Ahoana ihany ity afo fandiovana ity.Aiza isika no mandeha?

61. majesty ( 29/05/2007 04:37)
hoy pissoa:
Izahay koa mahay manao bontolo fa zahay tsy hanao ... tsy hifanerena ny mino an'io mantsy ! Izahay fotsiny rehefa mamaky soratra masina dia tsy mandingana manokana ny resaka fitsarana ao amin'ny Matio 5 sy ny tantara lava be ao amin'yn Matio 18 ! ny boky hafa moa tsy resahina



Izaho ve no manao bontolo:D,
aleo hanokafantsika sujet iray indray ny fitsarana dia amin'zay mazava tsara,sa ahoana hozy njy:D
62. Zina ( 30/05/2007 00:09)
Good Idea:wink:
63. pissoa ( 30/05/2007 17:01)
Majesty : eny, tena manao bontolo tokoa ny fahitako anao, araka io efa nazavaiko eo ambony io fa tsy notanisainao fotsiny :wink:

Hiresaka fitsarana ve ? Ny Fitsaran'Andriamanitra ? Ny hevitro efa ireo ambony ireo daholo. Tsy misaraka anie ny fitsarana sy ny afo fandiovana e. Isan'ny "didim-pitsarana" mety hiatra amintsika indray andro any ny afo-fandiovana araka ny fanoharana nataon'i Jesoa ! Ny hevitrao no mbola tsy hitako fa nodinganinao hoa le resaka fitsarana ! :-D:-D:-D
64. majesty ( 31/05/2007 06:58)
Raha ny fahazahoako an'ilay olona manao bontolo mantsy ry pissoa dia ireny miziriziry amin'ny heviny ireny fotsiny na dia efa hita izao aza fa tsy mifanaraka amin'ny soratra masina ny heviny,nefa ny ahy nampiasiko mihitsy ny toko sy andininy mba tsy ny hevitro no ho taratra fa izay ao anatin'ny soratra masina,nefa na ny fandraisan-tsika sy enao azy aza dia efa samihafa.
Ohatra raha miresaka fitsarana izany zao amiko dia hoe rehefa mivoaka ny didim-pitsarana araka ny hita ao amin'ny Matio,dia hoe hanavaka ny ondry sy ny osy izy ka ny ondry ataony eo ankavanany ary ny osy eo ankaviany,ka ny ratsy fanahy ho ringana ary ny tsara fanahy no handova ny lanitra,tsy mahita mihitsy aho ao amin'ny baiboly iray manontolo milaza fa hoe vao maty ny olona dia makany @ afo fandiovana dia rehefa avy ao dia mankany amin'ny paradisa,nefa ny soratra masina milaza fa rehefa ho avy izy vao hamoaka an'io didim-pitsarana io,dia sanatria ve izany efa mijaly ao @ afo fandiovana ny olona maty anankiray,dia izay vao ho tsenain'ny anjely ho any @ paradisa,dia avy eo ndray vao ho avy Jesosy hamoaka ny didim-pitsarana ho an'ny olona rehetra na ny maty na ny velona dia ilay olona tany @ paradisa indray ve zany no miverina ety an-tany ho tsaraina indray dia raha voaheloka dia zay vao mankany amin'ny helo rehefa nakany amin'ny paradisa.

Diniho amin'ny maso tsy miangatra ange akia e,tonga dia hitan-njy fa tsy lojika io,izay no mahatsara ny hoe ianao mihitsy no mandalina ny soratra masina ho an'ny tenanao aloha,izay vao ho an'ny hafa.

Dia misaotra an'i pissoa :D
65. pissoa ( 01/06/2007 05:59)
Tsy hitanao ny fisian'ilay ataonay hoe afo fandiovana satria efa nodinganinao manokana hatramin'ny niatombohan'ny dinika ! Ilay teninao hoe tsy lojika dia tena tsy lojika tokoa satria tsy io nolazainao io anie no misoratra ao e ! :-D:-D:-D

Raha ny fahazahoako an'ilay olona manao bontolo mantsy ry pissoa dia ireny miziriziry amin'ny heviny ireny fotsiny na dia efa hita izao aza fa tsy mifanaraka amin'ny soratra masina ny heviny,nefa ny ahy nampiasiko mihitsy ny toko sy andininy mba tsy ny hevitro no ho taratra fa izay ao anatin'ny soratra masina,nefa na ny fandraisan-tsika sy enao azy aza dia efa samihafa.

:-D:-D:-D:-D:-D
tsy mifanaraka amin'ny soratra masina ve ? Efa voalazanao fa samy manana ny fahazahoany !

Ilay hoe bontolo dia mampihomehy ahy ianao ! Ianao miantso soratra masina foana ?! Araho anie ilay resaka e :
1 - niresaka soratra masina aloha (--- dia nisy nodinganinao ilay soratra masina)
2 - dia avy eo ianao nilaza tantara heverinao nahatonga azy ( --- dia diso kay ilay tantara nomenao)
3 - dia avy eo ianao niteny hoe mitovy ihany ireo fa samy fitadiavam-bola no antony ( --- vao maika nodisoina ny tantara)
4 - dia eto indray ianao miteny hoe tsy lojika ( --- ie, le teneninao angamba tsy lojika ! tsy mahagaga satria tsy toy io heverinao io ny fanazavany azy ao)

:-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.996