Ilay Satana

1. soanja ( 04/03/2007 17:16)
Nohon'ny fitakiana tsapako ao anaty dia nanapakevitra aho hamoaka eto ny atao hoe SATANA na asan'ny satana amiko. Izany hoe OTA amiko.
- Ny filazana fa izy dia Ambony noho ilay Andriamanitra namorona azy sy nanome azy ny Fanahy Mpankahery, ary nametraka azy tamin'ity tontolo ity.
-Ny zavamahadomelina rehetra, izay mitondra fijaliana sy fahasimbana ny zanakolombelona ary mitarika fisavoritahana.
-Ny fanimbana ny mahaolombelona amin'ny lafiny rehetra: fanaovana zavatra tafahoatra loatra ka tsy mitondra soa olona manakaiky anao, ny vatana sy ny fanahy ary ny saina.
-Ny fanimbana ny tontolo iainana, indrindra ka niniana ny fanovana azy.
-Ny fanararaotana na ankolaka na ankarihary ny zaza sy ny ankizy ary ny tsy manantsiny rehetra.
-Ny Fanambakana namana amin'ny fomba rehetra sy fitaritana azy amin'ny faharatsiana sy fahantrana ary fijaliana.
-Ny fanaparitahana hevitra mampiady sy mampisarantsaraka ary mamafy fankahalana ny hafa.
- Mankahala ny zavaboarin'Andriamanitra ka mikaroka sy mamorona ary manao izay hamotehana azy.
-Ny Fitiavan-tena be loatra ka tsy mitondra soa ny hafa sy ny tontolo iainana.
-Ny tsy fitsinjovana ny ho avy fahasambarana miaraka amin'i Andriamanitra nefa mahafantatra sy minia tsy manao izany fitoniana izany, izay mampiray anao amin'ilay Avo indrindra.

Vonona hihaino no atao hoe Satana aminao. Misaotra mialoha.
novalian'i niryna ny 16/03/2007 06:38
2. soanja ( 04/03/2007 17:19)
Ny mifanohitra amin'io moa izany dia Ilay FIDERANA ny Tompo tsy Toha amin'ny zavabitany sy ny fitiavany tsy manam-petra.
3. Fiffi ( 04/03/2007 18:08)
inona re no azoko hanampiana an'io ? bdb ireo voalazandry ry soanja .....aleo aloha hiheritreritra alohan'ny hilazako ny hevitro.....
4. rakaroka ( 04/03/2007 21:29)
Misy angamba izany fa tsy voambolako loatra.Tsy natao
hihevitra azy loatra ny fisiako.Inoako marina fa efa any ivoho araka ny teny izany raha ny sitrapon Atra no banjinina
5. cutie ( 04/03/2007 23:04)
Ny fanimbana ny mahaolombelona amin'ny lafiny rehetra: fanaovana zavatra tafahoatra loatra ka tsy mitondra soa olona manakaiky anao, ny vatana sy ny fanahy ary ny saina.

tsy mazava :roll::roll::roll:
6. cutie ( 04/03/2007 23:46)
Mpandefa : rakaroka [ Valio ] 04-03-2007 22:29:44
Lohateny : Re : Ilay Satana
Misy angamba izany fa tsy voambolako loatra.Tsy natao
hihevitra azy loatra ny fisiako.Inoako marina fa efa any ivoho araka ny teny izany raha ny sitrapon Atra no banjinina

:lol::lol::lol::lol::lol:
http://www.youtube.com/watch?v=K7jf-NKRbMU&mode=related&search=
7. soanja ( 05/03/2007 00:23)
cutie:

Ny fanimbana ny mahaolombelona amin'ny lafiny rehetra: fanaovana zavatra tafahoatra loatra ka tsy mitondra soa olona manakaiky anao, ny vatana sy ny fanahy ary ny saina.

tsy mazava :roll::roll::roll:

Ndeha horaisintsika ny ohatra hoe tendan-kanina be loatra ny olona iray. Ohanina daholo izao rehetra izao, sady tsy misy fetrany fa de lerana daholo e. De lasa tsy afaka miasa tsara ilay olona fa matavy loatra ary lasa miferinaina noho izany ny fanahy satria tsy afaka mivoatra manao asasoa ho an'ny hafa, ny hafa no lasa miferinaina mikarakara anao. Ny saina moa amin'izany tsy fantatra intsony na mbola salama koa na tsia satria be loatra ny fahoriana mianjady amin'ny vatana. Hitanao, asan'ny satana izany satria tsy mahalala ny onona ilay olona nefa izany no tokony ho asan'ny saina. Rehefa anontaniana ireny olona ireny dia hilaza aminao izy fa misy zavatra manintona azy hihinan-kanina foana ary rehefa eo ampihinana izy dia mahatsapa fahatoniana sy fahasambarana. Raha mbola zavadehibe aminao ny sakafo fa tsy Andriamanitra ary tena mitarika anao hanalavitra Azy dia naman'ny ota izany amiko.
Tsy ilay olona akory no manota amin'izany fa misy zavatra endrika fanahy manatroka azy tsy ahita ny mazava, satria raha nahita ny mazava izy dia afaka nahafantatra izany atao hoe "fahalalana onona."
Noho izany tiako ary hotiaviko lalandava ilay olona saingy ilay satana ao anatiny kosa mila esorina hiala aminy ary mila tsaboina izy.

8. cutie ( 05/03/2007 13:50)
soanja ok:lol::lol::lol::lol:
9. ikaretsaka ( 05/03/2007 13:55)
soanja> namaste
10. prime ( 05/03/2007 16:23)
Efa nisy fanazavàna indray mandeha voatanisa ara-tsoratra masina mihitsy nataon'i diams izy izay raha tsy diso aho mampiseho ny mahasatàna an'i satàna (anarana, ny mahaizy azy [anjely], ny asany sy ny fomba fiasany, ny fisehony, ny tanjony...)

http://fr.wikipedia.org/wiki/Satan
http://atheisme.free.fr/Themes/Diable.htm
http://prevensectes.com/satan.htm

Raha ny voalazan'ny soratra masina dia satàna tsy ota, ny asan'i satàna tsy ota...
11. soanja ( 05/03/2007 18:15)
prime:

Tsy mitovy ny fomba fijery ny atao hoe fiainana sy Andriamanitra amintsika. Izay hitanareo fa ota dia ota tokoa izay aminareo fa izay tsy ota kosa tsy ota. Ireo ny ota amiko ary i Satana dia tsy aiza fa eo anivontsika ary miasa amin'ny fomba ankolaka. Fanahy amin'ny endrika hevitra izy amiko fa tsy olona na anjely velively akory.
Tsy izay voalazan'i ann sy ann akory dia hoe io ny marina. Tsy misy mahalala izay tena marina fa ny mifandanja amin'izay takian'ny Fanahy ao anaty no azo antsoina hoe Fahamarinana.
Raha tsy hoe hilaza ianao hoe Mpaminany io olona io dia manaja anao amin'izany aho fa izy ary hitanao fa Mpaminany koo.

12. ikaretsaka ( 05/03/2007 23:45)
vao niditra tamin''ity resa pivavahana ity aho taaaany aloha beeee tany dia ny voasoratro voalohany dia hoe raha vao mijery an'izao tontolo izao @ ideolojia anankiray ianao ka miresaka finoana dia tsy hamely mihitsy raha vao hiady hevitra ...
mistery aby io na satana aza
io an'i soanja hoe izay takian'ny fanahy masina ao anatintsika io no fijerena izao rehetra izao fa tsy manaraka concept izany.

io manko ilay hoe ny fiheviNY tsy fihevinTSIKA

http://ikaretsaka.skyblog.com/4.html (azafady fa @ teny anglisy)
13. niryna ( 06/03/2007 06:29)
Efa nandefa fanazavana an'io aho teo aloha teo ny atao hoe Satana,ny devoly ary ny demony.Azo vakia ao amin'ny tahiry io.
Aleo ary ho tadidiko izay nosoratako:roll:
Satana dia efa nisy niaraka tamin'ny fotoana nanaovan'Atra izao tontolo izao,izy dia anjelin'izao tontolo izao ary faran'izay tsara fa tsy araka ny sary nataon'ny olona mampatahotra ireny.
Ny demony dia ireo izay olona hipetrahan'ny herin'ny satana ka rehefa hametrahan-tanana izy dia ireny mihinjitra,mianjera,lena ny pantalohany,mandoa farora-bava ireny sns
Ny devoly dia ireo fanahy maloto izay miditra ao amin'ny olona,manana toetran'olona izy na fanahy manoro lalana any amin'ny zavatra ratsy.Io no mahatonga ny olona hanao zavatra mifanohitra ny ao anaty ny sainy."Raha ny nofo no jerena dia tsy mahazaka izany..Misy vatana izany isika na (body) io no manao akanjo,nofo sy ra,mila filan'ny nofo,io no mila manohitra ny fakam-panahy izay voalaza etsy ambony dia ny toetra ratsy izay tsy tokony hatao izany.Ny fanahy izay nalefan'i Jesosy miaraka amin-tsika kosa io no fanahy izay miaro antsika, mitantana ny dian-tsika.Ny fanahy ratsy izay anjely nianjery tety an-tany dia io no mahatonga ny olona hanana saina ratsy satria ilay fanahy ao ambadiny no mampiasa azy.Mila miambina ny tenan-tsika izany isika mba tsy hanaiky ho hampiasain'ny fanahy ratsy.
14. prime ( 06/03/2007 13:33)
soanja:
Tsy mitovy ny fomba fijery ny atao hoe fiainana sy Andriamanitra amintsika. Izay hitanareo fa ota dia ota tokoa izay aminareo fa izay tsy ota kosa tsy ota. Ireo ny ota amiko ary i Satana dia tsy aiza fa eo anivontsika ary miasa amin\'ny fomba ankolaka. Fanahy amin\'ny endrika hevitra izy amiko fa tsy olona na anjely velively akory.
... Ekena tanteraka fa samy manana ny heviny tokoa... ny tiako marihina fotsiny dia ny hoe tsy hevitro no lazaiko io fa voamariko tsara ny hoe \"raha ny voalazan\'ny soratra masina\"...

  1. Tamin\'ny Adama sy Eva no nisehoan\'ny teny hoe \"ota\" voalohany raha ny soratra masina no resahina... eo nefa dia mazava tsara fa tsy ilay paoma, na poara, na voaloboka... na ihany koa ilay bibilava (satàna naka fanahy an\'i Eva) no atao hoe \"ota\" fa ilay nanekena sy ninoan\'ny zanak\'olombelona voalohany ny hevitr\'i satàna mihotra noho ny nambaran\'Andriamanitra tamin\'izy ireo... izany hoe ny atao hoe \"ota\" raha ny voasoratra dia ny fandikàna ny Tenin\'Andriamanitra sy ny didiny...
  2. Satàna dia voambara fa mpiampanga, mpanameloka, mpandainga, mpamono olona... araka ny voasoratra hoe :
  3. \"...Izy dia mpamono olona hatramin\'ny taloha, ary tsy nitoetra tamin*\'ny marina, satria tsy misy marina aminy. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy, satria mpandainga izy sady rain\'ny lainga. [*Na: (mitoetra amin\')] \" Jaona 8:44
    Anjely (fanahy) efa mpanohitra sy mpandaiga hatramin\'ny voalohany, mpaka fanahy ary mikendry ny hahavery ny olona maro hiaraka aminy any am-parany... Na i Kristy aza dia nalainy fanahy teo an-tendrombohitra ary niresaka toy ny olona roa niresaka tsara...
  4. Satàna tsy ota velively fa mpaka fanahy ny olombelona mba hanatanterahan\'ireto farany ny filàny sy ny faniriany... rehefa mitorotoro izany ny olona ka manatanteraka ny filàny no atao hoe manota ary atao hoe lavon\'ny ota... izay ilay fandikàna ny Tenin\'Andriamanitra sy ny didiny...

soanja:
Tsy izay voalazan\'i ann sy ann akory dia hoe io ny marina. Tsy misy mahalala izay tena marina fa ny mifandanja amin\'izay takian\'ny Fanahy ao anaty no azo antsoina hoe Fahamarinana.
Raha tsy hoe hilaza ianao hoe Mpaminany io olona io dia manaja anao amin\'izany aho fa izy ary hitanao fa Mpaminany koo.
...8O
Izaho angaha moa niteny hoe mpaminany ity olona ity...:-D:-D i diamondra27 (diams) ato amin\'i sera2 no lazaiko hoe efa nanome an-dalan-tsoratra masina maro mikasika an\'i satàna... fampatsiahivana no lazaiko toy io ataon\'i niryna io ihany koa...
Mampatsiahy ny hoe efa namaly aloha ny namana raha mikasika an\'i satàna ary nohamarinin\'izy ireo tsara t@ tenin\'ny soratra masina dia izay ihany... (any anaty tahiry moa ilay izy ka mila karohina nefa aho tsy dia afaka mivalampatra loatra ka ialàna tsiny)...
Azonao tsy inoana ny voalazan\'ny soratra masina fa izay hevitrao ihany no hazoninao ho marina ka maninona moa?:D

Ny amin\'ny hoe \"fahamarinana\" dia tokana ihany ny lazain\'ny soratra masina :
\"...Izaho (Jesosy Kristy) no lalana sy fahamarinana ary fiainana;...\" Jaona 14:6... Izy irery no atao hoe \"fahamarinana\"...
15. ikaretsaka ( 06/03/2007 15:07)
misy ary betsaka koa ny ota tsy voasoratra ao anaty soratra masina fa hitan'ny konsiansy nao hoe tena manota aho raha manao anzao na zao!

io ngamba le lazain'i soanja hoe
Tsy izay voalazan'i ann sy ann akory dia hoe io ny marina. Tsy misy mahalala izay tena marina fa ny mifandanja amin'izay takian'ny Fanahy ao anaty no azo antsoina hoe Fahamarinana.
Raha tsy hoe hilaza ianao hoe Mpaminany io olona io dia manaja anao amin'izany aho fa izy ary hitanao fa Mpaminany koo.
16. diamondra27 ( 06/03/2007 22:54)
prime:

soanja:
Tsy mitovy ny fomba fijery ny atao hoe fiainana sy Andriamanitra amintsika. Izay hitanareo fa ota dia ota tokoa izay aminareo fa izay tsy ota kosa tsy ota. Ireo ny ota amiko ary i Satana dia tsy aiza fa eo anivontsika ary miasa amin\'ny fomba ankolaka. Fanahy amin\'ny endrika hevitra izy amiko fa tsy olona na anjely velively akory.
... Ekena tanteraka fa samy manana ny heviny tokoa... ny tiako marihina fotsiny dia ny hoe tsy hevitro no lazaiko io fa voamariko tsara ny hoe \"raha ny voalazan\'ny soratra masina\"...

  1. Tamin\'ny Adama sy Eva no nisehoan\'ny teny hoe \"ota\" voalohany raha ny soratra masina no resahina... eo nefa dia mazava tsara fa tsy ilay paoma, na poara, na voaloboka... na ihany koa ilay bibilava (satàna naka fanahy an\'i Eva) no atao hoe \"ota\" fa ilay nanekena sy ninoan\'ny zanak\'olombelona voalohany ny hevitr\'i satàna mihotra noho ny nambaran\'Andriamanitra tamin\'izy ireo... izany hoe ny atao hoe \"ota\" raha ny voasoratra dia ny fandikàna ny Tenin\'Andriamanitra sy ny didiny...
  2. Satàna dia voambara fa mpiampanga, mpanameloka, mpandainga, mpamono olona... araka ny voasoratra hoe :
  3. \"...Izy dia mpamono olona hatramin\'ny taloha, ary tsy nitoetra tamin*\'ny marina, satria tsy misy marina aminy. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy, satria mpandainga izy sady rain\'ny lainga. [*Na: (mitoetra amin\')] \" Jaona 8:44
    Anjely (fanahy) efa mpanohitra sy mpandaiga hatramin\'ny voalohany, mpaka fanahy ary mikendry ny hahavery ny olona maro hiaraka aminy any am-parany... Na i Kristy aza dia nalainy fanahy teo an-tendrombohitra ary niresaka toy ny olona roa niresaka tsara...
  4. Satàna tsy ota velively fa mpaka fanahy ny olombelona mba hanatanterahan\'ireto farany ny filàny sy ny faniriany... rehefa mitorotoro izany ny olona ka manatanteraka ny filàny no atao hoe manota ary atao hoe lavon\'ny ota... izay ilay fandikàna ny Tenin\'Andriamanitra sy ny didiny...

soanja:
Tsy izay voalazan\'i ann sy ann akory dia hoe io ny marina. Tsy misy mahalala izay tena marina fa ny mifandanja amin\'izay takian\'ny Fanahy ao anaty no azo antsoina hoe Fahamarinana.
Raha tsy hoe hilaza ianao hoe Mpaminany io olona io dia manaja anao amin\'izany aho fa izy ary hitanao fa Mpaminany koo.
...8O
Izaho angaha moa niteny hoe mpaminany ity olona ity...:-D:-D i diamondra27 (diams) ato amin\'i sera2 no lazaiko hoe efa nanome an-dalan-tsoratra masina maro mikasika an\'i satàna... fampatsiahivana no lazaiko toy io ataon\'i niryna io ihany koa...
Mampatsiahy ny hoe efa namaly aloha ny namana raha mikasika an\'i satàna ary nohamarinin\'izy ireo tsara t@ tenin\'ny soratra masina dia izay ihany... (any anaty tahiry moa ilay izy ka mila karohina nefa aho tsy dia afaka mivalampatra loatra ka ialàna tsiny)...
Azonao tsy inoana ny voalazan\'ny soratra masina fa izay hevitrao ihany no hazoninao ho marina ka maninona moa?:D

Ny amin\'ny hoe \"fahamarinana\" dia tokana ihany ny lazain\'ny soratra masina :
\"...Izaho (Jesosy Kristy) no lalana sy fahamarinana ary fiainana;...\" Jaona 14:6... Izy irery no atao hoe \"fahamarinana\"...

ka tsy mifankahazo ny resaka dia lasa ady hevitra hafa ilay izy e!

Fa io voalaza io no izy, ao @ baiboly ny atao hoe: ota, nanomboka oviana etc...

Ny tian'i SOanja lazaina koa @ilay hoe: tia sakafo be loatra de mety hamono ny fanahy , dia azoko tsara izany; miombon-kevitra aminao satria tsy tokony ny nofo ihany no fahanana fa ny fanahy sy ny saina ihany koa. Exemple iray ihany iny, fa be dia be ny ohatra azo atao.
17. diamondra27 ( 06/03/2007 23:05)
soanja: tsy azoko ny tena tanjona @ilay loha-hevitra hoe:nohon'ny fitakiana ao anatinao...
izany hoe: tsy mety ve izany ny conscience-nao raha tsy voalazanao ny atao hoe: satana, ny asany ao aminao.

Naveriko novakiana indray ilay size: dia toa tianao ny hilazan'ny hafa hoe: iza i satana, inona ny asany?
Dia hoy aho hoe: satria nahoana?
hanaovana sy hanarahana ny asany sa mba hisy hitandrovana hamantarana mialoha hoe: hay zao izany no asany dia tokony tsy hanao an'iny aho @ manaraka sa inona?

Raha toa manko ilaina ny famoahana ny asan'ny satana ao anatinao, ampahafantarinao ny hafa dia toy ny témoignage izany amiko ary misy dikany lehibe ka izay no mahatonga ahy hametraka io fanontaniana etsy ambony io.

Tsy midika zany we tsara sa ratsy fa samy manana ny fijeriny sy fisainany ny tsirairay ary izany no aleha eto mba hamantarana ny hevitry ny hafa.
18. soanja ( 07/03/2007 04:38)
Diams> Ity no antony nahatonga ahy namoaka ny atao hoe Satana amin'ny finoako. Fa tsy hoe io no miasa ato amiko dia lazaiko eto. Misaotra nanontany.

Ny tiako anontaniana andry fotsiny hoe raha misy olona milaza andry fa ity ny finoana inoanao ary manaparitaka azy amin'ny hafa, nefa tsy io no finoanao dia inona no ilazandry an'iny olona iny azafady?
Io Kiranila io mantsy dia tena olona fantatro teto fa nanova ps noho n'ny antony samihafa. Koa anjaran-dry ny mahita azy amin'ny fomba tsy miangatra. Samy Kristianina izahay, eny indry koa. Indry nanontany ahy dia mba mangataka koa aho raha afaka mamaly ny fanontaniako indry.

Ny ahy fotsiny dia tsy voafetran'i baiboly ny Tenin'Andriamanitra fa hitako manerana an'io amin'ny fiainana sy ny asa ary ny zavamisy rehetra. Zany hoe raha tsorina dia tsy dia mirona loatra amina organisations (organized church or religion) na fiangonana na zavatra voafetra ny Fanahiko fa mikatsaka lalandava an'Andriamanitra amin'ny fiainana andavanandro ary mampifandray izany zavatra hitako izany amin'ny vavaka ataoko isanandro, hiresahako amin'Ilay Avo indrindra dia i Jesoa Kristy.

Mpandefa : kiranil [ Valio ] 02-03-2007 21:56:41
Lohateny : Re : Ny kristiana aza tsy mitovy hevitra
Io "philosophy" soratan'i Soanja io no atao hoe Unitarian Universalism; izay mampitambatra ny finoana rehetra eto an-tany: paganism, atheism, islam, agnosticism, buddhism, hinduism, freemasonry, new age movement, satanism .. ary ny christianism sasany koa. Izay toa tsara ivelany kanefa ny ao ambadika dia fitaka ataon'ny satana analavirana ny olona amin'ny ny famonjena tsotra ary maimaimpoana natolotry Jesosy Kristy ho an'izao tontolo izao; ka izay mino izany no voavonjy.

"Fa izao no sitrapon'ny Raiko, dia ny hahazoan'izay rehetra mijery ny zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany." Jaona 6:40

************************

The Unitarian Universalisam espouse a humanist believe of each individual in a position superior to God or scripture.

Jereo eto raha mahaliana anao ny momba io Unitarian Universalism io.

"Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin'ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy" Apokalypsy 12:9

Satana dia namitaka hatramin'ny voalohany ary mbola mamitaka hatramin'izao fotoana izao, kanefa izay manao sy mankato ny sitrapon'Andriamanitra voarakitra ao @ Soratra Masina irery ihany no tena afaka amin'izany famitahana izany.

Misaotra
19. diamondra27 ( 07/03/2007 05:16)
Soanja:misaotra t@ réponse
Araka ny famalinao eo manko no amaliako azy.
Raha misy olona tsy mitovy @ finoako miresaka amiko ny zavatra ataoko dia mihaino azy aho, mi-respecter, mamantatra ny finoany, mi s'intéresser @izany finoana izany fa tsy mijanona @ finoana maha-kristiana ahy aho. Ary indrindra indra dia tsy manambany na manamavo izany finoany izany fa safidiy izany, saingy kosa @ maha-kristiana ahy manana an'i Jesosy ato anatiko dia natao hizara izay azoko aho, dia tsy maintsy mamita izany mission izany araka izay vitako(be ny fakampanahy, fitsapana eny andalana etc...); izany hoe: maneho ny ahy aho ka raha manaraka ilay olona dia Fifaliana lehibe any an-danitra ho an'ny olona iray izay mibebaka , fa raha mitazona ny finoany izy na mijanona tsy hino(tsy mino an'i Jesosy) dia tsy ahy izany efa nolazaina ahy fa asan'i Tompo io fa izaho dia moyen fotsiny (fitaovana ampiasain'i Tompo), fa tsy olako na hoe: tsy maintsy ataoko izay hampino ny olona iray.
Izany no mahatonga ahy hitory na @ fotoana na tsia (fomba firesaka, fihetsika, fifandraisana); tsy voatery mitory baiboly ihany no atao hoe: mitory fa ny fihetsika rehetra.
Dia tonga eto @ asan'ny satana @izay isika izao.
20. ikaretsaka ( 07/03/2007 05:29)
zay mihitsy no tokony ho izy ry diams ! mankasitraka anao... :-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0492