fanamby hoanareo mpino

1. fijo ( 28/02/2007 23:14)
izao ary ry zareo mpino an.
hanao loto europenaina aho.koa satria hoy ianareo hoe ny vavakareo no nampiova ny lalan'ny rivodoza tsy nankany mada,dia mivavaha koa ary ahazoako amin'io loto io.fa raha tanteraka izany,dia sady hino an'andriamanitra aho,no hanangana fiangonana iray lehibe ao mada.
novalian'i niryna ny 12/03/2007 04:21
2. fijo ( 28/02/2007 23:20)
sahy handray ity fanamby ity ve nareo mpino ??????raha tanteraka izany dia za no vavolombelona niaraha nahita voalohany ary ampahibe maso.ka ahoana????
3. cutie ( 28/02/2007 23:26)
Mpandefa : fijo [ Valio ] 01-03-2007 00:14:28
Lohateny : fanamby hoanareo mpino
izao ary ry zareo mpino an.
hanao loto europenaina aho.koa satria hoy ianareo hoe ny vavakareo no nampiova ny lalan'ny rivodoza tsy nankany mada,dia mivavaha koa ary ahazoako amin'io loto io.fa raha tanteraka izany,dia sady hino an'andriamanitra aho,no hanangana fiangonana iray lehibe ao mada

:-D:-D:-D:-D:-D
4. fijo ( 01/03/2007 00:07)
io fa tsy misy sahy mijoro ,fa nihemotra daholo satria resaka mivaingana no hangatahana
5. LazaDaddy ( 01/03/2007 00:11)
fijo> izay rehetra angatahiko amin'ny anaran'i Jesoa dia azoko...fa izaho tsy angataka zavatra @ anaran'ny fitiavam-bola. Jereo izany izy hoe loto, ma-loto.
6. piste ( 01/03/2007 00:12)
Tsy resaka mivaingana fa resak'adala ilay izy.
7. fijo ( 01/03/2007 00:15)
raha tena mino nareo fa mahavita zavatra izany andriamanitrareo izany eto izy asaina manaporofo ny fisiany.fa hino azy aho rah avitany izany....
8. LazaDaddy ( 01/03/2007 00:18)
fijo> misy zavatra tsy hain'Andriamanitra ka:). Ireto avy ny santionany @ zavatra tsy hainy:

- mangalatra (sokajiako ao anatin'io ny loka)
- mandainga
- mijangajanga
- miampanga lainga
9. menafotsy ( 01/03/2007 01:03)
-Efa hita teto izany hoe "miporitsaka toy ny savony na ny fotaka fenjaina ny kristiana rehefa sendra ny defi mazava".A peu près io fa tsy tadidiko tsara.
Jereo izao ny valy boraingona ataon'i LD...Mba tsy nataony aza hoe "tu ne tenteras pas le seigneur ton Dieu"

Eo no mahazendana,tsy mahalala menatra mihitsy ny kristiana amin'ny fiatsarambelatsihy fanaony!:D
10. ikaretsaka ( 01/03/2007 01:47)
arakarak'ilay kristianina io.. misy tena miseho azy hoe tsy fanao izany nefa izy manao!
Eto akaikinay zao misy Methodista fa raikitra ny Bingo ao rehefa hariva an!
nefa io misy methodista miteny hoe tsy fanao izany!:roll:

Eo no mahazendana,tsy mahalala menatra mihitsy ny kristiana (sasany) amin'ny fiatsarambelatsihy fanaony!
11. ikaretsaka ( 01/03/2007 01:49)
fijo> ohatran'ny azokazoko veroka letsy fa tsy ilay numeros mahazo no nalain'ialahy dia tena tsy hivavaka ho an'ialahy aho le:-*
zafady an!
12. LazaDaddy ( 01/03/2007 02:13)
menafotsy:
Jereo izao ny valy boraingona ataon'i LD..
Tsy valy boraingina io fa tena marina!

LazaDaddy:
misy zavatra tsy hain'Andriamanitra ka:). Ireto avy ny santionany @ zavatra tsy hainy:

- mangalatra (sokajiako ao anatin'io ny loka)
- mandainga
- mijangajanga
- miampanga lainga
13. soanja ( 01/03/2007 02:35)
fijo:

izao ary ry zareo mpino an.
hanao loto europenaina aho.koa satria hoy ianareo hoe ny vavakareo no nampiova ny lalan'ny rivodoza tsy nankany mada,dia mivavaha koa ary ahazoako amin'io loto io.fa raha tanteraka izany,dia sady hino an'andriamanitra aho,no hanangana fiangonana iray lehibe ao mada.


Raha zavatra hafa ny tian'ny namako hivavahana ho anao dia hanao aho. Ohatra hoe hivavaho aho Soanja mba hisokatra ny masoko ahita an'Andriamanitra. Dia hanao tokoa aho raha tena amin'ny fonao tokoa izany. Ny ahafahako mahafantatra fa amin'ny fonao tokoa izay dia mila mahita anao aloha zah mitsapa azy. :wink:
Ny fivavahana anie ry Fijo mila avy amin'ilay afo ao anaty (ilay fanahy) izay mampitohy anao amin'ilay Iray/Ray tsy toha. Tsy misy takalo ary tsy misy fepetra. Raha tsy izay de tsy mandaitra ary zavapoana.
Raha sitrakao dia hivavaka ho anao mangina aho androany alina. Tsy ho teneniko anao anefa ny tiako hivavahana ho anao fa ahy irery. :-*:-*


14. fijo ( 01/03/2007 05:13)
soanja ,tena amin'ny fo no hilazako fa hino aho,ary hijoro ho vavolombelona raha toa ka hivavahanareo ka mahazo.ary hoataoko profo ny fananganana trano fivavahana iray raha tanteraka izany.
laza ,tsika tsy hangalatra anie e.fa haka izay mety hoazo mba tsy ho very fotsiny any le vola.
15. jentilisa ( 01/03/2007 06:02)
Tahaka ny hoe rehefa manakareana aho dia mino an'Andriamanitra! aza fady! ny harena indrindra no mampanalavitra an'Andriamanitra ny olona.

Hoy ny Soratra hoe: Raha mino tokoa ianareo ka ao anatinareo ny teniko dia angataho izay rehetra tianareo angatahina fa omeko anareo izany.

Jesoa koa efa nilaza araka ny Soratra ihany: Tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy ny Mamona (Vola) ianareo fa ny iray ho halanareo ary ny iray ho tianareo.

Ka iza aloha no tena tian'i Fijo amin'izao fotoana izao. Ny Hahazo an'Andriamanitra ve sa ny hahazo volabe amin'ny LOTO Eoropeana? HIta mivandravandra aloha fa ny hahazo an'i Mamona no mahamaika anao kokoa!
16. kiranil ( 01/03/2007 06:17)
Raha sitrapon\'Andriamanitra ny fangatahana rehetra dia ho azo avy Aminy daholo; \"Fa moa misy zavatra mahagaga izay tsy hain\'i Jehovah va?\" gen 18:14

\"Fa hoy Jesosy : Izay zavatra tsy hain\'ny olona dia hain\'Andriamanitra.\" lioka 18:27


fa saingy kosa, raha mbola ny sitrapoko, sitrapon\'olombelona [fitiavantena, fitiavambola..] no mibaiko dia tsy ho azo izany na hangataka sy hivavaka mandram-pahafaty aza.

Ireto no anisan\'ny sitrapon\'Andriamanitra mazava tsara:

\"Fa izao no sitrapon\'ny Raiko, dia ny hahazoan\'izay rehetra mijery ny Zanaka [Jesosy Kristy] ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin\'ny andro farany.\" Jaona 6:40

\" Fa izao no sitrapon\'Andriamanitra, dia ny hanamasinana anareo, hifadianareo ny fijangajangana\" ITesaloniana 4:3

Ireo dia mandanja kokoa noho ny izay nety ho fahazoana loto.

Manaraka izay, Andriamanitra afaka miasa @ fomba rehetra fa tsy miankina @ vokatry ny lokan\'olombelona vao afaka miasa.

Farany, Satana koa dia efa nametraka naka fanahy an\'i Jesosy Kristy ny amin\'ny maha Andriamanitra sy zanak\'Andriamanitra Azy.

\"Ary ny devoly nitondra Azy nankany amin\'ny tanàna masina ka nampitoetra Azy teo an-tampon\'ny tempoly,
dia nanao taminy hoe: Raha Zanak\'Andriamanitra Hianao, mianjerà any ambany any; fa voasoratra hoe: \" Izy handidy ny anjeliny ny aminao; ary eny an-tànany no hitondran\'ireo Anao, fandrao ho tafintohina amin\'ny vato ny tongotrao\"
Hoy Jesosy taminy: Voasoratra hoe koa: \"Aza maka fanahy an\'i Jehovah Andriamanitrao\".


Ny tiana lazaina amin\'io dia tsy ho Satana, ary tsy ho isika olombelona mihintsy [izay zava-boahary nohariana] no handidy sy hibaiko an\'Andriamanitra [izay mpamorona].

Ohatra ny milaza @ filoha George W Bush hoe: tena hino aho fa ianao ny president-ny amerika raha fafanao ny kiraroko na omenao $2,54 aho.
Ny marina izay tsy azo kianina dia Bush no president-ny amerika, na faly aho na tsia, na mino aho na tsia, kanefa izy dia tsy hamafa ny kiraroko ary tsy hanome ahy $2,54 na oviana na oviana izy [na dia ananany aza izany vola izany].

Bush izay mbola olombelona sy ho faty rahampitso ihany aza ve dia efa tsy vitako ny mampanao azy izay tiako; koa maika Andriamanitra izay nahary izao tontolo izao no baikoko hanao izay rehetra sitrapoko?


Fa izao zavatra izao no nataon\'ny tanako. Ka dia ary izao rehetra izao, hoy Jehovah; Nefa izao no olona hotsinjoviko, Dia izay malahelo sy torotoro fanahy Sady mangovitra noho ny teniko.


Ho tsinjovin\'Andriamanitra ireo olona izay misy fanetrentena ao aminy, misy fanajana ny teniny ary torotoro fanahy manolona izany teny izany, dia ny Soratra Masina irery ihany.

Misaotra. :-*
17. jentilisa ( 01/03/2007 06:37)
Hafa koa ny an'i kiranil
18. hery ( 01/03/2007 08:44)
Ny finoana dia fanehoana fitiavana an'Andriamanitra...

Tsy atao fitaovana ny fitiavana.

Ny fitiavam-bady aza tsy atao fitiavana :-) sa..?
19. lapino ( 01/03/2007 09:47)
hery:
Ny fitiavam-bady aza tsy atao fitiavana :-) sa..?
an?! :roll::wink:

fijo > Aza maka fanahy an'Andriamanitra
20. hery ( 01/03/2007 09:59)
oups.. :-)

Ny fitiavam-bady aza tsy atao fitaovana.

Io mitovy amin'ilay miteny amin'ny sipa hoe hoe... Raha tena tia ahy ianao dia izao atao... :-p asehoy ny porofo.

Izany ve dia fitiavana?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2397