Ahoana ihany ity afo fandiovana ity.Aiza isika no mandeha?

21. dailynews ( 13/05/2007 13:27)
tena resy lahatra ve xxx fa afo fandiovana io resahina io????
22. xxx ( 13/05/2007 14:25)
Ianao angaha tsy resy lahatra ?!
23. xxx ( 13/05/2007 14:53)
Dailynews : Tsy haiko izay fiantsoanareo io toerana lazain'i Jesoa io, fa Afo Fandiovana aloha no fiantsoanay azy.
24. xxx ( 13/05/2007 14:58)
Aleo ny tantara no hitsara,avelao izahay ahita ny marina fa efa leon'ny lainga lava.

raha tsy katolika ianao dia tsy nandainga taminao ary tsy mandainga aminao ny fiangonana Katolika satria tsisy niantefa aminao ny fampianarany.
Nefa aza misandoka ho Katolika fa hita amin'ny soratrao ihany anie e ! mba manana henatra ny tenanao !
Vao avy nijery ilay sary kely aho ,sary mihetsika,boky niandohan'ny Maria ,tsarabe fa misaotra niryna a .Aza kivy ianao fa ho aiza eo ireo e.Mipoitra foana ny tena fivavahana marina
Loza ity,mety ho hitan'i xxx nanontany ny valiny ao amin'io Jereo eto io.Ka izahay nofahanan-dalitra fotsiny hatramin'izay.

25. xxx ( 14/05/2007 04:53)
dailynews:

tena resy lahatra ve xxx fa afo fandiovana io resahina io????

Izaho xxx nametraka ny fanontaniana ve?Diso fanantenana tanteraka ihany koa.
Ny baibolista nanoro anay ny chickista mba ahitanay ny fahamarinansta tamin'ny video sy ny sarin'ila bokin'i chickista,kanjo loza no nahazo ny katolista fa tratra ny tsy marinista ary nanarona ny tena marinista ka niady sy ny manova ary napandry adrisa ho atsika-ista.Fantatrista ny marinista ao anaty baibolista izay mila ny tatara-ista.:cry::cry::cry:
26. majesty ( 14/05/2007 07:12)
hoy XXX:
Ary novakinao ve ny Matio 5 ( Jereo eto ). Mandehana jereo fa resaka Fanjakan'ny Lanitra sy ny mikasika izany ny ao, resaka helo, resaka tranomaizina handalovana aorian'ny fitsarana ataon'ilay mpitsara ! Ialana tsiny raha ireo andalana roa ireo monja no nentiko teto fa ireo moa no nahakasika mivantana ilay resaka.


Tena namaky an'io mihitsy aho fa amiko miresaka momba ny fifamelan-keloka entren-tsika olombelona io satria hoy izy hoe mihavana amin'ny rahalahinao izay manana ady aminao aloha izay vao miverina mitondra ny fanatitrao,atao ahoana tokoa moa no fitady an'Atra amin'ny fo mbola feno lolom-po sy disadisa,dia mbola manampy izany and faha 8 ao @ matio 5 io ihany hoe sambatra ny madio am-po fa izy no hahita an'Atra,sambatra ny mpampihavana sns.Izany hoe isika izao velona izao no manao an'izany fa rehefa maty isika tsy afaka hamela ny hadisoan'ny rahalahintsika na hiaiky ny helon'tsika.


Raha fintinina anie ny antony nahatonga an'io "Afo fandiovana" io dia tamin'ny nananganana ny basilic st Pierre,ny fampianarana t@ izany mantsy dia hoe raha tsy mandoa vola ianao dia tsy voavotra ny havanao any @ helo,ka raha mandoa vola misimisy ianao dia fotoana fohy ihany no andalovan'ny fanahin'ny havanao any amin'ny helo,izay ilay nantsoin'ndry Lotera hoe tsy voavidy vola ny famonjena fa ny finoana ihany no mahavonjy ary maimaim-poana izany.Somary ataovy jery todika anie ny tantara e:D
Mazotoa daholo e!
27. xxx ( 14/05/2007 07:36)
Tena namaky an'io mihitsy aho fa amiko miresaka momba ny fifamelan-keloka entren-tsika olombelona io satria hoy izy hoe mihavana amin'ny rahalahinao izay manana ady aminao aloha izay vao miverina mitondra ny fanatitrao,atao ahoana tokoa moa no fitady an'Atra amin'ny fo mbola feno lolom-po sy disadisa,dia mbola manampy izany and faha 8 ao @ matio 5 io ihany hoe sambatra ny madio am-po fa izy no hahita an'Atra,sambatra ny mpampihavana sns.Izany hoe isika izao velona izao no manao an'izany fa rehefa maty isika tsy afaka hamela ny hadisoan'ny rahalahintsika na hiaiky ny helon'tsika.
Namaky tampatapany angamba raha ny hevitro fa tsy namaky. Fifamelan-keloka monja ve no tazanao tao ? :-w:-w:-w Ary ny Matio 18 ? Ilay resaka fitsarana moa dia dinganinao manokana mihitsy ! Voalazanao ihany fa rehefa maty isika tsy afaka mamela ... fa tsy nolazainao hoe ary rehefa tsy mamela isika dia tsy avelan'Andriamanitra koa, fa mandohatra trosa aloha ary rehefa mahaloa dia alana ao amin'ny mpampijaly (Vakio Matio 18 ) ;)

Raha fintinina anie ny antony nahatonga an'io "Afo fandiovana" io dia tamin'ny nananganana ny basilic st Pierre,ny fampianarana t@ izany mantsy dia hoe raha tsy mandoa vola ianao dia tsy voavotra ny havanao any @ helo,ka raha mandoa vola misimisy ianao dia fotoana fohy ihany no andalovan'ny fanahin'ny havanao any amin'ny helo,izay ilay nantsoin'ndry Lotera hoe tsy voavidy vola ny famonjena fa ny finoana ihany no mahavonjy ary maimaim-poana izany.Somary ataovy jery todika anie ny tantara e
Mazotoa daholo e!

Tamin'izany angamba, tsy haiko. Ny haiko amin'izao dia tena voalaza ao amin'ny Soratra Masina io afo fandiovana io rehefa izaho no mamaky. Ny haiko amin'izao koa dia misy Fiangonana, tsy Katolika, mitaky betsaka mihitsy fa raha tsy izany hono tsy mahazo fitahian'Andriamanitra sy Famonjena e !
28. majesty ( 14/05/2007 09:30)
tsy haiko na azon'i xxx tsara ny tiko ambara fa izao :raha raisina io fampianarana io dia toy izao no mety ho vokany:ho an'ireo olona nanana heloka be,ka mpanakarena izy satria afaka mandoha ny trosany ny fianakaviany dia hiala ao amin'ny afo fandiovana izy ka ho any amin'ny paradisa (ho tsenain'ny Anjely hoy ilay vavaka izay),koa tsy sanatria ve r'ise ka atahorana hoe ho an'ny manambola ihany ny famonjena,ary manaraka izany,ho voavonjy avokoa ny olona rehetra rehefa afaka mandoa ny trosany ny fianakaviany;diniho kely ange io e!
faharoa manaraka izany,lasa ratsy be ny imagen'ilay Andriamanitra fitiavana raha izay no raisina satria mety maro koa izany ny te mba ho voavonjy nefa tsy voalohan'ny havany ny trosany dia mijanona mijalijaly ao amin'ny afo fandiovana izy (dia tsy afaka hitsena azy ny anjely).


Tena zava-nisy ara-tantara io lazaiko an'isé io tamin'ny nananganana ny basilic n'ny st Pierre io,ka taty aoriana kely vao notadiavana toko sy andininy mifandraika aminy mba hisarihana ny sain'ny be sy ny maro satria fahiny dia tsy azon'ny olon-tsotra vakiana ny soratra masina fa ireo pretra ihany ka izay lazain'izy ireo dia ekena ho marina sy avy amin'Atra ary tsy mahagaga raha betsaka ny fampianarana izay novolavolain'ny saina fotsiny fa tsy avy tao amin'ny tenin'Atra.:D
29. ikaretsaka ( 14/05/2007 12:11)
manao an'izany daholo anie e.. na ny basilikan'i Md Piera na ny fiangonana tadiavin'i pasitera maihol aorina...
Na ny fiangonana kely laaaaaaavitra be ary anaty desert an'i Bemaraha sy ny ala antsinanana aza!
Raha manaraka ny tantaran'ny fiangonana sy ny voasoratra ao @ diarin'ny LMS tamin'ny nananganana an'ireny fiangonana bedebe manodidina ny rova ireny ise dia betsaka koa ny nanao izany
30. xxx ( 14/05/2007 17:11)
majesty:

tsy haiko na azon'i xxx tsara ny tiko ambara fa izao :raha raisina io fampianarana io dia toy izao no mety ho vokany:ho an'ireo olona nanana heloka be,ka mpanakarena izy satria afaka mandoha ny trosany ny fianakaviany dia hiala ao amin'ny afo fandiovana izy ka ho any amin'ny paradisa (ho tsenain'ny Anjely hoy ilay vavaka izay),koa tsy sanatria ve r'ise ka atahorana hoe ho an'ny manambola ihany ny famonjena,ary manaraka izany,ho voavonjy avokoa ny olona rehetra rehefa afaka mandoa ny trosany ny fianakaviany;diniho kely ange io e!
faharoa manaraka izany,lasa ratsy be ny imagen'ilay Andriamanitra fitiavana raha izay no raisina satria mety maro koa izany ny te mba ho voavonjy nefa tsy voalohan'ny havany ny trosany dia mijanona mijalijaly ao amin'ny afo fandiovana izy (dia tsy afaka hitsena azy ny anjely).


Ny zavatra nisy taloha no resahinao amiko ? Izaho kosa efa novaliako io ambony io ianao raha sendra tsy tazanao :
xxx:
Tamin'izany angamba, tsy haiko. Ny haiko amin'izao dia tena voalaza ao amin'ny Soratra Masina io afo fandiovana io rehefa izaho no mamaky. Ny haiko amin'izao koa dia misy Fiangonana, tsy Katolika, mitaky betsaka mihitsy fa raha tsy izany hono tsy mahazo fitahian'Andriamanitra sy Famonjena e !


Ho an'ny Mpanankarena ihany ve ny fanjakan'ny Lanitra ? Tsia ! Tsy VOLA mihitsy ny trosa alohanao amin'Andriamanitra. Ny famelan-keloka dia noharin'i Jesoa tamin'ny famotsorana ny trosa ! Izay no mahatonga ahy miresaka trosa fa tsy misy resaka hoe voavidy vola ny Andriamanitra na ny Lanitra ... !

Tsy ny havana no mandoha ny trosa fa ny tena hiany rehefa any. Jereo ilay fanoharana : tsy ho afaka ao ianao mandra-pandohanao ny trosa.

Ny azon'ny olona atao kosa, na havana izy na tsia, dia mivavaka mba ho afaka haingana tao amin'ireo mpampijaly resahin'i Jesoa ny olona lasa ao. Io mpampijaly io dia tsy HELO ... i Jesoa mantsy niteny fa izay lasa any amin'ny helo dia any tsy misy fiverenana. Io fampijaliana io kosa dia nolazainy handalovanao fotsiny.
Matio 5:

26 Lazaiko aminao marina tokoa: Tsy ho afaka ao mihitsy hianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany indrindra.

Mation 18:
34 Dia tezitra ny tompony ka nanolotra azy ho amin'ny mpampijaly mandra-pandoany ny trosa rehetra.


Tena zava-nisy ara-tantara io lazaiko an'isé io tamin'ny nananganana ny basilic n'ny st Pierre io,ka taty aoriana kely vao notadiavana toko sy andininy mifandraika aminy mba hisarihana ny sain'ny be sy ny maro satria fahiny dia tsy azon'ny olon-tsotra vakiana ny soratra masina fa ireo pretra ihany ka izay lazain'izy ireo dia ekena ho marina sy avy amin'Atra ary tsy mahagaga raha betsaka ny fampianarana izay novolavolain'ny saina fotsiny fa tsy avy tao amin'ny tenin'Atra.:D

Taloha, taloha ary taloha foana ! Ny famakiana ny tenin'Andriamanitra amin'izao dia entanina hatraiza, entanina be, ary entanina foana. Tamin'izaho tany Madagasikara isaky ny maheno ny toritenin'i Mgr Razafindratandra aho dia maheno ny fanontaniana hoe :
- Iza avy no manana Baiboly ?
- Iza avy no efa nandalina Evanjely 1 ?
- Iza avy no efa nandalina ny Evanjely 4 ?
- Iza avy no efa nandalina ny TV ?
- Iza avy no efa nandalina ny Baiboly iray manontolo ?
Ka raha mbola resaka taloha no averinao amiko dia izao hatrany no valiny : efa 2007 izao ! Raha mbola voafetra ny famakianay Katolika Baiboly dia tsy afaka hiady hevitra aminao eto akory aho :wink:
31. piste ( 14/05/2007 20:38)
Ho an-dRamajesty : aza disoina rangah ny tantara fa mba samy nianatra an\'io ihany. Tsy t@ fiandohan\'ny Reforme mihitsy( debut du 16è siècle) no niandohan\'ny Fampianarana momba ny Afo Fandiovana fa efa hatr@ Concile de Florence taona 1431-1445. Izany hoe efa taloha be nahaterahan\'ny Luther. Ary naverina nodinihina indray io lohahevitra io t@ Concile de Trente(1545-1563). Izany hoe, efa taty aorian\'ny Reforme.

Araky ny Finoana Katòlika moa dia tsy misy tena madio tanteraka ny olona miala eto @ ity fiainana ity( afa tsy ny Martiry noho ny Finoana) ka izany no tsy maintsy mbola andalovany ao @ Afo Fandiovana.

Faharoa: ny \"indulgence\" na famelan-keloka maimaim-poana ao @ afo Fandiovana no noforonin-dry CArdinale Alberto di Brandeburgo sy ny tariny(tafiditra tao koa ny Papa Jules II) satria nila vola ry zalahy ireo t@izay t@ fanamboarana ny Basilikan\'ny Saint Pierre tao Roma. Ka izay mandray anjara @ fanarenana io Basilika io dia afaka ny ampahan\'ny heloka any rehefa tonga any @ Afo Fandiovana. Personnellement, dia miombon-kevitra @ Objection nataon\'ny Luther. Fa tsy mi-justifier ny fiatahany @ Fiangonana.
Noho izany, ny Fampianarana momba ny Afo Fandiovana dia efa nampiarin\'ny Fiangonana efa ela fa tsy zavatra noforonin\'ny Fiangonana t@ andron\'ny Lotera. Faharoa aza afangaro ny atao hoe Indulgence na famotsoran-keloka sy ny Afo Fandiovana na Purgatoire.

FArany:
Tadidio fa tsy afaka hanana \" vision béatifique\" hibanjinana ny Tavan\'Andriamanitra isika raha tsy efa madio tanteraka. Ka izay no tsy maintsy andalovana ao @ io purification io.
32. xxx ( 14/05/2007 21:21)
niryna:

=))=)):-@ voa indray izay ra xxx ! Tsy afaka ny ahaleo dohika ny olona tsy mino aho satria tsy hihaino na hanaiky ny zava marina sy misy izy.Ny olona tsy manana finoana no manipaka ny voalazan'ny baiboly ary entina andrembirebena sy hisarihana ny sain'ny hafa hivily lalana.Ny finoanay dia kristy irery ihany,vereno jerena ho aho ny chick fa hilaza ny momba ny niavian'ny finoanao izy ka tsy tianao izany,sa ahoana.Anao ny safidy,ho antsika rehetra e.Na ho tapitra eo aza ny andro tsy ahaleo ny dohikan'ny olona tsy mino aho.Izay no safidiny dia samia misafidy izay tiany.Tompon'andraikitra amin'ny safidiny ny tsirairay.Manaraka an'i Kristy irery moa ianao,nahazo tombony ianao fa mbola nomeny saina hivily lalana hanaraka Azy.Tsy misy tombotsoa ho ahy.Tsy anaraka koa moa ianao ,ianao no hamaly azy amin'ny andro farany,ny faniriko anefa dia ny ahavoavonjy anao sy ireo mpanaradia anao.Maty antoka va aho,tsia tompoko,nahazo tombony ve aho,tsia tompoko.Ho faly ve ny foko?Eny, na fanahin'ny olona iray fotsiny aza no manantona an'i Kristy.Malahelo ve aho,eny mivavaka ho anareo izay mbola miziriziry tsy mihaino ,manantsofina kanefa tsy mandreha.Mahita ny maso kanefa tsy mahalala.Mahafantatra ny fitsokan'ny rivotra kanefa minia tsy maheno.
May God bless all of us.He is the alpha and the omega
Izy ny omaly,anio,ary mandrakizay.Ho Azy irery ihany anie ny voninahitra.^:^^:^^:^^:
(l)always, niryna
Ny mampalahelo sy mety hanafintohina anie dia izao ry Niryna ê!Tsy dia ny hoe ny finoana anananareo sy ananan'ny maro hafa akory,manana fahalalahana ianareo ny amin'izany finoanareo izany.Ny olana fotsiny dia ianjadian'ny fitorianareo ny filazantsaranareo daholo ny rehetra,eny fa na dia ireo efa minia manampintsofina aza.Mainka moa fa ireo "tsy manantsiny" izay tsy nangataka akory ny hitorianareo ny finoanareo taminy.Raha vitanareo ny mihazona ho anareo manokana izay inoanareo ,dia tsy misy hanohitra anareo mihitsy eo fa siora aho.Fa raha mbola tany koa ny tany ,ka mbola ianjadian'izany ny be sy ny bobaka dia aza atao mahagaga ny fanoheran'ny tsy mpino ny finoana.
Misaotra.


33. xxx ( 14/05/2007 22:54)
xxx: Avelao izy hitory izay heveriny fa marina fa izay no atao hoe: fahalalahana. Aza tapenam-bava izy, fa ianao no mihezaha handanjalanja izay lazainy sy izay heverinao ho marina.
34. majesty ( 15/05/2007 05:35)
Hoy xxx:
Tsy ny havana no mandoha ny trosa fa ny tena hiany rehefa any


Dia inona no handoavan'azy any,sa 'lay fijalijaliana any amin'ny helo ve?

Misaotra an'i Piste amin'ny fanampim-panazavana,anisany tokoa ireo fa ny fotoana eto koa anie vonjivonjena sady fintinina izay voalaza ka indraindray misy tsy ampy ny fanazavana fa dia isaorana betsaka ianao nanampy.

Fanamarihana:fa maninona no manao xxx,adi-hevitra mahafinaritra anie no ataontsika eto e,:D:D:D
35. niryna ( 15/05/2007 06:45)
majesty:

tsy haiko na azon'i xxx tsara ny tiko ambara fa izao :raha raisina io fampianarana io dia toy izao no mety ho vokany:ho an'ireo olona nanana heloka be,ka mpanakarena izy satria afaka mandoha ny trosany ny fianakaviany dia hiala ao amin'ny afo fandiovana izy ka ho any amin'ny paradisa (ho tsenain'ny Anjely hoy ilay vavaka izay),koa tsy sanatria ve r'ise ka atahorana hoe ho an'ny manambola ihany ny famonjena,ary manaraka izany,ho voavonjy avokoa ny olona rehetra rehefa afaka mandoa ny trosany ny fianakaviany;diniho kely ange io e!
faharoa manaraka izany,lasa ratsy be ny imagen'ilay Andriamanitra fitiavana raha izay no raisina satria mety maro koa izany ny te mba ho voavonjy nefa tsy voalohan'ny havany ny trosany dia mijanona mijalijaly ao amin'ny afo fandiovana izy (dia tsy afaka hitsena azy ny anjely).


Tena zava-nisy ara-tantara io lazaiko an'isé io tamin'ny nananganana ny basilic n'ny st Pierre io,ka taty aoriana kely vao notadiavana toko sy andininy mifandraika aminy mba hisarihana ny sain'ny be sy ny maro satria fahiny dia tsy azon'ny olon-tsotra vakiana ny soratra masina fa ireo pretra ihany ka izay lazain'izy ireo dia ekena ho marina sy avy amin'Atra ary tsy mahagaga raha betsaka ny fampianarana izay novolavolain'ny saina fotsiny fa tsy avy tao amin'ny tenin'Atra.:D


Ho an'i xxx nametraka fanontaniana.Mampalahelo ianao izany,aza kivy anefa,vakio ny fandaharana fivavahana ato,anjaranao ny mandray izay fantatrao fa mahasoa sy marina.Mamakia ny tenin'Atra fa io no ahafantarana ny marina.Izy efa nanome antsika fa tsy miova Izy."omaly sy anio ary mandrakizay."
=D=D=D.Majesty>Misaotra anao aho fa nilaza ny marina ianao.Rehefa misy zavatra marina ka voadona ny sasany dia milaza xxx daholo.Tsy aleo ve ry ireto dieny mbola velona mahalala sy mahafantatra ny tokony atao.Tsy misy milaza ho marina foana anie eto e.Mba diniho ihany ny tantara fa aza dia hoe midiridiry amin'ny tsy marina ianareo.Tsy milaza ny tenako ho marina foana aho,saingy raha misy fantatro fa marina dia alefako ho vakian'ny rehetra.Averiko indray ary tsy izaho no arahinareo na toerinareo fa Jesosy arahina,toero izy fa na isika miaraka aminy,manao ny didy nolazainy na isika tsy miaraka aminy.Tsy misy afaka manompo roa.Ny zava-misy jerena fa aza manaiky ny tsy marina.
36. pissoa ( 15/05/2007 06:49)
Majesty>Misaotra anao aho fa nilaza ny marina ianao.Rehefa misy zavatra marina ka voadona ny sasany dia milaza xxx daholo.Tsy aleo ve ry ireto dieny mbola velona mahalala sy mahafantatra ny tokony atao.Tsy misy milaza ho marina foana anie eto e.Mba diniho ihany ny tantara fa aza dia hoe midiridiry amin'ny tsy marina ianareo.Tsy milaza ny tenako ho marina foana aho,saingy raha misy fantatro fa marina dia alefako ho vakian'ny rehetra.Averiko indray ary tsy izaho no arahinareo na toerinareo fa Jesosy arahina,toero izy fa na isika miaraka aminy,manao ny didy nolazainy na isika tsy miaraka aminy.Tsy misy afaka manompo roa.Ny zava-misy jerena fa aza manaiky ny tsy marina.

Vakio aloha fa toa nodisoin'i Piste anie ny tantara nolazain'i Majesty e ! ary neken'i Majesty fa diso ny teniny :wink: Indraindray mila mamaky vao be resaka :roll:
37. pissoa ( 15/05/2007 06:53)
Mba diniho ny tantara hoy i Niryna ... nefa ny tantara efa atolotra eto amin'ny dinika aza toa tsy hitan'i Niryna akory ! Dia ahoana moa no tokony handraisana izany diniho ny tantara izany, ... sa hoe "diniho selective" ilay izy ! :-D:-D:-D
38. niryna ( 18/05/2007 07:01)
niryna:

[quote=xxx]



http://www.chick.com .Miresaka ny mopera sy masera niala, mikasika ny babylonia religion,io dia milaza ny antony nahatonga ny katolika nivavaka tamin'ny atra hafa dia lasa maria avyeo,hitako nisy miresaka io afo fandiovana io koa ao .Purgotory no ataony dikany amin'ny teny anglisy.Misy video ao ary afaka mi-klik izay mahay teny anglisy,toa misy teny gasy koa angamba io raha tsy diso aho.

Nisy nanoratra any milaza io chick.com io izay nilaza fa tsy misy sary ilay video:?8O8Oary nisy namafa tokony ilay video fa nijery tokoa aho.:roll:
Pissou> koa angamba nanontany tany ambadika tany mikasika ilay hoe saplet.Toa misy amin'ny teny anglisy sy teny espagnol io.Saingy fanontaniana no apetrany"Are the catholics christians?.
Mila mitady ny marina daholo na izaho na ianao,anjaran'ny tsirairay no mandray azy na tsia.
Ity ny information farany ry xxx sy izay mangetaheta te-hianatra na hijery ny zava-misy.Vao nojereko tao raha te-hijery ianareo ary sarisary mitantara ny ao anaty baiboly ilay izy.Averiko indray,ny marina dia fisaka ary ny hanavotra ny tsirairay no tadiavintsika namana izay manana finoana an'ny tompo.
http://www.chick.com .Jereo ny hoe products:arrow:tracts(sarisary):arrow:non-english
eo amin'ny search no manoratra french.klikeo find.
Feno titres maro dia maro ka na tsy mahay teny anglisy aza ianao dia klikeo eo amin'ny title(na titre) ary dia hivadika teny frantsay daholo ny sary na teny izay tianao/italy/espagnol.Ny espagnol sy french no tena betsaka.Mazoto ary raiso izay fantatrao fa mahasoa anao fa tsy misy anenenanao ny mandany androkely mijery sary soratra masina ao:D:D:D
(l)niryna
39. pissoa ( 18/05/2007 08:24)
:-D:-D:-D

tsy mahatsiaro ridicule ve i Niryna manao resaka HS otran'izao !!! tsy aleonao mandinika ny tantara aloha :-P

Niryna:
Pissou> koa angamba nanontany tany ambadika tany mikasika ilay hoe saplet.

Izaho tsy nanontany mikasika ny saple, haiko io ! Ny nanontaniko dia ny olan'i xxx amin'ny saple ... saingy izy moa tsy namaly !
pissoa tatsy ambadika:
xxx : aza malahelo anay ... izahay aza tsy malahelo ka inona no hampalahelo anao ?! Fa inona moa ny olanao amin'ny saple ?! Efa nahita Katolika niteny angaha ianao hoe "Mivavaka aminao aho ry Saple ..." Fantatrao ve ny ilana an'iny aloha fa sao izay voalazan'ny chick fotsiny ny fantatrao e ?!Tsy misy mitompo amin'ny Saple toy ny hitimpoanao amin'ny voalazan'ny chick.com

PS : Otran'ny Pissoa ny anarako fa tsy Pissou :oops::oops::oops:
40. xxx ( 18/05/2007 08:49)
Mety @ Niryna ve raha solomaso mainty no hijereko ny endrikao. Dia zavatra maintimainty daholo avy eo no lazaiko.
Mety aminao ve raha olona mankahala anao no mba asain'ny mpanao gazety milazalaza momba anao ? Ka raha izany no izy dia sùr ve ianao fa hilaza ny marina izy ?
Samy olon-dehibe misaina ihany isika, ka tsy izay site na chick any no ekeko hilaza mombamomba ny finoako. Voalohany, tsy katòlika izy, faharoa feno fanaratsina hatraty am-boalohany ny zavatra noresahany.
Dia izany ve no lazainao fa misy zava-tsoa.
raha te hahafantatra momba ny finoana katòlika ianao dia afaka manome anao site tena katòlika aho fa tsy izay rehetra te hilaza akory dia marina daholo. Toy izany koa raha te hahafantatra momba ny finoanao aho dia any @ Chick aho ny hijery.Raha te hahafantatra momba ny M/kara aho dia ireo site Malagasy fiable no jereko.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8821