant(e)
raha tonga any ampiangonana anefa ianao tsy tokony horarana @zay hanananao fa kosa raha tena Jesosy no nanankinanao ny fiainanao dia mino aho fa nisy feo mibitsika tao aminao sy mahatsapa tena irery ianao fa tsy tokony hanao pataloha rehefa hivavaka , na hanao ireny firavaka be fahatany ireny na makiazy be sns...
tsy misy maharatsy izany fa ianao ihany dia tokony hahatsapa hoe: manome voninahitra an'Atra ve zao fihetsiko izao fa hiarika ahy @ fakampanahy sy mampaka fanahy olona? (ao anatin'io le mini jupe)
rehefa miditra lalindalina @ fanompoana ny Tompo ianao dia mianatra ny teniny ary resy lahatra @ teniny dia hiova ho azy @ fihetsikao ; de zay le tiako lazaina we tsy tokony ho ny olona no hanakana anao@ fombanao fa ny TENIN'ATRA

ny SM dia mampianatra antsika , manitsy, mampahery,mampandroso etc etc... ka raha kristiana marina ianao dia tokony hita taratra eny aminao ny mampiavaka anao @ tsy kristiana.

Mbola mahazo mametraka fanontanina raha mbola misy

14. diamondra27 ( 13/06/2007 10:09)
LazaDaddy:

Handeha hamonjy mariazy aza ianao mikenokenona be ery we inona ny akanjo hanaovako
izaho tsy mivaky loha amin'resaka fitafiana fa aza dia miampanga lainga e :)


___________________________

miampanga lainga aiza ry LD?
Vhv no resahina. A@ mahavhv anao raha hamonjy fety na mariazy sns ve enao de efa nahita vhv tsy mikenokenona sy tsy taitra we: inona ny akanjo hanaovako @io

Raha misy vhv manao an'izany dia ataoko hoe: mety lavo @ fiainana izy de tsy miraharaha ny tenany intsony

Ny tiako lazaina de hoe: tsy maintsy mametraka question ny vhv rehefa hivoaka na hamonjy fety

na tsy andro fety aza fa andro tsotra mipetraka zany fanontaniana zany we: inona ny akanjo hanaovako rahampitso?
Izany no mahavhv anay vhv

15. diamondra27 ( 13/06/2007 10:14)
xxx:

Fa maninona ny pataloha no tsy mahasoa sy tsy manaja an'Andriamanitra ?

ny pataloha izao amiko a , sady mafàna no mampiseho ny bika tsara nomen'Andriamanitra.

Dia manakory indray ny mini-jupe ? nefa jupe ihany araka ny voalazanao ? dia mety izany satria jupe ?



_________________________________________

critique efa nisy izany dia nentiko natao ohatra;
zava-nisy t@ fiainan'ny kristiana sy ny tsy mpino

Fomba fijery aty ivelany.Misy fiangonana sasany manko manana fombafomba we tsy mahazo manao an'zao sy zao nefa ny tokony ho izy de tsy raràna ny olona fa rehefa mamaky ny tenin'Atra sy refa mandray fampianarana moramora eny izy dia miova ho azy ny fihetsika rehetra fa tsy misy we
tsy mahazo manao an'izao sy zao

16. diamondra27 ( 13/06/2007 10:20)
fiffi: misy foana io sady mbola hisy
zay no maha samy hafa antsika olombelona
dia izay no tokony atao antsaina hoe: za ve manome voninahitra an'i Tompo sa aona?

Misy teny zay manko ao @ baiboly manao hoe: ze rehetra ataonao de ataovy ho voninahitry ny Tompo
ary koa hoe: raha misy mirehareha de aoka Jehovah no ireharehany


Ka raha kristiana marina ianao nahafantatra ny famonjena dia hahay ny fitondrana mahamendrika ny kristiana

voalaza ao aanaty baiboly daholo izany

17. hery ( 13/06/2007 10:30)
Tsy itovizako hevitra amin'i diamondra io resaka io.

Ny ahy rehefa eken'ny mpiara-mivavaka dia tsy asiako olana.

Misy olona à l'aise kokoa rehefa manao pataloha. Tsy fireharehana mihitsy fa tsapany hoe maotina kokoa izy rehefa manao pataloha toa izay manao zipo. Resaka kolotsaina sy fanabeazana io hoy aho.

Koa raha marina ilay hoe ze rehetra ataonao de ataovy ho voninahitry ny Tompo dia mahatsapa tena hoe manome voninahitra bebe kokoa ny tompo ireo olona ireo rehefa manao pataloha noho ny manao zipo.

Misy mantsy ny olona rehefa manao zipo dia tsy mahay mipetraka donc tsy mitombona amin'ny fivavahana, voaelingelina sns.

Ka izay ilay ilazako hoe arakaraka ny fomba sy ny fiaraha-monina io. Ianao (isika) no nobeazina tamin'ny hoe ny zipo no manaja ho an'ny vehivavy. Fa ho an'ny olona sasany tsy izany.
18. Fiffi ( 13/06/2007 10:53)
diamondra27:

fiffi: misy foana io sady mbola hisy
zay no maha samy hafa antsika olombelona
dia izay no tokony atao antsaina hoe: za ve manome voninahitra an'i Tompo sa aona?



Ka raha kristiana marina ianao nahafantatra ny famonjena dia hahay ny fitondrana mahamendrika ny kristiana
le am fanaovana pantalon ve io ?


19. majesty ( 13/06/2007 10:55)
hery:
Ny ahy rehefa eken'ny mpiara-mivavaka dia tsy asiako olana



Misy fandrika be io,tsy izay rehetra eken'ny mpiara-mivavaka akory dia azo atao.Ohatra,raha tadidintsika ny fisian'ny fiangonana kely iray tetsy ampitan'ny alliance française,ampefiloha.Ny antony anisan'ny nanakatonana azy io dia noho ny fahatratrarana rongony tao izay tsy hay na nataon'ny mpiangona inona na nataony inona,dia izany akory tsy midika hoe neken'ny mpiara-mivavaka tao ny fambolena rongony dia tsy asiana olana.
20. karinah ( 13/06/2007 11:26)
Ny ahy manokana indray dia ny mifinjitra sy fohy kely kosa tsy lasa e,(raha ho any am-piangonana io), ivelan'izay indray be ny pnanao an'io ka hafahafa kokoa ny fipetrany sady he izany izy hoe Tsy any am-piangonana!!.. fa io na pataloha na zipo no hoentina mivavaka rehefa maontina tsy hitako loatra ny olana!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0889