Ahoana ihany ity afo fandiovana ity.Aiza isika no mandeha?

1. xxx ( 10/05/2007 16:23)
Maro ny olana mipetraka eto fa mba namaky ihany aho.Ahoana marina tokoa ity afo fandiovana lazaina lava ity e.Afo izany ve tsy efa kila koa diovina amin'ny rano ahoana angaha any amin'ny afobe misy rano?
Lioka 16:19-24
Nisy nilaza ny tantaran'i lazarosy sy ilay mpanankarena ao anaty baiboly.Maninona izy no milaza fa mba teneno ny fianakaviany fa tsy tiany ho any amin'izay misy azy?
I lazarosy kosa tonga dia lasa nalain'ny anjely ho any an-tratran'i Abrahama ary ilay mpanan-karena kosa nalevina.
Dia hoy ny tohiny hoe ary raha nijaly tao amin'ny fiainan-tsi- hita izy .
Heb 9:27 milaza fa tahaka ny nanendremana ny olona ny ho faty indray mandeha ary rehefa afaka izany dia hisy fitsarana..
Izany ve tsy hoe indray mandeha ihany no maty dia tsaraina avy eo?
Lioka 16:26 koa milaza fa misy antsana manasaraka ny maty .
2 kor 5:10 samy ho tsarain'i kristy daholo hono isika rehetra.
Dia ahoana indray izany hoe diovina izany?Kristy toa niantso an'i Lazarosy tao am-pasana ary nitsangana izy.Nasehony fa afaka manangana ny maty izy.
Andao ary hitalao aminy daholo isika dia hovonjeny daholo ireny tsy nibebaka taloha ireny raha io fandiovana io no asiana resaka.
novalian'i pissoa ny 01/06/2007 05:59
2. xxx ( 10/05/2007 16:30)
Izaho efa mba niteny hoe aleo tsy iny Afo Fandiovana iny no hitarina fa efa resaka lava teto, fa ekena fotsiny eto hoe finonan'ny hafa, dia mbola misisika ihany ny sasany

Majesty : tsy hitanao amin'ireo andalana nomen'i Ikaretsaka ireo tokoa ny teny hoe Afo Fandiovana satria tsy misoratra amin'ireo. Fa misy mahita soratra ao amin'ny Baiboly ve hoe "ordinateur", izaho tsy mahita. Fa misy ve ny "ordinateur", eny misy tokoa. Fehiny : tsy rehefa tsy hita ara-bakiteny ao amin'ny baiboly akory dia tsy ao ; ary tsy rehefa tsy voasoratra ao amin'ny Baiboly dia tsy misy.

Tsy raisiko ny ampahan'ny Baiboly tsy hitambarana. Fa amin'ny hitambarana dia izao :

I Jesoa, araka ny tatitra nataon'i Matio dia niteny hoe

Hoy i Matio 5:

25 Mihavàna faingana amin'ilay manana ady aminao, raha mbola miara-dia aminy hianao, fandrao ilay manana ady aminao hanolotra anao amin'ny mpitsara, ary ny mpitsara kosa hanolotra anao amin'ny mpamatotra, ka hatao ao an-trano-maizina hianao.

26 Lazaiko aminao marina tokoa: Tsy ho afaka ao mihitsy hianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany indrindra.


Diniho io 26 io ! tsy ho afaka ao mihitsy hianao, ambara-pandohanao ny variraiventy farany indrindra. Izany mandoha ireo "variraiventy" ireo ianao, ary rehefa voalohanao izy REHETRA dia afaka ao amin'ilay tranomaizina ianao. Io tranomaizina handalovana, handalovana satria hoy i Jesoa hoe alana ao ianao rehefa mahaloa ny variraiventy farany, io no antsoin'ny Katolika hoe "Afo Fandiovana".

Dia mbola misy fanoharana koa ao amin'ny faran'ny Matio 18

Hoy i Matio 18:
34 Dia tezitra ny tompony ka nanolotra azy ho amin'ny mpampijaly mandra-pandoany ny trosa rehetra.

35 Ary tahaka izany koa no hataon'ny Raiko Izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin'ny fonareo avy hianareo.

Dia jereo indray fa milaza izy hoe : nanolotra azy ny mpampijaly mandra-pandohany ny trosa rehetra. Izany hoe rehefa voalohany ny trosa rehetra, dia alana ao amin'ny mpampijaly izy. Ary i Jesoa ihany no miteny fa tahaka izany koa ny ataon'ny Ray amintsika amin'ny ratsy (sasany, fa tsy izy rehetra akory) ataontsika. Dia io "Fampijaliana" handalovana io no ataon'ny Katolika hoe "Afo Fandiovana".

Ny hevi-diso mikasika ny "Afo Fandiovana" sy ny fivavahana ho an'ny maty mandeha eto foana dia hoe ka tsy aleo manao ratsy raha izany fa efa misy hivavaka ho antsika ihany. DISO be. Ny olona ao amin'ny Afo Fandiovana dia olona voavonjy, izany hoe tsy nataon'Andriamantia ho any amin'ny helo, fa manadio ny lambany fotsiny. Eny, misy fahotana tsy handehanana any amin'ny helo, saingy tsy maitsy manadio ny tenantsika amin'ireny fahotana ireny isika vao mahita ny mangirana amin'ny tena fiainana. Resahin'i Jaona (1Jaona) ny Fahotana Mahafaty sy Fahotana Tsy Mahafaty. Ny Fahafatesana resahina eto dia ilay fahafatesana faharoa any amin'ny helo.
3. xxx ( 10/05/2007 17:08)
Misaotra an'i xxx nandika ilay hevitra tatsy ambadika. Toa tsy novakian'i xxx nanokatra sujet mantsy izy io. Indrindra fa :

Hoy i xxx nanokatra sujet
Andao ary hitalao aminy daholo isika dia hovonjeny daholo ireny tsy nibebaka taloha ireny raha io fandiovana io no asiana resaka.

Efa voavaly tatsy ambadika io raha tena namaky tokoa i xxx
Ny hevi-diso mikasika ny "Afo Fandiovana" sy ny fivavahana ho an'ny maty mandeha eto foana dia hoe ka tsy aleo manao ratsy raha izany fa efa misy hivavaka ho antsika ihany. DISO be. Ny olona ao amin'ny Afo Fandiovana dia olona voavonjy, izany hoe tsy nataon'Andriamantia ho any amin'ny helo, fa manadio ny lambany fotsiny. Eny, misy fahotana tsy handehanana any amin'ny helo, saingy tsy maitsy manadio ny tenantsika amin'ireny fahotana ireny isika vao mahita ny mangirana amin'ny tena fiainana. Resahin'i Jaona (1Jaona) ny Fahotana Mahafaty sy Fahotana Tsy Mahafaty. Ny Fahafatesana resahina eto dia ilay fahafatesana faharoa any amin'ny helo.
4. fijo ( 10/05/2007 22:02)
famporisihana anao tsy hitady sy tsy hananan io,fa ry zalahy fotsy nampianatra anao an'io kosa efa nangorina ny harenanao.
5. Rasiligaoma ( 10/05/2007 22:10)
aza miditra lalina fotsiny ry zareo fa io tsotra an. rehefa tany vao miteny hoe "hay ve any misy an'izao tokoa e"

Za izao notantaraina hoe misy izany Bekiraro any Isotry izany fa za tsy mbola tany raha tsy androany! Izay aho vao nanao hoe hay va re ka misy an'izao aty e!
Fa za kosa nino hoe misy izany, fa afaka tsy nino aho raha izay no tiako, raha tsy androany!

Rehefa mino dia tsara, raha tsy mino dia andraso dia jereo!
6. majesty ( 11/05/2007 05:29)
Mahita xxx karazany telo be izao :D
Tsy sanatria ny hifanaratsy na ny hifanenjika no ataontsika fa dinidika ara-tsoratra masina,tiako apetraka mialoha izay.

hoy i xxx n°2:

Diniho io 26 io ! tsy ho afaka ao mihitsy hianao, ambara-pandohanao ny variraiventy farany indrindra. Izany mandoha ireo \"variraiventy\" ireo ianao, ary rehefa voalohanao izy REHETRA dia afaka ao amin\'ilay tranomaizina ianao. Io tranomaizina handalovana, handalovana satria hoy i Jesoa hoe alana ao ianao rehefa mahaloa ny variraiventy farany, io no antsoin\'ny Katolika hoe \"Afo Fandiovana\".

Dia mbola misy fanoharana koa ao amin\'ny faran\'ny Matio 18

Hoy i Matio 18:
34 Dia tezitra ny tompony ka nanolotra azy ho amin\'ny mpampijaly mandra-pandoany ny trosa rehetra.

35 Ary tahaka izany koa no hataon\'ny Raiko Izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin\'ny fonareo avy hianareo.

Dia jereo indray fa milaza izy hoe : nanolotra azy ny mpampijaly mandra-pandohany ny trosa rehetra. Izany hoe rehefa voalohany ny trosa rehetra, dia alana ao amin\'ny mpampijaly izy. Ary i Jesoa ihany no miteny fa tahaka izany koa ny ataon\'ny Ray amintsika amin\'ny ratsy (sasany, fa tsy izy rehetra akory) ataontsika. Dia io \"Fampijaliana\" handalovana io no ataon\'ny Katolika hoe \"Afo Fandiovana



Raha tsy diso za r\'isé dia azo raisina ara-bakiteny io fanoharana nataon\'i Kristy io,ary ireo olona nolazainy ireo dia olona mbola velona (olona hanatitra fanatitra),fa ny lesona tiany ho hampitaina amintsika dia io efa novalianao ao amin\'ny Matio 18:35,ilay hoe mpampijaly eto dia ireo olona mpampiasa Andevo,satria raha tsy mahaloa ny trosan\'olona ianao tamin\'izany andro izany,dia lasa andevo izany hoe lasa mikarama maimaim-poana ho an\'ny olona nanana vola taminao mandra-pandohanao ny variraiventy farany indrindra.Ny dikan\'io matio 5:25-26 io izany dia hoe aoka tsy hiseho foana eo anatrehan\'i Jehovah hitondra fanatitra raha toa ka mbola misy olona manana alahelo aminao fa mihavana aminy aloha ary rehefa izany vao manatitra ny fanatitrao ianao.
7. majesty ( 11/05/2007 05:38)
Ny faniriako ho an'ireo mpitarika antokom-pivavahana na inona na inona firehan-keviny dia izao:entano ny olona hamaky ny soratra masina,ka hiaina hifanaraka amin'izay hita ao,fa aza avela ny anganongano sy ireo tantara noforonina izay efa tsy tokony hovoizina intsony no hanakinan'izy ireo ny finoany,satria efa sasatry ny fitadiavana sy izay ho arapaka amin'zao fiainana efa mafy izao ny vahoaka,ka aleo atoro azy izay tena lalana marina tokony ho diaviny,mba hananan'izy ireo ny fiadanam-po eo amin'ny fanarahany an'i Kristy.
Ary izany foto-kevitra izany no nahatonga an'ireo mpanavao fivavahana teo aloha sahy hanolotra ny ainy ho vavolombelon'ny fahamarinana izay hitan'izy ireo tao amin'ny soratra masina na dia nantsoina hoe Eretika (olona mitondra fampianarana hafa ivelan'ny Eglizy) aza izy ireo tamin'izany toa an'ndry Lotera,Calvin,Jean Wiclef,Zwingly sns:D
8. nathie86 ( 11/05/2007 07:05)
refa tonga any mahita izy
9. xxx ( 11/05/2007 08:39)
Majesty : mety diso ianao ka ! Avereno vakina ilay fanoharana, dia jereo hoe inona avy ny hevitry ny teny tsirairay ! Alaivo ara-bakiteny anie e : manana ady amin'ny namanao ianao, dia manolotra fanatitra ho an'Andriamanitra. Dia tenenin'ny namanao Andriamanitra hoe izy aza mbola miady amiko ... tonga dia anticiper-n'Andriamanitra ny fitsarana anao ary io heloka miady amin'ny namanao io ihany no hitsarany anao (???). Ary alefany any amin'ny tranomaizina inao (???)

Ary novakinao ve ny Matio 5 ( http://baiboly.org/toko.asp?boky=MATIO&Toko=5 ). Mandehana jereo fa resaka Fanjakan'ny Lanitra sy ny mikasika izany ny ao, resaka helo, resaka tranomaizina handalovana aorian'ny fitsarana ataon'ilay mpitsara ! Ialana tsiny raha ireo andalana roa ireo monja no nentiko teto fa ireo moa no nahakasika mivantana ilay resaka.
10. cutie ( 11/05/2007 20:28)
Mpandefa : fijo [ Valio ] 11-05-2007 00:02:21
Lohateny : Re : Ahoana ihany ity afo fandiovana ity.Aiza isika no mandeha?
famporisihana anao tsy hitady sy tsy hananan io,fa ry zalahy fotsy nampianatra anao an'io kosa efa nangorina ny harenanao.

=))=))=))=))=))=))
11. niryna ( 11/05/2007 21:02)
xxx:



Ary novakinao ve ny Matio 5 ( http://baiboly.org/toko.asp?boky=MATIO&Toko=5 ). Mandehana jereo fa resaka Fanjakan'ny Lanitra sy ny mikasika izany ny ao, resaka helo, resaka tranomaizina handalovana aorian'ny fitsarana ataon'ilay mpitsara ! Ialana tsiny raha ireo andalana roa ireo monja no nentiko teto fa ireo moa no nahakasika mivantana ilay resaka.

Ka mpitsara iza kosa aloha no tianao ho tenenina eto e.Fanoharana daholo no nataon'i kristy anie e.
http://www.chick.com/ .Miresaka ny mopera sy masera niala, mikasika ny babylonia religion,io dia milaza ny antony nahatonga ny katolika nivavaka tamin'ny atra hafa dia lasa maria avyeo,hitako nisy miresaka io afo fandiovana io koa ao .Purgotory no ataony dikany amin'ny teny anglisy.Misy video ao ary afaka mi-klik izay mahay teny anglisy,toa misy teny gasy koa angamba io raha tsy diso aho.
Ny niandohan'io afo fandiovana io hoy ny mpanoratra dia nisy fanamboarana fiangonana na cathedral tany Roma ary dia nitady hevitra ilay pope ka nasiany tetika hoe andao asiana afo fandiovana ary dia nanome vola tsy misy toy izany ny mpiangona satria iza no tsy te-hamonjy ny havany? Raha te ahafantatra ianareo hoy izy fa any an-danitra na tsy any ny havanareo dia andao isika hivavaka ary hangataka amin'Atra ny hiverenany raha manaiky izy dia ho henonareo eo ary ataovy ao anatin'ity vata ity ny volanareo.Moa mba fantatrareo izany?Aoka ary isika samy handinintena amin'izay fa human made io(hevitra nataon-dra- olombelona io ) ary hanomboka hivoaka amin'izay ny zavatra rehetra satria hoy ny teny hoe tsy misy takona izay tsy hita.Mialatsiny fa mba nanao fikarohana kely aho dia io no hitako a.Anjarantsika ny mitsipaka na manamarina.:D:D
Izay ary fa mazotoa daholo ary.Aza kivy raha mbola nomeny andro indray isika hianarana ny teniny
12. xxx ( 11/05/2007 21:37)
Ka mpitsara iza kosa aloha no tianao ho tenenina eto e.Fanoharana daholo no nataon'i kristy anie e.

Fa misy mpitsara firy kay, ankoatra an'Andriamanitra ? Indrindra rehefa mikasika ny "Fanjakan'ny Lanitra" ny fanoharana ataon'i Krisy ? Iza avy no mpitsara mety ho ao ry Niryna ? :wink:

Jereo eto .Miresaka ny mopera sy masera niala, mikasika ny babylonia religion,io dia milaza ny antony nahatonga ny katolika nivavaka tamin'ny atra hafa dia lasa maria avyeo,hitako nisy miresaka io afo fandiovana io koa ao .Purgotory no ataony dikany amin'ny teny anglisy.Misy video ao ary afaka mi-klik izay mahay teny anglisy,toa misy teny gasy koa angamba io raha tsy diso aho.
Ny niandohan'io afo fandiovana io hoy ny mpanoratra dia nisy fanamboarana fiangonana na cathedral tany Roma ary dia nitady hevitra ilay pope ka nasiany tetika hoe andao asiana afo fandiovana ary dia nanome vola tsy misy toy izany ny mpiangona satria iza no tsy te-hamonjy ny havany? Raha te ahafantatra ianareo hoy izy fa any an-danitra na tsy any ny havanareo dia andao isika hivavaka ary hangataka amin'Atra ny hiverenany raha manaiky izy dia ho henonareo eo ary ataovy ao anatin'ity vata ity ny volanareo.Moa mba fantatrareo izany?Aoka ary isika samy handinintena amin'izay fa human made io(hevitra nataon-dra- olombelona io ) ary hanomboka hivoaka amin'izay ny zavatra rehetra satria hoy ny teny hoe tsy misy takona izay tsy hita.Mialatsiny fa mba nanao fikarohana kely aho dia io no hitako a.Anjarantsika ny mitsipaka na manamarina.
Izay ary fa mazotoa daholo ary.Aza kivy raha mbola nomeny andro indray isika hianarana ny teniny

Efa ny chicks.com indray izao no filamatra fa tsy baiboly rehefa tsisy avaly ry Niryna o :wink:
13. niryna ( 12/05/2007 06:16)
=))=)):-@ voa indray izay ra xxx ! Tsy afaka ny ahaleo dohika ny olona tsy mino aho satria tsy hihaino na hanaiky ny zava marina sy misy izy.Ny olona tsy manana finoana no manipaka ny voalazan'ny baiboly ary entina andrembirebena sy hisarihana ny sain'ny hafa hivily lalana.Ny finoanay dia kristy irery ihany,vereno jerena ho aho ny chick fa hilaza ny momba ny niavian'ny finoanao izy ka tsy tianao izany,sa ahoana.Anao ny safidy,ho antsika rehetra e.Na ho tapitra eo aza ny andro tsy ahaleo ny dohikan'ny olona tsy mino aho.Izay no safidiny dia samia misafidy izay tiany.Tompon'andraikitra amin'ny safidiny ny tsirairay.Manaraka an'i Kristy irery moa ianao,nahazo tombony ianao fa mbola nomeny saina hivily lalana hanaraka Azy.Tsy misy tombotsoa ho ahy.Tsy anaraka koa moa ianao ,ianao no hamaly azy amin'ny andro farany,ny faniriko anefa dia ny ahavoavonjy anao sy ireo mpanaradia anao.Maty antoka va aho,tsia tompoko,nahazo tombony ve aho,tsia tompoko.Ho faly ve ny foko?Eny, na fanahin'ny olona iray fotsiny aza no manantona an'i Kristy.Malahelo ve aho,eny mivavaka ho anareo izay mbola miziriziry tsy mihaino ,manantsofina kanefa tsy mandreha.Mahita ny maso kanefa tsy mahalala.Mahafantatra ny fitsokan'ny rivotra kanefa minia tsy maheno.
May God bless all of us.He is the alpha and the omega
Izy ny omaly,anio,ary mandrakizay.Ho Azy irery ihany anie ny voninahitra.^:^^:^^:^^:
(l)always, niryna
14. xxx ( 12/05/2007 09:09)
Iza no voa ry Niryna ? Izaho manokana aloha tsy tonga eto mba "hahavoa" na ho "voa" fa maneho hevitra fotsiny. Ianao angamba mikendry ny hahavoa fotsiny, ka rehefa tsisy ambara intsony amin'ny resaka Baiboly dia manda ankitsirano ary miantso ny CHICKS.COM indray, Baiboly hafa koa io !

Iza no tsy manaraka baioboly eto ? Efa io nolazaiko anao mazava io ny ao amin'ny baiboly ka anjaranao ny mino na tsy mino ... raha ny CHICKS.COM moa no hitanao fa fototry ny finoanao dia tsy hiadiko hevitra fa tsy hifanerena ny mahakristianina :wink:
Efa mazava angamba io Matio 5 ! Raha tsy ampy dia vakio koa ilay Matio 18 ( http://baiboly.org/toko.asp?boky=MATIO&Toko=18 ) fa mbola toy io koa no lazain'i Kristy any araka ny taditra nataon'i Matio ! Dia anjaranao e !

Farany, tsy sentosento ny fiainana Kristianina ka hoe rehefa manao signature (l) ary be resaka amin'ny zavatra HS ianao dia hiontana tokoa ny foko hoe marina ny tenin'i Niryna :{
15. ikaretsaka ( 12/05/2007 14:01)
Niryna> mba mandalina lalindalina momban'ny chick anie e. Chickisme io fa tsy kristianisme, ary miainga @ foto-kevitra hafa nataon'i Jack Chick! mba isintonany kil ho azy koa! (ilay ataon'ny any antanana hoe sekte)
Ary raha manao sociology ianao dia anisan'ny zavatra isainana tsara ireny vao dinihina
Lasa any koa ve ny foto-pinoanao, sanatria?
Ary mora taritina be ange i Niryna izany e!
16. piste ( 12/05/2007 19:34)
Ny pbl Niryna matetika dia izy miseho manana ny marina satria hoe mpivavaka na mpitory teny, bon dia ny sisa izany dia tsy mahalala fa tsy maintsy torina.
Izay toe-tsaina, somary miendrika fondamentalisme izay dia fakam-panahy lehibe ho antsika manaraka ny fivavahana Kristianina. Satria, lasa mitompo teny fatratra isika.
Ekeko fa isika Kristianina no manana ny hafenoin'ny Révélation( na plénitude de la Révélation ) fa tsy midika akory izay fa isika no fanaperana. Ny fahamarinana voasoratra ao Baiboly dia Tsy verité statique na matematika fa Fiainana tsy feno avy hatrany fa miandalana ny fahazoantsika ny sens-ny.
Ankoatry ny fanilovan'ny Fanahy Masina dia @ alalan'ny namana na finoana hafa ankoatry ny misy anao any no tena malaza kokoa ny hevitra sasany ao @ Baiboly.
Fehiny : Sokafy ny saina henoy koa ny hafa fa mahasoa anao izany. Matoa isika nataon'Andriamanitra samihafa dia natao hifameno. Diso be isika raha manana eritreritra hoe izaho na ny anay ihany ny marina, manakana ny fifanakalozan-kevitra izay ary mampihidy anao ihany koa tsy hanaiky ny hafa. Ny fifanakalozan-kevitra ny fifampidinihina hahitana ny marina dia efa fitadianìvana ny sitrapon'Andriamanitra sahady.
17. ikaretsaka ( 13/05/2007 00:02)
misaotra an'i piste
18. xxx ( 13/05/2007 08:28)
ikaretsaka:

Niryna> mba mandalina lalindalina momban'ny chick anie e. Chickisme io fa tsy kristianisme, ary miainga @ foto-kevitra hafa nataon'i Jack Chick! mba isintonany kil ho azy koa! (ilay ataon'ny any antanana hoe sekte)
Ary raha manao sociology ianao dia anisan'ny zavatra isainana tsara ireny vao dinihina
Lasa any koa ve ny foto-pinoanao, sanatria?
Ary mora taritina be ange i Niryna izany e!

:-P:-P Aleo ny tantara no hitsara,avelao izahay ahita ny marina fa efa leon'ny lainga lava.
Vao avy nijery ilay sary kely aho ,sary mihetsika,boky niandohan'ny Maria :roll: ,tsarabe fa misaotra niryna a (l)(l)(l).Aza kivy ianao fa ho aiza eo ireo e.Mipoitra foana ny tena fivavahana marina :twisted::twisted:
Loza ity,mety ho hitan'i xxx nanontany ny valiny ao amin'io http://www.chick.com io.:roll::roll:Ka izahay nofahanan-dalitra fotsiny hatramin'izay.

19. xxx ( 13/05/2007 11:28)
Ary rehefa tena omena Baiboly ry mpahay baiboly mianakavy dia tsy mamaly fa lasa manao pub an'i Chick sisa an ! Mbola misy fanontaniako tsy novalian'i Niryna anie io e !

20. piste ( 13/05/2007 11:28)
Izao no lazaiko anareo fanatisme be ireo : raha vao ny fivavahana na antokom-pinoana iray no miseho manana ny marina ary manakiana sy manavaka ny hafa dia efa mamofompofona Secte izay. Ary sarotra ihany ny hino fa iasan'ny fanahin'Andriamanitra io antokom-pinoana io.
Ka diniho ihany àry lanjalanjao fa raha ny finoana no tsy misy fitiavana dia fanatisma no hiafarany.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6649