Ny vehivavy sy ny fanaovana pataloha

21. ari.malala ( 13/06/2007 11:29)
Ny tsy azoko anie dia zao e! maninona refa hande hivavaka iany vao tsy mahazo mipataloa sy tsy mahazo manao makiazy fa refa hande hilanonana na hande hiasa de mahazo ve? fa tsy isanandr ove no kristianina sa isanalahady iany?

Za zao anisan'le tenenin'i Hery ao ambony ao hoe tsy mahazo aina refa manao zipo satria manelingelina ahy ilay izy, @ andavanandrom-piainako aho manao pataloa de refa hande hivavaka koa aho manao pataloa satria izay no ahazoako aina, ifantohako bebe kokoa @ fihainoana ny Tenin'Andriamanitra zay ifampizarana any am-piangonana... Aleoko lavitra aza mieritreritra ny tenako manao pataloa toy izay olona manao zipo am-poto-pe na lava iany fa misy dakany ka mampiseho fe refaveo!
22. xxx ( 13/06/2007 11:51)
anay aty @ mangitsy be aty aloha dia tsy maintsy mi-pataloha e
23. xxx ( 13/06/2007 11:57)
:-D:-D
24. hery ( 13/06/2007 12:05)
ari.malala> io ilay hoe mihatsara ivelantsihy kely rehefa hihaona amin'Andriamanitra :-) ohatran'ny hoe tsy fantany hoe mpanao pataloha

Misy dimensions roa ilay izy e. Ny fifandraisanao amin'Andriamanitra (iny miankina aminao sy ny konsiansinao) ary ny fifandraisanao amin'ny mpiara-miangona (io no mety misy blem satria tsy ianao irery no mivavaka). Mila hajaina ireo zavatra roa ireo.
Raha tena mipataloha no ahazoanao aina dia hazavao amin'ireo kristianina miara-miangona ka sahirantsaina aminao ny antony.
25. ari.malala ( 13/06/2007 12:05)
aty koa aza zao ko:-D:-Dindindra refa maraina!!!!:-D:-D
26. moi ( 13/06/2007 12:22)
Hevitro momba ny fitafiana rehetra (pataloha, jupe ...)
Ny tsy mety raha ny fandraisako ny SM dia ny lehilahy manao fitafiam-behivavy, na ny vehivavy manao fitafian-dehilahy.
Ny lobaka ohatra dia efa misy ny hoe am-behivavy sy an-dehilahy ; dia toy izany koa : Misy ny patalohan-dehilahy, ary misy ny pataloham-behivavy. Ka raha patalohan-dehilahy ny anaovan'ny vehivavy dia tsy mety. Ny fihevitra diso dia hoe Pataloha=an-dehilahy, nefa misy mihitsy ny pataloham-behivavy.
Ny tee-shirt angamba no betsaka tsy hahafantarana ny an-dahy sy am-bavy, fa na ny ba kiraro aza mba misy fantatra vao jerena hoe an-dahy ity, na am-bavy. Ka tandremo sao variana amin'ny resaka pataloha fa tsy izay ihany no fitafy mila fitandremana.

Fa misy fotoana fanaovana azy daholo koa ny fitafiana, ao ny fitondra rehefa matory, ao ny fitondra milomano, ao ny fitondra miantsena, ao ny tenue de sport isan-tsokajiny... Dia mba misy koa fitondra miangona... Sa tsy izay ?

Ny ahy aloha aleoko mahita vehivavy manao pataloha tsy mampiseho fitanjahana, toy izay vehivavy manao akanjo lava nefa mifariparitra daholo ny anatiny rehetra !
27. ikaretsaka ( 13/06/2007 13:05)
fa nisy niteny tokoa ve ny soratra masina hoe aza mipataloha ry vehivavy?
28. ari.malala ( 13/06/2007 14:03)
an an an, ka zay ndrindra mantsy le tsy azoko...
29. pissoa ( 13/06/2007 16:39)
tsisy hoe aza mipataloha zany ao ! aza mitondra olona amin'ny fakam-panahy fotsiny ... ary ny zipo no mitondra bandy am'fakapanahy matetika kokoa noho ny pataloha ! :-D:-D:-D
30. ikaretsaka ( 13/06/2007 21:05)
izay mantsy... na ilay pataloha "zestankor" be reny aza!
Any Ecosse izao manao fitafiam-behivavy ny lehilahy (manao zipo) dia ahoana
31. cutie ( 13/06/2007 22:00)
Mpandefa : pissoa [ Valio ] 13-06-2007 18:39:02
Lohateny : Re : Ny vehivavy sy ny fanaovana pataloha
tsisy hoe aza mipataloha zany ao ! aza mitondra olona amin'ny fakam-panahy fotsiny ... ary ny zipo no mitondra bandy am'fakapanahy matetika kokoa noho ny pataloha !

zany ve :-D:-D:-D:-D
na zipo lava aza ve de mbola mitondra any @ fankam-panahy any :-D:-D:-D:-D
32. pissoa ( 13/06/2007 22:08)
:-D:-D:-D

nga tsy hainjy le hira misy hoe J'ai posé mes yeux sous sa robe de gitane

fa matetika hoa fa tsy hoe izay foana ... :-D
33. cutie ( 13/06/2007 22:14)
efa henoko io hira io ka
fa ny ankabeazan'ny oul no resahina eto :-D
34. niryna ( 14/06/2007 05:41)
Arakaraky ny fiangonana hidiranao io,misy ny hoe tsy mahazo milokomena,manao sarindoha.Misy tsy mi-pantaloha ny vehivavy ka ianao no manao dia mijery anao daholo ny olona.Tokony ho maontina aloha raha hiditra ny fiangonana izany e,misy misarika ny mason'ny sasany kosa anie ny vehivavy manao jupe fohy sy pantaloha tery kely,ny ambony miseho ny ila-tratrany.Io izao no feno aty aminay.Amiko aloha ny fo madio no hanandratako azy.
35. ari.malala ( 14/06/2007 05:42)
mety samy mitondra daolo fa ny fihetsik'ilay olona koa no mitondra azy hoy aho angamba! raha hanao zestankor @ antson'ika v nefa hande hivavaka otran'ny tsy norm iany ktyyyyy...:roll:
36. marozevo ( 14/06/2007 22:34)
Ny fakam-panahy dia fakam-panahy ihany... Tsy misy fahotana ny fakam-panahy. Fa ny resin'ny fakam-panahy no ratsy.
Indraindray mba resy fa olombelona ny tena, ary ny maso adala rahateo. Na manao zipo tsara aza ianao - eo indrindra aza vao tena miseho ny mahatsara anao manontolo anie e - dia mety ho fakam-panahy ihany ho an'ny mpitazana. Tsy ny lehilahy ihany no alaim-panahy fa na ny vehivavy koa aza mahita ireny tovolahy bikana sy tsara fijoro ireny.

Tsy misy tsy diso fa izay mivarilavo no adala indrindra.
37. ikaretsaka ( 15/06/2007 05:51)
misy olona betsaka koa (izaho anisany) mahita anefa hoe vao mainka aza sexy be sy vao mainka mitondra any @ fankapanahy ny mahita ilay vehivavy tsy milokomena sy manao sarindoha sy mizipozipo lava ireny e... satria lasa voatarika ny saina hieritreritra ny hakanton'izay takotakonany ao!:cry:
za raha vao mahita ilay Silamo misarontsarona be ireny ohatra dia lasa saina foana te hahalala hoe ohatran'ny ahoana aza ny tena paozin'ity vehivavy ity!

ny ahy manokana ireny manao zipo fohy ireny aza dia zarako aza misy ireny iderako an'Andriamanitra manao hoe
"misaotra anao aho Ray fa mbola nomenao tombon'andro sy maso sy saina sy fotoana ahafahako mi contempler ny hasoan'ny asa-tanana sy ny zava-voarinao amin'nny alalan'io vehivavy io alohako io, jereo ity eto alohako, kanto tokoa!
Misaotra tompo o, tena nahay nahary anay tokoa ianao!
38. marozevo ( 15/06/2007 08:20)
Aza avelanao ho azon'ny fitaoman-dratsy izahay fa manafaha anay amin'ny ratsy....

Arovy amin'ny fakam-panahy....

Soutiens-nous en tentation, et délivre-nous du mal.
39. xxx ( 28/06/2007 09:35)
ikaretsaka:

misy olona betsaka koa (izaho anisany) mahita anefa hoe vao mainka aza sexy be sy vao mainka mitondra any @ fankapanahy ny mahita ilay vehivavy tsy milokomena sy manao sarindoha sy mizipozipo lava ireny e... satria lasa voatarika ny saina hieritreritra ny hakanton'izay takotakonany ao!:cry:
za raha vao mahita ilay Silamo misarontsarona be ireny ohatra dia lasa saina foana te hahalala hoe ohatran'ny ahoana aza ny tena paozin'ity vehivavy ity!

ny ahy manokana ireny manao zipo fohy ireny aza dia zarako aza misy ireny iderako an'Andriamanitra manao hoe
"misaotra anao aho Ray fa mbola nomenao tombon'andro sy maso sy saina sy fotoana ahafahako mi contempler ny hasoan'ny asa-tanana sy ny zava-voarinao amin'nny alalan'io vehivavy io alohako io, jereo ity eto alohako, kanto tokoa!
Misaotra tompo o, tena nahay nahary anay tokoa ianao!



ia ia , za manokana aloha dia ireny manao zipo reny mahafinaritra ahy, tena misy elegance, sady TSY CONSEILLé ao amin'ny baiboly ny fanaovana akanjo-dehilahy. De raha te hanompo an'Andriamanitra zany ianao ry vehivavy dia mazotoa manao zipo amin'ny fomba fitafy.
Eh ! de rehefa ririna ny andro de asio juste-corps ao ao anatiny amin'zay tsy mangatsiaka.


40. cutie ( 29/06/2007 00:39)
de rehefa ririna ny andro de asio juste-corps ao ao anatiny amin'zay tsy mangatsiaka.

tsy lasa zany
aleo manao pataloha ihany :lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3735